Fanontanian’ny Mpamaky
Inona no asehon’ny Baiboly momba ny fanasaziana ho faty, dia ny fanamelohana ho faty ny mpanao heloka bevava?
Mora takatra fa ny tsirairay amintsika dia mety hanana ny fomba fihevitsika manokana momba azy io, miorina amin’ny zavatra niainantsika na ny tarehin-javatra misy antsika eo amin’ny fiainana. Kanefa, amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika dia tokony hiezaka hifanaraka amin’ireo hevitr’Andriamanitra momba ny fanasaziana ho faty isika, sady mitoetra ho tsy momba ny atsy na ny aroa raha ny amin’ny fomba fijery politika tanan’ny maro momba io raharaha io.
Raha fintinina, ao amin’ny Teniny voasoratra, Andriamanitra dia tsy mampiseho hoe ratsy ny fanasaziana ho faty.
Tany am-boalohany, teo amin’ny tantaran’ny olombelona, dia nilaza ny heviny momba io raharaha io i Jehovah, araka ny vakintsika ao amin’ny Genesisy toko faha-9. Nahakasika an’i Noa sy ny fianakaviany, izay nanjary razamben’ny fianakavian’olombelona iray manontolo, izy io. Rehefa nivoaka ny sambo fiara izy ireo, dia nilaza Andriamanitra fa afaka mihinana ny biby izy ireo — izany hoe, azo novonoina ny biby, nalana ra, ary nohanina. Avy eo, ao amin’ny Genesisy 9:5, 6, dia hoy Andriamanitra: “Ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany: eo amin’ny tànan’ny manan-aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ny tànan’ny olona, dia eo amin’ny tànan’ny olona avy, no hanadinako ny ain’ny olona. Izay mandatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nanaovany ny olona.” Koa nanome lalana ny fanasaziana ho faty àry i Jehovah, raha ny amin’ny mpamono olona.
Fony Andriamanitra nifampiraharaha tamin’ny Isiraely vahoakany, dia maro samihafa ireo fandikana lehibe hafa ny lalàny, izay mendrika ny fanasaziana ho faty. Ao amin’ny Nomery 15:30, isika dia mamaky izao fanambarana ankapobe izao: “Ny olona izay manota sahisahy (...), na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an’i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.”
Ahoana anefa taorian’ny nanorenana ny kongregasiona kristiana? Fantatsika fa namela ny hisian’ny fitondram-panjakan’olombelona i Jehovah, ary niantso azy ireo hoe ny fahefana ambony izy. Raha ny marina, rehefa avy nanoro hevitra ny Kristiana mba hankatò ny fahefam-panjakana toy izany ny Baiboly, dia milaza fa izy ireo dia ‘mpanompon’Andriamanitra hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa ny nataonao, dia matahora, fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy’. — Romana 13:1-4.
Midika ve izany fa ireo fitondram-panjakana dia nomen-dalana hanala ny ain’ireo izay nanao heloka bevava lehibe? Avy amin’ireo teny ao amin’ny 1 Petera 4:15, dia ho voatery hanatsoaka hevitra isika hoe eny. Ao amin’io andinin-teny io ilay apostoly dia nampirisika an’ireo rahalahiny toy izao: “Aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’olona.” Voamarikareo ve ny hoe “aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona”? Tsy te hilaza akory i Petera hoe tsy nanana zo hampijaly ny mpamono olona noho ny heloka nataony ireo fitondram-panjakana. Mifanohitra amin’izany aza, fa nasehony hoe ny mpamono olona dia mety handray ara-drariny ny sazy mendrika azy. Ho tafiditra amin’izany ve ny fanasaziana amin’ny fahafatesana?
Mety ho izany. Mazava izany avy amin’ny tenin’i Paoly hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-25. Niampanga an’i Paoly ho nandika ny Lalàn’izy ireo ny Jiosy. Rehefa nandefa an’i Paoly, mpifatotra teo aminy, ho any amin’ny governora romana ilay mpifehy arivo, dia nanao tatitra, araka ny marihina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 23:29 manao hoe: “Hitako fa ady hevitra ny amin’ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.” (Izahay no manao sora-mandry.) Rehefa afaka roa taona, dia teo anatrehan’i Festosy Governora i Paoly. Izao no vakintsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 25:8: “Paoly nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin’ny lalàn’ny Jiosy, na tamin’ny tempoly, na tamin’i Kaisara.” Izao anefa dia mifantoha amin’ireo fanamarihana nataony momba ny fanasaziana, ny fanasaziana ho faty mihitsy aza. Izao no vakintsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 25:10-11:
“Hoy Paoly: Eto amin’ny fitsaran’i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na hianao aza dia mahafantatra izany marina. Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan’ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin’ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan’i Kaisara aho.” — Izahay no manao sora-mandry.
I Paoly, nitsangana teo anatrehan’ny fahefana voaorina ara-dalàna tsara, dia niaiky fa i Kaisara dia nanana ny zo hanasazy ny mpanao ratsy, hampamono azy ireo mihitsy aza. Tsy nanohitra ny sazy ho azy izy, raha toa ka meloka. Ambonin’izany, dia nilaza izy fa tsy afaka nampiasa ara-drariny ny fanasaziana ho faty afa-tsy ho an’ny mpamono olona i Kaisara.
Ekena fa tsy lavorary ny fitsarana romana; toy izany koa ny fitsaran’olombelona amin’izao andro izao. Nisy olona tsy manan-tsiny nomelohina sy nosazina, tamin’izany sy amin’izao andro izao. Na dia i Pilato aza dia niteny momba an’i Jesosy hoe: “Tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy; koa hofaizako Izy, dia halefako.” Eny, na dia niaiky aza ny fahefam-panjakana fa tsy nanan-tsiny i Jesosy, dia novonoina io lehilahy tsy meloka io. — Lioka 23:22-25.
Ny tsy rariny toy izany anefa dia tsy nanosika an’i Paoly na i Petera hilaza fa, tamin’ny heviny ara-pitondran-tena fototra, dia ratsy ny fanasaziana ho faty. Ny fomba fihevitr’Andriamanitra an’io raharaha io kosa dia hoe, raha mbola eo ireo fahefana ambony, dia ‘mitondra ny sabatra izy ireo handatsaka fahatezerana amin’ny manao ratsy’. Ary tafiditra amin’izany ny fampiharana ny sabatra amin’ny heviny hoe fampiasana ny fanasaziana ho faty. Fa raha ny amin’ilay fanontaniana ifandirana hoe tokony hampihatra ny zony hampamono an’ireo mpamono olona, sa tsia, ny fitondram-panjakana na iza na iza eto amin’itỳ tontolo itỳ, dia mitandrina ny Kristiana marina ka mitoetra ho tsy momba ny atsy na ny aroa. Tsy mitovy amin’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izy ireo, tsy miditra amin’izay ady hevitra momba io foto-kevitra io izy ireo.