-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana—2014 | 15 Novambra
-
-
Voalohany, oharina amin’ny “hazo oliva roa sy fitoeran-jiro roa” izy ireo. (Apok. 11:4) Mampahatsiahy antsika an’ilay fitoeran-jiro sy hazo oliva roa resahin’ny faminanian’i Zakaria izany. Voalaza ao fa ny hazo oliva roa dia “voahosotra roa”, izany hoe i Zerobabela Governora sy Josoa Mpisoronabe, izay “mijoro eo anilan’ilay Tompon’ny tany manontolo.” (Zak. 4:1-3, 14)
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana—2014 | 15 Novambra
-
-
Mifandray ny voalazan’ny Apokalypsy sy Zakaria, satria samy miresaka an’ireo voahosotr’Andriamanitra izay nitarika ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny fotoam-pitsapana. Tanteraka àry ny Apokalypsy toko faha-11 rehefa nitory ‘nitafy akanjo gony’ nandritra ny telo taona sy tapany ireo rahalahy voahosotra izay nitarika ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1914. Tamin’io no nanomboka nanjaka tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra.
-