Toko 1
Apokalypsy—Mahafaly ny Fiafaran’ilay Fampiharihariana!
1. Ahoana no ahafantarantsika fa tian’Andriamanitra ho sambatra isika?
IZAY NAHARIHARY TAMIN’I JAONA no boky farany ao amin’ny Baiboly, ary mirakitra hafatra mahafaly izy io. Nahoana isika no miteny hoe “mahafaly”? Avy amin’ilay “Andriamanitra falifaly” ny Baiboly, ary nanome ‘vaovao tsara be voninahitra’ ho an’ireo tia azy izy. Tiany ho faly sy ho sambatra koa isika. Manome toky antsika àry izy, eo am-piandohan’ny Apokalypsy hoe: “Sambatra izay mamaky ... ny tenin’ity faminaniana ity.” Izao no lazaina amintsika ao amin’ny toko farany amin’izy io: “Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity horonam-boky ity.”—1 Timoty 1:11; Apokalypsy 1:3; 22:7.
2. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha tiantsika ny hahazo ilay fahasambarana resahin’ny bokin’ny Apokalypsy?
2 Ahoana no hahitantsika ilay fahasambarana resahin’ny bokin’ny Apokalypsy? Hahita izany isika, raha mitady ny hevitr’ireo famantarana mahavariana ao anatiny, ka manao zavatra mifanaraka amin’izany. Hifarana tsy ho ela ny tantara feno hotakotaky ny olombelona, rehefa hanatanteraka didim-pitsarana amin’ity tontolo ratsy ity Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Hosoloan’izy ireo “lanitra vaovao sy tany vaovao” izy ity, ka “tsy hisy fahafatesana intsony” ao. (Apokalypsy 21:1, 4) Moa ve isika rehetra tsy te hiaina ao amin’izany tontolo vaovao izany, ao anatin’ny tena fandriampahalemana sy filaminana? Hahazo izany isika, raha manamafy ny finoantsika, ka mianatra ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany ny faminaniana mampahery ao amin’ny Apokalypsy.
Inona moa ny Apokalypsy?
3. Inona no eritreretin’ny olona maro momba ny Apokalypsy sy ny Hara-magedona?
3 Nahoana tokoa no antsoina hoe Apokalypsy ny boky farany ao amin’ny Baiboly? Fanoratana amin’ny teny malagasy an’ilay teny grika hoe a·po·kaʹly·psis ny hoe Apokalypsy. Maro ny olona milaza fa ady niokleary ny Apokalypsy, ka handrava izao tontolo izao. Maro be, ohatra, ny fitaovam-piadiana niokleary namboarina tany amin’ny tanàna iray any Texas, any Etazonia, ka maro ireo mpivavaka nilaza hoe: “Isika no voalohany ho faty.” Voalaza fa “nino mafy” ireo mpitondra fivavahana tany amin’io toerana io hoe “sady tsy azo ialana mihitsy ny Hara-magedona, no efa tena akaiky. Fandripahana niokleary koa, hoy izy ireo, ilay ady farany eo amin’ny tsara sy ny ratsy, dia Andriamanitra sy Satana.”a
4. Inona no tena dikan’ilay teny hoe “apokalypsy”, ary nahoana koa no azo antsoina hoe “Fampiharihariana” ny anaran’ilay boky farany ao amin’ny Baiboly?
4 Inona anefa no tena atao hoe apokalypsy? Misy diksionera mamaritra azy io hoe “loza mandrahona eny amin’ny lanitra.” Ny tena dikan’ilay teny grika hoe a·po·kaʹly·psis anefa dia hoe “fanesorana voaly”, na “fanalana sarona.” Azo antsoina hoe “Fampiharihariana” koa àry ny anaran’ilay boky farany ao amin’ny Baiboly. Tsy hafatra mampahatahotra milaza ny faran’izao tontolo izao fotsiny no hitantsika ao, fa fampiharihariana ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra koa, ary tokony hanatanjaka ny fanantenantsika sy hanamafy orina ny finoantsika izany.
5. a) Iza no horinganina amin’ny Hara-magedona, ary iza no ho tafavoaka velona? b) Inona no hoavy mahafinaritra miandry an’ireo ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona?
5 Marina aloha fa antsoin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly hoe “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra”, ny Hara-magedona. (Apokalypsy 16:14, 16) Tsy ho fandripahana niokleary mihitsy anefa izy io! Handripaka ny zavaboary rehetra eto an-tany mantsy ny ady niokleary toy izany. Manome toky antsika kosa ny Tenin’Andriamanitra fa ny ratsy fanahy mpanohitra an’Andriamanitra ihany no horinganin’ny herin’Andriamanitra. (Salamo 37:9, 10; 145:20) Hisy vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra ho tafavoaka velona amin’ilay fiafaran’ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ny Hara-magedona. Ho mpiandry sy mpitarika azy ireo ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany avy eo i Kristy Jesosy. Tsy maniry ho anisan’izy ireo ve ianao? Soa ihany fa milaza ny Apokalypsy hoe afaka ny ho anisan’izy ireo ianao!—Apokalypsy 7:9, 14, 17.
Fikarohana ny zava-miafin’Andriamanitra
6. Inona avy ireo boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro, mba hanazavana ny Apokalypsy?
6 Efa tamin’ny 1917 ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana no namoaka ny boky hoe Ilay Mistery Fantatra. Fanazavana isan’andininy ny bokin’i Ezekiela sy ny Apokalypsy izy io. Nahatanteraka faminanian’ny Baiboly ireo zava-nitranga eran-tany taorian’izany, ka navoaka tamin’ny 1930 ny boky roa mitondra ny lohateny hoe Fahazavana. Fanavaozana an’ireo fanazavana ny Apokalypsy izy io. Nitombo ny ‘fahazavana ho an’ny marina’, ka navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1963 ilay boky misy pejy 704 hoe “Nianjera i Babylona Lehibe!” Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra! Nilaza tsipirian’ny fisondrotana sy fianjeran’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra, io boky io. Nanazava ny toko sivy farany tao amin’ny Apokalypsy kosa, ny ampahany farany taminy. ‘Nihanazava ny lalan’ny marina’, indrindra fa mahakasika ny asan’ny fiangonana, hany ka navoaka tamin’ny 1969 ilay boky nisy pejy 384 hoe “Fantatra Izao ny Zava-miafin’Andriamanitra.” Nanazava ny toko 13 voalohany ao amin’ny Apokalypsy izy io.—Salamo 97:11; Ohabolana 4:18.
7. a) Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no namoaka ity boky momba ny Apokalypsy ity? b) Inona avy ireo fanampiana ny mpamaky, omena amin’ity boky ity?
7 Nahoana àry izao no misy boky hafa momba ny Apokalypsy? Tena feno tsipiriany ny ankamaroan’ireo fanazavana navoaka taloha, ka sarotra ny nandika sy namoaka azy eran-tany tamin’ny fiteny maro. Hita àry fa mety izao ny mamoaka boky iray momba ny Apokalypsy, izay mora adika amin’ny fiteny maro. Natao hanampiana ny mpamaky koa ny sary, tabilao, famintinana, mba hahazoany tsara ny votoatin’io faminaniana mahafinaritra io.
8. Inona no mbola antony lehibe kokoa namoahana ity boky ity?
8 Mbola antony lehibe kokoa amoahana ity boky ity ny hoe ilaina hohavaozina ny fahatakarantsika ny fahamarinana ankehitriny. Manome fahazavana bebe kokoa hatrany momba ny Teniny i Jehovah. Azontsika ampoizina àry fa hihatsara kokoa ny fahatakarantsika ny Apokalypsy sy ny faminaniana hafa, rehefa mihamanatona ny fahoriana lehibe. (Matio 24:21; Apokalypsy 7:14) Tena tokony hianatra tsara isika. Hoy i Petera, momba ny faminanian’Andriamanitra: “Tsara àry ny ataonareo raha mandinika azy io ianareo, toy ny fandinika jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina, izany hoe ao am-ponareo, mandra-pahazavan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro.”—2 Petera 1:19.
9. a) Inona koa no asehon’ny Apokalypsy fa haorin’Andriamanitra, ho fanamafisana ny faminaniana hafa? b) Inona ilay tontolo vaovao, ary ahoana no hahatafavoaka velona anao mba hiaina ao amin’izy io?
9 Manamafy faminaniana maro hafa ao amin’ny Baiboly ny Apokalypsy, ka mampiseho fa hanorina lanitra vaovao sy tany vaovao i Jehovah Andriamanitra. (Isaia 65:17; 66:22; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-5) Mivantana amin’ny Kristianina voahosotra ny hafatra raketiny. Novidin’i Jesosy tamin’ny rany izy ireo, mba hiara-manjaka aminy ao amin’ilay lanitra vaovao. (Apokalypsy 5:9, 10) Hanamafy ny finoan’ny olona an-tapitrisany koa anefa io vaovao tsara io, satria miandrandra fiainana mandrakizay eo ambanin’ny Fanjakan’i Kristy izy ireo. Anisan’izy ireo ve ianao? Hanamafy ny fanantenanao hiaina ao amin’ny Paradisa àry ny Apokalypsy, dia ny fanantenanao ho anisan’ny tany vaovao, hifaly amin’ny haben’ny fiadanana, sy fahasalamana tena tsara, ary ireo fandaharana tsy mety tapitra hataon’Andriamanitra. (Salamo 37:11, 29, 34; 72:1, 7, 8, 16) Raha te ho tafavoaka velona sy hiaina ao amin’io tontolo vaovao io ianao, dia tokony ho maika handinika ny fanazavan’ny Apokalypsy momba ilay fiafarana miavaka efa akaiky.—Zefania 2:3; Jaona 13:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Gazety Süddeutsche Zeitung, Munich, Alemaina, 24 Janoary 1987.
[Sary, pejy 7]