Mpiandraikitra Mpitety Faritany — Fanomezana Voaforona Lehilahy
“Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy, dia nitondra olona ho babo ka nanome fanomezana [voaforona lehilahy, NW ].” — EFESIANA 4:8.
1. Asa vaovao inona no nambara tato amin’itỳ gazety itỳ tamin’ny 1894?
MAHERIN’NY zato taona lasa izay, dia nanambara zava-baovao iray Ny Tilikambo Fiambenana. Nolazalazaina ho “Lafiny Iray Hafa Amin’ny Asa” ilay izy. Inona moa no tafiditra tamin’io asa vaovao io? Izany dia ny fisantarana amin’ny andro maoderina ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany. Nohazavain’ny nomerao tamin’ny 1 Septambra 1894 amin’itỳ gazety itỳ fa nanomboka hatreo, dia hisy rahalahy ampy fahaizana hitsidika ireo antokona Mpianatra ny Baiboly ‘ho fikendrena ny hampahery azy ireo ao amin’ny fahamarinana’.
2. Manana adidy hanao inona, ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika?
2 Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ireo kongregasiona kristiana dia notsidihina mpiandraikitra toa an-dry Paoly sy Barnabasy. Ireny lehilahy nahatoky ireny dia nanao ho zava-kendrena ny ‘hampahery’ ireo kongregasiona. (2 Korintiana 10:8, NW ). Amin’izao andro izao isika dia mahazo fitahiana amin’ny lehilahy an’arivony maro izay manao izany amin’ny fomba voalamina tsara. Ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanendry azy ireny ho mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika. Ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia mitsidika kongregasiona tokony ho 20, ka ny tsirairay avy dia mandritra ny herinandro, tokony ho indroa isan-taona. Mandinika ireo firaketana an-tsoratra izy, manao lahateny, mandray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha miaraka amin’ireo mpitory ilay Fanjakana eo an-toerana. Ny mpiandraikitra ny distrika dia mpitari-draharaha amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany tsirairay ataon’ny fizaran-tany maromaro isan-taona, ary mandray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha miaraka amin’ireo kongregasiona mandray azy izy, sady manome fampaherezana amin’ireo lahateny miorina amin’ny Baiboly.
Ny toe-tsainy feno fahafoizan-tena
3. Nahoana no mila manana toe-tsaina feno fahafoizan-tena ireo mpiandraikitra mpitety faritany?
3 Mifindrafindra toerana tsy an-kijanona ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Izany fotsiny dia efa mitaky toe-tsaina feno fahafoizan-tena. Matetika no mety ho sarotra ny fandehanana avy ao amin’ny kongregasiona iray mankamin’ny iray hafa, kanefa dia manao izany amin’ny fananana fihetsika falifaly ireny lehilahy ireny sy ny vadiny. Hoy ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray: “Faran’izay tia manohana sy tsy be taraina ny vadiko. (...) Mendri-pankasitrahana tokoa izy noho ny toe-tsainy feno fahafoizan-tena.” Misy mpiandraikitra ny fizaran-tany sasany manao dia maherin’ny 1 000 kilaometatra eo anelanelan’ireo kongregasiona. Maro no mitondra fiarakodia, kanefa ny hafa dia mifindrafindra toerana amin’ny alalan’ny fitateram-bahoaka, na bisikilety na mitaingin-tsoavaly, na mandeha an-tongotra. Ny mpiandraikitra ny fizaran-tany afrikana iray aza dia tsy maintsy nita renirano tamin’ny firobohana nitondra ny vadiny antsangory, mba hahatongavana tany amin’ny kongregasiona iray. Tamin’ireo dia misionera nataony, ny apostoly Paoly dia tsy maintsy nizaka hafanana sy hatsiaka, hanoanana sy hetaheta, tsy fahitan-tory, loza maro samihafa sy fanenjehana feno herisetra. Nahazo azy koa “ny fanahiana momba ny kongregasiona rehetra” — dia zavatra iainana mahazatra an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany amin’izao andro izao. — 2 Korintiana 11:23-29, NW.
4. Mety hisy vokany manao ahoana eo amin’ny fiainan’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny ny zava-manahirana ara-pahasalamana?
4 Sahala amin’i Timoty naman’i Paoly, dia manan-java-manahirana ara-pahasalamana indraindray ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny. (1 Timoty 5:23). Izany dia mametraka fihenjanana fanampiny amin’izy ireo. Nanazava toy izao ny vadin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray: “Rehefa tsy metimety aho, dia mahatonga fihenjanana ara-batana na ara-tsaina mafy ny fiarahana foana amin’ireo anadahy sy rahavavy. Hitako ho sarotra indrindra izany teo am-piandohan’ny fitsaharam-potoanako. Ny fangoronana ny entanay tsy maintsy atao isan-kerinandro fotsiny sy ny fifindrana any an-toeran-kafa dia tena zava-tsarotra tsy maintsy resena. Matetika aho no tsy maintsy miato ary mivavaka amin’i Jehovah mba hanome ahy ny tanjaka hanohizana hatrany.”
5. Na dia eo aza ny fisedrana maro samihafa, dia inona no toe-tsaina nasehon’ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny?
5 Na dia eo aza ireo zava-manahirana ara-pahasalamana sy ny fisedrana hafa, dia mahita fifaliana eo amin’ny fanompoany sy maneho fitiavana feno fahafoizan-tena ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny. Ny sasany nanao vivery ny ainy mba hitondrana fanampiana ara-panahy tamin’ny fotoana nisy fanenjehana na ady. Rehefa nitsidika kongregasiona izy ireo, dia nampiseho toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Paoly izay nilaza tamin’ireo Kristiana tany Tesalonika hoe: “Nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.” — 1 Tesaloniana 2:7, 8.
6, 7. Afaka manome fitaomana manorina inona ireo mpiandraikitra mpitety faritany miasa mafy?
6 Sahala amin’ireo loholona hafa ao amin’ny kongregasiona kristiana, ireo mpiandraikitra mpitety faritany dia “mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana”. Ny loholona rehetra toy izany dia tokony ‘hatao mahazo fanajana roa heny’. (1 Timoty 5:17). Mety ho hita fa mahasoa ny ohatr’izy ireny raha ‘manahaka ny finoany isika’ rehefa avy ‘nandinika ny iafaran’ny fitondran-tenany’. — Hebreo 13:7, NW.
7 Fitaomana nanao ahoana teo amin’ny hafa moa ireo loholona mpitety faritany sasany? “Nisy heriny nahatalanjona toy inona moa ny Rahalahy P—— teo amin’ny fiainako!”, hoy ny nosoratan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray. “Mpiandraikitra ny fizaran-tany teto Meksika hatramin’ny taona 1960 izy. Tamin’ny naha-ankizy ahy, dia niandry ny fitsidihany tamim-panantenana sy tamin-kafaliana aho. Rehefa folo taona aho, dia hoy izy tamiko: ‘Ianao koa ho tonga mpiandraikitra ny fizaran-tany.’ Nandritra ireo taona nanahirana naha-zatovo ahy, dia nitady azy matetika aho satria nanana tenim-pahendrena nomena foana izy. Ny fanahiany lehibe indrindra dia ny fiandrasana ny andian’ondry! Amin’izao maha-mpiandraikitra ny fizaran-tany ahy izao, dia miezaka foana aho manokana fotoana ho an’ireo tanora sy mametraka tanjona teokratika eo anoloan’izy ireo, toy ny nataony tamiko. Na dia tamin’ireo taona farany niainany aza, na dia teo aza ny aretim-po nahazo azy, dia niezaka nanao teny fampaherezana foana ny Rahalahy P——. Indray andro monja talohan’ny nahafatesany tamin’ny Febroary 1995, dia niaraka tamiko tamin’ny andro fivoriambe manokana iray izy ary nametraka tanjona tsara dia tsara teo anoloan’ny rahalahy iray izay mpanao maritrano. Avy hatrany ilay rahalahy dia nanao fangatahana hanompo tany amin’ny Betela.”
Ankasitrahana izy ireo
8. Iza avy ireo “fanomezana voaforona lehilahy” voalazalaza ao amin’ny Efesiana toko faha-4 (NW ), ary ahoana no andraisan’ny kongregasiona soa avy amin’izy ireo?
8 Antsoina hoe “fanomezana voaforona lehilahy” ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ireo loholona hafa izay nomena tombontsoa manokana hanao fanompoana nanendrena noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory. Amin’ny maha-solontenan’i Jehovah sy Lohan’ny kongregasiona an’i Jesosy, dia nanome ireny lehilahy araka ny fanahy ireny izy mba hahafahantsika hahazo fampaherezana isam-batan’olona sy mba hahatonga antsika ho matotra. (Efesiana 4:8-15, NW ). Rehefa mety ho fanomezana dia mendrika fanehoam-pankasitrahana. Marina indrindra izany raha ny amin’ny fanomezana iray izay manatanjaka antsika mba hanohy hanompo an’i Jehovah. Koa ahoana àry no ahafahantsika mampiseho ny fankasitrahantsika ny asan’ireo mpiandraikitra mpitety faritany? Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika mampiseho fa ‘manome voninahitra izay olona tahaka izany’ isika? — Filipiana 2:29.
9. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika maneho fankasitrahana an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany?
9 Rehefa ambara ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia afaka manomboka manao fandaharana mialoha isika mba handraisana anjara feno amin’ireo asa ataon’ny kongregasiona mandritra io herinandro io. Angamba isika afaka manokana fotoana fanampiny mba hanohanana ireo fandaharana amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, mandritra ilay fitsidihana. Mety ho afaka hanompo amin’ny maha-mpisava lalana mpanampy isika mandritra io volana io. Azo antoka fa haniry hampihatra ireo tolo-kevitry ny mpiandraikitra ny fizaran-tany isika mba hanatsarana ny fanompoantsika. Ny fananana toe-tsaina mora mandray anatra toy izany dia handraisantsika soa, sady hanome toky azy fa misy ilana azy ny fitsidihany. Eny, mitsidika ny kongregasiona ireo mpiandraikitra mpitety faritany mba hampahery antsika, kanefa mba mila ny ampaherezina ara-panahy koa izy ireo. Nisy fotoana nilan’i Paoly mafy fampaherezana, ary matetika izy no nangataka tamin’ireo Kristiana tahaka azy mba hivavaka ho azy. (Asan’ny Apostoly 28:15; Romana 15:30-32; 2 Korintiana 1:11; Kolosiana 4:2, 3; 1 Tesaloniana 5:25). Mila vavaka sy fampaherezana avy amintsika toy izany koa ireo mpiandraikitra mpitety faritany amin’izao andro izao.
10. Ahoana no ahafahantsika manampy mba hahatonga ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany ho fifaliana?
10 Efa nilaza tamin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny vadiny ny fankasitrahantsika fatratra ny fitsidihan’izy ireo ve isika? Misaotra azy ve isika noho ny torohevitra mahasoa omeny antsika? Rehefa mampitombo ny fifaliantsika eo amin’ny fanompoana ny tolo-keviny ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ampahafantarintsika azy ve izany? Raha manao izany isika, dia hanampy mba hahatonga ny asany ho fifaliana izany. (Hebreo 13:17). Ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray any Espaina dia nanazava manokana ny fankamamian’izy mivady aoka izany ireo taratasy fohy ho fisaorana noraisin’izy ireo taorian’ny nitsidihana kongregasiona. “Tehirizinay ireny cartes ireny ary vakinay izy ireny rehefa kivy izahay”, hoy izy. “Loharanon’ny tena fampaherezana ho anay izy ireny.”
11. Nahoana isika no tokony hamela ny vadin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika hahafantatra fa tiana sy ankasitrahana izy ireo?
11 Azo antoka fa ny vadin’ny mpiandraikitra mpitety faritany dia mandray soa amin’ny teny fiderana. Nanao sorona lehibe izy mba hanampiana ny vadiny amin’io lafim-panompoana io. Ireny anabavy mahatoky ireny dia mamoy ilay faniriana voajanahary hanana ny tranon’ny tenany, ary maro aminy no mamoy koa ny faniriana voajanahary hanan-janaka. Ny zanakavavin’i Jefta dia iray amin’ireo mpanompon’i Jehovah izay namoy an-tsitrapo ny fahafahany hanambady sy hanana fianakaviana noho ny voady nataon-drainy. (Mpitsara 11:30-39). Ahoana no niheverana ny sorona nataony? Milaza toy izao ny Mpitsara 11:40: ‘Nandeha ny zazavavin’ny Isiraely isan-taona nankalaza ny zanakavavin’i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.’ Tsara dia tsara toy inona moa ny iezahantsika milaza amin’ireo vadina mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika fa tiana sy ankasitrahana izy ireo!
“Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny”
12, 13. a) Inona no fototra araka ny Soratra Masina mahatonga hampiantrano an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny? b) Hazavao amin’ny ohatra ny fomba ahafahan’ny fampiantranoam-bahiny toy izany mitondra soa ho an’ny andaniny avy.
12 Ny fampiantranoam-bahiny dia fomba hafa iray anehoana fitiavana sy fankasitrahana ho an’ireo izay ao anatin’ny asa fitetezam-paritany kristiana. (Hebreo 13:2). Ny apostoly Jaona dia nidera an’i Gaio noho izy nampiantrano an’ireo izay nitsidika ny kongregasiona tamin’ny naha-misionera mpitety faritany. Nanoratra toy izao i Jaona: “Ry malala, manao asa mahatoky hianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan’ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay mendrika hatao noho ny amin’Andriamanitra hianao; fa noho ny Anarana no niaingany, ka tsy naka na inona na inona tamin’ny jentilisa izy. Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.” (3 Jaona 5-8). Amin’izao andro izao dia afaka mampandroso ny asa fitoriana ilay Fanjakana isika amin’ny fampiantranoana toy izany koa ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny. Mazava ho azy fa ireo loholona eo an-toerana dia tokony hanao izay hahazoana antoka fa mahafa-po ny toeram-pilasiana, kanefa niteny toy izao ny mpiandraikitra ny distrika: “Ny fifandraisanay amin’ireo rahalahy dia tsy azo aorina amin’ny hoe iza no afaka manao zavatra ho anay. Tsy irinay akory aza ny hahatonga izany ho ao an-tsain’ny olona. Tsy maintsy vonona izahay hanaiky ny fampiantranoana ataon’ny rahalahinay na iza na iza, na manankarena na mahantra.”
13 Afaka mitondra soa ho an’ny andaniny avy ny fampiantranoam-bahiny. “Tao amin’ny fianakaviako, dia zatra nanasa ireo mpiandraikitra mpitety faritany hiara-mitoetra taminay izahay”, hoy ny tsaroan’i Jorge, izay mpiandraikitra ny fizaran-tany taloha, fa izao dia manompo any amin’ny Betela. “Tsapako fa ireny fitsidihana ireny dia nanampy ahy kokoa noho izay niheverako azy tamin’izay. Nandritra ny fotoana naha-zatovo ahy, dia nanan-java-nanahirana ara-panahy aho. Nanahy mafy ny amin’izany ny reniko, kanefa dia tsy fantany marina ny fomba hanampiana, ka noho izany dia nangataka ny mpiandraikitra ny fizaran-tany mba hiresaka tamiko izy. Tamin’ny voalohany dia nohalaviriko izy, satria natahotra ny hokianina aho. Ny fihetsiny feno fisakaizana anefa dia namabo ahy tamin’ny farany. Nanasa ahy hiara-misakafo taminy izy indray alatsinainy izay, ary dia namboraka ny tao am-poko aho satria azoko antoka fa ho takatra ny fihevitro. Nihaino tamim-pitandremana izy. Tena nandaitra tokoa ireo tolo-keviny azo nampiharina, ary dia nanomboka nandroso ara-panahy aho.”
14. Nahoana isika no tokony ho feno fankasitrahana fa tsy ho be fanakianana an’ireo loholona mpitety faritany?
14 Ny mpiandraikitra mpitety faritany dia miezaka ny hanampy ara-panahy ny tanora sy ny antitra amin’ny fomba mitovy. Azo antoka àry fa tokony hampiseho ny fankasitrahantsika ny ezaka ataony isika. Ahoana anefa raha sanatria ka manakiana azy noho ireo fahalemeny isika, na mampitaha azy amin’ny fomba tsy manorina amin’ireo hafa izay efa nitsidika ny kongregasiona? Azo inoana fa tena hahaketraka izany. Tsy nampahery an’i Paoly ny nandrenesany fanakianana ny asany. Toa nisy Kristiana sasany tany Korinto nanao fanakianana ny fisehoany ivelany sy ny fahaizany miteny. Ny tenan’i Paoly mihitsy no nanonona izany fanakianana izany tamin’ny filazana hoe: “Ny epistiliny (...) dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.” (2 Korintiana 10:10). Soa ihany anefa fa mazàna ireo mpiandraikitra mpitety faritany no mandre teny fankasitrahana feno fitiavana.
15, 16. Misy fiantraikany manao ahoana eo amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, ny fitiavana sy ny zotom-po asehon’ireo mpiray finoana?
15 Ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray any Amerika Latina dia nandeha an-tongotra indray andro maninjitra nanaraka lalan-kely feno fotaka mba hitsidihana ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy izay mipetraka any amin’ny faritra fehezin’ireo mpiady anaty akata. “Manohina ny fo ny mahita ny fomba anehoan’ireo rahalahy ny fankasitrahany ilay fitsidihana”, hoy ny nosoratany. “Na dia tsy maintsy nanao ezaka be aza aho mba hahatongavana tany, niatrika loza sy zava-tsarotra maro, dia novalian-tsoa izany rehetra izany tamin’ny fitiavana sy ny zotom-po nasehon’ireo rahalahy.”
16 Nanoratra toy izao ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray atsy Afrika: “Noho ny fitiavana nasehon’ireo rahalahy taminay, dia tianay aoka izany ny faritanin’i Tanzania! Vonona hianatra avy aminay ireo rahalahy, ary faly izy ireo nanana anay tao an-tranony.” Nisy fifandraisana feno fitiavana sy nahafinaritra teo amin’ny apostoly Paoly sy i Akoila sy i Prisila, mpivady kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Raha ny marina dia hoy i Paoly ny amin’izy ireo: “Veloma amin’i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy; izy mivady dia nanolotra ny tenany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ny jentilisa koa.” (Romana 16:3, 4). Velom-pisaorana ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny noho izy ireo manana ho namana Akoila sy Prisila amin’ny andro maoderina, izay manao ezaka manokana mba hampiantranoana vahiny sy mba hanomezana namana iarahana.
Fanatanjahana ny kongregasiona
17. Nahoana no azo lazaina fa misy fahendrena fonosin’ilay fandaharana momba ny mpiandraikitra mpitety faritany, ary aiza izy ireo no mahazo ny toromarika omeny?
17 Hoy i Jesosy: “Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.” (Matio 11:19). Miharihary ny fahendrena fonosin’ilay fandaharana momba ny mpiandraikitra mpitety faritany amin’ny hoe izy io dia manampy mba hanatanjaka ny kongregasionan’ny vahoakan’Andriamanitra. Nandritra ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly, dia “namaky an’i Syria sy Kilikia” tamim-pahombiazana izy sy i Silasy, “nampahery ny fiangonana tany”. Milaza amintsika toy izao ny bokin’ny Asan’ny Apostoly: “Raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman’ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema. Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan-andro.” (Asan’ny Apostoly 15:40, 41; 16:4, 5). Sahala amin’ireo Kristiana hafa rehetra, ireo mpiandraikitra mpitety faritany amin’izao andro izao dia mahazo toromarika ara-panahy avy amin’ny Soratra Masina sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny “mpanompo mahatoky sy malina”. — Matio 24:45, NW.
18. Ahoana no anatanjahan’ny mpiandraikitra mpitety faritany ny kongregasiona?
18 Eny, tsy maintsy manohy mihinana eo amin’ny latabatra ara-panahin’i Jehovah ireo loholona mpitety faritany. Tsy maintsy mahafantatra tsara ireo fomba fiasa sy toro lalana arahin’ny fandaminan’Andriamanitra, izy ireo. Amin’izay dia afaka ny ho tena fitahiana ho an’ny hafa ireny lehilahy ireny. Amin’ny alalan’ny oha-pahazotoana tsara dia tsara omeny eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, dia afaka manampy ireo mpiray finoana mba hanatsara ny fanompoana kristiana, izy ireo. Mampahery ara-panahy an’ireo mpihaino ny lahateny miorina amin’ny Baiboly ataon’ireny loholona mpitsidika ireny. Manatanjaka ireo kongregasiona nomena tombontsoa hotsidihiny ireo mpiandraikitra mpitety faritany amin’ny fanampiana ny hafa mba hampihatra ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra, mba hanompo mifanaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, ary mba hampiasa ireo fandaharana ara-panahy ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky”.
19. Fanontaniana inona avy no mbola hodinihina?
19 Fony nanorina ny asan’ny loholona mpitety faritany teo anivon’ireo Mpianatra ny Baiboly ny fandaminan’i Jehovah, tokony ho zato taona lasa izay, dia nilaza toy izao itỳ gazety itỳ: “Tokony hiandry izay vokany sy izay fitarihana fanampiny hataon’ny Tompo, isika.” Niharihary mazava tsara ny fitarihan’i Jehovah. Noho ny fitahiany sy teo ambany fanaraha-mason’ny Fitambara-mpitantana, dia nitarina sy nohatsaraina nandritra ireo taona io asa io. Ho vokatr’izany, dia nihanahery finoana sy nihamaro isan’andro ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Miharihary fa mitahy ny toe-tsaina feno fahafoizan-tenan’ireny fanomezana voaforona lehilahy ireny, i Jehovah. Ahoana anefa no ahafahan’ireo mpiandraikitra mpitety faritany manatontosa amim-pahombiazana ny asany? Inona avy ireo zava-kendreny? Ahoana no ahafahan’izy ireo mahavita soa be indrindra?
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona avy no sasany amin’ireo adidin’ ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika?
◻ Nahoana no mila manana toe-tsaina feno fahafoizan-tena ireo mpiandraikitra mpitety faritany?
◻ Ahoana no azo anehoana fankasitrahana ny asan’ny loholona mpitety faritany sy ny vadiny?
◻ Inona no azon’ireo mpiandraikitra mpitety faritany atao mba hahatonga ireo kongregasiona hihamahery finoana?
[Sary, pejy 10]
Mitaky toe-tsaina feno fahafoizan-tena ny fifindrafindran-toerana
[Sary, pejy 13]
Efa nampiantrano mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny ve ianao?