-
Nahoana isika no mila ny fahalalana marina?Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Jona
-
-
15. Fampitandremana inona no nomen’i Petera mikasika ny fialana?
15 Mety amin’izany indrindra ny tenin’i Petera hoe: “Fa raha misy efa afaka amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.
-
-
Nahoana isika no mila ny fahalalana marina?Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Jona
-
-
16. a) Tamin’ny fomba ahoana no nahavoafitaka ny sasany tsy ela izay? b) Latsaka ao amin’ny fanaovana inona avy moa ireo voafitaka?
16 Izay manary ny fahalalana marina ny fahamarinana dia matetika no mifidy ny lalana mety amin’ny tenany. Tsy manaiky ny andraikitra hivory tsy tapaka na handray anjara amin’ny fanompoana isan-trano intsony izy ireo. Ny sasany aza nifoka sigara indray! Faly ny hafa satria tsy voatery hiseho hiavaka noho ny raharaha mahakasika ny fialanalanana kristiana sy ny fampiasana ny ra amin’ny fomba ratsy intsony. Fahafahana re izany! Izao izy dia ho afaka hifidy na dia ny antoko ara-politikan’ny “bibi-dia” aza. (Apokalypsy 13:1, 7.) Toy izany, sahala amin’ny fanahy mivadibadika, ny sasany dia nanaiky ho voafitaka sy ho voataona hiala amin’ny lalan’ny fahalalana marina noho ireo izay ‘nampanantena fahafahana, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana’. — 2 Petera 2:15-19.
-