-
Tadidio Tsara ny Andron’i JehovahMivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
-
-
5. Inona no hoentin’ny andron’i Jehovah, araka ny nohazavain’i Petera?
5 Nampirisika antsika koa i Petera mba hitadidy “ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra.” Horinganina “ny lanitra”, na ny mpitondra olombelona rehetra, sy ny “tany”, na ny olombelona ratsy fanahy amin’ny ankapobeny, ary ny “tenan’ny zavatra rehetra”, na ny hevitra sy asan’ity tontolo ratsy ity, toy ny toe-tsainy tsy tia miankina amin’Andriamanitra sy ny fahalotoam-pitondran-tenany ary ny fitiavam-bolany.
-