Midika ho Inona ny hoe Tia An’Andriamanitra?
TOKONY ho enina arivo taona lasa izay, dia teraka ny zazakely olombelona voalohany. Taorian’ny nahaterahany, dia hoy i Eva reniny: “Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho.” (Genesisy 4:1). Mampiseho ny filazana nataony fa, na dia efa voaheloka ho faty noho ny nikomiany aza i Eva sy i Adama vadiny, dia mbola nahatsapa ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah. Niteraka zanakalahy faharoa izy ireo tatỳ aoriana. Nantsoina hoe Kaina sy Abela ireo zazalahy.
Rehefa nihalehibe ireo zanakalahy, dia tsy isalasalana fa nianatra zavatra betsaka momba ny fitiavan’i Jehovah tamin’ny fandinihana fotsiny ny zavatra noforoniny. Nahita fahafinaretana tamin’ireo loko tsara tarehy teo amin’ny natiora sy tamin’ireo biby sy zavamaniry isan-karazany izy ireo. Tsy hoe nanome azy ireo fiainana fotsiny Andriamanitra, fa nanome azy ireo koa ny fahafahana hahita fahafinaretana amin’ny fiainana.
Nianaran’izy ireo fa ny ray aman-dreniny dia noforonina lavorary ary fa fikasan’i Jehovah tany am-boalohany ny hiainan’ny olombelona mandrakizay. Azo inoana fa nilazalaza tamin’izy ireo ny toetoetr’ilay Saha Edena tsara tarehy i Adama sy i Eva, ary tsy maintsy nanazava taminy tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa ny antony nandroahana azy ireo avy tao amin’ny fonenana paradisa toy izany. I Kaina sy i Abela koa dia nety ho nahalala ilay faminaniana avy tamin’Andriamanitra voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Genesisy 3:15. Tamin’ny alalan’io faminaniana io, dia nilaza ny fikasany handamin-javatra amin’ny fotoana mety i Jehovah, ho tombontsoan’ireo izay tia azy, ary hita fa tsy mivadika aminy.
Ny fianarana momba an’i Jehovah sy ireo toetrany dia tsy maintsy ho niteraka tao amin’i Kaina sy i Abela faniriana hahazo sitraka tamin’Andriamanitra. Koa nanatona an’i Jehovah tamin’ny fitondrana fanatitra ho azy izy ireo. Hoy ny fitantaran’ny Baiboly: “Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran’i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an’i Jehovah; fa nitondran’i Abela kosa ny voalohan-terak’ondriny, dia izay matavy.” — Genesisy 4:3, 4.
Ny faniriany hahazo sitraka tamin’Andriamanitra dia nametraka ny fototra ho amin’ny fifandraisana taminy. Niafara tamin’ny fikomiana tamin’Andriamanitra i Kaina, kanefa kosa i Abela dia nanohy ho voatosiky ny fitiavana marina an’Andriamanitra. Tsy ho nampitombo na oviana na oviana fifandraisana toy izany tamin’Andriamanitra i Abela raha tsy nahazo fahalalana momba ny toetran’i Jehovah sy ireo fikasany.
Ianao koa dia afaka ny hahafantatra an’i Jehovah. Ohatra, azonao ianarana ao amin’ny Baiboly fa tena persona iray Andriamanitra fa tsy hery iray tsy manana aina nanomboka namoron-javatra tsy nisy fikasana fotsiny. (Ampitahao amin’ny Jaona 7:28; Hebreo 9:24, NW; Apokalypsy 4:11.) Mampianatra koa ny Baiboly fa i Jehovah dia “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana”. — Eksodosy 34:6.
“Ny mankato no tsara kokoa noho ny fanatitra”
Araka ny nasehon’ny fitantarana momba an’i Kaina sy i Abela, dia tsy ampy ny fananana fahalalana an’Andriamanitra sy ny faniriana hanana fifandraisana akaiky aminy. Marina fa nanatona an’Andriamanitra samy nitondra fanatitra izy mirahalahy. Kanefa, i “Jehovah nankasitraka an’i Abela mbamin’ny fanatiny; fa Kaina mbamin’ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.” — Genesisy 4:3-5.
Nahoana i Jehovah no nanda ny fanatitr’i Kaina? Nisy zavatra tsy nety ve tamin’ny hatsaran’ny fanatitra nataony? Tezitra ve i Jehovah noho i Kaina nanolotra ny “vokatry ny tany” fa tsy fanatitra biby? Tsy voatery ho izany. Tatỳ aoriana Andriamanitra dia nanaiky tamim-pifaliana ireo fanatitra hohanina sy ireo vokatry ny tany hafa avy tamin’ny maro tamin’ireo mpivavaka taminy. (Levitikosy 2:1-16). Voaporofo àry fa nisy zavatra tsy nety tao am-pon’i Kaina. Afaka namaky tao am-pon’i Kaina i Jehovah ka nampitandrina azy toy izao: “Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha [tsy miova mba hanao ny tsara, NW ] kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany”. — Genesisy 4:6, 7.
Ny fitiavana marina an’Andriamanitra dia midika mihoatra noho ny fanolorana fanatitra fotsiny. Izany no antony nampirisihan’i Jehovah an’i Kaina mba ‘hiova hanao ny tsara’. Mitaky fankatoavana Andriamanitra. Ny fankatoavana an’Andriamanitra toy izany dia ho nanampy an’i Kaina hanome fototra tsara ho an’ny fifandraisana feno fitiavana amin’ilay Mpamorona. Manantitrantitra ny hasarobidin’ny fankatoavana amin’ireto teny ireto ny Baiboly: “Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny [mankato, NW ] ny feon’i Jehovah? He! ny [mankato no tsara kokoa, NW ] noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.” — 1 Samoela 15:22.
Voaorina tsara io hevitra io tatỳ aoriana tamin’ireo teny ao amin’ny 1 Jaona 5:3 manao hoe: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” Tsy misy fomba tsara kokoa hanehoana ny fitiavantsika an’i Jehovah noho ny faneken’ny tenantsika ny fahefany. Midika ho fankatoavana ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly izany. (1 Korintiana 6:9, 10). Midika ho fitiavana izay tsara sy fankahalana izay ratsy izany. — Salamo 97:10; 101:3; Ohabolana 8:13.
Ny fomba lehibe iray ampisehoana ny fitiavantsika an’Andriamanitra dia ny fitiavantsika ny namantsika. Milaza amintsika toy izao ny Baiboly: “Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany?” — 1 Jaona 4:20.
Azo atao ny ho tena akaiky an’Andriamanitra
Mety hilaza ny sasany hoe: ‘Manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah aho. Mankato ny lalàny aho. Mitondra ny mpiara-belona amiko tsy amim-piangarana aho. Manao izany rehetra izany aho. Na dia izany aza, dia tena tsy mahatsiaro ny tenako ho akaiky an’Andriamanitra aho. Tsy mahatsapa fitiavana mafy azy aho, ary mahatonga ahy hahatsiaro tena ho meloka izany.’ Mety hieritreritra ny sasany fa tsy mendrika ny hahazo fifandraisana tena akaiky toy izany amin’i Jehovah izy ireo.
Taorian’ny fanompoana nanokanan-tena efa ho 37 taona ho an’i Jehovah, dia nanoratra toy izao ny Kristiana iray: “Imbetsaka aho teo amin’ny fiainako no nahatsapa fa nanao zavatra tamim-pahazarana teo amin’ny fanompoako an’i Jehovah, ka angamba aza tsy tao akory ny foko. Fantatro anefa fa ny fanompoana an’i Jehovah dia ny zavatra tsara tokony hatao, ary tsy hamela ny tenako hijanona aho. Kanefa, isaky ny namaky aho ny amin’ny olona iray nilaza fa ‘feno fitiavana an’i Jehovah ny fony’, dia nanontany tena aho hoe: ‘Inona no tsy mety amiko satria tsy mba nahatsapa mihitsy toy izany aho?’ ” Ahoana no ahafahantsika ho tena akaiky an’Andriamanitra?
Rehefa tena tia marina olona iray ianao, dia matetika mieritreritra an’io olona io. Manam-paniriana mafy ny ho akaiky azy ianao satria miahy azy. Arakaraka ny ahitanao azy sy iresahanao aminy ary ieritreretanao azy, no itomboan’ny fitiavanao azy. Mihatra amin’ny fambolena fitiavana an’Andriamanitra koa io fotopoto-pitsipika io.
Ao amin’ny Salamo 77:12, dia milaza toy izao ilay mpanoratra nahazo tsindrimandry: “Eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” Tena zava-dehibe amin’ny fambolena fitiavana an’Andriamanitra ny fisaintsainana. Marina indrindra izany rehefa heverina fa tsy hita maso izy. Arakaraka ny hieritreretanao azy anefa no hahatonga azy ho tena misy aminao. Amin’izany ihany no ahafahanao mampitombo fifandraisana feno fahatsorana sy feno firaiketam-po aminy — satria tena misy izy aminao.
Ny fironanao hisaintsaina matetika ny amin’ny lalana sy ny fifampiraharahan’i Jehovah dia hiankina amin’ny hoe impiry ianao no mihaino azy. Mihaino ianao amin’ny alalan’ny famakiana sy ny fianarana tsy tapaka ny Teniny, ny Baiboly. Ny mpanao salamo dia miresaka ny amin’ny olona sambatra iray ho toy ilay mahita ‘fahafinaretana ao amin’ny lalàn’i Jehovah, ary ao amin’ny lalàny no amakiany amin’ny feo iva andro aman’alina’. — Salamo 1:1, 2, NW.
Ny anton-javatra lehibe hafa amin’ny fampitomboana fisakaizana amin’i Jehovah dia ny vavaka. Izany no antony ampirisihan’ny Baiboly antsika imbetsaka mba hivavaka — “amin’ny toe-javatra rehetra”, ‘hanokana fotoana ho amin’ny vavaka’, ‘haharitra amin’ny vavaka’, sy ‘tsy hitsahatra hivavaka’. (Efesiana 6:18, NW; 1 Korintiana 7:5, NW; Romana 12:12; 1 Tesaloniana 5:17). Hahatonga antsika ho sarobidy eo imasony ireo vavaka tsy mitsahatra hatao ho an’i Jehovah ary hampanatona antsika akaiky aminy ny toky fa mihaino izy. Nohamafisin’ny mpanao salamo izany rehefa nanambara toy izao izy: “Izaho tia an’i Jehovah, satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy. Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, dia hiantso aho, raha mbola velona koa.” — Salamo 116:1, 2.
Fanahafana ilay Andriamanitra fitiavana
Jehovah dia maneho hatsaram-po amintsika. Amin’ny maha-Mpamorona izao rehetra izao azy dia azo antoka fa manan-javatra maro heverina sy ahina izy. Kanefa, milaza amintsika ny Baiboly fa mbola miahy ny olombelona noforoniny izy, na dia heni-kaja aza izy. Tia antsika izy. (1 Petera 5:6, 7). Manamafy izany amin’izao teny izao ny mpanao salamo: “Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra! Nataonao eny amin’ny lanitra ny voninahitrao. Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny ratsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?” — Salamo 8:1, 3, 4.
Ahoana no ahatsiarovan’i Jehovah ny olona? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.” — 1 Jaona 4:9, 10.
Amin’ny ahoana io sorom-panavotana io no porofo lehibe indrindra ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra? Aoka isika handinika izay nitranga tao amin’ny Saha Edena. I Adama sy i Eva dia niatrika ny fanapahan-kevitra hoe hanaiky ny lalàn’i Jehovah amin’ny fahatsinjovana ny fiainana mandrakizay lavorary, na hikomy amin’i Jehovah ka fahafatesana no ho vokany. Nifidy ny hikomy izy ireo. (Genesisy 3:1-6). Tamin’ny fanaovana izany izy ireo dia nanameloka ho faty ny olombelona rehetra koa. (Romana 5:12). Nanaisotra tamintsika tamim-pieboeboana ny fahafahana hanapa-kevitra ho an’ny tenantsika izy ireo. Tsy nisy tamintsika nomena fitenenana tamin’ilay raharaha.
Kanefa, notsarovan’i Jehovah ny olona mety maty, ary takany mazava ny tarehin-javatra sarotra nisy azy. Tamin’ny alalan’ny fahafatesana ho sorona nataon’i Jesosy Kristy Zanany, dia nanome ny fototra ara-dalàna ho an’ny tsirairay avy amintsika i Jehovah mba hisafidy ho an’ny tenany ny fiainana na ny fahafatesana, ny fankatoavana na ny fikomiana. (Jaona 3:16). Toy ny hoe nanome fahafahana hotsaraina araka ny safidy ataontsika i Jehovah — fahafahana hiverina any Edena, raha azo atao ny milaza izany, ka hanao ny fanapahan-kevitsika manokana. Izany no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra nisy hatramin’izay.
Alao sary an-tsaina ny fanaintainana niaretan’i Jehovah rehefa nahita ny zanany lahimatoa notenenina ratsy sy nampijalina ary nohomboana teo amin’ny hazo tahaka ny mpanao heloka bevava. Ary niaritra izany ho antsika Andriamanitra. Ny fahalalantsika ny nanombohan’i Jehovah nanao zavatra voalohany tamin’ny fitiavana antsika dia tokony hanosika antsika kosa ho tia azy sy hampirisika antsika hitady azy. (Jakoba 1:17; 1 Jaona 4:19). Manasa antsika ny Baiboly mba ‘hitady an’i Jehovah sy ny heriny; hikatsaka mandrakariva ny tavany. Hahatsiaro ny asa mahagaga nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany’. — Salamo 105:4, 5.
Tsy hoe zavatra tsy araka ny tena izy ny fananana firaiketam-po manokana sy fifandraisana feno fitiavana amin’Andriamanitra, ny ho tonga sakaizany. Azo tratrarina izany. Marina fa tsy afaka mampitovy marina amin’ny an-tsipiriany ny fitiavantsika an’Andriamanitra amin’ny fifandraisan’olombelona isika. Ny fitiavana tsapantsika amin’ny vadintsika, ny ray aman-drenintsika, ireo havantsika, ireo zanatsika na ny namantsika dia samy hafa amin’ny fitiavana ananantsika ho an’Andriamanitra. (Matio 10:37; 19:29). Mahatafiditra ny fifikirantsika sy ny fanompoam-pivavahantsika ary ny fanolorantsika tena tsy misy fepetra aminy ny fitiavantsika an’i Jehovah. (Deoteronomia 4:24). Tsy misy fifandraisana hafa mahatafiditra zavatra toy izany. Na dia izany aza, dia afaka mampitombo fihetseham-po mahery sy lalina ho an’Andriamanitra isika, amin-tahotra miharo fanajana ara-pivavahana. — Salamo 89:7.
Na dia tsy lavorary tahaka an’i Kaina sy i Abela aza ianao, dia afaka ny ho tia ny Mpamorona anao. Nanao ny safidiny i Kaina, niaraka tamin’i Satana, ka tonga ilay mpamono olona voalohany. (1 Jaona 3:12). Mifanohitra amin’izany, dia hotadidin’i Jehovah ho olona nanam-pinoana sy nanana fahitsiana kosa i Abela ary hovalian-tsoa amin’ny fiainana ao amin’ilay Paradisa ho avy. — Hebreo 11:4.
Manan-tsafidy koa ianao. Omban’ny fanahin’Andriamanitra sy ny Teniny, dia afaka tena ho tonga amin’ny fitiavana an’Andriamanitra “amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra” ianao. (Deoteronomia 6:5). Hanohy ho tia anao kosa i Jehovah satria izy no “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” — Hebreo 11:6.
[Sary, pejy 7]
Azon’Andriamanitra nekena ny fanatitr’i Abela