Toko 7
Velomy Indray Ilay Fitiavana Voalohany!
EFESOSY
1. Ho an’ny fiangonan’iza ny hafatr’i Jesosy voalohany, ary inona no nampahatsiahiviny an’ireo mpiandraikitra?
HO AN’NY fiangonana tany Efesosy ny hafatr’i Jesosy voalohany. Tanàna amoron-tsiraka niroborobo i Efesosy tany akaikin’ny nosy Patmo, tany Azia Minora. Nandidy an’i Jaona toy izao i Jesosy: “Soraty izao ho an’ny anjelin’ny fiangonana atsy Efesosy: Izao no lazain’ilay mihazona ny kintana fito eo an-tanany havanana sy mandeha eo afovoan’ny fitoeran-jiro volamena fito.” (Apokalypsy 2:1) Miresaka momba ny fahefany i Jesosy eto sy ao amin’ireo hafatra enina hafa. Mampahatsiahy an’ireo mpiandraikitra tany Efesosy izy fa eo ambany fiarovany sy fiandraiketany ny anti-panahy rehetra, ary manara-maso ny fiangonana rehetra izy. Mbola mpitarika feno fitiavana toy izany izy hatramin’izao androntsika izao, ka manara-maso ny anti-panahy, sy mikarakara tsara ny fiangonana. Manitsy ny fomba fiasan’ny fandaminana izy indraindray, mba hampamiratra kokoa ny fahazavana ara-panahy. I Jesosy tokoa no Mpiandry Lehibe Indrindra ny ondrin’Andriamanitra.—Matio 11:28-30; 1 Petera 5:2-4.
2. a) Inona no zavatra tsara nideran’i Jesosy ny fiangonan’ny Efesianina? b) Inona no torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny anti-panahy tany Efesosy, ka narahin’izy ireo?
2 Nanao teny fiderana i Jesosy avy eo, ary ny roa amin’ireo hafatra fito ihany no tsy misy an’izany. Hoy izy tamin’ny Efesianina: “Fantatro izay ataonao sy ny fisasaranao ary ny fiaretanao, ary fantatro fa tsy mahatanty mahita olon-dratsy eo anivonao ianao, ary nozahanao toetra ireo mihambo ho apostoly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga. Miaritra koa ianao, eny, efa niaritra ny mafy noho ny anarako, nefa tsy reraka.” (Apokalypsy 2:2, 3) Efa nampitandrina ny anti-panahy tany Efesosy i Paoly, taona maro talohan’io, fa hisy “amboadia masiaka”, izany hoe mpivadi-pinoana, hanakorontana ny ondry. Nasain’i Paoly ‘niambina hatrany’ ireo anti-panahy, ka tsy ho reraka fa hanahaka azy. (Asan’ny Apostoly 20:29, 31) Nampihatra izany torohevitra izany izy ireo, matoa i Jesosy midera azy ireo, noho ny asany sy ny fiaretany ary noho izy ireo tsy reraka.
3. a) Inona no nataon’ireo “apostoly sandoka” mba hamitahana an’ireo mahatoky ankehitriny? b) Inona no fampitandremana nomen’i Petera momba ny mpivadi-pinoana?
3 Mipoitra mandritra ny andron’ny Tompo koa ny “apostoly sandoka”, izay “manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (2 Korintianina 11:13; Asan’ny Apostoly 20:30; Apokalypsy 1:10) Tian’izy ireo ny sekta mifandrafy, sady lazainy fa tsy manana fandaminana Andriamanitra, ary laviny hoe lasa Mpanjaka tamin’ny 1914 i Jesosy. Manatanteraka ity faminanian’ny 2 Petera 3:3, 4 ity izy ireo: “Amin’ny andro farany, dia hisy mpaneso ho tonga haneso, sady mandeha araka ny faniriany, ka milaza hoe: ‘Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niovan’ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.’ ”
4. a) Ahoana no ahitana fa mpikomy sy tsy manetry tena ireo mpaneso? b) Inona no ataon’ny Kristianina ankehitriny amin’ireo mpanohitra mandainga, mba hanehoana fa toa an’ireo Efesianina izy?
4 Mikomy ireny mpaneso ireny ka tsy tia manambara ampahibemaso ny finoany. (Romanina 10:10) Nantsoin’izy ireo hanampy azy ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana sy ny gazety mpilaza vaovao ary ny televiziona, mba hanaparitahana lainga momba ny naman’izy ireo taloha. Fantatry ny Kristianina mahatoky anefa fa tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana ny zavatra lazain’ireny mpamitaka ireny sy izay ataony. Toa an’ireo Efesianina ny Kristianina ankehitriny, ka “tsy mahatanty mahita olon-dratsy”, fa mandroaka azy ireny tsy ho eo anivon’ny fiangonany.a
5. a) Inona no fahalemen’ny Efesianina, araka ny tenin’i Jesosy? b) Inona no teny tokony hotsaroan’ny Efesianina?
5 Miresaka olana iray mazava tsara anefa izao i Jesosy, toy ny ataony amin’ny dimy amin’ireo fiangonana fito. Hoy izy tamin’ny Efesianina: “Na izany aza, dia izao no anomezako tsiny anao: Nialanao ny fitiavana nanananao tamin’ny voalohany.” (Apokalypsy 2:4) Tsy tokony ho nanao izany izy ireo, satria efa nanoratra tamin’izy ireo i Paoly, 35 taona talohan’io. Niresaka ny amin’ny ‘fitiavan’Andriamanitra lehibe izay nitiavany antsika’ izy, ary nampirisika hoe: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo. Ary mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana, tahaka ny nitiavan’i Kristy anareo koa.” (Efesianina 2:4; 5:1, 2) Tokony hilentika ao am-pon’izy ireo koa ny tenin’i Jesosy hoe: “Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Koa tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Marka 12:29-31) Nanary an’io fitiavany tamin’ny voalohany io ny Efesianina.
6. a) Inona no loza sy faniriana tokony hitandremantsika tena, na efa ela isika na vao haingana no niaraka tamin’ny fiangonana? b) Tokony ho voatosika hanao inona isika, raha tia an’i Jehovah?
6 Tokony hitandrina isika mba tsy hanary ny fitiavantsika an’i Jehovah tamin’ny voalohany, na efa ela isika na vao haingana no niaraka tamin’ny fiangonana. Ahoana no mety hahatonga izany? Mety havelantsika hibahan-toerana eo amin’ny fiainantsika ny asa fivelomana, na ny faniriana hahazo vola be, na ny fitadiavana fahafinaretana. Mety hanjary hihevitra ny nofo àry isika, fa tsy hihevitra ny fanahy. (Romanina 8:5-8; 1 Timoty 4:8; 6:9, 10) Hanitsy izany faniriana izany isika, raha tia an’i Jehovah, sady ‘hikatsaka hatrany ny fanjakany sy ny fahamarinany aloha’, mba ‘hanangonana harena ho antsika any an-danitra.’—Matio 6:19-21, 31-33.
7. a) Inona no antony tokony hanompoantsika an’i Jehovah? b) Inona no nolazain’i Jaona momba ny fitiavana?
7 Tokony ho ny fitiavantsika lalina an’i Jehovah foana no ho antony anompoantsika azy. Ankasitraho koa izay rehetra nataon’i Jehovah sy Kristy ho antsika. Hoy i Jaona tatỳ aoriana: “Amin’izany lafiny izany, ny fitiavana dia tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika ka nanirahany ny Zanany ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.” Hoy indray izy avy eo: “Andriamanitra dia fitiavana. Koa izay mitoetra amin’ny fitiavana no tafaray foana amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra tafaray foana aminy.” Enga anie tsy havelantsika hihena mihitsy ny fitiavantsika an’i Jehovah sy Jesosy Kristy Tompontsika, ary ny Tenin’Andriamanitra velona! Asehontsika izany fitiavana izany, rehefa mazoto manompo an’Andriamanitra isika, sady mankatò “izao didy izao [izay] azontsika avy aminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tokony ho tia ny rahalahiny koa.”—1 Jaona 4:10, 16, 21; Hebreo 4:12; jereo koa ny 1 Petera 4:8; Kolosianina 3:10-14; Efesianina 4:15.
“Ataovy izay nataonao taloha”
8. Inona no nolazain’i Jesosy fa tokony hataon’ny Efesianina?
8 Tokony hovelomin’ny Efesianina indray ny fitiavana nananany tamin’ny voalohany, raha tsy te ho very izy ireo. Hoy àry i Jesosy: “Koa tsarovy izay nisy anao fony ianao mbola tsy lavo, dia mibebaha ka ataovy izay nataonao taloha. Fa raha tsy izany, dia ho avy aminao aho ka hanaisotra ny fitoeran-jironao hiala amin’ny toerany, raha tsy hoe mibebaka angaha ianao.” (Apokalypsy 2:5) Tsy fantatsika ny fomba nandraisan’ny Kristianina tany Efesosy an’ireo teny ireo. Antenaintsika fa nibebaka izy ireo, ka namelona indray ny fitiavany an’i Jehovah. Ho faty ny jiron’izy ireo, raha tsy nanao izany izy, ka hesorina ny fitoeran-jirony. Ho very ny tombontsoan’izy ireo hampamirapiratra ny fahazavan’ny fahamarinana.
9. a) Inona no fampaherezana nomen’i Jesosy ho an’ny Efesianina? b) Tsy nanaraka ny torohevitr’i Jesosy ho an’ny Efesianina ny fiangonana taorian’ny andron’i Jaona, fa inona kosa no nataon’izy ireo?
9 Nampahery ny Efesianina toy izao anefa i Jesosy: “Na izany aza, dia eo koa izao: Halanao izay ataon’ny sektan’i Nikoleo, ary halako koa izany.” (Apokalypsy 2:6) Soa ihany fa mba nankahala ny sekta toa an’i Jesosy Kristy Tompo izy ireo. Maro anefa ny fiangonana tsy nanaraka ireo tenin’i Jesosy ireo, tatỳ aoriana. Tsy tia an’i Jehovah sy ny fahamarinana ary tsy nifankatia izy ireo, ka lasa tao amin’ny haizina ara-panahy. Nizara ho sekta maro niady izy ireo. Nesorin’ireo “Kristianina” mpanao dika soratra tsy ho ao amin’ny Baiboliny ny anaran’Andriamanitra. Tsy ampy fitiavana koa izy ireo, ka noraisiny ho fampianarana kristianina ny fampianarana babylonianina sy grika, toy ny afobe, sy ny afofandiovana, ary ny Andriamanitra telo izay iray. Tsy tia an’Andriamanitra sy ny fahamarinana ny ankamaroan’ireo nilaza ho Kristianina, ka tsy nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra intsony. Nifehy azy ireo ny mpitondra fivavahana tia tena, izay nanangana fanjakana teto an-tany.—Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 4:8.
10. Nanao ahoana ny Kristianisma Anarana tamin’ny 1918?
10 Nanomboka tamin’ny 1918 ny fitsarana ny ankohonan’Andriamanitra. Nanohana ny Ady Lehibe I ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana tamin’izay, ka nampirisika ny Katolika sy Protestanta tamin’ny andaniny roa mba hifamono. (1 Petera 4:17) Nankahala izay nataon’ny sektan’i Nikoleo ny fiangonan’ny Efesianina, fa tsy mba toy izany kosa ny Kristianisma Anarana. Nifandrafy sy nanaraka fampianarana tsy tian’Andriamanitra hatramin’ny ela mantsy izy ireo. Nitsabaka tamin’ny raharahan’izao tontolo izao koa ny mpitondra fivavahany, na dia nilaza aza i Jesosy fa tsy tokony ho anisan’izy io ny mpianany. (Jaona 15:17-19) Tsy mahalala ny Fanjakan’Andriamanitra, izay loha hevitry ny Baiboly, ny fiangonan’izy ireo ka tsy azo lazaina ho fitoeran-jiro mamoaka ny hazavan’ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina, sady tsy anisan’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah. Tsy toy ny kintana noresahin’i Jesosy ny lehilahy sy vehivavy mpitarika azy ireo, fa anisan’ilay “lehilahy mpandika lalàna” kosa.—2 Tesalonianina 2:3; Malakia 3:1-3.
11. a) Iza ilay antokona Kristianina niseho teto an-tany tamin’ny 1918, ka nampihatra ny tenin’i Jesosy ho an’ny Efesianina? b) Inona no nataon’ireo voahosotra toa an’i Jaona nanomboka tamin’ny 1919?
11 Tena tia an’i Jehovah sy ny fahamarinana kosa ireo voahosotra toa an’i Jaona, ka vao mainka nazoto nanompo, rehefa avy nandia fotoan-tsarotra tamin’ny Ady Lehibe Voalohany. Notoheriny ireo nitady hampisara-bazana ny fiangonana. Nisy nanao izany mantsy satria nanindrahindra loatra ny zava-bitan’i Charles Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, rehefa maty izy tamin’ny 1916. Nanadio an’ilay antokona Kristianina ny fanenjehana sy zava-tsarotra, ka nankasitrahan’ilay Tompony izy ireo hoe: “Tsara izany”, sady nasainy hiara-mifaly aminy. (Matio 25:21, 23) Hitan’izy ireo tamin’ny zava-nitranga sy ny zavatra niainany, fa tanteraka ny famantarana nomen’i Jesosy momba ny fanatrehany ao amin’ny Fanjakany. Nandray anjara tamin’ny fahatanterahan’ilay faminaniana lehibe nolazain’i Jesosy izy ireo, nanomboka tamin’ny 1919. Hoy mantsy i Jesosy: “Ary ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 6:9, 10; 24:3-14) Nanomboka niredareda indray ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah, raha somary nangatsiaka izany teo aloha.
12. a) Inona ilay antso tamin’ilay fivoriambe nanan-tantara tamin’ny 1922? b) Inona ilay anarana noraisin’ny tena Kristianina tamin’ny 1931, ary nibebaka tamin’ny inona izy ireo?
12 Nisy antso navoaka tamin’ilay fivoriambe nanan-tantara natrehin’ny 18 000 tamin’ireo Kristianina ireo tany Cedar Point, Ohio, any Etazonia, tamin’ny 5-13 Septambra 1922. Izao ilay antso: “Miverena eny amin’ny saha àry, ry zanak’ilay Andriamanitra avo indrindra! ... Tsy maintsy fantatr’izao tontolo izao fa i Jehovah no Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. ... Noho izany, dia ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.” Nankalazaina bebe kokoa ny anarana masin’i Jehovah. Nanatrika fivoriambe tany Columbus, Ohio, ireo Kristianina ireo tamin’ny 1931, ka faly nandray ilay anarana nomen’Andriamanitra azy tao amin’ny faminanian’i Isaia hoe Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 43:10, 12) Novana ny anaran’ilay gazety lehibe indrindra nampiasain’ny fandaminana, nanomboka ny 1 Martsa 1939. Nanjary nantsoina hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah izy io, mba hanomezam-boninahitra voalohany indrindra an’ilay Mpamorona sy ny fitondram-panjakany. Tia kokoa an’i Jehovah ny Vavolombelony, ka nibebaka tamin’izay nety ho tsy fanomezam-boninahitra ny anarany malaza sy ny Fanjakany.—Salamo 106:6, 47, 48.
“Izay mandresy”
13. a) Inona no fitahiana miandry an’ireo Efesianina, raha “mandresy” izy ireo? b) Ahoana no ahafahan’ny Kristianina tany Efesosy “mandresy”?
13 Toy ny amin’ny hafatra hafa, dia nilaza i Jesosy fa ny fanahin’Andriamanitra no milaza aminy ny valisoa ho an’izay mahatoky. Hoy izy tamin’ny Efesianina: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana hoe: Izay mandresy dia havelako hihinana amin’ny hazon’aina, izay ao amin’ny paradisan’Andriamanitra.” (Apokalypsy 2:7) Mailaka hanaraka io hafatra lehibe io ireo vonon-kihaino, satria fantany fa tsy i Jesosy no nanapa-kevitra samirery hanome azy io, fa i Jehovah Tompo Fara Tampony mihitsy, tamin’ny alalan’ny fanahy masina, na ny hery ampiasainy. Ahoana no ahafahan’izy ireo “mandresy”? Ny fanarahany akaiky ny dian’i Jesosy, izay tsy nivadika mandra-pahafatiny, ka afaka nilaza hoe: “Mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.”—Jaona 8:28; 16:33; jereo koa ny 1 Jaona 5:4.
14. Inona ilay “paradisan’Andriamanitra” noresahin’i Jesosy?
14 Tsy manantena ny hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany ny Kristianina voahosotra, toy ireo Efesianina, ka nahoana izy ireo no lazaina fa hihinana “amin’ny hazon’aina, izay ao amin’ny paradisan’Andriamanitra”? Tsy ilay Paradisa ho tafaverina eto an-tany io, satria novidina avy teto amin’ny olombelona ireo Kristianina voahosotra 144 000 (anisan’izany ireo tany Efesosy), mba ho zanaka ara-panahy hiara-manjaka amin’i Kristy Jesosy Zanak’ondry, any amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra. (Efesianina 1:5-12; Apokalypsy 14:1, 4) Toerana tsara tarehy any an-danitra ho azon’ireo mpandresy ireo àry no tiana holazaina eto. Ao amin’ny “paradisan’Andriamanitra” izy ireo, izany hoe eo anatrehan’i Jehovah mihitsy. Nihinana tamin’ilay hazon’aina izy ireo, izany hoe lasa tsy mety maty, ka ho velona mandrakizay.
15. Nahoana no tena mahaliana ny vahoaka be ankehitriny ny fampirisihan’i Jesosy mba handresy?
15 Ahoana kosa ireo vahoaka be eto an-tany, izay manohana an’ireo voahosotra 144 000? Mandresy koa ireo Vavolombelona tsy mivadika ireo. Manantena ny hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany izy ireo. Hisotro amin’ny “reniranon’ny ranon’aina” izy ireo, ka ho sitran’ny “ravin’ireo hazo” eny amoron’ilay renirano. (Apokalypsy 7:4, 9, 17; 22:1, 2) Afaka maneho fitiavana an’i Jehovah koa ianao raha anisan’izy ireo, ka handresy amin’ilay ady ho an’ny finoana. Ho sambatra ianao amin’izay, ka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Ampitahao amin’ny 1 Jaona 2:13, 14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana tsipiriany ara-tantara momba ny apostoly sandoka, dia jereo ny pejy 186-193 amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Efajoro, pejy 36]
Hira Fiderana An’i Jehovah sy ny Zanany
Avo roa heny noho ny hira nidera an’i Jehovah Andriamanitra, ny isan’ireo hira nidera an’i Jesosy, tao amin’ny fihirana navoakan’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1905. Nitovitovy kosa ny hira nidera an’i Jesosy sy Jehovah, tamin’ilay fihirana tamin’ny 1928. Avo efatra heny anefa ny hira midera an’i Jehovah ao amin’ilay fihirana ankehitriny, navoaka tamin’ny 1984. Mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy izany hoe: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Jaona 14:28) Tsy maintsy loha laharana ny fitiavana an’i Jehovah, ary manarakaraka izany ny fitiavana lalina an’i Jesosy, sy ny fankasitrahana ny sorony sarobidy ary ny toerany amin’ny maha Mpisoronabe sy Mpanjaka azy.
[Tabilao, pejy 34]
Fomba Fanoroan’i Jesosy Hevitra
(milaza toko sy andininy ao amin’ny Apokalypsy)
Hafatra Fahefana Teny fiderana Olana Fanitsiana Fitahiana
ho an’ny hanome eo voalaza sy/na avy
fiangonana torohevitra am-piandohana mazava fampirisihana amin’izany
Efesosy 2:1 2:2, 3 2:4 2:5, 6 2:7
Pergamosy 2:12 2:13 2:14, 15 2:16 2:17
Tyatira 2:18 2:19 2:20, 21 2:24, 25 2:26-28
Sardisy 3:1 — 3:1, 2 3:3, 4 3:4
Filadelfia 3:7 3:8 — 3:8-11 3:12
Laodikia 3:14 — 3:15-17 3:18-20 3:21