Toko 17
Valian-tsoa “Ireo Novonoina”
1. Fotoana manao ahoana no iainantsika, ary inona no manaporofo izany?
EFA mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra! Kely sisa dia hamita ny fandreseny ilay Mpitaingina soavaly fotsy! Mirifatra eran-tany ireo soavaly mena sy mainty ary hatsatra! Tanteraka tokoa ny faminanian’i Jesosy momba ny fanatrehany. (Matio, toko 24, 25; Marka, toko 13; Lioka, toko 21) Miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ity isika. (2 Timoty 3:1-5) Aoka àry isika hifantoka tsara, fa hamaha ny tombo-kase fahadimy amin’ilay horonam-boky i Jesosy Kristy Zanak’ondry. Inona indray izao no zavatra haharihary amintsika?
2. a) Inona no hitan’i Jaona, rehefa novahana ny tombo-kase fahadimy? b) Nahoana no tsy mahagaga raha misy alitara fanaovana fanatitra any an-danitra?
2 Milaza fisehoan-javatra mampihetsi-po i Jaona: “Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako tao ambany alitara ny ain’ireo novonoina tamin-kabibiana noho ny tenin’Andriamanitra sy noho ny asa fitoriana nataony.” (Apokalypsy 6:9) Inona izany? Misy alitara fanaovana fanatitra ve any an-danitra? Eny! Sambany izao i Jaona vao niresaka momba ny alitara. Efa noresahiny anefa ny momba an’i Jehovah eo ambony seza fiandrianana, ny kerobima manodidina azy, ny ranomasina toy ny fitaratra, ny jiro, ary ny anti-panahy 24 mitondra emboka manitra. Misy itovizany amin’izay tao anatin’ny tranolay, na ny toerana masin’i Jehovah teo amin’ny Israely, izany rehetra izany. (Eksodosy 25:17, 18; 40:24-27, 30-32; 1 Tantara 24:4) Tsy mahagaga àry raha misy alitara fanaovana fanatitra koa any an-danitra.—Eksodosy 40:29.
3. a) Midika ho inona ny ra? b) Nahoana no hitan’i Jaona teo ambanin’ilay alitara tany an-danitra ny ain’ireo vavolombelona novonoina?
3 Teo ambanin’io alitara io ny “ain’ireo novonoina tamin-kabibiana noho ny tenin’Andriamanitra sy noho ny asa fitoriana nataony.” Inona no dikan’izany? Mazava ho azy fa fantatr’i Jaona hoe midika ho aina ny ra. Nanaparitaka ny ra nanodidina ny sisin’ny alitara, na nandraraka izany teo “am-bodin’ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana”, ny mpisorona tao amin’ny tranolay jiosy fahiny, rehefa namono biby hatao fanatitra. (Levitikosy 3:2, 8, 13; 4:7; 17:6, 11, 12) Rehefa misy resaka hoe alitara fanaovana sorona àry, dia misy ifandraisany amin’ny ain’ny biby atao sorona izany. Nahoana anefa ny aina na ny ran’ireo mpanompon’Andriamanitra ireo, no teo ambanin’ilay alitara tany an-danitra? Satria azo lazaina hoe nanao sorona ny ainy izy ireo rehefa maty.
4. Inona no dikan’ny hoe manao sorona ny ainy ireo Kristianina nateraky ny fanahy?
4 Manao sorona ny ainy avokoa ireo atsangana ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra. Mamoy ny fanantenany fiainana mandrakizay eto an-tany mantsy izy ireo, araka ny sitrapon’Andriamanitra, mba hanaovana ny anjara asany ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Toy ny hoe manaiky hanao sorona ny ainy izy ireo amin’izany, ho fanohanana ny zon’i Jehovah hitondra. (Filipianina 3:8-11; ampitahao amin’ny 2:17.) Nanao sorona ny ainy ara-bakiteny mihitsy ireo hitan’i Jaona tao ambanin’ny alitara, izany hoe maty maritiora. Novonoina ireo voahosotra ireo, satria nazoto nanompo an’i Jehovah sy niaro ny Teniny ary nanohana ny zony hitondra. “Novonoina tamin-kabibiana” izy ireo, “noho ny tenin’Andriamanitra sy noho ny asa fitoriana [mar·ty·riʹan] nataony.”
5. Nahoana no lazaina fa miantso valifaty ny ain’ireo olona mahatoky, na dia efa maty aza izy ireo?
5 Mitohy ihany ilay tantara: “Ary niantsoantso mafy izy ireo hoe: ‘Ry Tompo Fara Tampony, izay masina sy marina ô, mandra-pahoviana ianao no mbola tsy hitsara ka tsy hamaly ny ranay amin’izay monina eny ambonin’ny tany?’ ” (Apokalypsy 6:10) Nahoana no lazaina fa miantso valifaty ny aina, na ran’izy ireo, nefa lazain’ny Baiboly fa tsy mahalala na inona na inona ny maty? (Mpitoriteny 9:5) Tadidio fa niantsoantso koa ny ran’i Abela, rehefa novonoin’i Kaina izy. Hoy i Jehovah tamin’i Kaina avy eo: “Inona no nataonao? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ny tany.” (Genesisy 4:10, 11; Hebreo 12:24) Tsy namoaka feo ny ran’i Abela. Tsy nanan-tsiny kosa izy, ka ny rariny no mitaky ny hanasaziana an’ilay namono azy. Tsy manan-tsiny koa ireo Kristianina maritiora, ka mitaky valifaty ny rariny. (Lioka 18:7, 8) Mafy ilay antsoantso mitaky valifaty, satria an’arivony ireo maty maritiora toy izany.—Ampitahao amin’ny Jeremia 15:15, 16.
6. Inona no fandatsahan-dran’olo-marina novaliana tamin’ny 607 T.K.?
6 Toy izany koa no nitranga tao amin’ny fanjakan’ny Joda nivadi-pinoana, rehefa lasa mpanjaka i Manase tamin’ny 716 T.K. Nandatsaka ran’olo-marina maro izy, ary angamba koa ‘nanatsofa’ an’i Isaia mpaminany. (Hebreo 11:37; 2 Mpanjaka 21:16) Nibebaka sy niova i Manase tatỳ aoriana, nefa tsy afaka ilay trosan-dra. Nandrava ny fanjakan’ny Joda ny Babylonianina tamin’ny 607 T.K. “Araka ny tenin’i Jehovah ihany no nahatongavan’izany tamin’ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’i Manase tahaka izay rehetra nataony sy noho ny ra marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny ra marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’i Jehovah hamela ny helony.”—2 Mpanjaka 24:3, 4.
7. Iza no meloka indrindra tamin’ny fandatsahana ny “ran’ny olona masina”?
7 Mety ho efa ela koa no maty ny maro tamin’ireo namono ny vavolombelon’Andriamanitra. Mbola tena velona sy manana trosan-dra anefa ny fandaminana nitarika ny famonoana azy ireo. Izany dia ny fandaminan’i Satana eto an-tany, na ny taranany. Misongadina amin’izany i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra.a Lazaina fa “mamon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny vavolombelon’i Jesosy” izy. “Tao aminy [mantsy] no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 17:5, 6; 18:24; Efesianina 4:11; 1 Korintianina 12:28) Trosan-dra be tokoa izany! Raha mbola eo koa i Babylona Lehibe, dia hiantsoantso foana ny ran’ireo novonoiny, ka hitaky ny hampiharana ny rariny.—Apokalypsy 19:1, 2.
8. a) Iza avy no novonoina ho maritiora tamin’ny andron’i Jaona? b) Inona no nataon’ireo mpanjaka romanina mba hanenjehana ny Kristianina?
8 Nahita olona maty maritiora mihitsy i Jaona tamin’ny taonjato voalohany, rehefa niady tamin’ny fiangonan’ny voahosotra nihanitombo, ilay Menarana tsy mifaditrovana sy ny taranany teto an-tany. Hitan’i Jaona ny namantsihana ny Tompontsika tamin’ny hazo fijaliana. Mbola velona koa izy rehefa novonoina i Stefana, Jakoba rahalahiny, Petera, Paoly, ary ny olon-kafa niara-niasa taminy. (Jaona 19:26, 27; 21:15, 18, 19; Asan’ny Apostoly 7:59, 60; 8:2; 12:2; 2 Timoty 1:1; 4:6, 7) Nampangain’i Néron mpanjaka romanina ho nandoro ny tanàna ny Kristianina, tamin’ny taona 64, mba tsy hahavoaheloka azy. Nisy tsaho niely mantsy fa izy no nanao izany. Hoy i Tacite, mpahay tantara: “Natao fihomehezana sy nambanina [ny Kristianina] rehefa novonoina. Nisy nampitafina hoditra bibidia ka noviravirain’ny alika, nisy [nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana],b ary nisy nodorana mba hatao jiro tamin’ny alina.” Nitombo ny fanenjehana tamin’ny andron’i Domitien Mpanjaka (taona 81-96), ka nalefa sesitany tany amin’ny nosy Patmo i Jaona. Marina tokoa ny tenin’i Jesosy hoe: “Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.”—Jaona 15:20; Matio 10:22.
9. a) Inona no fitaka tena mahomby nampiasain’i Satana nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra, ary ny lehibe indrindra amin’ny inona izy io? b) Inona no nataon’ny mpitondra ara-politika anisan’ny Kristianisma Anarana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny Ady Lehibe I sy II?
9 Nampiasa fitaka tena mahomby ilay menarana tany am-boalohany, dia i Satana Devoly, nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra. Nampiasa ny Kristianisma Anarana nivadi-pinoana izy. Fivavahana babylonianina izy io, fa mody nomena endrika “kristianina”, ary lasa sekta maro be mifandrafy. Io no lehibe indrindra amin’ny taranak’ilay Menarana. Mitovy amin’ny Joda tsy nahatoky fahiny ny Kristianisma Anarana ka manana trosan-dra be, satria nitsabaka tamin’ny adin’ireo mpifandrafy tamin’ny Ady Lehibe I sy II. Nampiasa an’ireny ady ireny mihitsy aza ny mpitondra ara-politika anisan’ny Kristianisma Anarana, mba hamonoana ny mpanompon’Andriamanitra voahosotra. Mitantara ny fanenjehan’i Hitler an’ireo Vavolombelon’i Jehovah, ny boky Adin’ny Fiangonana Tany Alemaina (alemà), nosoratan’i Friedrich Zipfel. Hoy izy: “Maty ny ampahatelon’izy ireo [ny Vavolombelona], vokatry ny fanamelohana ho faty, herisetra hafa, hanoanana, aretina, na asa an-terivozona. Nampahorina tsy nisy toy izany izy ireo, satria tsy nampandefitra ny finoany, ka tsy nety nanohana ny Nazia.” Izao tokoa no azo lazaina momba ny Kristianisma Anarana sy ny mpitondra azy io: “Eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny.”—Jeremia 2:34.c
10. Inona no fanenjehana nihatra tamin’ny tovolahy anisan’ny vahoaka be tany amin’ny tany maro?
10 Nenjehina mafy ireo tovolahy mahatoky anisan’ny vahoaka be tany amin’ny tany maro, nanomboka tamin’ny 1935. (Apokalypsy 7:9) Tanora Vavolombelon’i Jehovah 14, ohatra, no maty nahantona, tao amin’ny tanàna iray tany Eoropa, rehefa hifarana ny Ady Lehibe II. Inona no helok’izy ireo? Tsy nety “hianatra ady intsony.” (Isaia 2:4) Vao haingana koa tany Azia sy Afrika no nisy tovolahy notifirina na nokapohina mandra-pahatapitry ny ainy, noho izany antony izany. Azo antoka fa hatsangana amin’ny maty ao amin’ilay tany vaovao nampanantenaina, ireo tanora maritiora, izay nanohana ny voahosotra rahalahin’i Jesosy.—2 Petera 3:13; ampitahao amin’ny Salamo 110:3; Matio 25:34-40; Lioka 20:37, 38.
Akanjo fotsy lava
11. Inona no dikan’ny hoe mahazo “akanjo fotsy lava” ireo Kristianina voahosotra maritiora?
11 Niresaka momba ireo mpanompo tsy nivadika fahiny ny apostoly Paoly, ary niteny hoe: “Tsy nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenana anefa izy rehetra ireo, na dia nahazo laza tsara aza satria nanam-pinoana. Fa Andriamanitra efa nanomana zavatra tsara kokoa ho antsika, mba tsy hatao lavorary izy ireo raha tsy efa eo isika.” (Hebreo 11:39, 40) Inona izany “zavatra tsara kokoa” nantenain’i Paoly sy ny Kristianina voahosotra hafa izany? Hitan’i Jaona tamin’ny fahitana izany: “Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy ireo, ka nilazana mba hiandry kely aloha, mandra-pahafenon’ny isan’ireo mpiara-manompo aminy sy ireo rahalahiny, izay nadiva hovonoina tahaka azy ireo koa.” (Apokalypsy 6:11) Misy ifandraisany amin’ny fananganana azy ireo ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty, ny fahazoan’izy ireo “akanjo fotsy lava.” Tsy ho ao ambanin’ny alitara intsony ny ain’ireo novonoina. Hatsangana ho anisan’ireo anti-panahy 24 mantsy izy ireo, ka hanompo eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra any an-danitra. Homena seza fiandrianana koa izy ireo any, izany hoe ho lasa mpanjaka. Manao “akanjo ivelany fotsy” izy ireo, izany hoe notsaraina ka hita fa marina sy mendrika hahazo toeram-boninahitra eo anatrehan’ny fitsaran’i Jehovah any an-danitra. Tanteraka amin’izany koa ny fampanantenan’i Jesosy ho an’ny Kristianina voahosotra mahatoky tany Sardisy, nanao hoe: “Izay mandresy àry dia hampanaovina akanjo ivelany fotsy.”—Apokalypsy 3:5; 4:4; 1 Petera 1:4.
12. Inona no dikan’ny hoe ‘miandry kely aloha’ ireo voahosotra tafatsangana amin’ny maty, ary rahoviana no hifarana ny fiandrasany?
12 Voaporofo fa nanomboka tamin’ny 1918 ilay fananganana ho any an-danitra, taorian’ny nahalasa Mpanjaka an’i Jesosy tamin’ny 1914. Efa nivoaka mba hanomboka ny fandreseny koa izy, ka nandroaka an’i Satana sy ny demoniany avy tany an-danitra. Nilazana anefa ireo voahosotra tafatsangana ireo “mba hiandry kely aloha, mandra-pahafenon’ny isan’ireo mpiara-manompo aminy.” Tsy maintsy mahatoky ao anatin’ny fitsapana sy fanenjehana ny voahosotra mbola eto an-tany, ary mety hovonoina ho faty ny sasany. Ho voavaly ihany anefa amin’ny farany ny ra marina nalatsak’i Babylona Lehibe sy ny mpanao politika namany. Ireo voahosotra efa natsangana kosa dia nasaina niandry, izany hoe miandry ny andro famalian’i Jehovah. Tsy hoe maka aina na tsy manao na inona na inona anefa izy ireo, fa tsy maintsy misy asa ataony any an-danitra. (Isaia 34:8; Romanina 12:19) Hifarana ny fiandrasan’izy ireo, rehefa hitany ny fandravana ny fivavahan-diso. Amin’izay ireo “voantso sy voafidy ary mahatoky” ireo dia hiaraka amin’i Jesosy Kristy Tompo, mba hampihatra ny didim-pitsarana amin’ny taranak’i Satana hafa rehetra.—Apokalypsy 2:26, 27; 17:14; Romanina 16:20.
‘Izay maty no hitsangana voalohany’
13, 14. a) Oviana no nanomboka ny fananganana ho any an-danitra, araka ny tenin’ny apostoly Paoly, ary iza no atsangana? b) Rahoviana ireo voahosotra velona amin’ny andron’ny Tompo no hatsangana ho any an-danitra?
13 Mifanaraka tanteraka amin’ny andinin-teny hafa miresaka fitsanganana any an-danitra, ny fanazavana azo tamin’ny famahana ny tombo-kase fahadimy. Izao, ohatra, no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Fa izao no lazainay aminareo amin’ny alalan’ny tenin’i Jehovah: Isika izay velona, ka mahatratra ny fanatrehan’ny Tompo dia tsy mba hialoha mihitsy an’ireo efa nodimandry, satria ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hibaiko amin’ny feo avo, amin’ny feon’ny arkanjely sy amin’ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany. Ary aorian’izay, isika izay velona ka mahatratra izany fanatrehany izany, mbamin’izy ireo koa, dia hoentina anaty rahona, mba hihaona amin’ny Tompo eny amin’ny rivotra. Dia hiaraka amin’ny Tompo foana isika.”—1 Tesalonianina 4:15-17.
14 Tantara mahaliana tokoa izany! Ireo voahosotra efa maty dia hankany an-danitra alohan’ireo voahosotra mahatratra ny fanatrehan’i Jesosy, izany hoe ireo mbola velona eto an-tany mandritra ny fanatrehany. Ireo voahosotra efa maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany. Midina avy any an-danitra i Jesosy, izany hoe mampitodika ny sainy ho amin’izy ireo, ka manangana azy ho fanahy, sy manome azy “akanjo fotsy lava.” Ho faty kosa atỳ aoriana ireo mbola velona eto an-tany, ary maro aminy no hovonoin’ny mpanohitra. Tsy matory ao amin’ny fahafatesana toy ny voahosotra talohany anefa izy ireo. Miova avy hatrany “ao anatin’ny indray mipy maso” kosa izy ireo, ka lasa any an-danitra mba hiaraka amin’i Jesosy sy ireo olon-kafa anisan’ny vatan’i Kristy. (1 Korintianina 15:50-52; ampitahao amin’ny Apokalypsy 14:13.) Manomboka aoriana kelin’ny ivoahan’ireo mpitaingin-tsoavaly efatry ny Apokalypsy àry ny fananganana ny Kristianina voahosotra.
15. a) Inona no vaovao tsara entin’ny famahana ny tombo-kase fahadimy? b) Rahoviana no hifarana ny dian’ilay Mpandresy mitaingina soavaly fotsy?
15 Mitondra vaovao tsara momba ireo voahosotra mpandresy izay nahatoky hatramin’ny fahafatesana, ny famahana ny tombo-kase fahadimy. Tsy mahafaly an’i Satana sy ny taranany kosa izy io. Mirifatra hatrany ilay Mpandresy mitaingina soavaly fotsy, ka tsy hifarana ny diany raha tsy rehefa hotsaraina ny tontolo “eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19) Hazava izany, rehefa hamaha ny tombo-kase fahenina ny Zanak’ondry.
[Fanamarihana ambany pejy]
b Ampitahao amin’ny Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 204-206.
[Efajoro, pejy 102]
“Ireo novonoina”
Tononin’ny Rakipahalalana nataon’i McClintock sy Strong ny tenin’i John Jortin, Protestanta tamin’ny taonjato faha-18. Huguenots na Protestanta frantsay ny ray aman-dreniny. Hoy izy: “Tsy misy maha Kristianina ny olona iray intsony, raha manenjika ny Kristianina hafa izy. ... Nahazo harena sy voninahitra ireo mpitondra fivavahana, rehefa lasa fivavahana ofisialin’ny fanjakana [romanina] ny Kristianisma. Taorian’izay no tena nenjehina mafy ireo mpanaraka ny Filazantsara, ary faran’izay nahery vaika sy tsy nifaditrovana ilay fanenjehana.”
[Sary, pejy 103]
“Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy ireo”