-
Miresaka Momba ny Fahavalon’Andriamanitra ny Bokin’ny ApokalypsyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2022 | Mey
-
-
FANTATRA IHANY IREO FAHAVALON’ANDRIAMANITRA
6. Inona no tiana holazaina amin’ilay bibidia manana loha fito ao amin’ny Apokalypsy 13:1-4?
6 Inona ilay bibidia manana loha fito? (Vakio ny Apokalypsy 13:1-4.) Hoatran’ny leopara io bibidia io, saingy hoatran’ny tongotry ny orsa ny tongony, ary hoatran’ny vavan’ny liona ny vavany. Manana tandroka folo izy io. Miresaka biby hoatran’ireo koa ny Daniela toko faha-7. Misy tsy itovizany ihany anefa. Bibidia anankiray ilay ao amin’ny Apokalypsy, fa bibidia efatra samy hafa kosa ilay ao amin’ny Daniela. Tsy fanjakana iray na firenena matanjaka iray fotsiny àry ilay ao amin’ny Apokalypsy. Voalaza mantsy hoe nomena fahefana “tamin’ny foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra” izy io. Midika izany fa tsy fitondram-panjakana iray fotsiny io bibidia io fa lehibe lavitra noho izany. (Apok. 13:7) Ny fitondram-panjakana rehetra nifehy ny olombelona hatramin’izay àry no tiana horesahina amin’izy io.b—Mpito. 8:9.
-
-
Miresaka Momba ny Fahavalon’Andriamanitra ny Bokin’ny ApokalypsyNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2022 | Mey
-
-
b Noho izy manana “tandroka folo” koa no mahatonga antsika hilaza hoe ny fitondram-panjakana rehetra ilay bibidia manana loha fito. Ilazana zavatra feno mantsy ny isa folo matetika ao amin’ny Baiboly.
-