Tadidio Tsara ao An-tsaina ny Andron’i Jehovah
“Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira”. — 2 PETERA 3:3.
1. Toy inona ny fahatsapana fahadodonana nananan’ny Kristiana iray amin’izao androntsika izao?
NANORATRA toy izao ny mpanompo manontolo andro iray efa hatramin’ny 66 taona mahery izao: “Tsapako ho dodona fatratra foana ny tenako. Rahafakampitso foana i Haramagedona, tao an-tsaiko. (Apokalypsy 16:14, 16). Sahala amin-draiko sy ny raibeko, dia niaina ny fiainako toy ny nampirisihan’ny apostoly [Petera] aho, ‘tamin’ny fitadidiana tsara tao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah’. Noheveriko foana ho ‘zavatra tena izy’ ilay tontolo vaovao nampanantenaina ‘na dia tsy hita aza’.” — 2 Petera 3:11, 12, NW; Hebreo 11:1, NW; Isaia 11:6-9; Apokalypsy 21:3, 4.
2. Inona no dikan’ny hoe mitadidy tsara ao an-tsaina ny andron’i Jehovah?
2 Ilay fitenenan’i Petera hoe “fitadidiana tsara ao an-tsaina” mifandray amin’ny andron’i Jehovah, dia midika fa tsy mampihemotra azy io ao an-tsaintsika isika. Tsy tokony hohadinointsika fa akaiky dia akaiky ilay andro handringanan’i Jehovah an’itỳ fandehan-javatra itỳ, izay hialoha ny fiorenan’ilay tontolo vaovao nampanantenainy. Tokony ho zavatra tena izy tokoa amintsika izy io, ka ho hitantsika mazava, toy ny hoe eo alohantsika eo mihitsy. Zavatra tena izy tokoa izy io tamin’ireo mpaminanin’Andriamanitra fahiny, ary matetika izy ireo no nilaza azy io ho antomotra. — Isaia 13:6; Joela 1:15; 2:1; Obadia 15; Zefania 1:7, 14.
3. Miharihary fa inona no nanosika an’i Petera hanoro hevitra momba ny andron’i Jehovah?
3 Nahoana i Petera no mampirisika antsika hihevitra ny andron’i Jehovah ho toy ny hoe ho tonga “rahafakampitso”, raha azo atao ny milaza izany? Miharihary fa noho ny olona sasany nanomboka naniratsira ilay hevitra momba ny fanatrehan’i Kristy nampanantenaina, izay hanafaizana ny mpanao ratsy. (2 Petera 3:3, 4). Koa namaly ny fiampangan’ireny mpaniratsira ireny i Petera ao amin’ny toko faha-3 amin’ny taratasiny faharoa. Hodinihintsika izao izy io.
Fiangaviana amim-pitiavana mba hahatsiaro
4. Inona no nirin’i Petera hotsarovantsika?
4 Niseho ny firaiketam-pon’i Petera tamin’ireo rahalahiny tamin’ny fiantsoany azy ireo imbetsaka hoe “ry malala”, tao amin’io toko io. Raha niangavy azy ireo tamim-pitiavana mba tsy hanadino izay nampianarina azy, i Petera, dia nanomboka toy izao: “Ry malala, (...) mampifoha ny sainareo madio amin’ny fampahatsiarovana [aho], mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ny mpaminany masina rahateo sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo”. — 2 Petera 3:1, 2, 8, 14, 17; Joda 17.
5. Inona no nolazain’ny mpaminany sasany momba ny andron’i Jehovah?
5 “Teny voalazan’ny mpaminany masina” inona avy no nampirisihan’i Petera mafy ireo mpamaky ny taratasiny mba hotsarovany? Tsy inona izany fa ireo momba ny fanatrehan’i Kristy manana ny fahefan’ny mpanjaka sy momba ny fitsarana ny ratsy fanahy. Nisarika ny saina ho amin’ireo teny ireo i Petera, teo aloha kokoa. (2 Petera 1:16-19; 2:3-10). Niresaka momba an’i Enoka i Joda. Araka ny firaketana an-tsoratra, dia i Enoka no mpaminany voalohany nampitandrina momba ny fanamelohan’Andriamanitra ny mpanao ratsy. (Joda 14, 15). Nisy mpaminany hafa nanaraka an’i Enoka, ary tsy nirin’i Petera ny hanadinoantsika izay nosoratan’izy ireny. — Isaia 66:15, 16; Zefania 1:15-18; Zakaria 14:6-9.
6. Tenin’i Kristy sy ny apostoliny inona avy no manome antsika fahalalana bebe kokoa momba ny andron’i Jehovah?
6 Fanampin’izany, i Petera dia nilaza tamin’ireo mpamaky ny taratasiny mba hahatsiaro “ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy”. Voafaoka amin’ny didin’i Jesosy ilay fampirisihana hoe: “Mitandrema, fandrao ny fonareo [havesatra] (...) ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.” “Mijere hatrany, mifohaza hatrany, satria tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro.” (Lioka 21:34-36; Marka 13:33, NW ). Nampirisika mafy antsika koa i Petera mba hanaraka ny tenin’ireo apostoly. Nanoratra toy izao, ohatra, ny apostoly Paoly: “Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.” — 1 Tesaloniana 5:2, 6.
Ny filan’ireo mpaniratsira
7, 8. a) Karazan’olona manao ahoana moa ireo izay maniratsira ny hafatra fampitandreman’Andriamanitra? b) Inona no lazain’ireo mpaniratsira?
7 Araka ny nomarihina teo aloha, ny nahatonga an’i Petera hananatra dia satria nanomboka nanamavo izany fampitandremana izany ny sasany, tsy nisy hafa tamin’ireo Isiraelita taloha kokoa, izay namazivazy an’ireo mpaminanin’i Jehovah. (2 Tantara 36:16). Nanazava toy izao i Petera: “Fa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany”. (2 Petera 3:3, izahay no manao sora-mandry.) Nilaza i Joda fa filana feno ‘haratsiam-panahy’ ny an’ireny mpaniratsira ireny. Niantso azy ireny ho “olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy”, izy. — Joda 17-19, izahay no manao sora-mandry.
8 Azo inoana fa anisan’ireny mpaniratsira tsy mihevitra ny ara-panahy ireny ireo mpampianatra sandoka izay nolazain’i Petera fa “mandeha araka ny fitarihan’ny nofo hila zava-mahaloto”. (2 Petera 2:1, 10, 14). Namazivazy izy ireo nanontany ireo Kristiana nahatoky hoe: “Aiza ny teny fikasana ny amin’ny [fanatrehany, NW ]? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.” — 2 Petera 3:4.
9. a) Nahoana ireo mpaniratsira no nanimba tsikelikely ny fahatsapana fahadodonana izay mamonto ny Tenin’Andriamanitra? b) Nahoana no fiarovana ho antsika ny fitadidiana tsara ao an-tsaina ny andron’i Jehovah?
9 Nahoana no natao io faniratsirana io? Nahoana no naroso ilay hevitra hoe mety tsy hitranga mihitsy ny fanatrehan’i Kristy, sy ny hoe mbola tsy nisalovana mihitsy tamin’ny raharahan’olombelona Andriamanitra, ary tsy hanao izany mihitsy? Tamin’ny fanimbana tsikelikely ilay fahatsapana fahadodonana izay mamonto ny Tenin’Andriamanitra, no nitadiavan’ireny mpaniratsira araka ny nofo ireny hampatory ny hafa tao anatin’ny tsy firaikana ara-panahy, ka hahatonga azy ho haza mora azon’ny fakam-panahy feno fitiavan-tena. Izany ka fampaherezana mahery ho antsika amin’izao andro izao mba hitoetra ho mifoha ara-panahy! Enga anie isika hitadidy tsara ao an-tsaina ny andron’i Jehovah sy hahatsiaro mandrakariva fa mibanjina antsika ny masony! Amin’izay isika dia ho voatosika hanompo an’i Jehovah amin-jotom-po sy hihazona ny fahadiovantsika ara-pitondran-tena. — Salamo 11:4; Isaia 29:15; Ezekiela 8:12; 12:27; Zefania 1:12.
Niniana natao sy mendrika hohamavoina
10. Ahoana no nanaporofoan’i Petera fa diso ireo mpaniratsira?
10 Tsy niraharaha zava-nisy tena lehibe iray ny mpaniratsira toy izany. Ninia tsy niraharaha izany izy ireo ary nanandrana nanao izay hanadinoan’ny hafa azy io. Nahoana? Mba ho mora kokoa ny hamitahana olona. “Fa minia jamba ireo”, hoy ny nosoratan’i Petera, “ka tsy mahalala”. Tsy mahalala inona? “Fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, [sy teo afovoan’ny rano noho ny, NW ] tenin’Andriamanitra, ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy”. (2 Petera 3:5, 6, izahay no manao sora-mandry.) Eny, tena nanaisotra ny faharatsiana tamin’ny tany tokoa i Jehovah nandritra ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, ka izany dia zava-nisy izay nantitranterin’i Jesosy koa. (Matio 24:37-39; Lioka 17:26, 27; 2 Petera 2:5). Koa nifanohitra tamin’izay nolazain’ireo mpaniratsira, dia tsy hoe naharitra tsy niova izany ny zava-drehetra “hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao”.
11. Fanantenan-javatra lasa aloha loatra inona avy no nananan’ireo Kristiana tany am-boalohany ka nitarika ny sasany haniratsira azy ireo?
11 Ireo mpaniratsira dia nety ho namazivazy koa an’ireo Kristiana nahatoky, noho izy ireo nanantena zavatra mbola tsy tanteraka. Taloha kelin’ny nahafatesan’i Jesosy, dia noheverin’ireo mpianany “fa hiseho faingana ny fanjakan’Andriamanitra”. Avy eo, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nanontany izy ireo raha avy hatrany dia hatsangana ilay Fanjakana. Afa-tsy izany koa, tokony ho folo taona talohan’ny nanoratan’i Petera ny taratasiny faharoa, dia nisy olona sasany ‘nampitahorina’ tamin’ny “teny” na “epistily” izay ninoana ho avy tamin’ny apostoly Paoly na ny namany, ‘nilaza fa efa niandoha ny andron’ny Tompo’. (Lioka 19:11; 2 Tesaloniana 2:2; Asan’ny Apostoly 1:6). Tsy diso anefa izany zavatra nantenain’ny mpianatr’i Jesosy izany, fa lasa aloha loatra fotsiny. Ho avy ny andron’i Jehovah!
Azo ianteherana ny Tenin’Andriamanitra
12. Inona no nanaporofo fa azo ianteherana ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny faminaniany momba ny “andron’i Jehovah”?
12 Araka ny voamarika teo aloha kokoa, dia matetika ireo mpaminany talohan’ny andro kristiana no nampitandrina fa akaiky ilay andro famalian’i Jehovah. Nisy ‘andron’i Jehovah’ tamin’ny ambaratonga kely, tonga tamin’ny 607 al.f.i., rehefa nampihatra valy faty tamin’ny vahoakany naniasia, i Jehovah. (Zefania 1:14-18). Tatỳ aoriana, dia nisy firenena hafa, anisan’izany i Babylona sy i Egypta, niharan’ny “andron’i Jehovah” toy izany. (Isaia 13:6-9; Jeremia 46:1-10; Obadia 15). Efa nambara mialoha koa ny fifaranan’ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny taonjato voalohany, ary nitranga izany rehefa nandrava an’i Jodia ny Romana tamin’ny 70 am.f.i.. (Lioka 19:41-44; 1 Petera 4:7). Nanintona ny saina ho amin’ny “andron’i Jehovah” iray amin’ny hoavy anefa i Petera, ka na dia ilay Safo-drano naneran-tany aza, dia ho kely dia kely miohatra aminy eo amin’ny halehiben’izy io!
13. Ohatra ara-tantara inona no mampiseho fa azo antoka ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ?
13 Rehefa nilazalaza an’io fandringanana ho avy io i Petera, dia nampiasa ny fitenenana hoe: “Izany teny izany”. Vao avy nilaza izy fa “tamin’ny tenin’Andriamanitra”, dia nipoitra “avy tamin’ny rano [sy teo afovoan’ny rano, NW ]” ny tany talohan’ny Safo-drano. Io toe-javatra voalazalaza ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana io, dia nahatonga ny Safo-drano ho azo natao rehefa niraraka ireo rano, noho ny fitarihan’Andriamanitra, na noho ny teniny. Nanohy ny teniny toy izao i Petera: “Izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany ten[in’Andriamanitra] izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.” (2 Petera 3:5-7; Genesisy 1:6-8). Manana ny tenin’i Jehovah azo ianteherana ny amin’izany isika! Hofaranany ao anatin’ny firehetan’ny fahatezeran’ilay androny lehibe, ny ‘lanitra sy ny tany’ — itỳ fandehan-javatra itỳ! (Zefania 3:8). Rahoviana anefa?
Dodona ny hahatongavan’ny farany
14. Nahoana isika no afaka matoky fa miaina amin’ny “andro farany” isika izao?
14 Naniry hahafantatra ny fotoana hahatongavan’ny farany ireo mpianatr’i Jesosy, ka nanontany azy hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Miharihary fa nanontany ny amin’ny fotoana hifaranan’ny fandehan-javatra jiosy izy ireo, saingy ny valin-tenin’i Jesosy dia nifantoka voalohany indrindra tamin’ny fotoana handringanana izao “lanitra sy tany” ankehitriny izao. Nanambara mialoha zavatra toy ny ady lehibe sy ny tsy fisian-kanina sy ny horohoron-tany sy ny aretina ary ny heloka bevava, i Jesosy. (Matio 24:3-14, NW; Lioka 21:5-36). Hitantsika hatramin’ny 1914 ny fahatanterahan’ilay famantarana nomen’i Jesosy momba ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, sy ireo zavatra izay nolazain’ny apostoly Paoly fa hahafantarana ny “andro farany”. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Marina tokoa fa maro be ny porofo fa miaina amin’ny fotoan’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ isika!
15. Nirona hanao inona ny Kristiana na dia teo aza ny fampitandreman’i Jesosy?
15 Dodona ny hahafantatra ny fotoana hitrangan’ny andron’i Jehovah, ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho ny fahadodonany, dia nanandrana nanombantombana ny fotoana mety hahatongavan’izany izy ireo indraindray. Kanefa, rehefa nanao izany izy ireo, dia tsy nihaino ilay fampitandreman’ny Tompony hoe ‘tsy fantatsika izay hihavian’ny fotoana’, toy ny nataon’ireo mpianatr’i Jesosy tany am-boalohany ihany. (Marka 13:32, 33). Namazivazy an’ireo Kristiana nahatoky noho ny zavatra nantenainy lasa aloha loatra, ireo mpaniratsira. (2 Petera 3:3, 4). Na dia izany aza, dia nilaza marimarina i Petera fa ho tonga ny andron’i Jehovah, araka ny fandaharam-potoanany.
Mila manana ny fiheveran’i Jehovah
16. Fananarana inona no henointsika amim-pahendrena?
16 Mila manana ny fiheveran’i Jehovah momba ny fotoana isika, araka izay ampahatsiahivin’i Petera amintsika izao. Hoy mantsy izy: “Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.” Tena fohy mihitsy ny androm-piainantsika maharitra 70 na 80 taona raha ampitahaina amin’izany! (2 Petera 3:8; Salamo 90:4, 10). Koa raha toa mitaredretra ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra, dia ilaintsika ny manaiky ilay fananaran’ny mpaminanin’Andriamanitra manao hoe: “Na dia mitaredretra aza [ilay fotoana voatondro], andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka [tsy ho diso aoriana, NW ].” — Habakoka 2:3, izahay no manao sora-mandry.
17. Na dia nitohy lava kokoa tsy araka ny nanampoizan’ny maro azy aza ny andro farany, dia afaka matoky ny amin’inona isika?
17 Nahoana ny andro faran’itỳ fandehan-javatra itỳ no nitohy lava kokoa tsy araka ny nanampoizan’ny maro azy? Noho ny antony tsara dia tsara iray, araka ny nanazavan’i Petera azy, avy eo. Hoy mantsy izy: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra”. (2 Petera 3:9). Manisy fiheverana ny amin’izay mahasoa indrindra ny taranak’olombelona manontolo, i Jehovah. Ny ain’ny olona no ahiny, araka ny lazainy hoe: “Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy.” (Ezekiela 33:11). Koa afaka matoky isika fa ho tonga ara-potoana tsara ny farany, mba hanatanteraka ny fikasan’ny Mpamorona antsika izay hendry tanteraka sy be fitiavana!
Inona no ho lasa?
18, 19. a) Nahoana i Jehovah no tapa-kevitra ny handringana itỳ fandehan-javatra itỳ? b) Ahoana no nilazalazan’i Petera ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, ary inona marina no tena hopotehina?
18 Koa satria tena tia tokoa an’ireo izay manompo azy i Jehovah, dia handringana tanteraka izay rehetra mampitondra fahoriana azy ireo, izy. (Salamo 37:9-11, 29). Toy ny nataon’i Paoly teo aloha kokoa, dia nomarihin’i Petera fa ho tonga amin’ny fotoana tsy ampoizina io fandringanana io, ka nanoratra toy izao izy: “Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka [halana sarona, NW ] avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.” (2 Petera 3:10; 1 Tesaloniana 5:2). Tsy potika tamin’ny Safo-drano akory ny lanitra sy ny tany ara-bakiteny, toy ny tsy hahapotika azy ireo mandritra ny andron’i Jehovah. Koa inona àry no “ho lasa”, na ho potika?
19 Hifarana ireo fitondram-panjakan’olombelona toy ny “lanitra”, izay nanapaka ny taranak’olombelona, ary ho toy izany koa ny “tany” na ny fitambaran’olona tsy tia an’Andriamanitra. Angamba milaza ny fandalovan’ny lanitra haingana ilay hoe “firimorimoana mafy”. Ireo “tenan’ny zavatra” izay mahaforona ny fitambaran’olona mikororosy amin’izao andro izao, dia ho ‘levona’ na horinganina. Ary “halana sarona” ny “tany”, tafiditra amin’izany “ny asa izay eo aminy”. Hampihanjahanja tanteraka ny asa ratsin’ny olona i Jehovah, eo am-pamaranany ny fandehan-javatr’izao tontolo izao manontolo. Fiafarana tena sahaza azy izany.
Mifantoha hatrany amin’ny fanantenanao
20. Tokony hisy fiantraikany manao ahoana eo amin’ny fiainantsika ny fahafantarantsika ireo fisehoan-javatra ho avy?
20 Koa satria antomotra dia antomotra ireo fisehoan-javatra manaitra mafy ireo, dia nilaza i Petera fa tokony ho revo amin’ny “fitondran-tena masina sy ny asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra [isika], amin’ny fiandrasana sy amin’ny fitadidiana tsara ao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah”. Tsy misy isalasalana ny amin’izany! ‘Ho may ny lanitra mirehitra ary hiempo ny tenan’ny zavatra mahamay fatratra!’ (2 Petera 3:11, 12, NW ). Tokony hisy fiantraikany eo amin’ny zava-drehetra ataontsika na kasaintsika hatao ny mety hanombohan’ireo fisehoan-javatra manaitra mafy ireo rahampitso.
21. Inona no hisolo toerana izao lanitra sy tany ankehitriny izao?
21 Lazain’i Petera amintsika izao izay hisolo toerana ny fandehan-javatra tranainy, amin’ny fanambarana hoe: “Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13; Isaia 65:17). Izany ka fanamaivanana lehibe! I Kristy sy ny mpiara-manjaka aminy 144 000 no ho anisan’ny “lanitra vaovao” ara-panjakana, ary ny olona ho tafita velona amin’ny faran’itỳ tontolo itỳ no hahaforona ny “tany vaovao”. — 1 Jaona 2:17; Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3.
Mihazòna fahatsapana fahadodonana sy fahadiovana ara-pitondran-tena
22. a) Inona no hanampy antsika hanalavitra izay mety ho pentina na tsiny ara-panahy? b) Nampitandrina antsika ny amin’ny loza inona i Petera?
22 “Koa amin’izany, ry malala”, hoy i Petera nanohy ny teniny, “satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita [“tsy misy pentina sy tsy misy tsiny”, NW ] eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana. Ary ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena”. Hanampy antsika hanalavitra izay mety ho pentina na tsiny ara-panahy ny fiandrasana amim-piandrandrana fatratra sy ny fiheverana hoe fisehoan’ny fahari-pon’Andriamanitra izay mety ho toa fitaredretry ny andron’i Jehovah. Misy loza anefa! Nampitandrina i Petera fa, ao amin’ireo taratasin’i “Paoly, rahalahy malalantsika, (...) dia misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ny So[ratra] Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.” — 2 Petera 3:14-16.
23. Inona no fananarana nataon’i Petera ho famaranan-teny?
23 Niharihary fa nanolana ny taratasin’i Paoly momba ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory ireo mpampianatra sandoka, ka nampiasa izany ho fialan-tsiny ho an’ny fitondran-tena tsy voafehy. Angamba izany no tao an-tsain’i Petera fony izy nanoratra ny fananarany ho fanaovam-beloma manao hoe: “Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo”. Avy eo dia nofaranany ny taratasiny, tamin’ny fampirisihana mafy toy izao: “Mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy.” — 2 Petera 3:17, 18.
24. Fihetsika manao ahoana no tokony hananan’ny mpanompon’i Jehovah rehetra?
24 Miharihary fa naniry hanatanjaka ny rahalahiny i Petera. Niriny ny hananan’ny rehetra ilay fihetsika nolazain’ilay Vavolombelona mahatoky 82 taona voalaza etsy am-piandohana hoe: “Niaina ny fiainako toy ny nampirisihan’ilay apostoly aho, ‘tamin’ny fitadidiana tsara tao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah’. Noheveriko foana ho ‘zavatra tena izy’ ilay tontolo vaovao nampanantenaina ‘na dia tsy hita aza’.” Enga anie isika rehetra samy hiaina ny fiainantsika, amin’ny fomba mitovy amin’izany.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no dikan’ny hoe ‘mitadidy tsara ao an-tsaina’ ny andron’i Jehovah?
◻ Inona no inian’ireo mpaniratsira tsy raharahaina, ary nahoana?
◻ Inona no antony namazivazian’ireo mpaniratsira an’ireo Kristiana nahatoky?
◻ Mila mihazona fomba fihevitra manao ahoana isika?
[Sary, pejy 23]
Tadidio tsara ao an-tsaina ny andron’i Jehovah ...
[Sary, pejy 24]
... sy ilay tontolo vaovao izay hanaraka izany