Manaova Fanambarana Ampahibemaso mba Hahazoana Famonjena
“Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena.” — ROMANA 10:13, NW.
1. Nandritra ny tantara manontolo, fampitandremana inona avy no natao nanakoako?
MILAZALAZA “andron’i Jehovah” maromaro ny tantara. Ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, ny nandevonana an’i Sodoma sy Gomora, ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. sy tamin’ny 70 am.f.i., dia andron’i Jehovah izay sady lehibe no mahatahotra. Andro famaliana ara-drariny an’ireo nikomy tamin’i Jehovah izy ireny. (Malakia 3:23; Lioka 21:22). Nandritra ireo andro ireo, dia maro no maty noho ny faharatsiany. Tafita velona anefa ny sasany. Nampanakoako fampitandremana i Jehovah, ka sady nampahafantatra an’ireo ratsy fanahy ny amin’ilay loza amin’antambo nananontanona no nanome fahafahana hahazo famonjena ho an’ireo nahitsy fo.
2, 3. a) Fampitandremana ara-paminaniana inona no notononina tamin’ny Pentekosta? b) Nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., nitaky inona ny fiantsoana ny anaran’i Jehovah?
2 Ohatra niavaka ny amin’izany ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. Nanoratra toy izao i Joela mpaminany, raha nanambara an’io fisehoan-javatra io, efa ho 900 taona mialoha: “Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitankosina. Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.” Ahoana no nahafahan’ny olona iray ho tafita velona tamin’ny fotoana nampihoron-koditra toy izany? Nanoratra ara-tsindrimandry toy izao i Joela: “Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra; fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan’i Jehovah, ary izay antsoin’i Jehovah dia ho isan’izay afa-mandositra.” — Joela 3:3-5.
3 Tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., ny apostoly Petera dia niteny tamin’ny vahoaka iray voaforon’ny Jiosy sy proselyta tao Jerosalema ary nanonona ny faminanian’i Joela. Nasehony fa afaka nanantena ny hisian’ny fahatanterahan’ilay faminaniana tamin’ny androny ireo mpihaino azy, tamin’ny filazana hoe: “Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon’ny setroka; ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay sady lehibe no malaza; ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena”. (Asan’ny Apostoly 2:16-21). Samy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy avokoa ireo vahoaka nihaino an’i Petera, ka noho izany dia nahafantatra ny anaran’i Jehovah. Nohazavain’i Petera fa hahafaoka zavatra bebe kokoa manomboka izao, ny fiantsoana ny anaran’i Jehovah. Ny tena niavaka dia hoe tafiditra tamin’izany ny fanekena hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy, dia ilay novonoina ary natsangana ho amin’ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra avy eo. — Asan’ny Apostoly 2:37, 38.
4. Inona ny hafatra nolazain’ny Kristiana?
4 Nanomboka tamin’ny Pentekosta, ireo Kristiana dia nampiely ny teny momba an’i Jesosy natsangana tamin’ny maty. (1 Korintiana 1:23). Nampahafantatra izy ireo fa azo atsangana ho zanaka ara-panahin’i Jehovah Andriamanitra ny olombelona ka ho tonga anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” vaovao, dia firenena ara-panahy izay ‘hilaza ny hatsaran’i Jehovah’. (Galatiana 6:16; 1 Petera 2:9). Ireo izay nitoetra ho nahatoky hatramin’ny fahafatesana dia handova fiainana tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra, amin’ny maha-mpiara-mandova amin’i Jesosy ao amin’ilay Fanjakany any an-danitra. (Matio 24:13; Romana 8:15, 16; 1 Korintiana 15:50-54). Ambonin’izany, ireny Kristiana ireny dia tokony hanambara ny andron’i Jehovah ho avy izay sady lehibe no mahatahotra. Tsy maintsy nampitandrina ny tontolo jiosy izy ireo fa handia fahoriana izy io, ka izany dia ho fahoriana mihoatra noho izay rehetra efa namely an’i Jerosalema sy efa nihatra tamin’ireo nilaza ho vahoakan’Andriamanitra. Na dia izany aza anefa, dia hisy ho tafita velona. Iza? Ireo niantso ny anaran’i Jehovah.
“Amin’ny andro farany”
5. Fahatanteraham-paminaniana inona avy no mitranga amin’izao andro izao?
5 Amin’ny lafiny maro, ny toe-piainana nisy tamin’izany dia tandindon’izay hitantsika amin’izao andro izao. Nanomboka tamin’ny 1914, ny olombelona dia miaina ao anatin’ny vanim-potoana manokana iray, izay resahina ao amin’ny Baiboly ho “andro farany” sy “fifaranan’ny fandehan-javatra” ary “ny andro farany”. (Daniela 12:1, 4; Matio 24:3-8, NW; 2 Timoty 3:1-5, 13, NW ). Tamin’itỳ taonjato misy antsika itỳ, ireo ady feno habibiana sy ny herisetra tsy voafehy ary ny fahasimban’ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana, dia nahatonga ny faminanian’ny Baiboly hisy fahatanterahany miavaka. Anisan’ny famantarana nambaran’i Jesosy tao amin’ny faminaniany izy rehetra ireny, ary manondro fa ny olombelona dia efa madiva handia ilay andron’i Jehovah mahatahotra farany sy fanapahan-javatra. Hahatratra ny fara tampony izy io amin’ny adin’ny Haramagedona, dia ilay fara tampon’ny “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. — Matio 24:21; Apokalypsy 16:16.
6. a) Ahoana no anaovan’i Jehovah zavatra mba hamonjena ny malemy fanahy? b) Aiza no ahitantsika ny torohevitr’i Paoly ny amin’ny fomba hahatafitana velona?
6 Raha mbola mihamanakaiky hatrany ilay andro fandravana, dia eo am-panaovan-javatra ho famonjena ny malemy fanahy i Jehovah. Mandritra izao “andro farany” izao, dia nanangona ireo farany tamin’ny Isiraelin’Andriamanitra ara-panahy izy ary nampitodika ny sain’ireo mpanompony eto an-tany ho amin’ny fanangonana ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, nanomboka tamin’ireo taona 1930. Ho tafavoaka velona ‘amin’ny fahoriana lehibe’ izy ireo, amin’ny fitambarany. (Apokalypsy 7:9, 14). Ahoana anefa no ahafahan’ny isam-batan’olona miantoka ny fahatafitany velona? Mamaly an’io fanontaniana io ny apostoly Paoly. Ao amin’ny Romana toko faha-10, dia manome torohevitra tsara dia tsara izy mba hahatafitana velona — torohevitra izay nihatra tamin’ny androny ary mihatra amin’ny androntsika koa.
Vavaka mba hahazoana famonjena
7. a) Fanantenana inona no ampahafantarina ao amin’ny Romana 10:1, 2? b) Nahoana i Jehovah ankehitriny no manao izay hanitarana bebe kokoa ny fitoriana ny “vaovao tsara”?
7 Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny bokin’ny Romana, dia efa nolavin’i Jehovah ny Isiraely tamin’ny naha-firenena azy. Na dia izany aza, dia nanamafy toy izao ilay apostoly: “Ny irin’ny foko sy ny angatahiko amin’Andriamanitra ho an’ireny dia famonjena.” Ny fanantenany dia ny hahazoan’ny Jiosy isam-batan’olona fahalalana araka ny marina momba ny sitrapon’Andriamanitra, izay hitarika ho amin’ny famonjena azy ireo. (Romana 10:1, 2). Ambonin’izany, i Jehovah dia naniry ny hahavoavonjy ny olona maneho finoana izay anisan’ny tontolon’ny olombelona manontolo, araka ny ambaran’ny Jaona 3:16, manao hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Nanokatra ny lalana ho amin’izany famonjena lehibe izany ny sorom-panavotan’i Jesosy. Toy ny tamin’ny andron’i Noa sy ireo andro fitsarana hafa nanaraka azy io, dia nanao izay hitoriana ny “vaovao tsara” i Jehovah, ka nanoro ny lalam-pamonjena. — Marka 13:10, 19, 20, NW.
8. Ho fanahafana ny ohatr’i Paoly, iza no anehoan’ny Kristiana marina fiahiana amin’izao andro izao, ary amin’ny fomba ahoana?
8 Nampiseho ny fiahiany manokana ny Jiosy sy ny Jentilisa i Paoly ka nohararaotiny nitoriana izay hirika rehetra nahafahany nanao izany. “Nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa” izy. Hoy izy tamin’ireo loholon’i Efesosy: “Tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano; ary nambarako tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Asan’ny Apostoly 18:4; 20:20, 21). Mitovy amin’izany koa fa mikely aina mitory ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, tsy amin’ireo milaza tena ho Kristiana ihany fa amin’ny olona rehetra koa, eny, hatramin’ny “faran’ny tany”. — Asan’ny Apostoly 1:8; 18:5.
Fanambarana “ny teny ny amin’ny finoana”
9. a) Karazam-pinoana manao ahoana no ampirisihan’ny Romana 10:8, 9? b) Amin’ny fotoana inona sy amin’ny fomba ahoana isika no tokony hanao fanambarana ny finoantsika?
9 Ilaina mba hahazoana famonjena ny finoana maharitra. Raha nanonona ny Deoteronomia 30:14 i Paoly, dia nanambara hoe: “ ‘Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao’, dia ny teny ny amin’ny finoana, izay torinay”. (Romana 10:8). Arakaraka ny itoriantsika an’io “teny ny amin’ny finoana” io no mahatonga azy io ho voasoritra lalina kokoa ao am-pontsika. Izany no izy tamin’i Paoly, ary ny teny nanampiny dia afaka manatanjaka ny fahatapahan-kevitsika hanahaka azy, amin’ny fizarana ny finoantsika amin’ny hafa. Hoy izy: “Raha manambara ampahibemaso izany ‘teny ao amin’ny vavanao’ izany ianao, fa i Jesosy no Tompo, ary maneho finoana ao am-ponao fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty, dia ho voavonjy ianao.” (Romana 10:9, NW ). Tsy vitan’ny hoe eo imason’ny hafa amin’ny fotoan’ny batisa fotsiny no anaovana izany fanambarana izany, fa tsy maintsy ho fanambarana mitohy koa izany, dia fanambarana ampahibemaso sy amin-jotom-po, momba ireo lafiny lehibe rehetra amin’ny fahamarinana. Izany fahamarinana izany dia mifantoka amin’ilay anarana sarobidin’i Jehovah, ilay Tompo Manam-piandrianana; amin’ilay Mpanjakantsika Mesianika sy Mpanavotra antsika, dia Jesosy Kristy Tompo; ary amin’ireo fampanantenana kanto momba ilay Fanjakana.
10. Mifanaraka amin’ny Romana 10:10, 11, tsy maintsy ataontsika ahoana io “teny ny amin’ny finoana” io?
10 Tsy misy famonjena ho an’izay tsy manaiky sy tsy mampihatra an’io “teny ny amin’ny finoana” io, araka ny tohin’ny tenin’ilay apostoly toy izao: “Amin’ny fo no anehoan’ny tena finoana hahazoana fahamarinana, fa amin’ny vava kosa no anaovan’ny tena fanambarana ampahibemaso hahazoana famonjena. Fa hoy ny Soratra Masina: ‘Tsy hisy ho diso fanantenana izay mametraka ny finoany aminy.’ ” (Romana 10:10, 11, NW ). Tsy maintsy miezaka hahazo fahalalana araka ny marina momba an’io “teny ny amin’ny finoana” io isika ary manohy manolokolo azy io ao am-pontsika mba hahavoatosika antsika hilaza azy io amin’ny hafa. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no mampahatsiahy antsika toy izao: “Na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina.” — Marka 8:38.
11. Hatraiza no tsy maintsy hitoriana ny vaovao tsara, ary nahoana?
11 Araka ny nambaran’ny mpaminany Daniela mialoha, amin’izao fotoan’ny farany izao, dia hita ho mamirapiratra “toy ny famirapiratry ny lanitra” ny “hendry”, arakaraka ny itaran’ny fitoriana ilay Fanjakana hatrany amin’ny faran’ny tany. “Mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana” izy ireo, ary nanjary nitombo tokoa ny fahalalana marina, satria manome fahazavana mihamamiratra hatrany i Jehovah, raha ny amin’ireo faminaniana momba izao fotoan’ny farany izao. (Daniela 12:3, 4). Io no hafatra mitondra famonjena izay tena zava-dehibe tokoa mba hahatafita velona an’ireo rehetra tia ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
12. Amin’ny ahoana ny Romana 10:12 no mifandray amin’ny fanirahana an’ilay anjely voalazan’ny Apokalypsy 14:6?
12 Manohy ny teniny toy izao ny apostoly Paoly: “Tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy.” (Romana 10:12). Amin’izao andro izao, ny “vaovao tsara” dia tsy maintsy torina amin’ny ambaratonga vao mainka midadasika kokoa maneran-tany — amin’ny olona rehetra, hatrany amin’ny faran’ny tany marina tokoa. Manidina hatrany eo afovoan’ny lanitra ilay anjely voalazan’ny Apokalypsy 14:6, ka manankina amintsika ny “filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra”. Amin’ny ahoana izany no hitondra soa ho an’ireo mandray tsara?
Fiantsoana ny anaran’i Jehovah
13. a) Inona ny andinin-tenintsika ho an’ny taona 1998? b) Nahoana no mety indrindra io andinin-teny ho an’ny taona io amin’izao andro izao?
13 Nanambara toy izao i Paoly raha nanonona ny Joela 3:5: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena.” (Romana 10:13, NW ). Mety tokoa ny nifidianana ireo teny ireo ho andinin-teny ho an’ny taona 1998, ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah! Zava-dehibe kokoa noho ny hatramin’izay ny hirosoana amim-pitokiana amin’i Jehovah, ka hampahafantarana ny anarany sy ireo fikasana lehibe asehon’izy io! Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, amin’ny andro farany ho an’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny koa, dia atao manakoako ilay antsoantso hoe: “Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity hianareo.” (Asan’ny Apostoly 2:40). Izany dia toy ny feon-trompetra manasa ny olona rehetra matahotra an’Andriamanitra maneran-tany mba hiantso an’i Jehovah mba hamonjy azy sy ireo izay mihaino ny fanambarana ampahibemaso ataony momba ny vaovao tsara. — 1 Timoty 4:16.
14. Vatolampy inona no tsy maintsy antsointsika mba hahazoana famonjena?
14 Inona no hitranga rehefa hipoaka eto amin’itỳ tany itỳ ny andro lehiben’i Jehovah? Tsy hitodika any amin’i Jehovah mba hahazoana famonjena ny ankamaroan’ny olona. Ny olombelona amin’ny ankapobeny dia ‘hilaza amin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry’. (Apokalypsy 6:15, 16). Ho amin’ireo fikambanana toy ny tendrombohitra eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ ny fanantenan’izy ireo. Ho tsara lavitra tokoa anefa raha hitoky amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Vatolampy lehibe indrindra, izy ireo! (Deoteronomia 32:3, 4). Toy izao no nolazain’i Davida Mpanjaka momba azy: “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy”. I Jehovah no “Vatolampy famonjena antsika”. (Salamo 18:2; 95:1). “Tilikambo mafy” ny anarany, ny hany “tilikambo” ampy hamafisana mba hiarovana antsika mandritra ny fotoan-tsarotra ho avy. (Ohabolana 18:10). Noho izany, dia tena zava-dehibe tokoa ny hampianarana olona maro araka izay azo atao, amin’ireo olona efa ho enina arivo tapitrisa velona amin’izao andro izao, mba hiantsoan’izy ireo ny anaran’i Jehovah amim-pahatokiana sy amim-pahatsoram-po.
15. Inona no tondroin’ny Romana 10:14 raha ny amin’ny finoana?
15 Mety tokoa ny nanohizan’ny apostoly Paoly nanontany hoe: “Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany?” (Romana 10:14). Misy olona maro mbola azo ampiana handray “ny teny ny amin’ny finoana”, mba hiantsoany an’i Jehovah mba hahazoany famonjena. Faran’izay zava-dehibe ny finoana. Hoy ny nambaran’i Paoly ao amin’ny taratasy hafa iray: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin[’Andriamanitra]; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6). Ahoana anefa no hahatonga olona an-tapitrisany maro hafa hino an’Andriamanitra? Nanontany toy izao i Paoly ao amin’ny taratasy ho an’ny Romana: “Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny?” (Romana 10:14). Manome ny fitaovana hahafahan’izy ireo handre ve i Jehovah? Izany dia izany tokoa! Henoy ny tohin’ny tenin’i Paoly, manao hoe: “Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?”
16. Ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra, nahoana no tena ilaina ny mpitory?
16 Miharihary avy amin’ilay fanaporofoan-kevitr’i Paoly fa ilaina ny mpitory. Nanambara i Jesosy fa ho izany no izy “hatramin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:14; 28:18-20, NW ). Ny fitoriana dia tapany lehibe amin’ilay fandaharana nataon’Andriamanitra mba hanampiana ny olona hiantso ny anaran’i Jehovah mba ho tafita soa aman-tsara. Na dia ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana aza dia tsy manao na inona na inona mba hanomezam-boninahitra an’ilay anarana sarobidin’Andriamanitra. Maro no mampifangaro izaitsizy an’i Jehovah sy i Jesosy ary ny fanahy masina, ao amin’ny Trinite iray tsy hay hazavaina. Afa-tsy izany koa, dia maro no tafiditra ao amin’ilay kilasin’olona resahina ao amin’ny Salamo 14:1 sy ny 53:1, manao hoe: “Ny adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra.” Mila mahafantatra izy ireny fa i Jehovah no Andriamanitra velona, ary tsy maintsy mahazo ny hevitr’izay rehetra asehon’ny anaran’i Jehovah izy ireny, raha tiany ny ho tafita soa aman-tsara amin’ilay fahoriana lehibe mananontanona.
Ny ‘hatsaran’ny tongotry’ ny mpitory
17. a) Nahoana no nety ny nanononan’i Paoly faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny? b) Inona no tafiditra amin’ny fananana ‘tongotra tsara’?
17 Mbola nanana fanontaniana tena lehibe iray ny apostoly Paoly: “Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: ‘Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!’ ”. (Romana 10:15). Eto i Paoly dia manonona ny Isaia 52:7, izay anisan’ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny, izay nihatra nanomboka tamin’ny 1919. Amin’izao andro izao indray koa, i Jehovah dia maniraka an’ireo “mitondra [vaovao tsara, NW ] (...) sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra [vaovao tsara ny amin’ny zavatra tsara kokoa, NW ] sady mitory famonjena”. Amim-pankatoavana, dia tsy mitsahatra manao hiakam-pifaliana ireo ‘mpitily’ voahosotr’Andriamanitra sy ireo namany. (Isaia 52:7, 8). Mety ho reraka, na ho feno vovoka mihitsy aza ny tongotr’ireo mitory famonjena amin’izao andro izao, eny am-pandehanany isan-trano, kanefa dia miramiran’endrika erỳ izy ireo! Fantany fa nirahin’i Jehovah hitory vaovao tsara momba ny fiadanana sy hampionona ny malahelo izy ireo, ka hanampy azy ireny hiantso ny anaran’i Jehovah mba hahazoany famonjena.
18. Inona no lazain’ny Romana 10:16-18 raha ny amin’ny vokatra farany entin’ny fampanakoakoana ny vaovao tsara?
18 Na ‘mino ny teny’ reny ny olona na mifidy ny tsy hankatò azy io, dia hita ho marina ireto tenin’i Paoly ireto: “Sao tsy nahare izy? Tsia; fa ‘efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny feony, ary ny teniny hatramin’ny faran’izao rehetra izao’ ”. (Romana 10:16-18). Tsy misy hafa amin’ny “lanitra [izay] mitory ny voninahitr’Andriamanitra”, araka asehon’ny asa famoronana nataony, ny Vavolombelony eto an-tany koa dia tsy maintsy mitory ny ‘taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika mba hampiononana ny malahelo rehetra’. — Salamo 19:1-4; Isaia 61:2
19. Inona no hitranga amin’ireo izay ‘miantso ny anaran’i Jehovah’ amin’izao andro izao?
19 Mihamanakaiky hatrany ny andron’i Jehovah izay sady lehibe no mahatahotra. “Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny.” (Joela 1:15; 3:4). Ny vavakay dia ny mba hisian’ny olona maro kokoa hatrany handray tsara amim-pahadodonana ny vaovao tsara, ka hirohotra ho amin’ny fandaminan’i Jehovah. (Isaia 60:8; Habakoka 2:3). Tsarovy fa nitondra fandringanana ho an’ny ratsy fanahy ireo andron’i Jehovah hafa — tamin’ny andron’i Noa, tamin’ny andron’i Lota, ary tamin’ny andron’ny Isiraely sy Joda nivadi-pinoana. Efa eo an-tokonan’ilay fahoriana lehibe indrindra isika ankehitriny, rehefa hamongotra ny faharatsiana tsy hisy etỳ ambonin’ny tany ny tadion’i Jehovah, ka hisava ny lalana ho amin’ny paradisam-piadanana mandrakizay. Ho anisan’izay ‘hiantso ny anaran’i Jehovah’ amim-pahatokiana ve ianao? Raha eny, dia mifalia! Andriamanitra mihitsy no mampanantena fa hovonjena ianao. — Romana 10:13, NW.
Ahoana no Havalinao?
◻ Zava-baovao inona avy no notorina taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i.?
◻ Ahoana no tokony hitandreman’ny Kristiana “ny teny ny amin’ny finoana”?
◻ Inona no tiana holazaina amin’ny hoe ‘miantso ny anaran’i Jehovah’?
◻ Amin’ny heviny ahoana ireo mpitondra hafatra momba ilay Fanjakana no manana ‘tongotra tsara’?
[Sary, pejy 18]
Ny vahoakan’Andriamanitra dia eo am-panambarana ny hatsaran’Andriamanitra any Porto Rico, Sénégal, Peroa, Papouasie-Nouvelle-Guinée — eny, manerana ny tany