Tonga ny ora fitsaran’Andriamanitra
“Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro [ora, MN ] fitsarany.” — APOKALYPSY 14:7.
1. Mirakitra inona ireo toko voalohandohany amin’ny Apokalypsy?
MIRAKITRA faminaniana manaitra izay tanteraka amin’izao androntsika izao ny bokin’ny Apokalypsy. Ny lahatsoratra teo aloha dia nampahatsiahy ny sasantsasany tamin’izany, indrindra fa ny famahana ny tombo-kase ara-panoharana enina. Ny famahana izany dia nanokatra ny fandehanan’ny mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy efatra milaza fandravana, mandritra ny “andro farany” iainantsika (2 Timoty 3:1; Apokalypsy 6:1-8). Nomeny koa ny fanazavana momba ireo izay hiara-hanjaka amin’i Kristy any an-danitra sy eo amin’ireo ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ka hiaina mandrakizay eto an-tany. Mampiseho mazava ny famahana ireo tombo-kase enina ireo fa “antomotra” ny ‘andro voafetran’Andriamanitra’ hampiharana ny didim-pitsarany — Apokalypsy 1:3; 7:4, 9-17.
2. Tokony hanintona ny saina ho amin’inona moa ireo trompetra fito ara-panoharana voalaza ao amin’ny toko faha-8 amin’ny Apokalypsy?
2 Mbola misy tombo-kase iray sisa tavela anefa, ny fahafito. Lazain’ny Apokalypsy 8:2 antsika izay naharihary tamin’ny famahana azy. Izao no vakintsika: “Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.” Ary eo amin’ny andininy faha-6: “Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.” Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nisy fitsofana trompetra mba hanambarana fisehoan-javatra tena lehibe. Toy izany koa, ireo fampanenoana trompetra fito ireo dia manintona ny saina ho amin’ny raharaha lehibe iankinan’ny aina amin’izao androntsika izao. Ary raha mbola mampaneno trompetra ireo anjely, eto an-tany kosa ireo Vavolombelona dia dodona ny hanambara ny vaovao lehibe avoaka isaky ny misy fampanenoana trompetra
Izay asehon’ny fampanenoana trompetra
3. Mampiseho inona moa ny fampanenoana trompetra fito?
3 Izany fampanenoana trompetra izany dia mampahatsiahy antsika ireo loza nalefan’i Jehovah teo amin’i Egypta fahizay. Ireo loza ireo dia nampiseho ny fanamelohan’i Jehovah an’io Herim-panjakana Voalohany io sy ny fivavahan-disony, kanefa azo natao noho izany koa ny fanafahana ny olon’Andriamanitra. Toy izany koa, ny fampanenoana trompetra voalazan’ny Apokalypsy dia loza ampidinina amin’izao androntsika izao eo amin’izao tontolo izaon’i Satana manontolo sy ny fivavahan-disony kosa. Tsy loza amin’ny heviny ara-bakiteny anefa izany, fa hafatra milaza loza, manambara ny didim-pitsaran’i Jehovah. Manomana ny fanafahana ireo mpanompon’Andriamanitra koa izany loza izany.
4. Ahoana moa no nanakoakoan’ny feom-trompetra fito tamin’izao androntsika izao?
4 Mifanaraka amin’izany fampanenoana trompetra fito izany, dia nisy fanapahan-kevitra namelively an’izao tontolo izaon’i Satana naseho tamin’ireo fivoriambe manokana fito fanao isan-taona, nataon’ireo mpanompon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1922 ka hatramin’ny 1928. An-jato tapitrisany maro tamin’ireny fanapahan-kevitra ireny no naely. Tsy voafetra ho amin’ireo taona ireo anefa ny fampielezana izany hafatra mivaivay izany; nitohy nandritra ny andro farany izany. Mihamahery tsy mbola nisy toy izany mihitsy ankehitriny ny fanambarana azy, satria olona an-tapitrisany maro anisan’ny “olona betsaka” no nampiray ny feony tamin’ny an’ny antokona kristiana voahosotra vitsy izay nanomboka nitory taorian’ny Ady Lehibe voalohany (Apokalypsy 7:9). Isan-taona izao, ny vahoaka mihamaro hatrany amin’ireny Vavolombelona an-tapitrisany maro ireny dia manambara mbola mafimafy kokoa ihany fa voaheloka tsy misy fanafodiny izao tontolo izaon’i Satana.
5. Mampiseho tapany inona amin’izao tontolo izao moa ‘ny ampahatelony’ izay iharan’ny fanamelohana voalohany, ary nahoana?
5 Mampahafantatra ny fampanenoana ny trompetra efatra voalohany ny Apokalypsy 8:6-12. Nisy havandra sy afo ary ra nalefa ka niteraka fandravana ny ‘ampahatelon’izao tontolo izao’. Nahoana moa ny tapany meloka amin’izao tontolo izao iharan’ny fanamelohana voalohany no antsoina hoe ‘ampahatelony’? Satria na dia manan-tsiny eo imason’Andriamanitra aza ny fandehan-javatr’i Satana manontolo, dia mbola toy izany kokoa ihany ny tapany iray. Inona izany? Ilay nandray ny anaran’i Kristy, dia ny fivavahana lazaina fa kristiana. Rehefa nandray ny hafatra fanamelohan’Andriamanitra izy taorian’ny Ady Lehibe voalohany, dia nitatra tamin’ny ampahatelon’ny olombelona teo ho eo ny faritra niasany.
6. Nahoana moa Jehovah no namela ny fivavahana lazaina fa kristiana ho amin’ny fandravana?
6 Ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana dia vokatry ny 1900 taona nisian’ny fivadiham-pinoana, na fialana tamin’ny kristianisma nambaran’i Jesosy sy ireo mpianany (Matio 13:24-30; Asa. 20:29, 30). Ireo anisan’ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia miseho ho mpampianatra ny kristianisma, kanefa lavitra dia lavitra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny fampianaran’izy ireo, ary ny fitondrantenany ratsy dia manala baraka hatrany ny anaran’Andriamanitra. Naharihary ny andraikitr’izy ireo tamin’ny ra latsaka nandritra ireo ady notohanany tao anatin’izao taonjato faha-20 izao. Anisan’ny fandehan-javatr’i Satana ny fivavahana lazaina fa kristiana. Koa raisiny avy amin’i Jehovah ny hafatra mahery sy mamelively mampiseho fa tsy mendrika tanteraka ny fankasitrahan’Andriamanitra izy. Azo antoka tanteraka fa nafoin’i Jehovah ho amin’ny fandringanana ny fivavahana lazaina fa kristiana toy ny nialany tamin’ny firenena jiosy tamin’ny taonjato I. — Matio 23:38.
Novelombelomina indray ho amin’ny asa fitoriana manera-tany
7, 8. a) Araka ny toko faha-9 amin’ny Apokalypsy, mampiharihary inona moa ny fampanenoana ny trompetra fahadimy? b) Mampiseho inona ny valala?
7 Lazain’ny Apokalypsy 9:1 fa mampaneno trompetra ny anjely fahadimy, ary asehon’ny fahitana ny kintana iray latsaka teo amin’ny tany. Io kintana io dia manana fanalahidy azo amohana lavaka iray misy valala voahidy mihahohaho. Io kintana io dia ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah, Jesosy Kristy, vao nandray fiandrianana tany an-danitra. Ireo valala dia mampiseho ny mpanompon’Andriamanitra nenjehina sy toa foana rehefa natao an-tranomaizina ireo nitana toerana nisy andraikitra teo aminy tamin’ny 1918. Nefa Kristy, efa nandray fiandrianana any an-danitra izao, dia nanafaka azy mba handraisany indray ny asa fitoriany ampahibemaso maneran-tany, ka akory ny hagagan’ny klerjy izay nanao teti-dratsy mba hamarana ny asany. — Matio 24:14.
8 Toy izao no nilazalazan’ny Apokalypsy 9:7 ny amin’ireo valala: “Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin’ny lohany nisy satroboninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan’olona.” Manampy teny toy izao ny andininy faha-10: “Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy.” Ireny valala ireny dia mampiseho tsara ny sisa amin’ireo mpandova ny Fanjakana novelombelomina, izay mandray anjara indray amin’ny ady ara-panahy nanomboka tamin’ny 1919. Amin-kery vaovao, dia ambarany ireo hafatra mivaivain’ny fitsaran’Andriamanitra, indrindra fa ho fanamelohana ny fivavahana lazaina fa kristiana ratsy.
9, 10. a) Manambara inona ny fampanenoana ny trompetra fahenina? b) Mampiseho olona iza koa moa ireo soavaly mahery alinalina maro?
9 Anjaran’ny anjely fahenina izao ny mampaneno ny trompetra (Apokalypsy 9:13). Io fampanenoana io dia manambara ny fampisehoana ny miaramila an-tsoavaly. Ampahafantarin’ny andininy faha-16 antsika ny isany: “roa alinalina”, izany hoe 200 tapitrisa. Lazalazaina toy izao izy ireo eo amin’ny andininy faha-17 sy 19: “Ary ny lohan’ny soavaly dia tahaka ny lohan’ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka avy amin’ny vavany. (...) ny rambony dia tahaka ny menarana.” Miriotra eo ambany fitarihan’ny Mpanjaka, Kristy Jesosy, izany tafika izany. Fisehoan-javatra mahatahotra tokoa izany!
10 Mampiseho inona ireo soavaly mahery? Koa satria an-tapitrisany maro izy ireo, dia tsy mety hampiseho ny anisan’ny sisa voahosotra fotsiny, izay eo amin’ny 8 800 monja sisa eto an-tany ankehitriny. Izany soavaly alinalina izany dia tokony hahafaoka ireo anisan’ny “olona betsaka” voatonona ao amin’ny toko faha-7 amin’ny Apokalypsy, izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe “alinalina” dia matetika no manondro isa lehibe, tsy voafetra. Araka izany, ireny soavaly ara-panoharana ireny dia hahafaoka, tsy ny antokona kristiana voahosotra mihena isa ihany fa ao koa ny an-tapitrisany maro mahaforona ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa” mihamaro, izay manohy amin’ny feo mahery ny asa fitoriana ampahibemaso natomboky ny sisa voahosotra oharina amin’ny valala. — Jaona 10:16.
11. Amin’ny heviny ahoana moa no hoe ‘eo amin’ny vavany ny herin’ny soavaly’, ary ahoana no ‘ampahoriny amin’ny rambony’?
11 Izao no vakina ao amin’ny Apokalypsy 9:19: “Fa ny herin’ny soavaly dia eo amin’ny vavany sy ny rambony” ary “ireny [ny rambony] no entiny mampahory”. Amin’ny heviny ahoana moa no hoe eo amin’ny vavany ny heriny? Amin’ny heviny hoe hatramin’ny am-polony taona maromaro, amin’ny alalan’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika sy ny fivoriana hafa, ireo mpanompon’Andriamanitra dia mianatra manambara amin-toky ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Ary amin’ny fomba ahoana no ampahoriny amin’ny rambony ara-panoharana? Amin’ny heviny hoe nampiely zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly an-davitrisany maro izy maneran-tany ka namela hafatra mivaivay natao ho an’izao tontolo izaon’i Satana. Toa tena alinalina maro tokoa ireny miaramila an-tsoavaly ireny teo imason’ireo fahavalony.
12. Tokony hanohy hanao inona moa ny valala sy ny soavaly, ary inona no vokatry ny asany?
12 Tokony hanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ny fomba mahery sy mazava kokoa ihany àry ny valala sy soavaly ara-panoharana arakaraka ny anatonan’ny andro famaliany. Ho an’ny olona tso-po, izany hafatra izany dia mahaforona ny vaovao tsara indrindra. Vaovao ratsy anefa izany ho an’ireo izay tia kokoa an’izao tontolo izaon’i Satana, satria izany didim-pitsarana izany dia manambara ny handravana an’izao tontolo izao maminy.
13. Mifandray amin’inona moa “ny loza fahatelo” ampiarahina amin’ny fampanenoana ny trompetra fahafito, ary amin’ny heviny ahoana izany no “loza”?
13 Fantatra ho ny voalohany sy ny faharoa amin’ireo “loza” telo avy amin’Andriamanitra ny valala mpandrava sy ny miaramila an-tsoavaly (Apokalypsy 9:12; 11:14). Inona moa ny “loza” fahatelo? Izao no lazain’ny Apokalypsy 10:7: “Fa amin’ny andro hitsofan’ny anjely fahafito (...) dia ho tanteraka ny zava-miafina [masina, MN ] izay an’Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin’ny mpaminany mpanompony.” Izany zava-miafina masina izany dia mahakasika ny “taranaka” nampanantenaina voalohany tany Edena (Genesisy 3:15). Jesosy no voalohany indrindra amin’izany “taranaka” izany, nefa voafaoka amin’izany koa ireo kristiana voahosotra ampiarahina aminy ka hiara-hanjaka aminy any an-danitra. Mifandray amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra àry ny zava-miafina masina. Handefa ny “loza” fahatelo avy amin’Andriamanitra io Fanjakana io, satria hampihatra tanteraka ny fanamelohan’Andriamanitra an’izao tontolo izaon’i Satana.
Tafaorina ilay Fanjakana
14. Manambara inona moa ny fampanenoana trompetra fahafito ao amin’ny Apokalypsy 11:15?
14 Ary indro ny fisehoan-javatra lehibe! Izao no lazain’ny Apokalypsy 11:15: “Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny, ary Izy no hanjaka mandrakizay.” Eny, nambara fa tafaorina tany an-danitra tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy. Rehefa novelombelomina indray ireo anisan’ny sisa voahosotra taorian’ny Ady Lehibe voalohany dia nampanakoako mafy an’io vaovao io.
15. Fisehoan-javatra inona no nanome fiaingana vaovao ho an’ny asa fitoriana ilay Fanjakana tamin’ny 1922?
15 Tamin’ny fivoriambe nataon’ireo mpanompon’i Jehovah tany Cedar Point, any Ohio (Etazonia), tamin’ny 1922, dia natao ho an’ireo olona an’arivony maro tonga teo izao fanambarana namelombelona izao: “Izao no andro lehibe indrindra. Indro fa manjaka ilay Mpanjaka! Irany ianareo. Noho izany: Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany!” Izany fanambarana izany no nanome fiaingana ho an’ny asa lehibe fitoriana ampahibemaso ilay Fanjakana, izay nahafaoka koa ireo didim-pitsarana ambaran’ny anjely fito mitsoka trompetra. Amin’izao andro izao, ireo mpanompon’i Jehovah, izay telo tapitrisa sy sasany eo ho eo, miely patrana any amin’ny kongregasiona 55 000 mahery maneran-tany dia mandany hery amin’io asa fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany io. Eny, tena alinalina maro tokoa izy ireo!
16. Araka ny toko faha-12 amin’ny Apokalypsy, fisehoan-javatra hafa inona mahakasika ny lanitra sy ny tany moa no nambaran’ny fampanenoana ny trompetra fahafito?
16 Nanana fanambarana hafa hatao koa anefa ny anjely fahafito. Vakina ao amin’ny Apokalypsy 12:7 fa “nisy ady tany an-danitra” tamin’izay. Ny andininy faha-9 dia miresaka ny amin’ny niafaran’ny nataon’i Kristy Mpanjaka. Izao no vakintsika: “Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” Manampy teny toy izao ny andininy faha-12: “Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy.” Eny, afaka tamin’ny fitaoman’i Satana ny lanitra, ka niteraka fifaliana lehibe teo amin’ireo anjely nahatoky izany. Fa milaza inona ho an’ny olombelona izany? Io andininy io ihany no milaza izany amin’izao teny izao: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.”
17. Nahoana moa no mety ny hilazalazana ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao amin’ny endriky ny “bibi-dia” ao amin’ny toko faha-13 amin’ny Apokalypsy?
17 Ny Apokalypsy 12:3 dia milazalaza an’i Satana amin’ny endriky ny ‘dragona lehibe manan-doha fito sy tandroka folo’, biby mahatsiravina sy mandringana. Tena izy tokoa àry no namorona ny “bibi-dia” ara-politika eto an-tany aseho ao amin’ny toko faha-13, andininy 1 sy faha-2. Manana loha fito sy tandroka folo tahaka an’i Satana koa io biby io. Izao no lazain’ny andininy faha-2: “Ary ilay dragona [Satana] nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.” Tena mety ny ilazalazana ireo fitondram-panjakana ara-politika amin’ny endriky ny biby dia, satria tao anatin’izao taonjato faha-20 izao fotsiny dia olona maherin’ny zato tapitrisa no ringana tamin’ny ady nifanaovan’ireo firenena.
18. Mampiseho inona moa ny biby manan-tandroka roa resahina ao amin’ny Apokalypsy 13:11, ary amin’ny ahoana ny ataony no manamora ny famantarana azy?
18 Ny toko faha-13 amin’ny Apokalypsy dia mampiseho “bibi-dia iray koa niakatra avy tamin’ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry izy sady niteny tahaka ny dragona”. (Andininy faha-11.) Io biby manana tandroka roa io dia ny fikambanana ara-politika anglisy amerikana. Sahala amin’ny zanak’ondry izy io, satria mihambo ho tsy manan-tsiny ary milaza ho ny karazam-pitondram-panjakana voazava indrindra. Miteny tahaka ny dragona anefa izy io, sahala amin’i Satana, ary antsoina hoe “bibi-dia iray koa”, satria mampihatra ny fanapahany araka ny fanaon’ny biby. Mandrahona izy, mampiasa fampitahorana sy herisetra mihitsy aza isaky ny tsy ekena ny fomba fanapany. Tsy manoro hevitra mba hanaiky ny Fanjakan’Andriamanitra izy io, fa mampirisika ho eo ambany fanapahan’izao tontolo izaon’i Satana kosa. Izany no antony ilazan’ny andininy faha-14 hoe: “Mamitaka izay monina ambonin’ny tany izy.”
19, 20. a) Mampiseho inona moa ny tsy fivadihan’ireo mpanompon’i Jehovah? b) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy maintsy handresy an’izao tontolo izaon’i Satana ny sisa voahosotra?
19 Mampidi-doza ny miaina eo amin’izao tontolo izao tapahin’i Satana, indrindra fa ho an’ireo izay tsy namany ho fanarahana ny baiko nomen’i Jesosy ireo kristiana marina (Jaona 17:16). Noho izany antony izany, ny hoe tsy ivadihan’ireo mpanompon’Andriamanitra sy ny maha-tafaray azy hatrany maneran-tany, sy ny fanohizany midera an’i Jehovah sy ny lalany marina, dia mampiseho amin’ny fomba hentitra ny herin’Andriamanitra sy ny fitahiana omeny azy ireo. Tsy mivadika hatrany izy ireo eo anoloan’ny fanoherana mafy, ny fanenjehana, ary na dia ny fahafatesana aza.
20 Ny sisa voahosotra indrindra no nianjadian’ny famelezan’i Satana satria voantso hiara-manjaka amin’i Kristy ireo anisany. Asehon’ny toko faha-14 amin’ny Apokalypsy anefa fa ny olom-boafidy rehetra, izany hoe ny 144 000 dia akambana amim-pandresena amin’i Kristy, ka miara-manana aminy ny fahefana hanjaka. Nifikitra tamim-pahatokiana tamin’ny Tompony izy ireo, satria izao no vakina eo amin’ny andininy faha-4: “Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza no alehany.” Ary izany, na dia ao aza ny fanenjehana amin-kalozana nampiharin’i Satana tamin’izy ireo.
Ny voalohany tsy maintsy hiharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra
21, 22. a) Fanambaran’ny anjely inona moa ho hita ao amin’ny Apokalypsy 14:7, 8? b) Nahoana moa ny anjely iray no manambara fa nianjera Babylona, kanefa mbola misy izy?
21 Araka ny Apokalypsy 14:7, dia izao no nambaran’ny anjely iray: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” Iza no voalohany mahazo fanamelohana avy amin’Andriamanitra? Mamaly toy izao ny andininy faha-8: “Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! Rava [nianjera, MN ] Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany”. Voalohany indrindra eo no iresahan’ny Apokalypsy ny amin’i “Babylona lehibe”, dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso.
22 Koa satria mbola manan-kery saika hatraiza hatraiza maneran-tany ny fivavahana, nahoana moa ilay anjely no manambara fa nianjera Babylona Lehibe? Inona no nitranga tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana rehefa nianjera nefa tsy rava tanteraka ilay Babylona fahiny? Niverina tany amin’ny taniny ireo mpanompon’i Jehovah babo, roa taona taty aoriana, ka nanorina tany indray ny fanompoam-pivavahana marina. Toy izany koa, ny nandraisan’ireo mpanompon’Andriamanitra indray ny asany nanomboka tamin’ny 1919 ka nahitany indray ny fanambinana ara-panahy dia porofo azo tsapain-tanana fa nianjera teo imason’i Jehovah Babylona Lehibe tamin’io taona io. Nanameloka azy ho amin’ny fandravana any aoriana Andriamanitra tamin’izay.
23. a) Inona moa no manambara sahady ny faharavan’i Babylona Lehibe? b) Faminaniana hafa inona avy moa no hodinihintsika ao amin’ny fanontana manaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana?
23 Alohan’ny hanafoanana azy tsy ho ela, dia efa mahita tarehin-javatra sarotra dia sarotra sahady i Babylona ankehitriny. Naharihary hatraiza hatraiza ny fandraisany kolikoly, ny fahalotoam-pitondrantenany maharikoriko, ny tsy fanaovany ny marina sy fitsabahany ao amin’ny politika. Ao amin’ny ankamaroan’ny tany any Eoropa, dia vitsy ny olona mbola miangona ihany. Any amin’ny tany sosialista maro, dia heverina ho “opioman’ny vahoaka” ny fivavahana. Tsy itokiana intsony koa Babylona ankehitriny eo imason’izay rehetra mangetaheta ny Teny fahamarinan’Andriamanitra. Eo am-piandrasana ny fanafoanana mendrika azy àry izy ankehitriny. Eny, “akaiky ny andro voafetra” hampihozongozonan’ny fisehoan-javatra izao tontolo izao. Ireo lahatsoratra natao hianarana ao amin’ny fanontana manaraka Ny Tilikambo Fiambenana dia handinika ireo faminaniana ao amin’ny Apokalypsy izay manambara ny handringanana tsy ho ela “ilay vehivavy janga” ara-pivavahana sy ny fandehan-javatr’i Satana manontolo.
Ahoana no havalinao?
◻ Manambara inona ho an’ny androntsika moa ny fampanenoana ny trompetra fito voatonona manomboka eo amin’ny toko faha-8 amin’ny Apokalypsy?
◻ Nahoana moa ny fivavahana lazaina fa kristiana no ny voalohany hiharan’ny fanamelohana?
◻ Ahoana moa no ilazalazana ny asa fitorian’ny sisa voahosotra sy ny “olona betsaka” ao amin’ny toko faha-9 amin’ny Apokalypsy?
◻ Milaza inona moa ny fanambarana voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 11:15 ho an’ny lanitra sy ny tany?
◻ Araka ny Apokalypsy 14:8, amin’ny heviny ahoana moa Babylona no nianjera tamin’ny 1919, ary milaza inona ho azy ny fianjerany?