TOKO 2
Efa Manjaka any An-danitra Ilay Fanjakana
1, 2. Inona ny zava-nitranga lehibe indrindra nanova an’izao tontolo izao, ary nahoana no tsy mahagaga raha tsy nisy olombelona nahita an’izany?
BETSAKA ny zava-nitranga nanova an’izao tontolo izao. Efa imbetsaka, ohatra, no nisy mpitondra nosoloana ka be dia be ny zavatra niova. Matetika anefa no tsy mahita maso ny tena antony anoloana an’ilay mpitondra ny vahoaka. Any anaty lapa na biraom-panjakana mantsy no tena mitranga izany, ka tsy hitan’ny besinimaro. Amin’ny fampitam-baovao na boky ihany no ahalalany an’ilay izy. Rehefa misolo anefa ny mpitondra, dia misy vokany amin’ny fiainan’olona an-tapitrisany foana izany.
2 Ary fantatrao ve hoe inona ny zava-nitranga lehibe indrindra nanova an’izao tontolo izao? Tsy nisy olombelona nahita ilay izy, satria tany an-danitra no nitranga. Nisy vokany tamin’ny fiainan’olona an-tapitrisany anefa ilay izy. Fa inona izany? Nanangana Fanjakana Andriamanitra, araka ny efa nampanantenainy hatry ny ela. Ny Mesia no Mpanjakan’izy io, ary kely sisa izy io dia handringana an’ity tontolo ity. (Vakio ny Daniela 2:34, 35, 44, 45.) Nafenin’i Jehovah tamintsika olombelona àry ve hoe nanomboka nitondra ny Fanjakany matoa isika tsy nahita an’ilay izy? Sa efa nampiomaniny mialoha ny mpanompony mba ho vonona amin’izany? Hovaliana ato izany.
‘Hikarakara ny lalana halehako ny irako’
3-5. a) Iza “ilay iraky ny fifanekena”? b) Inona no hitranga alohan’ny hahatongavan’ilay “iraky ny fifanekena” ao amin’ny tempoly?
3 Efa ela i Jehovah no nanapa-kevitra hanampy ny vahoakany ho vonona, rehefa manomboka manjaka ny Mesia. Izao, ohatra, no teniny ao amin’ny Malakia 3:1: “Hirahiko ny irako, ary hikarakara ny lalana halehako izy. Ary ho avy tampoka ao amin’ny tempoliny ilay tena Tompo tadiavinareo sy ilay iraky ny fifanekena izay sitrakareo.”
4 Tanteraka io faminaniana io tatỳ aoriana, rehefa tonga tao amin’ny tempoliny ara-panahy i Jehovah, “ilay tena Tompo”, mba handinika ny olona nanompo azy teo an-tokotanin’izy io, izany hoe teto an-tany. Milaza ilay faminaniana fa ho avy hiaraka amin’i Jehovah “ilay iraky ny fifanekena”, dia i Jesosy Kristy Mpanjaka. (Lioka 1:68-73) Oviana izany no nitranga? Raha vao nanomboka nanjaka izy. Nandinika ny vahoakan’Andriamanitra izy tamin’izay, ary nanadio azy ireo teo amin’ny lafiny ara-panahy.—1 Pet. 4:17.
5 Milaza koa ny Malakia 3:1 fa hisy ‘iraka’ hafa halefan’i Jehovah, alohan’ny hahatongavan’ilay “iraky ny fifanekena.” ‘Hikarakara lalana’ izy io, izany hoe hanampy ny olona ho vonona rehefa manjaka ny Mesia. Iza io iraka io? Nisy iraka nampiomana ny olona tokoa ve talohan’ny nanjakan’ny Mesia tamin’ny 1914?
6. Iza ilay ‘iraka’ nanampy ny vahoakan’i Jehovah ho vonona amin’izay hitranga?
6 Handinika ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1870 tany ho any isika ato amin’ity boky ity, mba hamaliana izany. Kristianina sandoka no tena betsaka tamin’izany, fa olona vitsivitsy ihany no tena Kristianina. Nantsoina hoe Mpianatra ny Baiboly izy ireo. I Charles Russell sy ny namany no nitarika azy ireo. I Russell sy ireo namany ireo àry ilay ‘iraka’ resahin’ny Malakia 3:1, satria ry zareo no nanome tari-dalana ny vahoakan’Andriamanitra sy nanampy azy ireo ho vonona amin’izay hitranga. Ahoana no nanaovany izany?
Nivavaka araka ny fahamarinana
7, 8. a) Iza no nampiharihary fa diso ny fampianarana hoe tsy mety maty ny fanahy? b) Inona ny fampianarana nahariharin’i Russell sy ny namany hoe diso?
7 Niara-nianatra ny Mpianatra ny Baiboly sady nivavaka rehefa nanao izany. Rehefa samy nanaiky izy ireo hoe marina ny zavatra hitany, dia noraisiny an-tsoratra izany ary nampahafantariny ny olona. Efa ela be talohan’izay no tao anatin’ny haizina ara-panahy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Avy amin’ny mpanompo sampy mantsy ny ankamaroan’ny zavatra ampianarin’izy ireo. Anisan’ny miavaka indrindra amin’izany ilay hoe tsy mety maty ny fanahy. Nisy olona vitsivitsy nandinika an’io fampianarana io anefa, tamin’ny 1850 tany ho any, ka hitan’izy ireo fa tsy mampianatra izany ny Baiboly. Anisan’izy ireny i Henry Grew sy George Stetson ary George Storrs.a Tsy natahotra izy ireo nanoratra boky sy nanao toriteny hampiharihariana fa lainga avy amin’i Satana ny hoe tsy mety maty ny fanahy. Tena nanampy an’i Russell sy ny namany hahazo tsara ny Soratra Masina izany.
8 Lasa hitan’ny Mpianatra ny Baiboly koa fa diso sady tsy mazava ny fampianarana hafa mifandray amin’ilay hoe tsy mety maty ny fanahy. Anisan’izany ilay hoe hiakatra any an-danitra ny tsara fanahy rehetra, ary hampijalina mandrakizay any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Sahy namoaka lahatsoratra tamin’ny boky sy bokikely ary taratasy mivalona i Russell sy ny namany, mba hampiharihariana an’ireny lainga ireny. Nanao toriteny momba izany koa aza izy ireo, ary navoakany gazety ilay izy.
9. Inona no nolazain’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana momba ny Andriamanitra telo izay iray?
9 Nahariharin’ny Mpianatra ny Baiboly koa fa diso ilay fampianarana hoe telo izay iray Andriamanitra, na dia be dia be aza no mino izany. Hoy Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy (anglisy),b tamin’ny 1887: “Milaza mazava tsara ny Soratra Masina hoe samy hafa i Jehovah sy Jesosy Tompo, ary zanak’i Jehovah i Jesosy.” Voalaza tao koa fa mahavariana hoe “lasa be dia be no mino fa telo izay iray Andriamanitra na Andriamanitra tokana olona telo. Tena toy ny olona matory be ny fivavahana, ka nohararaotin’i Satana nampidirana fampianaran-diso.”
10. Inona no noresahin’ny Tilikambo Fiambenana momba ny taona 1914?
10 Niresaka matetika momba ny faminaniana mahakasika ny fanatrehan’i Kristy koa Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy, ary na ny lohateniny aza dia efa mampiseho izany. Rehefa nandinika ny faminanian’i Daniela momba ny “fe-potoana fito”, ohatra, ireo voahosotra mpanoratra an’io gazety io, dia lasa azon’izy ireo fa mifandray amin’ny fotoana hanatrehan’ny Mesia izy io. Tamin’ny 1876 izy ireo, dia efa nilaza fa ho tapitra amin’ny 1914 io “fe-potoana fito” io. (Dan. 4:25; Lioka 21:24) Notorin’izy ireo eran-tany izany, na dia mbola tsy fantatr’izy ireo tsara aza izay tena hitranga amin’io taona io. Nisy vokany tsara ilay izy na hatramin’izao aza.
11, 12. a) Iza no noderain’ny Rahalahy Russell sy nomeny voninahitra noho ny zavatra fantany? b) Inona no vokatry ny asa nataon’i Russell sy ny namany talohan’ny 1914?
11 Tsy nirehareha i Russell sy ny namany hoe izy ireo no nahita an’ireny fahamarinana ireny sy nahatakatra izany. Ireo olona nanao fikarohana talohany kosa no noderain’i Russell. I Jehovah koa no tena nomeny voninahitra, satria izy no mampianatra izay tokony ho fantatry ny vahoakany amin’ny fotoana ilan’izy ireo izany. Tena nanampy an’i Russell sy ny namany hanavaka ny marina tamin’ny diso i Jehovah. Vao mainka tena niavaka tamin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina izy ireo, rehefa nandeha ny fotoana.
12 Niaro ny fahamarinana foana ry Russell nandritra ny 40 taona teo ho eo, talohan’ny 1914, ary tena nahavariana ny zavatra vitan’izy ireo! Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1917: ‘Olona an-tapitrisany izao no afaka amin’ny fampianaran-diso. Lasa tsy matahotra ny afobe intsony, ohatra, izy ireo. Be dia be ny Fahamarinana fantatsika nandritra izay efapolo taona mahery izay. Toy ny ranomasina misondrotra izany, ary tsy hijanona raha tsy feno ny tany manontolo. Na dia miezaka mafy hisakana ny Fahamarinana tsy hiely eran-tany aza ny mpanohitra, dia tsy hahavita izany mihitsy, fa ho toy ny olona manohitra onjan-dranomasina amin’ny kifafa.’
13, 14. a) Inona no nataon’ilay ‘iraka’, mba hanampiana ny vahoakan’Andriamanitra ho vonona rehefa manjaka ny Mesia? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny Mpianatra ny Baiboly voalohandohany?
13 Eritrereto àry izao: Raha tsy nampiana hahay hanavaka an’i Jesosy tamin’i Jehovah Rainy ny vahoakany, ho vonona ve izy ireo rehefa nanomboka ny fanatrehan’i Kristy? Azo antoka fa tsia. Tsy ho vonona koa izy ireo, raha nieritreritra hoe manana fanahy tsy mety maty daholo ny olona. Kristianina vitsivitsy ihany mantsy no ho lasa fanahy, ka hiara-manjaka amin’i Kristy mandrakizay any an-danitra. Tsy ho vonona koa izy ireo raha nino hoe mampijaly olona mandrakizay any amin’ny afobe Andriamanitra. Hita tokoa hoe ‘nikarakara lalana ilay iraka’, mba ho vonona ny vahoakan’Andriamanitra rehefa manjaka ny Mesia.
14 Inona no ianarantsika avy amin’ireny Mpianatra ny Baiboly voalohandohany ireny? Tokony hazoto hamaky sy hianatra ny Tenin’Andriamanitra isika. (Jaona 17:3) Aza manao toy ny olona eto amin’ity tontolo ity! Variana amin’ny vola sy ny harena izy ireo, ka mosarena ara-panahy. Mazotoa kosa misakafo ara-panahy foana!—Vakio ny 1 Timoty 4:15.
“Mivoaha avy ao aminy, ry oloko”
15. Inona no lasa fantatry ny Mpianatra ny Baiboly tsikelikely? (Jereo koa ny fanamarihana.)
15 Nampianatra ny olona ny Mpianatra ny Baiboly hoe tokony hiala ao amin’ny fivavahan-diso izy ireo. Niresaka momba an’ilay Babylona Lehibe resahin’ny Baiboly Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1879. Efa ela ny Protestanta no nihevitra fa ny Eglizy Katolika io Babylona io. Fantatry ny Mpianatra ny Baiboly tsikelikely anefa fa tsy ny papa na ny Eglizy Katolika izy io, fa ny fivavahan-diso rehetra, anisan’izany ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Nahoana? Satria izy rehetra samy mampianatra lainga, toy ireo hitantsika terỳ aloha.c Rehefa nandeha àry ny fotoana, dia lasa tsy niolakolaka ny boky sy gazetintsika nilaza izay tokony hataon’ny olona tso-po mbola nivavaka tao amin’i Babylona Lehibe.
16, 17. a) Inona no nolazain’ny boky Fiandohan’ny Arivo Taona sy Ny Tilikambo Fiambenana, mba hampirisihana ny olona hiala ao amin’ny fivavahan-diso? b) Nahoana ny olona no tsy dia niraharaha an’ilay fampirisihana hoe mila miala ao amin’i Babylona Lehibe? (Jereo ny fanamarihana.)
16 Nilaza, ohatra, ilay bokintsika hoe Fiandohan’ny Arivo Taona (anglisy), Boky Faha-III, tamin’ny 1891, fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra i Babylona Lehibe. Voalaza tao hoe: ‘Tsy tian’Andriamanitra ny fivavahana rehetra anisan’i Babylona Lehibe, ka asaina hiala ao aminy izay rehetra manaiky hoe diso ny zavatra ampianariny ary tsy mety ny zavatra ataony.’
17 Mbola tsy namafa ny anarany tany amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina anefa ny olona sasany, na dia tia ny fahamarinana aza. Nilaza izy ireny hoe: ‘Izaho ange indraindray ihany vao miangona any e, sady izaho tena manaiky hoe marina ny fampianaran’ny Mpianatra ny Baiboly.’ Nisy lahatsoratra natao ho azy ireny àry tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Janoary 1900. Voalaza tao hoe: ‘Mety ve raha sady mivavaka tsindraindray any amin’i Babylona isika no manaraka ny fahamarinana? Izany ve no asain’Andriamanitra hataontsika, ary ho faly amintsika ve izy? Azo antoka fa tsia! Toy ny hoe manao fifanekena amin’ny fivavahana iray ny olona iray rehefa miangona ao, ary hitan’ny olon-drehetra izany. Mbola tsy afaka amin’ilay fifanekena izy, raha tsy ataony mazava tsara amin’ny olon-drehetra hoe hiala tsy ho mpivavaka ao intsony izy.’ Rehefa nandeha ny fotoana, dia vao mainka nohamafisina hoe tsy maintsy miala tanteraka ao amin’ny fivavahan-diso ny mpanompon’i Jehovah.d
18. Nahoana no tena nila niala tao amin’i Babylona Lehibe izay te hanompo an’i Jehovah?
18 Ahoana raha tsy naverimberina ilay fampitandremana hoe tokony hiala ao amin’i Babylona Lehibe ny mpanompon’i Jehovah? Ho nisy voahosotra mendrika ny hiara-manjaka amin’i Kristy ve teto an-tany? Azo antoka fa tsia! Tsy ho afaka hivavaka amin’i Jehovah “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” rahateo izay mbola anisan’i Babylona Lehibe. (Jaona 4:24) Ary ianao? Tapa-kevitra koa ve ianao hoe tsy hanaraka fivavahan-diso intsony mihitsy? Enga anie isika hankatò foana an’ilay didin’i Jehovah hoe: “Mivoaha avy ao aminy, ry oloko”!—Vakio ny Apokalypsy 18:4.
Niara-nivory mba hanompo an’Andriamanitra
19, 20. Inona no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana, mba hampirisihana ny Kristianina hiara-mivory?
19 Nampianatra ny olona ny Mpianatra ny Baiboly hoe mila miara-mivory ny mpanompon’i Jehovah, raha mbola azo atao. Tsy hoe tokony hiala ao amin’ny fivavahan-diso fotsiny ny tena Kristianina, fa tokony hanaraka ny fivavahana marina koa. Vao nivoaka àry Ny Tilikambo Fiambenana, dia efa nampirisika ny mpamaky azy hivory. Notantarain’i Russell tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jolay 1880, ohatra, fa niara-nivory tamin’ny Mpianatra ny Baiboly tany amin’ny toerana maromaro izy, ary nanao toriteny tany. Nilaza izy fa tena nampahery ireny fivoriana ireny. Nampirisika ny mpamaky àry izy mba handefa taratasy milaza hoe niara-nivory foana ve izy ireo, ary nanao ahoana ilay izy. Nampanantena izy fa havoaka ao amin’ilay gazety ny taratasy sasany. Hoy izy: ‘Aleo ny namantsika rehetra hahafantatra hoe miara-mivory foana amin’ny mpiray finoana ianareo, sady tena mitahy anareo ny Tompo.’
20 Namoaka lahatsoratra hoe “Miaraha Mivory” Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1882. Nampirisika ny Kristianina hivory izy io, “mba hiara-mianatra sy hifampahery.” Izao no voalaza tao: ‘Tsy voatery ho mahay be na nahita fianarana ianareo. Samia fotsiny mitondra Baiboly sy taratasy ary pensilihazo rehefa mivory. Ampiasao daholo izay boky ara-baiboly anananareo, ohatra hoe boky fizahan-teny. Mifidiana foto-kevitra iray, ary mangataha Fanahy Masina mba hanampy anareo hahatakatra an’ilay izy. Vakio avy eo izay andininy miresaka an’ilay izy, ary saintsaino sy ampitahao. Tsy maintsy ho hitanareo ny marina amin’ny farany.’
21. Inona ny modely nomen’ny Kristianina tany Allegheny sy ny Rahalahy Russell?
21 Tany Allegheny, any Etazonia, ny foiben’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany. Modely tsara ny rahalahy tao, satria nankatò an’ilay didy hoe mila miara-mivory. (Vakio ny Hebreo 10:24, 25.) Niara-nivory tamin’izy ireo, ohatra, ny rahalahy iray atao hoe Charles Capen, tamin’izy mbola kely. Hoy izy: “Mbola tsy afaka ato an-tsaiko hatramin’izao ilay andinin-teny teo amin’ny rindrin’ilay Efitrano Fivoriambe hoe: ‘Iray ny mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.’ Tadidiko foana hoe tsy misy mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah.” (Mat. 23:8) Nitantara koa izy fa tena nampahery azy ny fivoriana. Tadidiny koa hoe niezaka mafy ny Rahalahy Russell hikarakara ny olona tsirairay teo anivon’ny fiangonana.
22. Inona no nataon’ny Mpianatra ny Baiboly rehefa nampirisihina hivory izy ireo, ary ahoana no hanahafantsika azy ireo?
22 Maro ny rahalahy nanahaka ny Kristianina tany Allegheny. Nankatò an’izay toromarika azony koa izy ireo. Lasa nisy fiangonana àry tany Ohio sy Michigan, ary avy eo nanerana an’i Amerika Avaratra sy tany an-tany hafa. Eritrereto izao: Ho vonona ve ny vahoakan’Andriamanitra rehefa tonga ny fanatrehan’i Kristy, raha tsy nisy nampirisika azy ireo hivory? Azo antoka fa tsia! Ahoana ny amintsika? Tokony hivory foana koa isika, ka hiara-manompo an’i Jehovah sy hifampahery.
Nazoto nitory
23. Ahoana no nanazavan’ny Tilikambo Fiambenana hoe mila mitory ny voahosotra rehetra?
23 Nilaza ny Mpianatra ny Baiboly fa tokony hitory ny fahamarinana ny voahosotra rehetra. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1885: “Tsy tokony hohadinointsika fa voahosotra mba hitory ny voahosotra rehetra. (Isaia 61:1)” Hoy koa ny lahatsoratra iray, tamin’ny 1888: ‘Mazava tsara ny asa nanirahana antsika. Raha tsy manao izany isika fa mitady fialan-tsiny, dia tena mpanompo kamo ka tsy mendrika ny hahazo an’ilay toerana ambony homena antsika.’
24, 25. a) Inona no nataon-dry Russell, ankoatra ny hoe nampirisika ny olona hitory? b) Inona no notantarain’i Charles Capen momba ny fitoriana nataony?
24 Tsy nampirisika ny olona hitory fotsiny ry Russell, fa namoaka trakta koa. Trakta ho An’ny Mpianatra ny Baiboly (anglisy) no lohateniny, ary novana hoe Teolojia Taloha, Mivoaka Isan-telo Volana (anglisy), tatỳ aoriana. Nomena azy io ny mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana, mba hozarainy maimaim-poana.
Ahoana ny aminao? Ny fitoriana ve no zava-dehibe indrindra aminao?
25 Efa nisy mpisava lalana tamin’izany. Anisan’izany i Charles Capen, ilay voaresaka teo aloha. Hoy izy: “Sarintany namboarin’ny Fikambanana Amerikanina Manadihady Momba ny Tany no nampiasaiko, rehefa nitory tany Pennsylvanie. Hita tao ny lalana rehetra any, ka afaka nandeha an-tongotra nanerana an’ilay faritra aho. Nitady an’izay olona nila an’ireo boky hoe Fianarana ny Soratra Masina aho, ka nahavita nandeha an-tongotra telo andro indraindray. Tsy maintsy nanofa soavaly sy sarety aho avy eo, mba hanaterana an’ilay izy tany amin’ilay olona. Tsy nody aho indraindray fa natory tany an-tranon’ny tantsaha. Mbola tsy dia nisy aotomobilina mantsy tamin’izany.”
26. a) Nahoana ny Kristianina no nila nitory? b) Inona avy ny fanontaniana tokony hoeritreretintsika?
26 Tena nila nazoto sy nanana herim-po àry ireny mpitory voalohandohany ireny. Ahoana anefa raha tsy nisy nampianatra azy ireny hoe tena ilaina ny mitory? Tsy ho vonona mihitsy izy ireo rehefa nanomboka nanjaka i Kristy. Nila nitory izy ireo, satria anisan’ny famantarana ny fanatrehany io asa io. (Mat. 24:14) Nila nampiana àry ny vahoakan’Andriamanitra mba hahatakatra hoe ny fitoriana no tokony hataony alohan’ny zavatra hafa. Ahoana ny aminao? Ny fitoriana ve no zava-dehibe indrindra aminao? Vonona hampandefitra zavatra hafa ve ianao mba hanaovana tsara azy io?
Nanomboka nanjaka ilay Fanjakana
27, 28. Inona no hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana, ary inona no nataon’i Satana sy ny demonia rehefa nanomboka nitondra ilay Fanjakana?
27 Tonga ihany ny taona 1914 nony farany! Nanomboka nanjaka tany an-danitra ilay Fanjakana. Tsy nisy olombelona nahita izany, araka ny efa hitantsika. Efa nolazaina tamin’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana iray anefa izay hiseho. Nahita “famantarana lehibe” tany an-danitra izy. Nisy “vehivavy” bevohoka ary tera-dahy avy eo. Ny fandaminan’i Jehovah misy an’ireo anjely any an-danitra ilay “vehivavy.” Kely sisa dia “hifehy ny firenena rehetra amin’ny tehim-by” ilay zanany lahy. Vao teraka ilay zaza, dia “nentina haingana nankany amin’Andriamanitra sy ny seza fiandrianany.” Nisy feo mafy avy eo tany an-danitra, nanao hoe: “Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy ny fahefan’ny Kristiny.”—Apok. 12:1, 5, 10.
28 Nahita ny Mesia nanomboka nanjaka àry i Jaona tao amin’io fahitana io. Azo antoka fa tena niavaka ilay izy. Tsy ny rehetra anefa no faly rehefa lasa Mpanjaka i Kristy. Niady tamin’i Mikaela (na i Kristy) sy ny anjeliny tsy mivadika i Satana sy ny demonia. Inona no vokany? “Natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.”—Apok. 12:7, 9.
29, 30. a) Inona no nitranga tetỳ an-tany nanomboka tamin’ny 1914? b) Inona no nitranga tany an-danitra?
29 Efa ela be talohan’ny 1914 ny Mpianatra ny Baiboly no nitory fa hisy olana be manomboka amin’io taona io. Na izy ireo aza anefa tsy tena nahazo an-tsaina hoe inona marina no hitranga. Fantany fotsiny hoe vao mainka i Satana hampijaly ny olona. Hoy mantsy ny Apokalypsy 12:12: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” Tanteraka tokoa izany. Nipoaka ny Ady Lehibe I tamin’ny 1914, ary nanomboka hita eran-tany ny famantarana fa efa manatrika i Kristy, izany hoe efa lasa Mpanjaka. Nanomboka koa ny “andro farany.”—2 Tim. 3:1.
30 Faly kosa ny tany an-danitra, satria tsy mahazo miverina any intsony i Satana sy ny demoniany. Hoy i Jaona: “Mifalia ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy!” (Apok. 12:12) Efa voadio ny lanitra, ary efa lasa Mpanjaka i Jesosy. Vonona hanampy ny vahoakan’Andriamanitra eto an-tany amin’izay àry ny Fanjakan’ny Mesia. Inona no nataony? Hitantsika tany aloha fa hanadio ny mpanompon’Andriamanitra aloha i Kristy, “ilay iraky ny fifanekena.” Ahoana no nanaovany izany?
Niharam-pitsapana
31. Hanao ahoana ilay fanadiovana, araka ny nolazain’i Malakia, ary ahoana no nahatanterahan’izany? (Jereo koa ny fanamarihana.)
31 Nilaza i Malakia fa ho mafy be ilay fanadiovana. Hoy izy: ‘Iza no hahatanty ny andro iaviany, ary iza no hahajoro rehefa miseho izy? Fa ho toy ny afon’ny mpandrendrika metaly izy sady ho toy ny savonin’ny mpanasa lamba.’ (Mal. 3:2) Izany tokoa no nitranga! Nisy olana sy fitsapana nisesisesy nanjo ny vahoakan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny 1914. Maro, ohatra, no nampijalina sy nogadraina, tamin’ny Ady Lehibe I.e
32. Inona ny olana teo anivon’ny fandaminana, taorian’ny 1916?
32 Nisy olana koa teo anivon’ny fandaminana. Maty mantsy ny Rahalahy Russell tamin’ny 1916, tamin’izy vao 64 taona. Tsy nampoizin’ny mpanompon’i Jehovah ilay izy. Hita tamin’izay hoe nisy nanindrahindra loatra an’i Russell tamin’izy mbola velona, satria nihevitra fa izy no tena filamatra. Nataon’izy ireo toy ny andriamanitra kely i Russell, na dia tsy tia an’izany aza izy. Maro koa no nieritreritra fa tsy hitombo intsony ny zavatra fantatr’izy ireo, satria efa tsy eo intsony i Russell. Nisy aza tsy nanaiky tsotra izao hanohy ny ezaka efa natao. Be dia be àry no nivadi-pinoana, ka lasa tsy niray saina intsony ny vahoakan’i Jehovah.
33. Nahoana no diso fanantenana ny vahoakan’Andriamanitra?
33 Nisy fitsapana hafa koa anefa. Tsy tanteraka mantsy ny zavatra nantenain’ny Mpianatra ny Baiboly. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana fa ho tapitra amin’ny 1914 ny Andron’ny Jentilisa na “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” (Lioka 21:24) Tsy mbola azon’izy ireo anefa tamin’izany hoe inona marina no hitranga. Nieritreritra ry zareo fa hifarana ny fotoam-pijinjana amin’io taona io, ka hampakarin’i Kristy avy hatrany any an-danitra ny voahosotra mba hiara-manjaka aminy. Tsy tanteraka anefa izany. Nilaza indray Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny faramparan’ny 1917 fa maharitra 40 taona ny fotoam-pijinjana, ary mbola amin’ny voalohandohan’ny 1918 izy io vao hifarana. Mbola nitohy ihany anefa ny asa fitoriana taorian’izay, sady vao mainka aza be dia be ny olona nianatra Baiboly. Nilaza indray àry ilay gazety fa ny fotoam-pijinjana no tapitra, fa izay vokatra tavela eny amin’ny saha sisa no tsimponina. Mbola betsaka ihany anefa no diso fanantenana, ka tsy nanompo an’i Jehovah intsony.
34. Inona ny fitsapana nahakivy be nitranga tamin’ny 1918, ary nahoana ny mpitondra fivavahana no nieritreritra fa ‘maty’ ny vahoakan’Andriamanitra?
34 Nisy fitsapana nahakivy be koa tamin’ny 1918. Nosamborina niaraka tamin’ny mpiandraikitra fito hafa i J. Rutherford. Izy anefa no voatendry hitarika ny vahoakan’Andriamanitra rehefa maty i Russell. Voaheloka tsy ara-drariny higadra ela be tany Atlanta, any Etazonia, ry zareo. Toy ny hoe vita hatreo àry ny asa fitoriana. Betsaka ny mpitondra fivavahana faly. Nieritreritra izy ireo hoe tsy atahorana hanelingelina intsony ny Mpianatra ny Baiboly, satria toy ny hoe ‘maty.’ (Apok. 11:3, 7-10) Nigadra mantsy ny “mpitarika” azy ireo, nakatona ny foibeny tany Brooklyn, ary voasakantsakana ny fitoriana tany Amerika sy Eoropa. Diso hevitra anefa ny mpitondra fivavahana!
Velona indray!
35. Nahoana no navelan’i Jesosy hijaly ny mpanara-dia azy, ary inona no nataony mba hanampiana azy ireo?
35 Tsy fantatry ny fahavalon’ny fahamarinana fa navelan’i Jesosy hijaly ny mpanara-dia azy, satria tiany hodiovin’i Jehovah. “Toy ny mpandrendrika sy mpanadio volafotsy” mantsy i Jehovah. (Mal. 3:3) Fantatr’i Jehovah sy Jesosy fa hahavita hiaritra an’ilay fitsapana mivaivay ny vahoakany, ka ho voadio ary vao mainka ho mendrika hanao ny asa asain’i Jesosy hatao. Hita àry tamin’ny fiandohan’ny 1919 fa nampian’ny fanahin’i Jehovah ny vahoakany, ka toy ny hoe velona indray, na dia nihevitra aza ny fahavalon’izy ireo hoe tsy hisy mihitsy izany. (Apok. 11:11) Nisy zavatra nataon’i Jesosy tamin’izay, ary anisan’ny mampiavaka ny andro farany izy io. Nanendry “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy, izany hoe rahalahy voahosotra vitsivitsy, mba hitarika ny vahoakany ka hanome sakafo ara-panahy azy ireo amin’ny fotoana ilana izany.—Mat. 24:45-47.
36. Inona no mampiseho fa lasa velona indray teo amin’ny lafiny ara-panahy ny vahoakan’i Jehovah?
36 Afaka madiodio ry Rutherford tamin’ny 26 Martsa 1919. Tonga izy ireo dia nieritreritra hanao fivoriambe ny volana Septambra. Nieritreritra ny hamoaka gazety hoe Fotoam-pahasambarana koa izy ireo, ankoatra Ny Tilikambo Fiambenana. Natao hampiasaina rehefa mitory izy io.f Tamin’io taona io koa no navoaka voalohany ny Gazety (anglisy). Vao nisy izy io dia efa nampirisika ny mpitory hazoto hitory. Lasa ny fitoriana isan-trano àry no tena nifantohana, nanomboka tamin’ny 1919. Novana hoe Tari-dalana ho An’ny Fivoriana ilay hoe Gazety, ary izy io no ampiasaina mandritra an’ilay fivoriana hoe Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana.
37. Inona no nitranga taorian’ny 1919?
37 Mbola nitohy ny fanadiovana ny Kristianina. Hita izany rehefa nasaina nitory izy ireo. Tsy te hanao an’io asa io izay nanambony tena sy niavonavona, ka tsy nety niaraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah intsony. Inona no nitranga taorian’ny 1919? Tezitra be ny sasany, ka nanendrikendrika ny Kristianina tsy nivadika sy nanaratsy azy ireo tamin’ny gazety. Nisy mihitsy aza nanohana ny mpanenjika antsika.
38. Nandresy foana ny mpanara-dia an’i Kristy. Inona no dikan’izany?
38 Vao mainka anefa nitombo sy nandroso ara-panahy ny vahoakan’i Kristy. Nandresy foana izy ireo, ka midika izany hoe efa manjaka ny Fanjakan’Andriamanitra. Hita hoe nampiasa ny Zanany sy ny Fanjakany Andriamanitra mba hanampiana azy ireo. Olombelona ihany mantsy izy ireo, ka hataony ahoana moa no handresy foana isaky ny manafika azy ireo i Satana sy ity tontolo ratsy ity?—Vakio ny Isaia 54:17.
39, 40. a) Inona avy no ho hitantsika ato amin’ity boky ity? b) Inona ny soa horaisinao rehefa mianatra an’ity boky ity?
39 Ho hitantsika ao amin’ireo toko manaraka hoe inona avy no efa nataon’ny Fanjakan’Andriamanitra teto an-tany, taorian’ny 1914. Hiresaka zavatra samy hafa ataon’ilay Fanjakana ny fizarana tsirairay ato amin’ity boky ity. Hisy fanontaniana ho famerenana koa isaky ny toko, ary natao hanampiana antsika tsirairay hino izy ireo hoe tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra. Hodinihina ao amin’ireo toko faramparany kosa hoe inona no hitranga rehefa tonga handringana ny ratsy fanahy sy hanova ny tany ho Paradisa ilay Fanjakana. Inona àry ny soa horaisinao rehefa mianatra an’ity boky ity ianao?
40 Tsy tian’i Satana hino ianao hoe tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra. Tian’i Jehovah hampiana kosa ianao mba hatanjaka foana ny finoanao ka hahatohitra an’i Satana ianao. (Efes. 6:16) Ianaro tsara àry ity boky ity. Mieritrereta foana koa hoe: ‘Mino ve aho fa tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra?’ Raha tena mino an’izany mantsy ianao, dia tsy hivadika mihitsy fa hanohana an’ilay Fanjakana mandrakizay. Ho eo ianao rehefa tonga io Fanjakana io. Ny olon-drehetra mihitsy amin’izay no hahita hoe tena misy izy io sady efa manjaka.
a Miresaka bebe kokoa momba an’i Grew sy Stetson ary Storrs ilay boky hoe Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, pejy 45-46.
b Niova imbetsaka ny anaran’ny Tilikambo Fiambenana, taorian’ny namoahana azy voalohany, tamin’ny 1879, fa Ny Tilikambo Fiambenana foana no hiantsoantsika azy ato amin’ity boky ity.
c Efa fantatry ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany fa nila niala tao amin’izay fivavahana mifandray be amin’ity tontolo ity izy ireo. Mbola noheverin’izy ireo ho rahalahy ihany anefa izay milaza fa mino ny vidim-panavotana, sy milaza hoe nanokan-tena ho an’Andriamanitra, na dia tsy Mpianatra ny Baiboly aza.
d Tsy dia niraharaha an’io fampitandremana io mantsy ny olona sasany, satria noheverina tamin’ny voalohany hoe ny 144 000 no tena nila azy io. Nihevitra koa ny Mpianatra ny Baiboly, talohan’ny 1935, fa mpivavaka be dia be ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ilay “vahoaka be” resahin’ny Apokalypsy 7:9, 10. Nieritreritra izy ireo hoe mbola hanohana an’i Kristy ihany izy ireny amin’ny farany, ka ho lasa antokon’olona faharoa ho any an-danitra. Hiresaka an’izany ny Toko 5.
e Niresaka momba ny fanenjehana nanjo ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny Ady Lehibe I ny gazety Fotoam-pahasambarana, anglisy (Mifohaza! ankehitriny), tamin’ny Septambra 1920. Notantaraina tao izay nitranga tany Alemaina, Angletera, Kanada, ary Etazonia. Tena nahatsiravina ny sasany tamin’izany. Tsara homarihina fa mbola tsy dia nenjehina toy izany izy ireo talohan’ny Ady Lehibe I.
f Ho an’ny ondry vitsy kosa no tena namoahana Ny Tilikambo Fiambenana, nandritra ny taona maro. Natao hampianarana azy ireo izy io.