“Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy”
“Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy.” — APOKALYPSY 14:7.
1. Iza no tokony hatahorantsika, ary tsy tokony hatahotra inona kosa isika?
IZA NO TOKONY HATAHORANTSIKA? Tsy ny dragona mena, Satana, sy ny demoniany velively akory! Jesosy Kristy dia nandroaka azy ireo avy tany an-danitra taorian’ny nahaterahan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914, nefa ireo fahitana ao amin’ny Apokalypsy dia manambara avy eo hoe fandaminana inona no ampiasain’i Satana etỳ an-tany amin’ny fiezahany farany hanakantsakana ireo fikasan’Andriamanitra. Biby dia masiaka roa sy vehivavy janga mamo iray, Babylona Lehibe, no mibahana eo amin’ireo sary ireo. Tokony hampatahotra antsika ve izy ireo? Tsy izany mihitsy! Isika kosa dia tokony hatahotra an’i Jehovah sy ny Kristiny, izay ny Fanjakany dia efa nanameloka amin’ny fomba tsy miova ny izao tontolo izao simban’i Satana. — Ohabolana 1:7; Matio 10:28; Apokalypsy 12:9-12.
Biby miteny ratsy
2. Biby dia inona no miditra an-tsehatra ao amin’ny fahitana fahavalo ary inona no asehony?
2 Ao amin’ny fahitana fahavalo ao amin’ny Apokalypsy, dia misy biby dia iray miakatra avy amin’ny ranomasina misamboaravoara, avy amin’ny olombelona. Manan-doha fito sy tandroka folo voaravaka diadema folo, fanoharana ny fahefan’ny mpanjaka nomen’i Satana azy, izy io. Io biby io dia miteny ratsy an’i Jehovah ary mandrotidrotika ny Mpanompony tahaka ny hataon’ny leoparda sy ny bera na ny liona, kanefa tsy haharitra ny fahefany, satria azony avy amin’ny dragona, Satana, izay itoviany be dia be, izany. Tamin’ny lasa i Daniela mpaminany dia nilazalaza ireo fitondram-panjakana politika tetỳ an-tany tamin’ny endriky ny biby, ary ny tenan’izy ireny koa aza matetika dia naka biby dia ho marika famantarana ny fireneny. Aoka hotononintsika, ohatra, ny liona britanika sy ny voromahery amerikana (Daniela 8:5-8, 20-22). Ao amin’ny fahitan’ny Apokalypsy anefa dia ahitantsika biby anankiray voaforon’ny endrika maromaro. Izany dia mampiseho ny hery ara-politika rehetra teo amin’ny tantaran’ny Baiboly, izay matetika tokoa no nampahory ny tena mpanompon’Andriamanitra teto an-tany. Anisan’ireny herim-panjakana ireny na ‘lohan’io’ biby io, ny nalaza indrindra dia Egypta, Asyria, Babylona, ny Empira mediana sy persiana, Grisia, Roma ary farany, ny herim-panjakana mitambatra anglisy sy amerikana. — Apokalypsy 13:1, 2; 12:3, 7-9.
3. a) Amin’ny heviny ahoana no ‘nahavoan’ny sabatra’ ny anankiray amin’ireo lohan’ny biby dia? b) Amin’ny fomba ahoana no nitarihan’ilay biby dia manan-tandroka roa zavatra mba hamoronana ny sarin’ny biby dia voalohany? d) Iza no anaran’ny biby dia voalohany ary inona no hevitr’izany?
3 Nandritra ny ady lehibe tamin’ny 1914-1918, i Grande-Bretagne, Herim-panjakana Fahafito, dia “voan’ny sabatra” izay tena nety ho nahafaty azy. Nanampy azy anefa Etazonia any Amerika. Hatreo dia niara-niasa Amerika sy Grande-Bretage ka nahaforona herim-panjakana mitambatra izay lazalazain’i Jaona ao amin’ny tohin’ny fitantarany amin’ny endriky ny biby dia manan-tandroka roa, nipoitra avy amin’ny fitambaran’olona tsy miovaova, ny “tany”. Io biby manan-tandroka roa io dia nitari-javatra mba hamorona sarin’ilay biby dia voalohany sy hanisy aina azy. Izany dia mampiseho ny anjara lehibe noraisin’ny Herim-panjakana mitambatra anglisy sy amerikana tamin’ny famoronana sy fanohanana ny Fikambanam-pirenena ary avy eo ny fandaminana nandimby azy, ny Firenena mikambana. Manana anarana izay mampiseho isa ilay biby dia voalohany, dia: 666. Ny marika enina dia milaza tsy fahatanterahana — ambany noho ny fito, izay anoharan’ny Baiboly ny fahatanterahana izany. Noho izany, ny marika enina ampiakarina amin’ny ambaratonga fahatelo dia manome taratry ny tsy fahatanterahana mampahonena hita amin’ireo mpitondra olombelona ankehitriny. Na dia manaja ny fahefana aza ny Vavolombelon’i Jehovah ka mankatò ny lalàn’ny tany misy azy amin’ny fomba fakan-tahaka, dia mandà amin-kerim-po ny hivavaka amin’ny “bibi-dia” na ny sariny izy ireo. — Apokalypsy 13:3-18; Romana 13:1-7.
Matahotra an’Andriamanitra — Nahoana?
4. a) Iza moa no mitsangana eo an-tendrombohitra Ziona any an-danitra, ary inona no asehon’ireo loholona 24 eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra? b) Inona no fahasamihafana misy amin’ny “tonon-kira vaovao” ataon’ny kristiana voahosotra sy ny “tonon-kira vaovao” ataon’ny olona betsaka?
4 Avelantsika izao ireny biby ireny, satria manolotra ny mifanohitra aminy mamelombelona ny fahitana fahasivy ka miresaka ny amin’ny Zanak’ondry. Nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona izy, miaraka amin’ny 144 000 izay novidiny toy ny voaloham-bokatra amin’ny olombelona. Na dia mbola manompo an’Andriamanitra eto an-tany aza ny sasany aminy, amin’ny heviny ara-panahy, ny 144 000 rehetra dia ‘mby eo an-tendrombohitra Ziona, dia Jerosalema any an-danitra’. (Hebreo 12:22.) Io fahitana io dia mampiseho amintsika ireo loholona 24 eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ka mety tokoa izany satria izy ireo dia mampiseho io antokon’ny kristiana voahosotra io ihany, jerena amin’ny zorony hafa: efa tafatsangana sady notendrena ho mpanjaka sy mpisorona. Mihira “tonon-kira vaovao” ny 144 000. Io tonon-kira io dia mampiseho ny fanandraman-javatra manokana izay azy ireo irery, dia ny fanavotana avy amin’ny tany mba ho tonga mpandova ny Fanjakana. Ireo anisan’ny olona betsaka dia ‘mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah’ koa, nefa dia miavaka amin’ilay tetsy aloha ny hirany satria ventesiny izany amin’ny fahatsinjovana ny hahazo ny fiainana mandrakizay eo amin’ny faritra etỳ an-tany hotapahin’ilay Fanjakana. — Apokalypsy 7:9; 14:1-5; Salamo 96:1-10; Matio 25:31-34.
5. a) Vaovao inona no torin’ny anjely manidina eo afovoan’ny lanitra, ary nahoana izany no mandrakizay? b) Baiko inona no omen’ny anjely amin’ny feo mahery, ary nahoana izany no mety tokoa?
5 Mitatra izao ny fahitana: mahita anjely hafa manidina eo afovoan’ny lanitra i Jaona. Manana vaovao tsara mahafaly hotorina izy, vaovao tsara mandrakizay, satria hilaza fiainana tsy hanam-pahataperana ho an’ny olona avy amin’ny firenena sy fokom-pirenena sy fiteny ary vahoaka rehetra izay manaiky an’Andriamanitra amin’ny andro fitsarany izany. Mifanohitra amin’ireo biby mahatsiravina vao avy nolazalazain’i Jaona, moa ve tsy mendrika hivavahana io Andriamanitra mahagaga io? Izy no ilay nanao ny lanitra sy ny tany. Izy no Loharanon’ny zavatra misy rehetra, na ny mihetsika na ny tsy mihetsika. Nanana antony mafy orina hanambarana izao baiko izao tamin’ny feo mikotrokotroka àry ilay anjely: “MATAHORA AN’ANDRIAMANITRA KA OMEO VONINAHITRA IZY”! Re manerana ny tany manontolo ny feony, ary ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampanakoako izany fanasana mampientana izany eo amin’ny olombelona rehetra amin’ny fiteny eo amin’ny 200. — Apokalypsy 14:6, 7; Isaia 45:11, 12, 18.
Ny faharavan’i Babylona Lehibe
6. Vaovao manaitra inona no torin’ny anjely hafa iray?
6 Misy anjely hafa iray miseho, izay manambara izao hafatra manaitra izao: “Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany.” (Apokalypsy 14:8). Iza moa Babylona Lehibe no afaka manangoly ka mahamamo ireo firenena?
7. Inona moa Babylona Lehibe, ary tamin’ny fomba ahoana no nandrosoany?
7 Babylona fahiny dia ny tany niandohan’ny fivavahan-diso, izay niely tetỳ ambonin’ny tany manontolo, ka tamin’ny farany dia nahaforona ny empira maneran-tanin’ny demonia, antsoina amin’ny fomba mety tokoa hoe “Babylona lehibe”. Rehefa nandeha ny fotoana dia naka ny toerana voalohany teo amin’izany empira ara-pivavahana izany Roma, satria teo ambanin’ny Empira romana no nandroso ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadi-pinoana. Amin’izao androntsika izao, dia mbola foibe maneran-tanin’ny fivavahana avy tany Babylona ihany Roma. Nanaporofo izany ny taona 1986, rehefa, noho ny fanasan’ny papa, niara-nivory taminy tao Assise, tany akaikin’i Roma, ny filoha ara-pivavahan’izao tontolo izao, mba hivavaka ho an’ny Taona iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana, nambaran’ny Firenena mikambana.
8. a) Tamin’ny fomba ahoana no nianjeran’i Babylona Lehibe mafy tokoa, ary nanomboka oviana izany no niharihary? b) Inona no mampiseho fa tsy misy valiny ireo vavaka tononin’ireo filoha ara-pivavahana ho an’ny fandriampahalemana?
8 Nianjera ambany dia ambany anefa Babylona Lehibe, araka ny asehon’ny fahafoizan’ny mpiangona ny fivavahan-diso hita eran’izao tontolo izao nanomboka tamin’ny 1919. Ny kaominisma tsy mino an’Andriamanitra izao dia manitatra ny fahefany amin’ny tapany lehibe amin’ny tany. Ampianarina ny tanora ny evaolisiona, tsangan-kevitra mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra. Any amin’ireo tany protestanta any Eoropa, dia olona vitsy no mbola mandeha miangona ary amin’ireo dia ataony ny papa dia miezaka manakana ny fizarazaran’ny empira katolika. Miharihary fa ireo vavaka natao tamin’ireo andriamanitra maro be teo amin’izao tontolo izao dia tsy nahazo valiny. Manamafy izany izao fanambarana nataon’i Ruth Sivard izao: “Ady roa amby roa-polo no nisy tamin’ny 1987, izany hoe mihoatra noho izay rehetra nisy, nandritra izay mety ho taona rehetra nialoha teo amin’ny Tantara. Hatramin’izao ireny ady ireny dia nahafaty olona 2 200 000 fara fahakeliny, ary mitombo haingana io isa ioa.” Araka izany, dia niharihary tanteraka fa tsy nahasoa ny fihaonana nanaovana vavaka nalamina tao Assise. Na dia tao aza anefa izany, tamin’ny 1987, dia nanamarika ny fahatsiarovana an’io fisehoan-javatra io ny papa tamin’ny fanontana meday iray mitondra ny sariny ao amin’ny lafiny iray ary fampisehoana an’io fihaonana io ao ambadika. Ireo filoha ara-pivavahana dia manohy ‘manao hoe: “Fiadanana, fiadanana”; kanjo tsy misy fiadanana tsinona’. — Jeremia 6:14.
Alana sarona ny fijangajangan’i Babylona
9. Fitondrantena maloto inona no mampiavaka ireo filoha ara-pivavahan’i Babylona Lehibe?
9 Ny Apokalypsy 14:8 dia manambara fa mijangajanga Babylona Lehibe. Tsy miafina amin’ny olona intsony ny fitondrantena maloton’ny klerjiny. Nofetsen’olona mpitory ny filazantsara ao amin’ny televiziona ka nahazoany vola an-jatony tapitrisa dôlara maro ny ondriny, sady manao asa maloto ara-pitondrantena an-karihary izao izy ireo. Vaky koa ny nafenin’ireo mpitondra fivavahana katolika, araka ny asehon’izao tatitra hita tao amin’ny gazety anankiray mivoaka isan’andro any Philadelphie, Etazonia, izao (The Beacon Journal, nivoaka tamin’ny 3 janoary 1988): “Milaza ny ray aman-dreny sy ny mpandinika toe-tsaina ary ny polisy sy ny mpisolovava fa any Etazonia dia ankizy an-jatony maro nosavihin’ny pretra katolika nandritra ireo dimy taona farany no voan’ny fikorontanana ara-pihetseham-po mafy.” Ny fahalotoana eo amin’ny lahy sy ny vavy dia nanamatroka ny lazan’ny mpikambana maro ao amin’ny klerjin’i Babylona Lehibe.
10. a) Milaza inona ny ‘fijangajangan’i’ Babylona Lehibe resahina ao amin’ny Apokalypsy 18:3? b) Araka ny asehon’ny Apokalypsy 18:24, nahoana no tompon’andraikitra amin’ny vonoana olona maro be ny filoha ara-pivavahan’i Babylona Lehibe?
10 Raha ny amin’ny “divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany”, izany dia mampiseho indrindra fitadiavan’ny fivavahan-diso fitia amin’ireo mpitondra politika amin’ny fanohanana ny fampielezan-keviny ara-politika sy ny adiny, ary amin’ny fanerena olona hivavaka amin’ny iray na hafa amin’ireo lafiny manindrahindra firenena amin’ny biby dia. Matetika ny mpanao politika no nahita namana mahasoa tao amin’ny fivavahana mba hahatongavana amin’izay iriny; aoka hotononintsika, ohatra, ny fifanarahana tamin’ny Vatican nosoniavin’i Hitler tamin’ny 1933, ary ireo fisehoan-javatra nanamarika ny ady sivily tany Espaina teo amin’ny 1936 ka hatramin’ny 1939. Nandritra ny Ady Lehibe faharoa, ireo filoha ara-pivavahana katolika, protestanta, bodista sy ny hafa koa dia nanao zavatra tahaka ny hoe mamon’ny firehetana hanindrahindra firenena amin’ny ady izy ireo. Tompon’andraikitra lehibe amin’ny famonoana miaramila sy sivily am-polony tapitrisa maro ripaky ny ady nanomboka tamin’ny 1914 izy ireo. Ny klerjy izay nanohana ny fasista sy ny nazia koa dia nanana anjara andraikitra tamin’ny famonoana Vavolombelon’i Jehovah sy olona hafa izay novonoina ho faty na maty tany amin’ny toby fitanana. — Jeremia 2:34; Apokalypsy 18:3, 24.
11. a) Nanda ny hanompo an’iza moa ny kristiana voahosotra sy ny olona betsaka? b) Fahatsinjovan-javatra kanto inona avy moa no mahaforona antony mahery hatahorana an’Andriamanitra ka hanomezam-boninahitra azy?
11 Nandritra ireo 74 taona farany, ny kristiana voahosotra mahatoky sy ny olona betsaka mihamaro hatrany dia tsy nitsahatra namaly an’izao fanasana izao: MATAHORA AN’ANDRIAMANITRA KA OMEO VONINAHITRA IZY! Tsy niova ny fandavantsika tsy hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny anankiray na inona izany na inona amin’ny lafiny mpanindrahindra firenena amin’ny biby dia. Isika koa dia nanda ny hanome voninahitra ny sarin’ilay biby, ny Fikambanam-pirenena sy ny O.N.U., satria takatsika fa ny hany afaka hitondra ny tena fiadanana sy filaminana dia ny ‘fanjakan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny”. Tapa-kevitra isika hitandrina “ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy”. Valian-tsoa izany faharetana izany. Ny kristiana voahosotra “izay maty ao amin’ny Tompo” tokoa dia antsoina hoe sambatra satria “ny asany manaraka azy”. Raha ny amin’ny anisan’ny olona betsaka izay maty noho ny fanenjehana, ny aretina na ny loza tampoka kosa, ny fifandraisam-pisakaizana nananany tamin’Andriamanitra dia manome antoka ho azy fa hatsangana haingana izy ireny ao amin’ny “tany vaovao” na fitambaran’olona. Izany fahatsinjovan-javatra kanto izany dia mahaforona tokoa antony mahery ho azy ireo mba HATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA SY HANOMEZAM-BONINAHITRA AZY. — Apokalypsy 11:15, 17; 12:10; 14:9-13; 21:1.
12. Inona avy ireo fijinjana roa, ary oviana avy no nisehoany?
12 Mandritra ny fitsarana dia misy anjely manambara fijinjana roa. Ny Mpijinja voalohany dia miharihary fa Jesosy taorian’ny nanendrena azy ho mpanjakan’ilay Fanjakana tamim-boninahitra, tamin’ny 1914, satria mipetraka eo ambonin’ny rahona fotsy izy sady manana satroboninahitra no “tahaka ny Zanak’olona”. Ankehitriny, mandritra ny andron’ny Tompo dia mijinja ny tany izy, amin’ny fanangonana ny sisa amin’ny kristiana voahosotra aloha, avy eo ireo olona an-tapitrisany maro mahaforona ny olona betsaka (jereo Matio 25:31-34; Jaona 15:1, 5, 16). Ny fijinjana faharoa kosa dia ny an’ny “voaloboky ny tany” izay natsipy tao amin’ny “famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra”. Izany fijinjana izany dia mampiseho ny fanamelohana hampiharina ao Haramagedona rehefa hofongorana sy hohitsahina ny voa misy poizin’ny fitambaran’olona ratsy fanahy sy diso lalana. Enga anie Jehovah hahazo voninahitra rehefa hampanjavona amin’ny tany izany voaloboka misy poizina izany izy! — Apokalypsy 14:14-20; 16:14, 16.
‘Mahitsy sy marina Jehovah’
13. a) Ao amin’ny fahitana fahafolo, hira inona no ataon’ny kristiana voahosotra tafatsangana, ary ahoana ny tonon’izany? b) Amin’ny teny ahoana no ilazana mazava ireo fitsarana marin’Andriamanitra ao amin’io fahitana io?
13 Ao amin’ny fahitana fahafolo ao amin’ny Apokalypsy, dia mahita fisehoan-javatra mitranga any an-danitra, eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra indray, isika. Fifaliana toy inona moa no manjaka eo anatrehany! Ireo kristiana voahosotra tafatsangana, izay nandresy satria MATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA KA MANOME VONINAHITRA AZY, dia mihira ny ‘fihiran’i Mosesy sy ny Zanak’ondry’ hoe: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo [Jehovah, MN ] ô, Andriamanitra Tsitoha. Mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo [Jehovah, MN ] ô? Fa Hianao ihany no masina [mahatoky, MN ] ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa niharihary ny fitsarana marina nataonao.” Tsy azo lavina fa marina sy mahitsy ireo fitsaran’Andriamanitra, araka ny nampisehoana azy mazava nandritra ity fahitana ity. Mandraraka lovia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra ireo anjely ka aorian’izany dia voangona ho amin’ny Haramagedona ny firenena rehetra ary ampahatsiahivina fa “Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan’Andriamanitra”. Tena mety tokoa àry izao fanasana izao: MATAHORA AN’ANDRIAMANITRA KA OMEO VONINAHITRA IZY! — Apokalypsy 15:1 ka hatramin’ny 16:21.
14. Ao amin’ny fahitana faharaika ambin’ny folo sy faharoa ambin’ny folo, anjara asa lehibe inona no raisin’i Babylona Lehibe, ary nahoana no fotoana tokony hivoahana avy ao aminy izao?
14 Imbetsaka no resahina ao amin’ny Apokalypsy Babylona Lehibe. Izy indray izao no fototry ny resaka ao amin’ny fahitana faharaika ambin’ny folo sy faharoa ambin’ny folo. “Mipetraka eny ambonin’ny rano maro” izy amin’ny heviny hoe manapaka ireo vahoaka izy sady mahamamo azy ireo amin’ny fampianarany voapoizina sy diso. Ny tenany koa dia “leon’ny ran’ny olona masina” izay novonoiny nandritra ny fanenjehana, ary tompon’andraikitra tamin’ny famonoana “izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany” izy noho ireo teti-dratsy amin’ny ady nataony. Tamin’ny fananany fifandraisana ara-barotra tamin’ireo olona ambony toerana ao amin’ny raharaha ara-barotra ary tamin’ny fanambakana ny olona, dia nanangona harem-be azo tamim-pitaka izy. Vao mainka aza notsinina kokoa ihany izy tamin’ny fitsabahany tamin’ny politika, ka tonga hatramin’ny fanaovan-javatra mba ho ny tazana indrindra mitaingina ilay biby heverina fa hitondra ny fiadanana sy filaminana, dia ny O.N.U. izany. Ny tandroka tia fitondra-miaramilan’io biby io anefa no handrotidrotika azy ka handringana azy. Izao no fotoana tokony hivoahan’izay rehetra MATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA KA MANOME VONINAHITRA AZY avy ao amin’i Babylona Lehibe satria “ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony”. — Apokalypsy 17:1 ka hatramin’ny 18:24.
15. Aorian’ny fandringanana an’ilay vehi-vavy janga lehibe, hira fiderana inona avy no ventesina, ary fisehoan-javatra mahafaly hafa inona no mitranga avy eo?
15 Ny fandringanana tsy ho ela an’i Babylona Lehibe nodidian’i Jehovah àry dia ara-drariny. Ireo izay mahatakatra tsara izany, any an-danitra, ary avy eo eto an-tany, dia miventy hoe “Haleloia”, ka milaza amin’izany fa an’i Jehovah ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery. Indray miredona manao hoe ‘Derao Jah!’ izy ireo, mba hanehoana ny fifaliana lehibe nentin’ny fandringanana tanteraka an’ilay vehivavy janga lehibe teo amin’izy ireo. Ny fandringanana azy dia mifanohitra tanteraka amin’ny fisehoan-javatra mahafaly indrindra miseho any an-danitra: ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, Kristy Jesosy, sy ny vadiny, ireo kristiana mahatoky sady mpandresy 144 000! Amin’izay fotoana izay dia mireondreona ny hira iray ho fiderana “ny Tompo [Jehovah, MN ] Andriamanitsika, dia ny Tsitoha”. Eny, “aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy, fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, ka efa niomana ny vadiny”! — Apokalypsy 19:1-10.
16. Araka ny fahitana fahatelo ambin’ny folo, raharaha inona no ho voalamina amin’ny farany, ary amin’ny fomba ahoana?
16 Kanefa, alohan’ny hankalazana io fanambadiana io any an-danitra dia asehon’ny fahitana fahatelo ambin’ny folo antsika ny fomba andaminana ny raharaha ny amin’ny fiandrianan’i Jehovah. Jesosy, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo arahin’ny anjely tsy tambo isaina dia ‘mitsara sy miady amim-pahamarinana’. Manitsaka ny famiazan’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha izy. Izay sisa tavela amin’ny fandehan-javatr’i Satana eto an-tany dia potipotehina sy montsamontsanina (Apokalypsy 19:11-21). Isika izay mahita izany fandresena antomotra izany, amin’ny alalan’ireo fahitana ao amin’ny Apokalypsy, dia manana antony tokoa HATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA SY HANOMEZAM-BONINAHITRA AZY!
Aoka isika hanome voninahitra an’Andriamanitra mandrakizay
17. Inona no ambaran’ny fahitana fahefatra ambin’ny folo sy dimy ambin’ny folo raha ny amin’ny fiafarana tsara ho hitan’izay rehetra matahotra an’Andriamanitra ka manome voninahitra azy?
17 Ny fahitana fahefatra ambin’ny folo sy fahadimy ambin’ny folo dia manambara ny fiafarana tsara ho hitan’izay rehetra MATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA KA MANOME VONINAHITRA AZY. Rehefa natsipy tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandritra ny arivo taona Satana sy ny demoniany, dia ankalazaina any an-danitra ny fanambadian’ny Zanak’ondry sy ny vadiny, ary manjaka mandritra ny arivo taona ireo mpanjaka sady mpisorona 144 001 ireo, vanim-potoana hanampiany ny olombelona ho tonga amin’ny fahatanterahana. Amin’ny fiafaran’ny fitsapana farany iray, dia handresy sady hankasitrahan’i Jehovah hiaina mandrakizay ireo izay hanohy HATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA KA HANOME VONINAHITRA AZY. Hiaraka aminy ireo natsangana tamin’ny maty an-davitrisany maro, “ny lehibe na ny kely”, izay ho niseho ho mendrika ny hanana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana. Hitondra fitahiana tsy hay tononina ho an’ny olombelona “ny lanitra vaovao sy tany vaovao”. Azo antoka fa hiseho tokoa ireo fitahiana ireo satria Jehovah, Ilay ‘hanavao ny zavatra rehetra’, no manambara hoe: “Soraty, fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” — Apokalypsy 20:1 ka hatramin’ny 21:8.
18. Araka ny fahitana fahenina ambin’ny folo, inona no fara tampony amin’ny bokin’ny Apokalypsy?
18 Ny fahitana fahenina ambin’ny folo dia mampiseho amintsika ny fara tampon’ny Apokalypsy. Inona moa izany? Izany dia fahitana tanàna iray, Jerosalema Vaovao, hafa tanteraka noho izay mety ho tanàna rehetra naorin’ny olona tetỳ ambonin’ny tany. Hafa dia hafa noho Babylona Lehibe, tanàna izay ny fivadiham-pinoany sy ny fomba fanaony maharikoriko ary ny fijangajangany tamin’ny politika dia nanala baraka loatra an’Andriamanitra. Io tanàna masina io kosa dia madio sady sarobidy. Izy io dia ny vadin’ny Zanak’ondry, ny mpanampy azy amin’ny fanomezana fiainana mandrakizay ho an’izao tontolo izaon’ny olombelona (Jaona 3:16). Tsy mahagaga raha toa ka manakoako mahery sy mazava erỳ ny antso manasa hivoaka avy ao amin’i Babylona Lehibe, ny fangalaran-tahaka an’io tanàna io! — Apokalypsy 18:4; 21:9 ka hatramin’ny 22:5.
19. a) Fanasana inona no alefa amin’ny alalan’ny kilasin’ny ampakarina, ary amin’ny fomba ahoana no amalian’ny mpandefitra izany? b) Raha toa isika mankatò ny baiko manao hoe “matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy”, inona no vokany?
19 Mandefa izao fanasana maika dia maika izao amin’ny alalan’ny kilasin’ny ampakarina ny fanahin’i Jehovah, ny heriny miasa: “Avia!” Eny, ianareo rehetra, mpandefitra izay maniry hiaina mandrakizay eto an-tany voaova ho paradisa, avia hisotro amin’ny “onin’ny ranon’aina” amin’ny fanekena ireo fandaharana rehetra noraisin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy sy ny vadiny mba hahazoanao ny fiainana mandrakizay. Fahatsinjovan-javatra kanto tokoa no misokatra eo anoloanao: fiainana amin’ny maha-olombelona lavorary eto ambonin’ny tany voaova ho paradisa! Izany no ho valisoan’ny olona maro izay mankatò izao baiko izao: “MATAHORA AN’ANDRIAMANITRA KA OMEO VONINAHITRA IZY”! — Apokalypsy 22:6-21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fandaniana ara-tafika sy ara-tsosialy teo amin’izao tontolo izao tamin’ny 1987-1988 (anglisy).
AHOANA NO HAVALINAO
□ Fianarana mety inona no azontsika tsoahina avy amin’ny fahitana ireo biby dia roa?
□ Tokony hanosika antsika hanao inona moa ny fanambaran’ilay anjely manidina eo afovoan’ny lanitra?
□ Amin’ny heviny ahoana moa Babylona Lehibe no mijangajanga, ary manoro hevitra an’ireo izay matahotra an’Andriamanitra hanao inona ny fitondrantenany?
□ Ahoana no ijinjana ny tany mandritra ny andron’ny Tompo?
□ Mifarana amin’ny fisehoan-javatra mahafaly inona avy ny Apokalypsy, ary ahoana no mety hananan’ny mpanompon’Andriamanitra anjara amin’izany?
[Sary, pejy 23]
Natonta tamin’ny oktobra 1987 io meday halimo io hanamarihana ny fitsingerenan’ny nihaonana tany Assise mba hivavaka ho an’ny fandriampahalemana. Ny lafiny iray dia ahitana ny sarin’ny “Ray Masina” hodidinin’ny soratra hoe “Jean-Paul II, Pontifex Maximus” sy ny daty. Hita ao ambadika “masindahy François” miantso “ny fiadanana fanomezan’Andriamanitra” ho eo amin’ny fihaonambe tao Assise mba hivavahana ho an’ny fandriampahalemana.