Toko 5
Mijery ny Voninahitr’i Jesosy i Jaona
Fahitana 1—Apokalypsy 1:10–3:22
Foto-kevitra: Mandinika ny Israely ara-panahy eto an-tany i Jesosy, ary mampahery azy ireo
Fotoana fahatanterahany: Nanomboka tamin’ny 1914 io lafiny amin’ny andron’ny Tompo io, ary ho tapitra, rehefa maty sy atsangana ny voahosotra mahatoky farany
1. Inona no nampitaina tao amin’ilay fahitana voalohany, ary ahoana no nampisehoan’i Jaona ny fotoana tena hampiharana azy io?
MANOMBOKA amin’ny toko 1, andininy 10 ny fahitana voalohany ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Misy filazana hoe nandre na nahita zava-mahagaga i Jaona mialoha io fahitana io, sy ireo fahitana hafa ao amin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 1:10, 12; 4:1; 6:1) Hafatra ho an’ny fiangonana fito tamin’ny andron’i Jaona no nampitaina tao amin’ilay fahitana voalohany. Nasehon’i Jaona anefa ny fotoana tena hampiharana azy io, rehefa nilaza izy hoe: “Teo ambany herin’ny fanahy masina aho ka tonga tamin’ny andron’ny Tompo.” (Apokalypsy 1:10a) Oviana io “andro” io? Misy ifandraisany amin’izy io ve ny zava-doza mitranga amin’izao fotoana feno korontana izao? Tokony hodinihintsika akaiky io faminaniana io raha izany, satria mahakasika ny fiainantsika, sady miankina amin’izany no hahatafavoaka velona antsika.—1 Tesalonianina 5:20, 21.
Andron’ny Tompo
2. Oviana ny andron’ny Tompo no nanomboka, ary rahoviana izy io no hifarana?
2 Oviana ilay andron’ny Tompo ahatanterahan’ny Apokalypsy? Inona tokoa moa io andro io? Lazain’ny apostoly Paoly fa fotoam-pitsarana sy fanatanterahana ny fampanantenan’Andriamanitra izy io. (1 Korintianina 1:8; 2 Korintianina 1:14; Filipianina 1:6, 10; 2:16) Ho tanteraka tsikelikely mandritra io “andro” io ny fikasan’i Jehovah, ary ho tanteraka amin’ny fomba feno amin’ny farany. Nanomboka izy io, rehefa notendrena ho Mpanjaka tany an-danitra i Jesosy. Mbola ao anatin’io “andro” io no hampiharan’i Jesosy ny didim-pitsarana amin’ny tontolon’i Satana, sy hamerenana amin’ny laoniny ny Paradisa, sady hahalavorary ny olombelona indray. Ho tapitra kosa izy io, rehefa “hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy” i Jesosy.—1 Korintianina 15:24-26; Apokalypsy 6:1, 2.
3. a) Inona no lazain’ny faminanian’i Daniela momba ny “fetr’andro fito” ka manampy antsika hahita ny fanombohan’ny andron’ny Tompo? b) Inona no zava-nitranga teto an-tany, manaporofo fa nanomboka tamin’ny 1914 ny andron’ny Tompo?
3 Manampy antsika hahita ny fanombohan’ny andron’ny Tompo ny fahatanterahan’ny faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly. Miresaka momba ny fanesorana ny fitondran’ny taranak’i Davida Mpanjaka, ohatra, i Daniela. Ho fantatra aorian’ny “fetr’andro fito” aorian’izay fa “ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany.” (Daniela 4:20, 21, 28, 29) Tamin’ny fandravana ny fanjakan’i Joda no tena nanomboka ny fahatanterahan’io faminaniana io. Nitranga tamin’ny Oktobra 607 T.K. izany, araka ny porofo ao amin’ny Baiboly. Asehon’ny Apokalypsy 12:6, 14 fa maharitra 1 260 andro ny fetr’andro telo sy tapany. Tsy maintsy ho 2 520 andro, araka izany, ny fetr’andro fito (1 260 ampitomboina roa). Lasa 2 520 taona ny faharetan’ilay “fetr’andro fito”, rehefa ‘indray andro no atao solon’ny herintaona.’ (Ezekiela 4:6) Tamin’ny faramparan’ny 1914 àry i Kristy Jesosy no nanomboka nanjaka tany an-danitra. Nanamarika ny “fiandohan’ny fahoriana” mbola mamely ny olombelona hatramin’izao, ny fipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany tamin’io. Be ny fandatsahan-dra nitranga teto an-tany nanomboka tamin’ny 1914. Porofoin’izany fa nanomboka tamin’io taona io ny “andro” fanatrehan’i Jesosy!—Matio 24:3-14.a
4. a) Inona no resahin’ny Apokalypsy, momba ny fanombohan’ny fahatanterahan’ilay fahitana voalohany? b) Rahoviana no tapitra ny fahatanterahan’ilay fahitana voalohany?
4 Mihatra mandritra ny andron’ny Tompo, nanomboka tamin’ny 1914, àry io fahitana voalohany io sy ny torohevitra raketiny. Mitombina tsara izany, satria resahin’ny Apokalypsy any aoriana kokoa ny fanatanterahan’Andriamanitra ny didim-pitsarany marina sy ara-drariny, ary manana anjara lehibe amin’izany i Jesosy Tompo. (Apokalypsy 11:18; 16:15; 17:1; 19:2, 11) Rahoviana àry no hifarana ny fahatanterahan’ilay fahitana voalohany, raha tamin’ny 1914 izy io no nanomboka? Asehon’ilay fahitana fa ho an’ny fiangonan’ny voahosotra eto an-tany ireo hafatra nampitaina eo. Tapitra àry ny fahatanterahan’io fahitana voalohany io, rehefa maty sy atsangana ho any an-danitra ny farany amin’ireo voahosotra mahatoky. Mitohy kosa ny Andron’ny Tompo, izay handrotsaka fitahiana ho an’ny ondry hafa eto an-tany, mandra-pahatapitry ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy.—Jaona 10:16; Apokalypsy 20:4, 5.
5. a) Inona no nasain’ilay feo nataon’i Jaona? b) Nahoana no mora ny nandefa horonam-boky tany amin’ny toerana nisy ireo “fiangonana fito”?
5 Mbola tsy nahita na inona na inona akory i Jaona, ao amin’ilay fahitana voalohany, dia efa nisy zavatra reny: “Ary nandre feo mafy toy ny an’ny trompetra avy tao andamosiko [aho], nanao hoe: ‘Izay hitanao dia soraty eo amin’ny horonam-boky ka alefaso any amin’ny fiangonana fito, dia atsy Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.’ ” (Apokalypsy 1:10b, 11) Feno fahefana sy mandidy toy ny feon’ny trompetra ilay feo, ka manasa an’i Jaona mba hanoratra ho an’ny “fiangonana fito.” Handray hafatra maro izy, ka tokony hampahafantatra ny zavatra ho hitany sy ho reny. Mariho fa tena nisy tamin’ny andron’i Jaona ireo fiangonana voalaza eo. Tany Azia Minora daholo izy ireo, ary ranomasina no manelanelana azy sy ny nosy Patmo. Mora ny nitety an’ireo toerana ireo, satria nisy lalana tsara nataon’ny Romanina. Tsy sahirana ny iraka, nitondra ilay horonam-boky nitety an’ireo fiangonana. Toy ny haben’ny ampahana faritra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ireo fiangonana fito ireo.
6. a) Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “zavatra ankehitriny”? b) Nahoana no azontsika antoka fa mitovy amin’ny tamin’ny andron’i Jaona ny zava-misy eo anivon’ny fiangonan’ny voahosotra ankehitriny?
6 Ho tanteraka aorian’ny andron’i Jaona ny ankamaroan’ireo faminaniana ao amin’ny Apokalypsy. Miresaka momba ny “zavatra hitranga aorian’izany” izy ireo. Ny “zavatra ankehitriny” anefa no iompanan’ny torohevitra ho an’ireo fiangonana fito, izany hoe zavatra tena nisy teo anivon’izy ireo tamin’izany. Tena nanampy ny anti-panahy nahatoky teo amin’ireo fiangonana fito ireo ilay hafatra, sady nahasoa ny anti-panahin’ny fiangonan’ny voahosotra hafa tamin’izany.b Mandritra ny andron’ny Tompo anefa no tena mihatra ilay fahitana. Mazava àry fa miresaka momba ny toe-javatra mety hitranga eo anivon’ny fiangonan’ny voahosotra amin’ny androntsika koa ny tenin’i Jesosy.—Apokalypsy 1:10, 19.
7. Iza no hitan’i Jaona tao amin’ilay fahitana voalohany, ary nahoana no zava-dehibe sy mampahery antsika izany?
7 Nahita ny voninahitr’i Jesosy Kristy Tompo tany an-danitra i Jaona, tao amin’ilay fahitana voalohany. Tena mety tsara izany, satria miresaka faminaniana momba ilay andro lehiben’io Tompo nirahin’Andriamanitra io ny Apokalypsy. Zava-dehibe tokoa ilay fahitana ho antsika, izay miaina amin’io fotoana io sy mitandrina ny didin’ny Tompo. Marina aloha fa niaritra fitsapana sy fanenjehana maro tsy hita isa ilay Mesia Taranaka, ary maty nijaly, rehefa notorotoroina ny voditongony, efa ho 2 000 taona lasa izay. Mampahery an’ireo mpanohana ny zon’i Jehovah hitondra anefa ny mahalala fa velona any an-danitra ilay Taranaka, ary manana hery hanatanterahana amim-pandresena ny fikasan’i Jehovah!—Genesisy 3:15.
8. Vonona hanao inona izao i Jesosy?
8 Vonona ny hanao zavatra izao i Jesosy Mpanjaka. Notendren’i Jehovah izy mba ho Mpanatanteraka ny Didim-pitsarany, ka handringana an’ity tontolo tranainy sy ratsy fanahy ity, mbamin’i Satana andriamanitr’izy io. Vonona koa izy ny hitsara ny fiangonan’ny voahosony, sy ny vahoaka be naman’ireo, ary izao tontolo izao.—Apokalypsy 7:4, 9; Asan’ny Apostoly 17:31.
9. a) Ahoana no nilazan’i Jaona ny voninahitr’i Jesosy Kristy teo afovoan’ny fitoeran-jiro volamena? b) Inona no dikan’ilay fisehoan-javatra toy ny ao amin’ny tempoly sy ilay akanjo anaovan’i Jesosy? d) Midika ho inona ilay fehikibo volamena?
9 Nitodika i Jaona, rehefa nandre ilay feo mafy. Izao no zavatra hitany: “Nitodika hijery an’ilay niteny tamiko aho. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fitoeran-jiro volamena fito.” (Apokalypsy 1:12) Fantatr’i Jaona tatỳ aoriana ny mifanitsy amin’ireo fitoeran-jiro fito. Ilay olona eo afovoan’ireo fitoeran-jiro anefa no nahasarika ny masony. “Teo afovoan’ireo fitoeran-jiro dia nisy tahaka ny zanak’olona nanao akanjo lava hatrany an-tongony sady nanao fehikibo volamena teo amin’ny tratrany.” (Apokalypsy 1:13) Gaga izao i Jaona mahita an’i Jesosy, “zanak’olona”, miseho eo anatrehany amin’ny voninahitra sy famirapiratana. Miseho amin’ny voninahitra miavaka i Jesosy, eo afovoan’ireo fitoeran-jiro volamena mamirapiratra. Nazava tsara tamin’i Jaona, vokatr’io fisehoan-javatra toy ny tao amin’ny tempoly io, fa manatrika i Jesosy, Mpisoronaben’i Jehovah, ary nomena fahefana hitsara. (Hebreo 4:14; 7:21-25) Mifanaraka amin’ny asan’ny mpisorona ataony ilay akanjony lava sy mahavariana. Nanao fehikibo toy ny mpisorona taloha izy, dia fehikibo volamena maharakotra ny tratrany, ka manarona ny fony. Midika izany fa hotanterahiny amin’ny fony manontolo ny asa nanirahan’i Jehovah Andriamanitra azy.—Eksodosy 28:8, 30; Hebreo 8:1, 2.
10. a) Midika ho inona ny volon’i Jesosy fotsy be, sy ny masony tahaka ny lelafo? b) Manondro inona ny tongotr’i Jesosy toy ny varahina mamirapiratra?
10 Izao indray no nolazain’i Jaona avy eo: “Ary fotsy be tahaka ny volonondry fotsy ny lohany sy ny volony, ary ny masony tahaka ny lelafo.” (Apokalypsy 1:14) Ny volony fotsy be dia midika hoe manam-pahendrena izy satria efa ela niainana. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 16:31.) Tahaka ny lelafo ny masony, satria mahita tsara sy mailo izy rehefa misy fandinihana na fitsapana ataony, ka asehony rehefa misy mahatezitra azy. Nahaliana an’i Jaona, na dia ny tongotr’i Jesosy aza: “Ary ny tongony tahaka ny varahina voadio izay mamirapiratra ao anaty lafaoro, ary ny feony tahaka ny feon’ny rano be.” (Apokalypsy 1:15) Toy ny varahina mamirapiratra sy mazava ny tongotr’i Jesosy ao amin’ilay fahitana, satria mazoto mandeha izy, ary manana toerana tsara eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Manondro zavatra mifandray amin’Andriamanitra koa matetika ny volamena ao amin’ny Baiboly, ary mifandray amin’ny olombelona kosa indraindray ny varahina.c Ny tongotr’i Jesosy mamirapiratra toy ny varahina àry dia mampahatsiahy antsika fa ‘tsara’ ny tongony, rehefa nandeha teto an-tany izy, mba hitory ny vaovao tsara.—Isaia 52:7; Romanina 10:15.
11. a) Mampahatsiahy antsika inona ireo tongotr’i Jesosy be voninahitra? b) Inona no dikan’ilay hoe “tahaka ny feon’ny rano be” ny feony?
11 Mora hitan’ny anjely sy ny olona ny voninahitr’i Jesosy tamin’izy olombelona lavorary. (Jaona 1:14) Mampahatsiahy antsika koa ny tongony be voninahitra fa eo amin’ny tany masina izy, izany hoe ao amin’ny tempoly masin’i Jehovah, ary izy no Mpisoronabe ao. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 3:5.) Mikotroka toy ny riandrano lehibe koa ny feony. Mampitolagaga sy mampahatahotra izany, ary tena mety ho an’ilay antsoina hoe ny Tenin’Andriamanitra, dia ilay tonga mba ‘hitsara ny tany onenana, araka ny marina.’—Asan’ny Apostoly 17:31; Jaona 1:1.
12. Inona no dikan’ilay “sabatra roa lela izay sady maranitra no lava”?
12 “Ary nisy kintana fito teny an-tanany havanana, ary nisy sabatra roa lela izay sady maranitra no lava nivoaka teo amin’ny vavany, ary ny tarehiny tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny rehetra. Koa nony nahita azy aho, dia nikarapoka toy ny maty teo an-tongony.” (Apokalypsy 1:16, 17a) Hazavain’i Jesosy any aoriana hoe inona ireo kintana fito. Mariho anefa aloha ilay “sabatra roa lela izay sady maranitra no lava”, nivoaka teo amin’ny vavany. Mety tokoa izany filazana izany, satria i Jesosy no ilay notendrena mba hanonona ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny fahavalony. Horinganina ny ratsy fanahy rehetra, vokatry ny baiko omeny.—Apokalypsy 19:13, 15.
13. a) Mampahatsiahy antsika inona ny tarehin’i Jesosy mazava sy mamirapiratra? b) Inona no hita taratra amin’ny fanazavan’i Jaona momba an’i Jesosy?
13 Mazava sy mamirapiratra ny tarehin’i Jesosy. Tsaroantsika fa namirapiratra ny tarehin’i Mosesy, taorian’ny niresahany tamin’i Jehovah tany amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Eksodosy 34:29, 30) Tadidio koa ny zava-nitranga tamin’i Jesosy niova tarehy teo anoloan’ny apostoliny telo, efa ho 2 000 taona lasa izay. “Namirapiratra toy ny masoandro ny tavany, ary nanjary nanjelanjelatra toy ny hazavana ny akanjony ivelany.” (Matio 17:2) Mamirapiratra toy ny tarehin’olona eo anatrehan’i Jehovah koa ny tarehin’i Jesosy, ao amin’ity fahitana mampiseho azy amin’ny andron’ny Tompo ity. (2 Korintianina 3:18) Ahitana taratry ny voninahitr’i Jesosy avokoa ny fanazavana rehetra ao amin’ilay fahitan’i Jaona. Anisan’izany ny volo fotsy be, ny maso tahaka ny lelafo, ny famirapiratan’ny tarehy hatrany amin’ny tongotra. Miavaka tokoa ilay fahitana izay mampiseho an’Ilay mitoetra ao amin’ny “hazavana tsy hay hatonina.” (1 Timoty 6:16) Toy ny tena izy mihitsy ilay fahitana, ka talanjona sy raiki-tahotra i Jaona! Inona no vokatr’izany teo aminy? Hoy ilay apostoly amintsika: “Koa nony nahita azy aho, dia nikarapoka toy ny maty teo an-tongony.”—Apokalypsy 1:17.
14. Inona no tokony ho vokatry ny famakiantsika ny fahitan’i Jaona momba ny voninahitr’i Jesosy?
14 Velom-pankasitrahana isika vahoakan’Andriamanitra, noho ny fanazavana feno tsipiriany ao amin’ny fahitan’i Jaona. Efa 90 taona mahery no lasa tamin’ny andron’ny Tompo, ary nisy fahatanterahany mahafinaritra foana ilay fahitana nandritra izany. Tsy zavatra mbola handrasana ny Fanjakan’i Jesosy, satria efa mitondra izy izao. Aoka àry isika vahoakan’ilay Fanjakana handinika bebe kokoa ilay fahitana voalohany nampitain’i Jaona, ka hihaino sy hankatò ny tenin’i Jesosy Kristy Tompo be voninahitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha te hahazo fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 88-92, 215-218, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
b Rehefa nahazo taratasy avy tamin’ny apostoly ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, dia fanao ny nandefa ilay taratasy tany amin’ireo fiangonana samihafa, mba handraisan’ny rehetra soa avy tamin’ireo torohevitra tao.—Ampitahao amin’ny Kolosianina 4:16.
c Volamena na norakofana volamena ny atin’ny tempolin’i Solomona sy ny fanaka tao anatiny. Varahina kosa ireo fitaovana teny an-tokotany.—1 Mpanjaka 6:19-23, 28-35; 7:15, 16, 27, 30, 38-50; 8:64.
[Sary, pejy 23]
Manamafy izay voalazan’ny Baiboly ny fikarohana ny sisa tavela tamin’ireo tanàna nisy an’ireo fiangonana fito. Teo no nandraisan’ny Kristianina voalohany ny hafatra mampahery avy amin’i Jesosy, izay mbola mampahery ny fiangonana eran-tany ankehitriny koa
PERGAMOSY
SMYRNA
TYATIRA
SARDISY
EFESOSY
FILADELFIA
LAODIKIA