Mitandrema Amin’ny Mpampianatra Sandoka!
“Hisy koa mpampianatra sandoka (...) eo aminareo”. — 2 PETERA 2:1.
1. Inona no nokasain’i Joda hosoratana, ary nahoana izy no nanova ny foto-dresany?
IZANY ka zavatra mahazendana! Mpampianatra sandoka tao amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany! (Matio 7:15; Asan’ny Apostoly 20:29, 30). Nahalala io fisehoan-javatra io i Joda, rahalahin’i Jesosy, iray reny taminy. Nilaza izy fa nikasa hanoratra tamin’ireo mpiray finoana taminy “ny amin’ny famonjena iombonantsika”, kanefa dia nanazava izy hoe: “Nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana”. Nahoana i Joda no nanova ny foto-dresany? Satria, hoy izy, “misy olona sasany efa niditra misokosoko [ao anatin’ny kongregasiona] (...) izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitra [ho fialan-tsiny mba hanaovana fitondran-tena tsy voafehy, NW ]”. — Joda 3, 4.
2. Nahoana no mitovy be ny 2 Petera toko faha-2 sy ny Joda?
2 Toa taoriana kelin’ny nanoratan’i Petera ny taratasiny faharoa no nanoratan’i Joda. Tsy isalasalana fa fantatr’i Joda tsara io taratasy io. Azo antoka fa nilaza hevitra maro mitovitovy amin’izany izy tao amin’ilay taratasy fampirisihana mahery nataony. Noho izany, eo am-pandinihantsika ny 2 Petera toko faha-2, dia homarihintsika ny fitovian’izy io amin’ny taratasin’i Joda.
Vokatry ny fampianarana sandoka
3. Inona no nitranga tamin’ny lasa ka nolazain’i Petera fa hitranga indray?
3 Rehefa avy nampirisika mafy ireo rahalahiny mba handinika ny faminaniana i Petera, dia nilaza hoe: “Fa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo”. (2 Petera 1:14–2:1). Ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny dia nahazo faminaniana marina, saingy tsy maintsy niady tamin’ireo fampianarana nivaona nataon’ny mpaminany sandoka koa izy ireo. (Jeremia 6:13, 14; 28:1-3, 15). “Tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa”, hoy ny nosoratan’i Jeremia, “no nahitako zavatra mahatsiravina; mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy”. — Jeremia 23:14.
4. Nahoana no mendrika ny fandringanana ireo mpampianatra sandoka?
4 Raha nilazalaza izay hataon’ireo mpampianatra sandoka ao amin’ny kongregasiona kristiana i Petera, dia nanao hoe: ‘Ireo dia hahatonga mangingina [sekta manimba, NW ] ary handa ny Tompo [Jesosy Kristy] Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany.’ (2 Petera 2:1; Joda 4). Ny vokatra faran’izany fiandaniana tamin’ny sekta tamin’ny taonjato voalohany izany, dia ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, araka ny ahafantarantsika azy amin’izao andro izao. Nasehon’i Petera ny antony nahatonga ireo mpampianatra sandoka ho mendrika tanteraka ny fandringanana: “Maro no hanaraka ny [fitondran-tenany tsy voafehy, NW ]; ka ireny no hitenenan-dratsy ny làlan’ny fahamarinana.” — 2 Petera 2:2.
5. Tompon’andraikitra tamin’inona ireo mpampianatra sandoka?
5 Mba eritrereto ange e! Noho ny fitaoman’ireo mpampianatra sandoka, dia maro ao amin’ny kongregasiona no hanjary ho voarohirohy amin’ny fitondran-tena tsy voafehy. Ny teny grika nadika hoe “fitondran-tena tsy voafehy” dia milaza filibana, tsy fisian’ny fifehezan-tena, tsy fahamaotinana, fanaovan-javatra vetaveta, fitondran-tena tsy misy henatra. Nilaza i Petera teo aloha kokoa fa ny Kristiana dia efa “afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana”. (2 Petera 1:4). Nandeha niverina tany amin’izany fahasimbana ara-pitondran-tena izany anefa ny sasany, ka ireo mpampianatra sandoka no tompon’andraikitra lehibe indrindra tamin’izany! Noho izany, dia afa-baraka ny lalan’ny fahamarinana. Nampalahelo tokoa lahy izany! Azo antoka fa raharaha tokony hodinihintsika akaiky izany, dia isika Vavolombelon’i Jehovah rehetra amin’izao andro izao. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa afaka mitondra fiderana na fahafaham-baraka ho an’i Jehovah Andriamanitra sy ny vahoakany isika, arakaraka ny fitondran-tenantsika. — Ohabolana 27:11; Romana 2:24.
Fampidirana fampianarana sandoka
6. Inona no nanosika ireo mpampianatra sandoka, ary ahoana no nitadiavan’izy ireo hahazo izay niriny?
6 Marihintsika amim-pahendrena ny fomba nampidiran’ireo mpampianatra sandoka ny fiheveran-disony. Nilaza aloha i Petera fa izy ireo dia nanao izany mangingina, na tamin’ny fomba tsy nibaribary, feno hafetsifetsena. Nanampy teny toy izao izy: “Amin’ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin’ny teny mamitaka”. Ny faniriana feno fitiavan-tena no nanosika ireo mpampianatra sandoka, araka ny antitranterin’ny nandikan’ny The Jerusalem Bible azy io hoe: “Ho dodona izy ireo hanandrana hividy anareo amin’ny teny manodòka.” Toy izany koa, ny fandikan-tenin’i James Moffatt eto dia milaza hoe: “Noho ny filan-dratsiny, dia hanararaotra anareo amin’ny fanaporofoan-kevitra feno hafetsen-dratsy izy.” (2 Petera 2:1, 3). Ho an’ny olona tsy mailo ara-panahy, dia mety ho toa mendrika inoana erỳ ny fanambaran’ireo mpampianatra sandoka, kanefa ny tenin’ireo dia natao tamim-pitandremana mba ‘hividianana’ ny olona, hamitahana azy mba hanatanterahany ny zava-kendrena feno fitiavan-tenan’ireo mpamitaka.
7. Filôzôfia inona no nanjary tiam-bahoaka, tamin’ny taonjato voalohany?
7 Tsy isalasalana fa nampihatra fitaomana teo amin’ireo mpampianatra sandoka tamin’ny taonjato voalohany ny fisainan’izao tontolo izao nisy tamin’izany. Tokony ho tamin’ny fotoana nanoratan’i Petera, dia nanjary tiam-bahoaka ny filôzôfia iray nantsoina hoe Gnôstisisma. Ireo Gnôstika dia nino fa ratsy avokoa ny zavatra azo tsapain-tanana rehetra, ary izay anisan’ny fanahy ihany no tsara. Araka izany, dia nilaza ny sasany tamin’izy ireo fa tsy mampaninona izay ataon’ny olona iray amin’ny vatany ara-nofo. Amin’ny farany tsinona dia tsy hanana io vatana io ny olona, hoy ny fanaporofoan-kevitr’izy ireo. Noho izany, hoy ny fanatsoahan-keviny, dia tsy zava-dehibe ny fahotana amin’ny vatana — anisan’izany ireo fahotana eo amin’ny firaisana. Toa nanomboka nampihatra fitaomana teo amin’ny sasany izay nilaza fa nanaraka ny Kristianisma, izany fiheverana izany.
8, 9. a) Fanjohian-kevitra mivaona inona no nisy fiantraikany teo amin’ny Kristiana sasany tany am-boalohany? b) Araka ny voalazan’i Joda, dia inona no nataon’ny sasany tao amin’ny kongregasiona?
8 Nomarihin’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, fa “tao amin’ny Eglizy, dia nisy ireo izay nanolana ny hevitry ny foto-pinoana momba fahasoavana” na ny “hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory”. (Efesiana 1:5-7, NW ). Araka ny voalazany, dia toy izao no fizotran’ny fanaporofoan-kevitra nataon’ny sasany: “Milaza ve ianao hoe lehibe ny [hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory] ka ampy mba hanaronana ny fahotana rehetra? (...) Raha izany, dia andao hanota satria afaka mamafa ny fahotantsika rehetra ny [hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory]. Raha ny marina, dia ho afa-miasa bebe kokoa ny [hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory] rehefa bebe kokoa ny fahotana ataontsika.” Efa mba nandre fanjohian-kevitra mivaona kokoa noho izany ve ianao?
9 Nanohitra fiheveran-diso momba ny famindram-pon’Andriamanitra ny apostoly Paoly fony izy nanontany hoe: “Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana?” Nanontany toy izao koa izy: “Hanota va isika, saingy tsy ambanin’ny lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana?” Namaly tamin’ny fomba hentitra toy izao i Paoly, tamin’ny fanontaniana tsirairay: “Sanatria izany!” (Romana 6:1, 2, 15). Miharihary, araka ny fanamarihan’i Joda, fa ny sasany dia “mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho [fialan-tsiny mba hanaovana fitondran-tena tsy voafehy, NW ]”. Nomarihin’i Petera anefa fa, ho an’ny olona toy izany, dia ‘tsy rendremana ny fandringanana’. — Joda 4; 2 Petera 2:3, NW.
Ohatra ho fampitandremana
10, 11. Inona avy ireo ohatra telo ho fampitandremana nomen’i Petera?
10 Mba hanantitranterana fa handray fepetra amin’ireo minia manao ratsy Andriamanitra, dia nanome ohatra telo ho fampitandremana avy ao amin’ny Soratra Masina, i Petera. Izao aloha no nosoratany: “Tsy navelan’Andriamanitra ny anjely fony nanota”. Izy ireny, hoy i Joda, dia “tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany” tany an-danitra. Nanketỳ an-tany izy ireo talohan’ny Safo-drano, ary naka vatana ara-nofo mba hanaovany firaisana tamin’ireo zanakavavin’ny olona. Ho sazin’ny fitondran-tenany ratsy sy tsy araka ny natiora, dia natsipy tao “an-davaka maizina” izy ireo, na, araka ny filazan’ny fitantaran’i Joda, dia ‘voahazona amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe’. — 2 Petera 2:4; Joda 6; Genesisy 6:1-3.
11 Avy eo i Petera dia nanisy firesahana ny amin’ireo olona tamin’ny andron’i Noa. (Genesisy 7:17-24). Nilaza izy fa, tamin’ny andron’i Noa, Andriamanitra dia “tsy namela izao rehetra izao taloha (...) fony nahatonga ny Safodrano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao”. Farany, dia nanoratra i Petera fa namela “fananarana ho an’izay ratsy fanahy ato aoriana” Andriamanitra fony “nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora”. Nanome fanazavana fanampiny i Joda fa ireny olona ireny dia “nijangajanga [tafahoatra, NW ] (...) ka lasa nanaraka nofo hafa”. (2 Petera 2:5, 6; Joda 7). Tsy vitan’ny hoe tamim-behivavy fotsiny no nanaovan’ireo lehilahy firaisana nandrarana, fa nananan’izy ireo filan-dratsy koa ny nofon’ireo lehilahy hafa, angamba mihitsy aza ny nofon’ireo biby. — Genesisy 19:4, 5; Levitikosy 18:22-25.
12. Araka ny voalazan’i Petera, ahoana no amalian-tsoa ny fitondran-tena marina?
12 Tetsy an-danin’izany anefa dia nanamarika i Petera fa mpamaly soa ireo izay manompo azy amim-pahatokiana i Jehovah. Notantarainy, ohatra, ny fomba ‘namonjen’Andriamanitra an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito’ hafa, fony izy nahatonga ny Safo-drano. Noresahiny koa ny amin’ny namonjen’i Jehovah an’i “Lota marina” tamin’ny andron’i Sodoma, ka nanatsoaka hevitra toy izao izy: “Fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina [mba hofongorana, NW ] amin’ny andro fitsarana”. — 2 Petera 2:5, 7-9.
Fanaovan-javatra mendrika sazy
13. Iza no tahirizina manokana ho amin’ny fitsarana, ary toa nanaram-po tamin’ny nofy nanao ahoana izy ireo?
13 Nosinganin’i Petera ireo izay tahirizina manokana ho amin’ny fitsaran’Andriamanitra, dia “izay mandeha araka ny fitarihan’ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana”. Toy ny hoe tsapantsika mihitsy ny fahatezeran’i Petera fony izy niteny hoe: “Ireo dia olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.” Nanoratra i Joda fa “ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo (...) ary miteny ratsy ny manana voninahitra”. (2 Petera 2:10; Joda 8). Nety ho tafiditra tamin’ny nofin’izy ireny ny nofinofy maloto momba ny fanaovana firaisana, dia nofinofy izay nampirisika azy ireo hikatsaka fanaranam-po amin’ny firaisana maloto. Amin’ny heviny ahoana anefa izy ireo no “manamavo ny manana fahalehibiazana” sy “miteny ratsy ny manana voninahitra”?
14. Amin’ny heviny ahoana ireo mpampianatra sandoka no “manamavo ny manana fahalehibiazana” sy “miteny ratsy ny manana voninahitra”?
14 Nanao izany izy ireo tamin’ny fanamavoana ny fahefana voatendrin’Andriamanitra. Ireo loholona kristiana dia misolo tena an’i Jehovah Andriamanitra be voninahitra sy ny Zanany, ka noho izany, dia manana voninahitra sasany nomena azy. Marina fa manao fahadisoana izy ireo, toy ny nataon’i Petera, kanefa ny Soratra Masina dia mampirisika mafy an’ireo anisan’ny kongregasiona mba hanaiky ireny manana voninahitra ireny. (Hebreo 13:17). Ny kileman-toetran’izy ireo dia tsy manome antony hitenenana ratsy azy. Nilaza i Petera fa ny anjely dia “tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy” ireo mpampianatra sandoka, na dia mendrika tanteraka an’izany aza izy ireo. “Fa ireo kosa”, hoy i Petera nanohy ny teniny, “izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan-aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin’ny fahalotoany.” — 2 Petera 2:10-13.
“Raha miara-mihinana aminareo”
15. Inona avy ireo fomba fanaon’ny mpampianatra sandoka, ary aiza izy ireo no manao ny famitahany hanao firaisana?
15 Na dia ‘nataon’[ireny lehilahy ratsy fitondran-tena ireny] ho zava-mahafinaritra aza ny velona vetivety amin’ny fy’, ary na dia “be pentimpentina sy tsiny” aza izy ireo, dia mbola maniasia koa izy ireo. Nanao zavatra “mangingina” izy ireo, nampiasa “teny mamitaka”, araka ny nomarihin’i Petera teo aloha kokoa. (2 Petera 2:1, 3, 13). Araka izany, dia mety tsy ho nihaika an-karihary ny fiezahan’ireo loholona hanandratra ny fari-pitsipi-pitondran-tenan’Andriamanitra akory izy ireo, na hoe nikatsaka an-karihary fanaranam-po tamin’ny firaisana. Lazain’i Petera kosa fa izy ireo dia manaram-po “amin’ny [fahafinaretana tsy voafehy, amin’ireo fampianarany mamitaka, NW ], raha miara-mihinana aminareo”. Ary nanoratra toy izao i Joda: “Ireo no harambato voasaron-drano eo amin’ny fanasam-pifankatiavanareo”. (Joda 12). Eny, toy ny haram-bato maranitra ao ambanin’ny rano, izay mety hahavaky ny fanambanin-tsambo ka haharendrika ireo tantsambo tsy mailo, no nanimban’ireo mpampianatra sandoka an’ireo tsy mailo izay mody nanehoany fitiavana tamim-pihatsarambelatsihy nandritra ireo “fanasam-pifankatiavana”.
16. a) Inona ireo “fanasam-pifankatiavana”, ary amin’ny toe-javatra mitovy amin’izany inona no mety hiasan’ireo ratsy fitondran-tena amin’izao andro izao? b) Mampifantoka ny sainy amin’iza ireo mpampianatra sandoka, koa inona no tokony hataon’ny olona toy izany?
16 Ireny “fanasam-pifankatiavana” ireny dia toa fotoam-pikoranana izay niarahan’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany mba hankafizana sakafo sy fiarahana amin’ny hafa. Indraindray koa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia miara-mikorana, angamba amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, amin’ny fitsangantsanganana na amin’ny takariva iarahan’ireo mpinamana. Ahoana no ahafahan’ny olona ratsy fitondran-tena mampiasa fisehoan-javatra toy izany mba hamitahana izay tiany hasiana? Nanoratra toy izao i Petera: “Manana maso feno fijangajangana, (...) [sy] mamitaka ny tsy miorina tsara izy”. Ny ‘fony, izay nozariny tamin’ny hafatratry ny fitiavany harena’, dia nampifantohany tamin’ireo tsy miorina tsara ara-panahy izay tsy nandray tamin’ny fomba feno ny fahamarinana. Koa aoka ianao handray fampitandremana mialoha avy amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Petera, ary mitandrema! Tohero izay mety ho fandrokidrokiana maloto, ary aoka ianao tsy ho voafitaky ny toetoetra mambabo na ny hatsaram-bikan’ny olona iray izay manao fandrokidrokiana maloto ara-pitondran-tena! — 2 Petera 2:14.
“Ny làlan’i Balama”
17. Inona “ny làlan’i Balama”, ary ahoana ny fiantraikan’izany teo amin’ireo Isiraelita 24 000?
17 Ireny olona ‘voaozona’ ireny dia nahafantatra ny fahamarinana nandritra ny fotoana kelikely. Mety ho toa mbola narisika tao amin’ny kongregasiona izy ireo. Hoy anefa i Petera: “Efa niala tamin’ny làlana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny làlan’i Balama, zanak’i Beora, izay tia ny tambin’ny tsifahamarinana”. (2 Petera 2:14, 15). Ny lalan’ny mpaminany Balama dia ilay toroheviny momba ny famitahana hanao firaisana maloto, mba hahazoany tombony manokana. Nilaza tamin’i Balaka Mpanjaka moabita izy fa hanozona ny Isiraely Andriamanitra raha toa ka voataona mba hijangajanga ilay vahoaka. Ho vokatr’izany, dia maro tamin’ny vahoakan’Andriamanitra no tsy naharitra ny fanangolen’ireo vehivavy moabita, ka 24 000 no novonoina ho faty noho ny fitondran-tena ratsiny. — Nomery 25:1-9; 31:15, 16; Apokalypsy 2:14.
18. Nanao ahoana ny fikirizan’i Balama, ary milaza inona ho an’ireo mpampianatra sandoka ny niafaran’izy io?
18 Nomarihin’i Petera fa voasakana i Balama fony niteny taminy ny borikiny, kanefa dia “tia ny tambin’ny tsifahamarinana” aoka izany i Balama ka, na dia rehefa nitranga aza izany, dia tsy nampitsahatra ny ‘hadalany’ izy. (2 Petera 2:15, 16). Haratsiana re izany! Lozan’izay sahala amin’i Balama ka manandrana manimba ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fakana fanahy azy ireo hanao fahalotoam-pitondran-tena! Maty noho ny faharatsiany i Balama, ka izany dia fampisehoana mialoha ny amin’izay hitranga amin’ireo rehetra manaraka ny lalany. — Nomery 31:8.
Ny famitahany araka ny Devoly
19, 20. a) Nampitahaina tamin’inona ireo olona sahala amin’i Balama, ary nahoana? b) Iza no fitahin’izy ireo ary amin’ny fomba ahoana? d) Nahoana no azontsika lazaina fa araka ny Devoly ny famitahan’izy ireo, ary ahoana no ahafahantsika miaro ny tenantsika sy ny hafa, amin’izy ireny?
19 Raha nilazalaza ireo olona sahala amin’i Balama i Petera, dia nanoratra toy izao: “Ireo dia loharano [na lava-drano] ritra, zavona [na rahona] entin’ny tafio-drivotra”. Ho an’ny mpandeha iray any an’efitra, dia mety hidika ho fahafatesana ny lava-drano ritra iray. Tsy mahagaga raha “efa tehirizina” ho an’ny olona sahala amin’ireo zavatra ireo “ny fahamaintisan’ny maizina”! “Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo”, hoy i Petera nanohy ny teniny, “ka ny filan’ny nofo, [sy] ny [fahazarana tsy voafehy, NW ], no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman’ny velona eo amin’ny fahadisoana intsony”. Namitaka ireo tsy ampy fanandraman-javatra izy ireo tamin’ny ‘fampanantenana fahafahana ho an’ireny’, hoy i Petera, kanefa “ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana”. — 2 Petera 2:17-19; Galatiana 5:13.
20 Araka ny Devoly ny famitahan’ny mpampianatra ratsy fitondran-tena toy izany. Mety hiteny toy izao izy ireo, ohatra: ‘Fantatr’Andriamanitra ange fa malemy sy mora voan’ny fahamaimaizana eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy isika e! Koa raha manaram-po isika, ka manome fahafaham-po ny faniriantsika eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, dia hamindra fo Andriamanitra. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia hamela antsika izy, toy ny nataony fony isika vao tonga tao amin’ny fahamarinana.’ Tsarovy fa nampiasa tari-dresaka mitovitovy amin’izany tamin’i Eva ny Devoly, ka nampanantena azy fa afaka nanota izy kanefa tsy ho voasazy. Tamin’i Eva, dia nilaza ny Devoly fa ny fanotana amin’Andriamanitra dia hanome azy fahalalana bebe kokoa sy fahafahana. (Genesisy 3:4, 5). Raha sanatria ka sendra olona ratsy fitondran-tena toy izany isika ao amin’ny kongregasiona, dia manana adidy hiaro ny tenantsika sy ny hafa koa isika, amin’ny filazana ny momba ilay olona any amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana. — Levitikosy 5:1.
Voaron’ny fahalalana araka ny marina
21-23. a) Inona avy no vokatry ny tsy fampiharana ny fahalalana araka ny marina? b) Zava-nanahirana fanampiny inona no noresahin’i Petera ka hodinihina manaraka?
21 Namarana io tapany tamin’ny taratasiny io i Petera tamin’ny filazalazana ny vokatry ny tsy fampiharana ilay fahalalana izay voalazany taloha kokoa fa tena zava-dehibe ho an’ny “fiainana sy ny fifikirana amin’Andriamanitra”. (2 Petera 1:2, 3, 8, NW ). Nanoratra toy izao izy: “Fa raha misy efa afaka amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny [ fahalalana araka ny marina momba, NW ] an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.” (2 Petera 2:20). Mampalahelo re izany! Tamin’ny andron’i Petera, ny olona toy izany dia nanary ilay fanantenana sarobidy, dia ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra, noho ny fotoana mihelina nanaranam-po tamin’ny firaisana.
22 Koa hoy i Petera: “Tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan’ny fahamarinana toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: ‘Ny amboa miverina indray amin’ny loany’, ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.” — 2 Petera 2:21, 22; Ohabolana 26:11.
23 Nisy zava-nanahirana hafa niharihary fa nanomboka nisy fiantraikany teo amin’ireo Kristiana tany am-boalohany. Izy io dia mitovy amin’ilay mahazo ny sasany amin’izao andro izao. Tamin’izany fotoana izany, dia niharihary fa nisy nitaraina momba ilay toa tsy fahatongavan’ny fanatrehan’i Kristy nampanantenaina. Aoka hodinihintsika ny fomba nikarakaran’i Petera io raharaha io.
Tsaroanao Ve?
◻ Inona avy ireo ohatra telo ho fampitandremana notononin’i Petera?
◻ Amin’ny ahoana ireo mpampianatra sandoka no “manamavo ny manana fahalehibiazana”?
◻ Inona ny lalan’i Balama, ary ahoana no mety hanandraman’ireo izay manaraka izany mamitaka ny hafa?
◻ Inona avy no vokatry ny tsy fampiharana ny fahalalana araka ny marina?
[Sary, pejy 16, 17]
Ohatra ho fampitandremana i Balama