‘Misikina Fanetren-tena’
“Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena”. — 1 PETERA 5:5.
1, 2. Toe-tsaina roa mifanohitra inona avy no misy heriny lalina eo amin’ny fihetsiky ny olombelona?
MISY toe-tsaina roa mifanohitra eo amin’ireo toe-tsaina isarihan’ny Tenin’Andriamanitra ny saintsika. Misy heriny lalina eo amin’ny fihetsiky ny olombelona ireo toe-tsaina roa ireo. Lazalazaina hoe “fanetren-tena” ny iray. (1 Petera 5:5). Ny hoe “manetry tena” dia faritan’ny diksionera iray hoe “tsy manandra-tena eo amin’ny fihetsiny na ny toe-tsainy: tsy miavonavona manambony tena”. Eo imason’Andriamanitra, dia toetra tena faniry ny fanetren-tena.
2 Ilay toe-tsaina mifanohitra amin’izany dia ny avonavona. Faritana hoe “fiheveran-tena ho zavatra amin’ny fomba tafahoatra” izy io, ary toetran’ny olona “manamavo” ny hafa. Tsy mihevitra afa-tsy ny tenany ny olona miavonavona, ary mitady ny tombontsoany ara-nofo sy feno fitiavan-tena ary ny tombontsoany hafa, na manao ahoana na manao ahoana ny voka-dratsin’izany eo amin’ny hafa. Hoy ny fanamarihan’ny Baiboly ny vokany iray amin’izany: ‘Manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’ Resahin’ny Baiboly ho ‘fisamboran-drivotra’ ny “fifampialonan’ny olona”, satria ‘tsy hisy na inona na inona hoentiny’ eo am-pahafatesany. Tsy faniry mihitsy ny toetra toy izany, eo imason’Andriamanitra. — Mpitoriteny 4:4; 5:14; 8:9.
Ny toe-tsaina manjaka eo amin’izao tontolo izao
3. Inona no toe-tsaina manjaka eo amin’izao tontolo izao?
3 Iza amin’ireo toe-tsaina roa ireo no mampiavaka izao tontolo izao ankehitriny? Inona no toe-tsaina manjaka eo amin’izao tontolo izao? Hoy ny fanamarihan’ny World Military and Social Expenditures 1996: “Tsy misy taonjato hafa voarakitra ao amin’ny tantara, ka hoe mitovy amin’ny taonjato faha-20, raha ny amin’ny herisetra (...) amin-kabibiana.” Nahafaty olona maherin’ny 100 tapitrisa ny fifaninanana mba hahazoana fahefana ara-politika sy ara-toe-karena, ary koa ny fifandrafiana ara-pirenena sy ara-pivavahana sy ara-poko ary ara-pirazanana, nandritra ity taonjato ity. Nitombo koa ny tsy fiheverana afa-tsy ny tena, raha eo amin’ny isam-batan’olona. Hoy ny nambaran’ny Chicago Tribune: “Anisan’ny aretin’ny fiaraha-monina ny herisetra tsy amin’antony, ny fampijaliana sy ny fametavetana ankizy, ny fisaraham-panambadiana, ny fahamamoana, ny SIDA, ny tanora mamono tena, ny zava-mahadomelina, ny andian-jiolahy eny amin’ny arabe, ny fametavetana, ny miteraka tsy manambady, ny fanalana zaza, ny sary sy soratra vetaveta, (...) ny fandaingana, ny fanambakana, ny fandraisana kolikoly ao amin’ny fitondram-panjakana (...). Nofoanana ny fiheverana izay atao hoe tsara sy ratsy.” Nampitandrina toy izao àry ny UN Chronicle: “Miharava ny fiaraha-monina.”
4, 5. Ahoana no nilazalazana tsara ny toe-tsain’izao tontolo izao, ao amin’ny faminanian’ny Baiboly momba izao androntsika izao?
4 Hita maneran-tany ireo toe-javatra ireo. Izany dia tsy misy hafa amin’izay nambaran’ny faminanian’ny Baiboly mialoha momba ny androntsika, manao hoe: “Any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo”. — 2 Timoty 3:1-4.
5 Izany dia milazalaza tsara ny toe-tsaina manjaka eo amin’izao tontolo izao, dia ny toe-tsain’ny izaho aloha. Hita taratra eo amin’ny fifandrafian’ny isam-batan’olona ny fifandrafian’ny samy firenena. Eo amin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena, ohatra, dia atleta maro no maniry ny ho voalohany, na manao ahoana na manao ahoana ny ratra ara-pihetseham-po, na ara-batana mihitsy aza, hahazo ny hafa amin’izany. Ampirisihina hanana izany toe-tsaina tsy mihevitra afa-tsy ny tenany izany ny ankizy, ary mitohy eo amin’ny sehatra maro eo amin’ny fiainany izany, rehefa tonga olon-dehibe izy ireo. “Fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana” no vokatr’izany. — Galatiana 5:19-21.
6. Iza no mampandroso ny fitiavan-tena, ary ahoana no fiheveran’i Jehovah io toe-tsaina io?
6 Asehon’ny Baiboly fa ny toe-tsaina tsy mihevitra afa-tsy ny tena, manjaka eto amin’ity tontolo ity, dia mampiseho taratry ny toe-tsain’ilay “atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao”. Hoy ny nambaran’ny Baiboly mialoha, mahakasika ny herin’i Satana eo amin’ny olona miaina amin’izao andro farany mahory izao: “Loza ho an’ny tany (...)! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:9-12). Koa nanamafy ny ezaka nataony izy sy ireo demonia namany, mba hampandrosoana toe-tsaina feno fitiavan-tena eo anivon’ny fianakavian’olombelona. Ary ahoana no fiheveran’i Jehovah io toe-tsaina io? Hoy ny Teniny: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po”. — Ohabolana 16:5.
Momba an’ireo manetry tena i Jehovah
7. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny manetry tena, ary inona no ampianariny azy ireo?
7 Etsy an-danin’izany, dia tahin’i Jehovah ireo izay manetry tena. Hoy i Davida Mpanjaka, tao amin’ny hirany ho an’i Jehovah: “Ny olona [manetry tena, NW ] dia vonjenao; fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.” (2 Samoela 22:1, 28). Noho izany, dia hoy ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra: “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, (...) tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Zefania 2:3). Ampianarin’i Jehovah hamboly toe-tsaina hafa tanteraka noho ny an’ity tontolo ity ireo olona mitady azy amim-panetren-tena. “Mampianatra ny mpandefitra ny làlany”, izy. (Salamo 25:9; Isaia 54:13). Izany lalana izany dia ny lalan’ny fitiavana. Miorina amin’ny fanaovana izay mahitsy araka ny fari-pitsipik’Andriamanitra izy io. “Tsy mirehareha, tsy mieboebo, (...) tsy mitady ny azy”, io fitiavana miorina amin’ny foto-pitsipika io, araka ny Baiboly. (1 Korintiana 13:1-8). Miseho amin’ny fanetren-tena koa izy io.
8, 9. a) Iza no niandohan’ny fitiavana miorina amin’ny foto-pitsipika? b) Amin’ny ahoana no zava-dehibe ny hanahafana ny fitiavana sy ny fanetren-tena nasehon’i Jesosy?
8 Nianatra io karazam-pitiavana io tamin’ny fampianaran’i Jesosy i Paoly sy ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany. I Jesosy kosa nianatra io fitiavana io tamin’i Jehovah Rainy, izay lazain’ny Baiboly hoe: “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:8). Fantatr’i Jesosy fa sitrapon’Andriamanitra ny hiainany mifanaraka amin’ny lalàn’ny fitiavana, ary izany no nataony. (Jaona 6:38). Izany no antony nanehoany fangoraham-po tamin’ny voahosihosy sy ny mahantra ary ny mpanota. (Matio 9:36). Hoy i Jesosy tamin’izy ireny: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho”. — Matio 11:28, 29, izahay no manao sora-mandry.
9 Nasehon’i Jesosy tamin’ny mpianany ny maha zava-dehibe ny hanahafana ny fitiavany sy ny fanetren-tenany, fony izy nilaza tamin’izy ireo hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Hiharihary fa tafasaraka amin’ity tontolo tsy mihevitra afa-tsy ny tenany ity izy ireo. Izany no antony nahafahan’i Jesosy nilaza toy izao, momba ny mpanara-dia azy: “Tsy naman’izao tontolo izao [izy]”. (Jaona 17:14). Tsy manahaka velively ny toe-tsaina feno avonavona sy feno fitiavan-tenan’ny tontolon’i Satana izy ireo, fa manahaka kosa ny toe-tsaina feno fitiavana sy feno fanetren-tena nasehon’i Jesosy.
10. Inona no ataon’i Jehovah amin’ny olona manetry tena amin’izao androntsika izao?
10 Nambaran’ny Tenin’Andriamanitra mialoha fa amin’izao andro farany izao, dia hisy olona manetry tena hangonina ho ao amin’ny fitambaran’olona iray maneran-tany, izay miorina amin’ny fitiavana sy ny fanetren-tena. Araka izany, eo anivon’ny tontolo iray mihafeno avona hatrany, ny vahoakan’i Jehovah dia maneho toe-tsaina mifanohitra amin’izany, dia ny fanetren-tena. Hoy izy ireo: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah [ny fanompoam-pivavahana marina nasandratra izay atolotra ho azy], (...) mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony”. (Isaia 2:2, 3). Ny Vavolombelon’i Jehovah no mahaforona io fitambaran’olona maneran-tany mandeha amin’ny lalan’Andriamanitra io. Anisan’izy ireo ny ‘olona betsaka tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’, ary tsy mitsaha-mitombo izany olona betsaka izany. (Apokalypsy 7:9). Olona an-tapitrisany maro ankehitriny no mahaforona izany olona betsaka izany. Amin’ny fomba ahoana no ampiofanan’i Jehovah azy ireo mba hanetry tena?
Fianarana ny hanetry tena
11, 12. Ahoana no anehoan’ny mpanompon’Andriamanitra fanetren-tena?
11 Ny fanahin’Andriamanitra dia miasa eo amin’ny vahoakany, izay manaiky hiasan’io fanahy io. Io fanahy miasa eo amin’izy ireo io no manampy azy ireo hianatra ny handresy ny toe-tsaina ratsin’izao tontolo izao, ka haneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Miseho izany vokatry ny fanahy izany, amin’ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena”. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Mba hanampiana azy ireo hampitombo ireo toetra ireo, dia toroana hevitra ny mpanompon’Andriamanitra mba tsy hanjary “handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona”. (Galatiana 5:26). Nilaza toy izany koa ny apostoly Paoly, nanao hoe: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony”. — Romana 12:3.
12 Milaza amin’ny Kristianina marina ny Tenin’Andriamanitra mba tsy hanao “na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na [handrani-tena] foana; fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany [ny mpanompon’Andriamanitra hafa] ho mihoatra noho ny tenany. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa”. (Filipiana 2:3, 4). “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.” (1 Korintiana 10:24). Eny, “ny fitiavana [dia] mampiorina” ny hafa amin’ny teny sy ny atao tsy misy fitiavan-tena. (1 Korintiana 8:1, NW ). Ny fitiavana dia mampandroso ny fiaraha-miasa, fa tsy ny fifaninanana. Tsy tokony hisy eo anivon’ny mpanompon’i Jehovah ny toe-tsain’ny izaho aloha.
13. Nahoana no tsy maintsy ianarana ny fanehoana fanetren-tena, ary amin’ny fomba ahoana no ianarana azy io?
13 Tsy teraka manetry tena anefa isika, noho ny tsy fahalavorariana nolovantsika. (Salamo 51:5). Tsy maintsy ianarana ny fanehoana fanetren-tena. Ary mety ho sarotra izany ho an’ireo izay tsy nampianarina ny lalan’i Jehovah hatramin’ny fahazazany, fa tatỳ aoriana vao nanaiky izany lalana izany. Efa namboly toetra niorina tamin’ny toe-tsain’ity tontolo tranainy ity mantsy izy ireo. Koa tsy maintsy mianatra ny ‘hiala amin’ny toetra taloha araka ny fitondran-tenany fahiny’ izy ireo, ka ‘hitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’. (Efesiana 4:22, 24). Afaka manao izao zavatra takin’Andriamanitra aminy izao ireo olona tso-po, rehefa mahazo ny fanampian’Andriamanitra: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana”. — Kolosiana 3:12, izahay no manao sora-mandry.
14. Ahoana no nilazan’i Jesosy ny amin’ny tsy tokony haniriana hanandra-tena?
14 Tsy maintsy nianatra izany ny mpianatr’i Jesosy. Efa olon-dehibe izy ireo, fony tonga mpianatr’i Jesosy, ka efa nanana ny toe-tsain’izao tontolo izao tia mifandrafy, tao aminy tao. Rehefa nitady toerana ambony ho an’ny zanany roa lahy ny renin’ny roa tamin’ireo mpianany, dia hoy i Jesosy: “Fantatrareo fa ny andrianan’ny jentilisa mampanompo [ny olona] tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra. Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo. Fa tahaka izany, ny Zanak’olona [Jesosy] tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:20-28). Rehefa nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy mba tsy hampiasa anaram-boninahitra noho ny fiezahana hanandra-tena, dia hoy ny teny nanampiny: “Hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.” — Matio 23:8.
15. Inona no toe-tsaina tokony hananan’ireo izay maniry ny asan’ny mpiandraikitra?
15 Mpanompo ny tena mpanara-dia an’i Jesosy, ary mpanompon’ny Kristianina namany. (Galatiana 5:13). Izany indrindra no izy ho an’ireo izay maniry ny hahafeno fepetra ho mpiandraikitra ao amin’ny kôngregasiôna. Tsy tokony hifaninana mba hahazoana laza na fahefana izy ireo; tsy tokony ‘hanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana izy ireo, fa ho fianaran’ny ondry’. (1 Petera 5:3). Eny tokoa, raha manana toe-tsaina tsy mitady afa-tsy ny tombontsoan’ny tenany ny lehilahy iray, dia asehony amin’izany fa tsy mendrika ny ho mpiandraikitra izy. Hanimba ny kôngregasiôna ny olona toy izany. Marina fa mety ny ‘haniriana ny asan’ny mpitandrina’ na ny asan’ny mpiandraikitra, kanefa tokony hipoitra avy amin’ny faniriana hanompo ny Kristianina hafa izany. Tsy toerana hahazoana laza na fahefana akory izy io, satria tokony ho anisan’ireo manetry tena indrindra ao amin’ny kôngregasiôna ny mpiandraikitra. — 1 Timoty 3:1, 6.
16. Nahoana no nomelohina i Diotrefa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
16 Nisarika ny saintsika ho amin’ny olona iray nanana fomba fijery diso, ny apostoly Jaona, nanao hoe: “Nanoratra tamin’ny fiangonana ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay [amim-panajana, NW ].” Tsy nanaja ny hafa io lehilahy io, mba hisondrotany. Nanosika an’i Jaona kosa ny fanahin’Andriamanitra mba hampiditra ao amin’ny Baiboly ny fanamelohana an’i Diotrefa, noho ny toe-tsain’ny izaho aloha nasehony. — 3 Jaona 9, 10.
Ny toe-tsaina mety
17. Ahoana no nanehoan’i Petera sy i Paoly ary i Barnabasy fanetren-tena?
17 Misy ohatra maro ao amin’ny Baiboly, raha ny amin’ilay toe-tsaina mety, dia ny fanetren-tena. Rehefa niditra tao an-tranon’i Kornelio i Petera, dia “niankohoka teo amin’ny tongony sady nitsaoka azy” i Kornelio. Tsy nanaiky ny hohindrahindraina anefa i “Petera [fa] nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany”. (Asan’ny Apostoly 10:25, 26). Fony i Paoly sy i Barnabasy tany Lystra, dia nanasitrana lehilahy iray nalemy hatrany am-bohoka i Paoly. Ho vokatr’izany, dia nolazain’ireo vahoaka ho andriamanitra izy roa lahy ireo. I Paoly sy i Barnabasy anefa “nandriatra ny fitafiany (...) ka nitsarapaka nankeo afovoan’ny olona sady niantso nanao hoe: Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay”. (Asan’ny Apostoly 14:8-15). Tsy nanaiky ny hahazo voninahitra avy amin’ny olona ireo Kristianina nanetry tena ireo.
18. Inona no nolazain’ny anjely mahery iray tamin’i Jaona, tamim-panetren-tena?
18 Rehefa nahazo “fanambaran’i Jesosy Kristy” ny apostoly Jaona, dia anjely iray no nampita izany taminy. (Apokalypsy 1:1). Noho ny herin’ny anjely, dia takatsika ny antony nahafeno tahotra an’i Jaona, satria anjely iray dia naharingana Asyrianina 185 000 tao anatin’ny indray alina monja. (2 Mpanjaka 19:35). Hoy ny fitantaran’i Jaona: “Rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ny tongotr’ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo. Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ny mpaminany rahalahinao (...); Andriamanitra ihany no ivavaho.” (Apokalypsy 22:8, 9). Tena nanetry tena tokoa io anjely mahery io!
19, 20. Ampitahao ny fieboeboan’ny jeneraly romanina nandresy sy ny fanetren-tenan’i Jesosy.
19 I Jesosy no ohatra tsara indrindra, raha ny amin’ny fanetren-tena. Zanaka lahitokan’Andriamanitra izy, sady ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra amin’ny hoavy. Fony izy niseho tamin’ny vahoaka hoe ho Mpanjaka, dia tsy nanao toy ireo jeneraly mpandresy tamin’ny andron’ny Romanina izy. Nanaovana filaharana goavana mantsy ireo jeneraly romanina. Nitaingina kalesy voaravaka volamena sy ivoara izy ireo, ary notarihin’ny soavaly fotsy, na notarihin’ny elefanta, na liona, na tigra mihitsy aza ilay kalesy. Tao amin’ireo filaharana dia nisy mpahay mozika nanao hiram-pandresena, ary koa sarety feno zavatra babo sy kalesy nisy lampihazo goavana nampisehoana ny ady natao. Tao koa ireo mpanjaka sy andriana ary jeneraly babo, mbamin’ireo fianakaviany, izay matetika no nampitanjahina mba hampietrena azy ireo. Hita nisongadina tamin’ilay fisehoan-javatra ny avonavona sy ny fieboeboana.
20 Ampitahao amin’izany ny fomba nisehoan’i Jesosy. Vonona i Jesosy hanaiky amim-panetren-tena hanatanteraka ilay faminaniana momba azy, nambara mialoha toy izao: “Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky”. Nanetry tena izy satria nitaingina biby mpitondra entana, fa tsy nitaingina kalesy notarihin’ny biby bikàna fitondra amin’ny filaharana. (Zakaria 9:9; Matio 21:4, 5). Toy inona moa ny fifalian’ny olona manetry tena fa ho Mpanjaka voatendrin’i Jehovah hanapaka ny tany manontolo ao amin’ny tontolo vaovao i Jesosy, izay tena manetry tena sy be fitiavana sy mangoraka ary mamindra fo tokoa! — Isaia 9:5, 6; Filipiana 2:5-8.
21. Tsy midika ho inona ny fanetren-tena?
21 Nanetry tena i Jesosy, i Petera, i Paoly sy ireo lehilahy sy vehivavy hafa nanam-pinoana tamin’ny andron’ny Baiboly. Izany dia manilika ilay fiheverana hoe fahalemena ny fanetren-tena. Mampiseho herin-tsaina kosa izy io, satria be herim-po sy be zotom-po ireo olona ireo. Nanana herin-tsaina lehibe izy ireo, teo am-piaretana fisedrana mafy. (Hebreo, toko faha-11). Ary manana hery toy izany koa ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao, rehefa manetry tena, satria tohanan’Andriamanitra amin’ny fanahiny masina mahery ny olona manetry tena. Ampirisihina toy izao àry isika: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa ‘Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena’. Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro”. — 1 Petera 5:5, 6; 2 Korintiana 4:7.
22. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
22 Misy lafiny tsara hafa iray amin’ny fanetren-tena, izay ilain’ny mpanompon’Andriamanitra hampiharina. Izy io dia manampy be dia be amin’ny fampitomboana ny toe-tsaina feno fitiavana sy tia miara-miasa ao amin’ireo kôngregasiôna. Eny tokoa, tapany tena ilaina amin’ny fanetren-tena izy io. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny amin’izany.
Ho Famerenana
◻ Lazalazao ny toe-tsaina manjaka eto amin’ity tontolo ity.
◻ Ahoana no anehoan’i Jehovah fankasitrahana an’ireo manetry tena?
◻ Nahoana no tsy maintsy ianarana ny fanehoana fanetren-tena?
◻ Inona avy no ohatra sasany ao amin’ny Baiboly ny amin’ny olona naneho fanetren-tena?
[Sary, pejy 15]
Hoy ilay anjely tamin’i Jaona: “Aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho”