-
Miady Amin’ny Biby Masiaka RoaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Ary nanao famantarana lehibe izy, ka nandatsaka afo avy tany an-danitra ho amin’ny tany mihitsy aza, teo imason’ny olona.” (Apokalypsy 13:11-13)
-
-
Miady Amin’ny Biby Masiaka RoaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
27. a) Mihambo ho inona ilay bibidia manan-tandroka roa, rehefa mandatsaka afo avy any an-danitra? b) Ahoana no fiheveran’ny ankamaroan’ny olona an’ilay bibidia manan-tandroka roa?
27 Manao famantarana lehibe ilay bibidia manan-tandroka roa, ka mandatsaka afo avy any an-danitra mihitsy aza. (Ampitahao amin’ny Matio 7:21-23.) Tsaroantsika amin’izany i Elia, ilay mpaminanin’Andriamanitra fahiny izay niady tamin’ireo mpaminanin’i Bala. Niantso tamin’ny anaran’i Jehovah izy ka nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra. Voaporofo fa tena mpaminany izy, ary sandoka kosa ireo mpaminanin’i Bala. (1 Mpanjaka 18:21-40) Toy ireo mpaminanin’i Bala ilay bibidia manan-tandroka roa, ka mihambo ho mpaminany. (Apokalypsy 13:14, 15; 19:20) Milaza izy fa resiny ny herin’ny ratsy tamin’ireo ady lehibe roa, ary resiny koa ny Kominisma tsy nino an’Andriamanitra! Maro tokoa no mihevitra an’ilay bibidia manan-tandroka roa ho mpiambina ny fahafahana sy loharanon’ny zavatra tsara.
-