Manehoa Toe-tsaina Mahay Miandry!
“[Haneho toe-tsaina mahay miandry, “NW”] an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.”—MIKA 7:7.
1, 2. a) Tamin’ny ahoana no nanimba ireo Isiraelita tany an’efitra ny toe-tsaina tsy nety? b) Inona no mety hitranga amin’ny Kristianina iray izay tsy mamboly toe-tsaina mety?
ZAVATRA maro eo amin’ny fiainana no azo jerena amin’ny lafy tsarany na amin’ny lafy ratsiny, arakaraka ny toe-tsaintsika. Nomena mana tamin’ny fomba mahagaga ny Isiraelita, fony izy ireo tany an’efitra. Tokony ho nijery ilay tany ngazana nanodidina azy izy ireo ka ho velom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah noho ny nanomezany sakafo azy ireo. Ho fanehoana taratry ny toe-tsaina nijery lafy tsaran-javatra izany. Tsy izany anefa no nataon’izy ireo fa nitadidy kosa ireo karazan-tsakafo maro be tany Ejipta izy ireo, ka velon-taraina fa tsy nahate hihinana, hono, ny mana. Toe-tsaina nijery lafy ratsin-javatra re izany!—Nomery 11:4-6.
2 Ny toe-tsain’ny Kristianina ankehitriny koa dia mahatonga azy hahita ny toe-javatra ho mahavelom-panantenana na manjombona. Raha tsy manana toe-tsaina mety ny Kristianina iray, dia mety hamoy mora foana ny fifaliany, ary hisy vokany mampidi-doza izany, satria nilaza toy izao i Nehemia: “Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho [antsika].” (Nehemia 8:10). Manampy antsika hatanjaka hatrany sy hampisy fiadanana sy firaisan-tsaina ao anatin’ny kongregasiona ny toe-tsaina mijery ny lafy tsaran-javatra sy falifaly.—Romana 15:13; Filipiana 1:25.
3. Tamin’ny ahoana no nanampy an’i Jeremia ny toe-tsaina nety, nandritra ny fotoana feno hotakotaka?
3 Naneho toe-tsaina nijery lafy tsaran-javatra i Jeremia, na dia niaina tao anatin’ny fotoan-tsarotra aza. Afaka nahita lafy tsaran-javatra izy, na dia nanatri-maso ireo zava-nampihorohoro tamin’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. aza. Tsy hanadino ny Isiraely i Jehovah, ary mbola hisy ihany ilay firenena. Nanoratra toy izao i Jeremia, ao amin’ny bokin’ny Fitomaniana: “Ny famindrampon’i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.” (Fitomaniana 3:22, 23). Nandritra ny tantara manontolo, dia niezaka hanana toe-tsaina nijery lafy tsaran-javatra hatrany, eny, hanana toe-tsaina falifaly mihitsy aza, ireo mpanompon’Andriamanitra, tao anatin’ny tarehin-javatra faran’izay sarotra.—2 Korintiana 7:4; 1 Tesaloniana 1:6; Jakoba 1:2.
4. Nanana toe-tsaina nanao ahoana hatrany i Jesosy, ary ahoana no nanampian’izany azy?
4 Taonjato enina taorian’i Jeremia, dia nahazo fanampiana hoenti-miaritra i Jesosy, noho ny toe-tsainy nijery lafy tsaran-javatra. Izao no vakintsika: “Naharitra ny hazo fijaliana [i Jesosy], fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” (Hebreo 12:2). Na toy inona na toy inona fanoherana na fanenjehana tsy maintsy natrehin’i Jesosy, eny fa na dia fangirifiriana mafy teo amin’ny hazo fijaliana aza, dia nampifantoka ny sainy tamin’ilay “fifaliana napetraka teo anoloany” izy. Tsy inona akory izany fifaliany izany fa ilay tombontsoa hanamarina ny fiandrianan’i Jehovah sy hanamasina ny anarany, ary ilay fahatsinjovana ny hitondra fitahiana lehibe ho an’ny olombelona mankatò, amin’ny hoavy.
Manàna toe-tsaina mahay miandry
5. Inona no toe-javatra fahita matetika ilana toe-tsaina mahay miandry, izay hanampy antsika hanana fomba fijery mety hatrany?
5 Raha mamboly toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Jesosy isika, dia tsy hamoy ny fifaliana avy amin’i Jehovah, na dia tsy araka ny fomba sy ny fotoana anampoizantsika azy foana aza ny mety ho fitrangan-javatra. Hoy i Mika mpaminany: “Izaho kosa dia hanandrandra an’i Jehovah, eny, [haneho toe-tsaina mahay miandry, NW ] an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho”. (Mika 7:7; Fitomaniana 3:21). Afaka ny hanana toe-tsaina mahay miandry koa isika. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fomba maro. Voalohany, dia mety hihevitra isika fa nanao zavatra tsy nety ny rahalahy iray manana fahefana, ary ilaina ny manao fanitsiana avy hatrany. Hahatonga antsika handinika izao fanontaniana izao ny toe-tsaina mahay miandry: ‘Tena tsy nety ve ny nataony, sa izaho kosa no diso hevitra? Raha tsy nety ny nataony, nety ho navelan’i Jehovah hitranga ve izany, satria mihevitra i Jehovah fa hihatsara ilay olona ka tsy hilaina ny handraisana fepetra hentitra fanitsiana?’
6. Amin’ny ahoana ny toe-tsaina mahay miandry no hanampy ny olona iray miatrika zava-manahirana manokana?
6 Mety hilaina ny toe-tsaina mahay miandry raha sahiran-tsaina noho ny zava-manahirana manokana isika, na miady amin’ny fahalemena iray. Andeha hatao hoe mangataka ny fanampian’i Jehovah isika, nefa tsy afaka ilay zava-manahirana. Dia ahoana amin’izay? Tsy maintsy manao hatrany izay azontsika atao mba handaminana ilay zava-manahirana isika, ary mino izao tenin’i Jesosy izao: “Aza mitsahatra mangataka, dia homena ianareo; aza mitsahatra mitady, dia hahita ianareo; aza mitsahatra mandondòna, dia hovohana ianareo.” (Lioka 11:9, NW ). Aza mitsahatra mivavaka, ary miandrasa an’i Jehovah. Hamaly ny vavakao i Jehovah, amin’ny fotoana mety sy araka ny fombany manokana.—1 Tesaloniana 5:17.
7. Amin’ny ahoana ny toe-tsaina mahay miandry no hanampy antsika eo amin’ny fomba fijerintsika ny hoe mihatsara miandalana ny fahatakarantsika ny Baiboly?
7 Arakaraka ny ahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly no ahatakarantsika tsara kokoa ny hevitry ny Soratra Masina. Indraindray anefa, dia mety hihevitra isika fa efa ela no tokony ho nanomezana ny fanazavana iray. Raha tsy tonga amin’ny fotoana itiavantsika azy ilay izy, ho vonona ny hiandry ve isika? Tadidio fa hitan’i Jehovah fa nety ny nampiharihary tsikelikely tao anatin’ny 4 000 taona teo ho eo, ilay “zava-niafina ny amin’i Kristy”. (Efesiana 3:3-6). Manana antony tsy hananam-paharetana àry ve isika? Mampisalasala antsika ve ny hoe notendrena hanome ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ ho an’ny vahoakan’i Jehovah ny “mpanompo mahatoky sy malina”? (Matio 24:45, NW ). Nahoana isika no tsy hanana fifaliana avy amin’Andriamanitra intsony, satria hoe tsy takatra amin’ny fomba feno ny zavatra rehetra? Tadidio fa i Jehovah no manapaka ny fotoana sy ny fomba hampiharihariana ny “heviny miafina”.—Amosy 3:7, Fandikan-teny Katolika.
8. Inona no soa noraisin’ny olona maro, noho ny fahari-pon’i Jehovah?
8 Mety ho kivy ny sasany, satria mihevitra izy ireo fa, taorian’ny taona maro nanompoany tamim-pahatokiana, dia mety tsy ho velona ka hahita “ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina”, ny tenany. (Joela 3:3, 4). Na izany aza, dia afaka ny hahazo fampaherezana izy ireo rehefa mijery ny lafy tsaran-javatra. Nanoro hevitra toy izao i Petera: “Ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena”. (2 Petera 3:15). Nisy olona mahitsy fo an-tapitrisany maro hafa afaka nianatra ny fahamarinana, noho ny fahari-pon’i Jehovah. Tsy mahatalanjona ve izany? Arakaraka ny aharetan’ny fahari-pon’i Jehovah koa no ananantsika fotoana bebe kokoa ‘hiasana amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena antsika’.—Filipiana 2:12; 2 Petera 3:11, 12.
9. Amin’ny ahoana ny toe-tsaina mahay miandry no manampy antsika hiaritra ny toe-javatra misy antsika, raha voafetra ny azontsika atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?
9 Ny toe-tsaina mahay miandry dia manampy antsika tsy ho kivy rehefa manakantsakana antsika eo amin’ny fanompoana mifandray amin’ilay Fanjakana ny fanoherana, na ny aretina, na ny fandroson’ny taona, na ny zava-manahirana hafa. Manantena antsika hanompo azy amin’ny fontsika rehetra i Jehovah. (Romana 12:1). Tsy mitaky amintsika mihoatra noho izay azontsika atolotra araka ny antonony anefa ilay Zanak’Andriamanitra, izay ‘miantra ny fadiranovana sy ny tsy manana’, ary toy izany koa i Jehovah. (Salamo 72:13, Kat.). Noho izany, dia ampirisihina isika mba hanao izay azontsika atao, ka hiandry amim-paharetana mandra-piovan’ny tarehin-javatra, na amin’izao fandehan-javatra izao izany na amin’ilay ho avy. Izao no tadidio: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.”—Hebreo 6:10.
10. Afaka manalavitra lafin-toetra ratsy inona ny olona iray manana toe-tsaina mahay miandry? Hazavao.
10 Manampy antsika hanalavitra ny fahasahisahian-dratsy miharo fieboeboana koa ny toe-tsaina mahay miandry. Tsy vonona ny hiandry ny sasany izay nanjary mpivadi-pinoana. Nety ho nihevitra izy ireny fa nilaina ny hanaovana fanitsiana, na teo amin’ny fahatakarana ny hevitry ny Baiboly izany na teo amin’ny raharaha mahakasika ny fandaminana. Tsy takatr’izy ireny anefa fa ny fanahin’i Jehovah dia manosika ny mpanompo mahatoky sy malina hanao fanitsiana, amin’ny fotoana mety amin’i Jehovah, fa tsy amin’ny fotoana mety hoheverintsika hilana izany. Ary tsy maintsy mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah, fa tsy araka ny hevitsika manokana, ny fanitsiana rehetra atao. Avelan’ireo mpivadi-pinoana hanjary hanolana ny fomba fiheviny sy hampaniasia azy ny toe-tsaina feno fahasahisahian-dratsy miharo fieboeboana. Raha nanana ny toe-tsain’i Kristy anefa izy ireny, dia nety ho mbola nanana fifaliana ihany ka nitoetra teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah.—Filipiana 2:5-8.
11. Ahoana no ahafahantsika mampiasa amin’ny fomba tsara ny fotoana iandrasana, ary ho fanarahana ny ohatr’iza avy?
11 Mazava ho azy fa tsy midika ho fahakamoana na tsy fanaovana na inona na inona akory ny hoe manana toe-tsaina mahay miandry hatrany. Manan-javatra hatao isika. Tokony ho revo manao fianarana manokana isika, ohatra, ka ho liana fatratra amin-javatra ara-panahy, sahala amin’ireo mpaminany nahatoky sy ireo anjely mihitsy aza. Hoy i Petera, raha niresaka ny amin’izany fahalianana izany: “Ny amin’izany famonjena izany dia notadiavin’ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra (...); izany zavatra izany dia tian’ny anjely hodinihina.” (1 Petera 1:10-12). Tsy ny fianarana manokana ihany no tena zava-dehibe, fa ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana sy ny vavaka koa. (Jakoba 4:8). Ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy, ka mandray tsy tapaka sakafo ara-panahy sy mifanerasera tsy tapaka amin’ny Kristianina hafa, dia mampiseho fa nanjary nanana ny toe-tsain’i Kristy ny tenany.—Matio 5:3.
Manàna fomba fijery mihevitra ny zava-misy
12. a) Fahaleovan-tena nanao ahoana no notadiavin’i Adama sy i Eva? b) Inona no vokatry ny nanarahan’ny olombelona ny lalan’i Adama sy i Eva?
12 Rehefa namorona ny mpivady olombelona voalohany Andriamanitra, dia natokany ho azy irery ihany ny zo hamaritra ny atao hoe mety sy tsy mety. (Genesisy 2:16, 17). Ta hahaleo tena tsy hila ny tari-dalan’Andriamanitra i Adama sy i Eva, ka izao tontolo hitantsika manodidina antsika ankehitriny izao no vokany. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Romana 5:12). Nampiseho ny fahamarinan’ireto tenin’i Jeremia ireto ireo enina arivo taona nisian’ny tantaran’olombelona, nanomboka tamin’ny andron’i Adama: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Tsy midika ho fanampoizana tsy fahombiazana akory ny fanekena fa marina ireo tenin’i Jeremia ireo, fa fiheverana ny zava-misy kosa. Manjary mazava, noho izany, ny antony nisian’ireo taonjato rehetra ‘nanapahan’ny olona ny namany ka nampidirany loza aminy’, satria tsy niankina tamin’Andriamanitra ny fanapahan’olombelona.—Mpitoriteny 8:9.
13. Inona no fomba fijery mihevitra ny zava-misy ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha ny amin’izay mety ho vitan’ny olombelona?
13 Rehefa dinihina ny toe-javatra misy ny olombelona, dia takatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa misy fetrany ny azo atao raha amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao. Afaka manampy antsika hanana fifaliana hatrany ny toe-tsaina mijery ny lafy tsaran-javatra, nefa tsy vahaolana ho an’ny zavatra rehetra izany. Tany am-piandohan’ireo taona 1950, ny mpitondra fivavahana amerikanina iray dia namoaka boky iray faran’izay be mpividy, antsoina hoe The Power of Positive Thinking (Ny Herin’ny Toe-tsaina Mijery ny Lafy Tsaran-javatra). Asehon’ilay boky fa azo resena ny ankamaroan’ny vato misakana, raha toe-tsaina mijery ny lafy tsaran-javatra no enti-miatrika azy. Azo antoka fa mahate hidera ny toe-tsaina mijery ny lafy tsaran-javatra. Asehon’ny zava-misy anefa fa mametra izay mety ho vitantsika isam-batan’olona ny fahalalana, sy ny fahaizana, sy ny fitaovana, ary ny anton-javatra maro hafa. Ary amin’ny ambaratonga maneran-tany, dia lehibe loatra tsotra izao ireo zava-manahirana ka tsy ho voalamin’ny olombelona amim-pahombiazana, na mijery ny lafy tsaran-javatra toy inona aza izy ireo!
14. Manana toe-tsaina mijery ny lafy ratsin-javatra ve ny Vavolombelon’i Jehovah? Hazavao.
14 Manana fomba fijery mihevitra ny zava-misy ny amin’ny raharaha toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka ampangaina ho manana toe-tsaina mijery ny lafy ratsin-javatra, indraindray. Dodona ny hilaza amin’ny olona momba Ilay hany afaka manatsara amin’ny fomba maharitra ny toe-piainana misy ny olombelona kosa anefa izy ireo. Amin’io lafiny io koa, dia manahaka ny toe-tsain’i Kristy izy ireo. (Romana 15:2). Ary be atao amin’ny fanampiana olona mba hanana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra izy ireo. Fantatr’izy ireo fa rehefa ela ny ela, dia hitondra soa faran’izay betsaka izany.—Matio 28:19, 20; 1 Timoty 4:16.
15. Amin’ny fomba ahoana no anatsaran’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny toetran’ny isam-batan’olona?
15 Ny Vavolombelon’i Jehovah akory tsy mody tsy mahita ireo zava-manahirana ara-tsosialy manodidina azy, indrindra fa ireo fanao mandoto tsy araka ny Soratra Masina. Alohan’ny hahatongavan’ny olona liana iray ho Vavolombelon’i Jehovah, dia manao fiovana izy, ka matetika no tsy maintsy mandresy fahazaran-dratsy manandevo izay tsy mampifaly an’Andriamanitra. (1 Korintiana 6:9-11). Ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, dia nanampy olona tsara fandray mba handresy ny fahamamoana, ny fanandevozan’ny zava-mahadomelina, ny fahalotoam-pitondran-tena, ary ny fahazaran-dratsy hiloka. Nianatra namelona ny ankohonany tamim-pahaiza-mandray andraikitra sy tamim-pahamarinana ireny olona nihatsara toetra ireny. (1 Timoty 5:8). Rehefa mahazo fanampiana amin’izany fomba izany ny isam-batan’olona sy ny mpianakavy, dia mihena ny zava-manahirana eo amin’ny fiaraha-monina, satria vitsy kokoa no andevozin’ny zava-mahadomelina, vitsy kokoa ny herisetra eo anivon’ny fianakaviana, sy ny toy izany. Olom-pirenena mankatò lalàna koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manampy ny hafa hanova ny fiainany ho tsara kokoa, ka amin’izany izy ireo dia mampihena ny enta-mavesatra eo an-tsorok’ireo sampan-draharaham-panjakana misahana ireo zava-manahirana ara-tsosialy.
16. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy mandray anjara amin’ny fihetsiketsehana fanavaozana?
16 Koa nanova ny toe-pitondran-tenan’ny olona maneran-tany àry ve ny Vavolombelon’i Jehovah? Tato anatin’ny folo taona farany, ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah marisika izay latsaka kelin’ny 3 800 000, dia nitombo ho efa ho 6 000 000. Fitomboana 2 200 000 teo ho eo izany, ka ny ankamaroan’ireo dia niala tamin’ny fanao tsy marina, rehefa tonga Kristianina. Endrey izany hamaroan’ny olona nihatsara toetra! Na izany aza anefa, dia tena kely io isa io raha oharina amin’ny fitomboan’ny isan’ny mponina eran-tany nandritra io fe-potoana io, izay nisy fitomboana 875 000 000! Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho loharanom-pifaliana ny manampy olona tsara fandray, na dia takany aza fa vitsy amin’ny taranak’olombelona no handeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana. (Matio 7:13, 14). Ireo fiovana maneran-tany ho amin’ny tsara kokoa, dia tsy ho vitan’iza na iza afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Raha mbola miandry izany fiovana izany ny Vavolombelona, dia tsy mandray anjara amin’ny fihetsiketsehana fanavaozana, izay matetika no atomboka noho ny fikasana tsara, saingy miafara amin’ny fahadisoam-panantenana, sy ny herisetra mihitsy aza.—2 Petera 3:13.
17. Inona no nataon’i Jesosy mba hanampiana an’ireo nanodidina azy, nefa inona no tsy nataony?
17 Amin’izany fomba izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia maneho fatokisana an’i Jehovah sahala amin’ny nataon’i Jesosy, fony izy tetỳ an-tany. Nanao fanasitranana mahagaga i Jesosy, tamin’ny taonjato voalohany. (Lioka 6:17-19). Nanangana ny maty mihitsy aza izy. (Lioka 7:11-15; 8:49-56). Tsy nanafoana ny aretina anefa izy, na nandresy ny fahafatesana, izay fahavalo. Fantany fa mbola tsy fotoana voatondron’Andriamanitra ho amin’izany tamin’izay fotoana izay. Nanana fahaizana ambony i Jesosy tamin’ny naha olona lavorary azy, ka azo inoana fa ho afaka nanao zavatra betsaka mba handaminana zava-nanahirana lehibe ara-politika sy ara-tsosialy. Toa naniry ny handraisany fahefana ka hanaovany zavatra toy izany ny sasany tamin’ireo niara-belona taminy, nefa nolaviny izany. Izao no vakintsika: “Hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin’izao tontolo izao. Ary rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.”—Jaona 6:14, 15.
18. a) Ahoana no nanehoan’i Jesosy hatrany toe-tsaina mahay miandry? b) Ahoana no niovan’ny zavatra ataon’i Jesosy, nanomboka tamin’ny 1914?
18 Nanda tsy hiditra tamin’ny politika, na hanao asa sosialy ranofotsiny, i Jesosy, satria fantany fa mbola tsy tonga ny fotoana handraisany ny fahefan’ny mpanjaka ka hanaovany asa fanasitranana ho an’ny rehetra, any amin’ny faritra rehetra. Na dia taorian’ny niakarany ho any an-danitra aza ka nahatongavany ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty, dia vonona ny hiandry ny fotoana voatondron’i Jehovah izy vao nanao zavatra. (Salamo 110:1; Asan’ny Apostoly 2:34, 35). Nanomboka tamin’ny nametrahana azy teo amin’ny seza fiandrianana anefa, ka nahatongavany ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914, dia mivoaka ‘haharesy izy sady [hamita ny fandreseny, NW ]’. (Apokalypsy 6:2; 12:10). Velom-pankasitrahana tokoa isika manaiky azy ho Mpanjaka, fa ny hafa izay mihambo ho Kristianina kosa, dia mifidy ny hitoetra ao anatin’ny tsy fahalalana an’ireo fampianaran’ny Baiboly momba ilay Fanjakana!
Ny fiandrasana—Loharanom-pahakiviana sa loharanom-pifaliana?
19. Rahoviana ny fiandrasana no “mankarary ny fo”, ary rahoviana kosa izy io no loharanom-pifaliana?
19 Fantatr’i Solomona fa mety hahakivy ny miandry. Izao no nosoratany: “Ny fanantenana ela fihavy, mankarary ny fo”. (Ohabolana 13:12, Kat.). Azo antoka fa raha manana fanantenana tsy marim-pototra ny olona iray, dia mety harary fo noho ny fahadisoam-panantenana. Ny fiandrasana fisehoan-javatra mahafaly kosa anefa, angamba mariazy, na fahaterahan’ny zaza iray, na fifankahitana indray amin’ny olona tiantsika, dia afaka ny hahatonga antsika ho feno fifaliana noho ny fiandrandrana izany, na dia ela be alohan’ilay fotoana aza. Vao mainka mitombo izany fifaliana izany raha mampiasa amim-pahendrena ilay fotoana iandrasana isika, ka miomana ho amin’ilay fisehoan-javatra ho avy.
20. a) Fisehoan-javatra mahatalanjona inona avy no antenaintsika amin-toky fa ho hitantsika? b) Ahoana no ahafahantsika mahita fifaliana eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah?
20 Tsy voatery ‘hankarary ny fo’ ny fotoana iandrasana, rehefa matoky tanteraka isika fa ho tanteraka ny fanantenantsika, na dia tsy fantatsika aza ny fotoana hahatanterahany. Fantatr’ireo olo-mahatoky mpivavaka amin’Andriamanitra fa efa antomotra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Matoky izy ireo fa ho hitany ny faran’ny fahafatesana sy ny aretina. Tsindrian-daona be ihany izy ireo miandry amim-pifaliana ilay fotoana hitsenany olona an-tapitrisany maro hitsangana amin’ny maty, anisan’izany ireo havan-tiany efa nodimandry. (Apokalypsy 20:1-3, 6; 21:3, 4). Ao anatin’izao fahasimban’ny tontolo iainana izao, dia manana fanantenana azo antoka ny hahita Paradisa tafaorina indray eto an-tany izy ireo. (Isaia 35:1, 2, 7). Fahendrena tokoa àry ny hampiasana amin’ny fomba tsara ny fotoana iandrasana, ‘amin’ny fanefana be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’! (1 Korintiana 15:58). Aza mitsahatra mandray sakafo ara-panahy. Manorena fifandraisana akaiky kokoa hatrany amin’i Jehovah. Mitadiava ny hafa izay atosiky ny fony hanompo an’i Jehovah. Ampaherezo ireo mpiray finoana aminao. Hararaoty amin’ny fomba feno izay fotoana rehetra mbola avelan’i Jehovah hisy. Amin’izay ny fiandrasana an’i Jehovah dia tsy ‘hankarary fo’ anao na oviana na oviana, fa hameno fifaliana anao kosa!
Hainao Hazavaina Ve?
• Ahoana no nanehoan’i Jesosy toe-tsaina mahay miandry?
• Amin’ny toe-javatra manao ahoana avy no ilan’ny Kristianina toe-tsaina mahay miandry?
• Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mianina amin’ny fiandrasana an’i Jehovah?
• Amin’ny fomba ahoana no mety ho loharanom-pifaliana ny fiandrasana an’i Jehovah?
[Sary, pejy 12]
Niaritra i Jesosy noho ny fifaliana napetraka teo anoloany
[Sary, pejy 13]
Afaka manana fifaliana hatrany isika, na dia aorian’ny taona maro nanompoana aza
[Sary, pejy 15]
Olona an-tapitrisany maro no nanatsara ny fiainany, tamin’ny nahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah