Nahoana moa isika no tokony hatahotra an’Andriamanitra?
“MATAHORA an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany.” (Apokalypsy 14:7). Ny apostoly Jaona efa be taona no nahare ireo teny manaitaitra ireo tao amin’ny fahitana iray. Anjely nanidina teo afovoan’ny lanitra no nanonona izany, ary nahakasika indrindra ny olona velona amin’ny andro farany, amin’izao fotoana izao, dia ny vanim-potoana manokatra ny “Andron’ny Tompo” izany. — Apokalypsy 1:10.
Tsy azoazon’ny sofin’ny sasany anefa ireo teny ireo. Maro be tokoa no tsy maniry hino an’Andriamanitra, indrindra ka ny hoe hatahotra azy. Amin’ny maro amin’ireo milaza tena fa kristiana, dia lany andro ny hevitra ny amin’ny hoe matahotra an’Andriamanitra. Maniry ny ho tia an’Andriamanitra tokoa izy ireny, fa hitany ho tranainy kosa izany hoe matahotra azy. Mitovy hevitra amin’izany ve ianao?
Natahotra an’Andriamanitra i Jesosy
Amin’izany, mieritrereta kely: inona moa no atao hoe kristiana? Araka ny filazan’ny Baiboly, ny kristiana dia olona manaraka akaiky ny dian’i Jesosy kristy (1 Petera 2:21). Na dia tsy isalasalana mihitsy aza izao fa tia an’Andriamanitra i Jesosy, dia lazain’ny Baiboly mazava tokoa fa natahotra azy koa izy. Tao amin’ny teny ara-paminaniana momba an’i Jesosy, dia nambaran’Isaia fa hanana “ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah” izy. (Isaia 11:2.) Aoka homarihintsika anefa fa tsy navesatra tamin’i Jesosy akory izany tahotra izany. Rehefa milaza hoe tahotra isika, dia aoka tsy haka sary an-tsaina ny an’ny zanaka iray matahotra ray mahery setra na ny an’ny mponina ampihorohoroin’ny mpitondra tsy refesi-mandidy. Ho porofon’izany ireto tenin’i Isaia hafa koa momba an’i Jesosy ireto: “Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah.” (Isaia 11:3). Ahoana no mety hahitana fahafinaretana amin’ny fahatahorana olona iray?
Tokony ho fantatra fa ny teny hoe “tahotra” ao amin’ny Baiboly dia manana heviny maromaro somary tsy mitovy. Ao ny tahotra ara-batana tsapantsika eo anoloan’olona mitady hanisy ratsy antsika. Ohatra, “natahotra indrindra” an’i Goliata ny tafika isiraelita (1 Samoela 17:23, 24). Ao koa ny tahotra tsapa rehefa taitra noho ny tsy nampoizina na ny tsy fantatra, sahala amin’ny tsapan’i Zakaria rehefa tonga tampoka teo anatrehan’ny anjelin’i Jehovah tao amin’ny tempoly izy (Lioka 1:11, 12). Kanefa tsy nisy tamin’ireny tahotra ireny sahala amin’ny tahotra ny Rainy nananan’i Jesosy.
Ny teny grika sy hebreo tany am-boalohany nampiasaina ao amin’ny Baiboly ilazana ny hoe “tahotra” tokoa dia matetika manondro fankamasinana sy fanajana lalina an’Andriamanitra. Toy izany ny tahotra mampiseho fitiavam-pivavahana tsapan’i Jesosy ka nampirisihan’ny anjely ny tsirairay avy mba hambolena amin’izao andro izao. Izany tahotra miharo fanajana izany, izany fahatahorana izany, dia mamaka ao am-pontsika rehefa misaintsaina ny herin’i Jehovah isika ka mampitaha izany amin’ny maha-bitika antsika. Mampitombo izany fihetseham-po izany isika rehefa mampiato ny saintsika amin’ny asa mahatalanjona ataon’ny Mpamorona, ary rehefa tsahivintsika ao amin’ny vavaka fa izy no Mpitsara tampony afaka manome ny fiainana sady afaka manasazy amin’ny fahafatesana mandrakizay.
Zava-dehibe tokoa izany tahotra izany, satria mitana antsika tsy hanao zavatra ratsy na hanao tsinontsinona an’Andriamanitra. Izany dia misakana antsika tsy hiteny anakampo toy izao, rehefa miseho ny fakam-panahy ka mety ho resy isika fa tsy hiady: ‘Hamela ny heloko Andriamanitra. Fantany fa malemy aho.’ Izao no lazain’ny Ohabolana 8:13: “Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah”. Ary hoy ny Ohabolana 16:6: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no analavirana ny ratsy.” Tsy naneho izany tahotra tsara sy mahasoa izany Adama sy Eva rehefa tsy nankatò azy. Noho izany, dia nahatsapa karazan-tahotra hafa izy, tahotra tsy nanorina fa nahatonga azy ireo hiafina ny tavan’i Jehovah. Hoy Adama tamin’Andriamanitra: “Nandre Anao tao amin’ny saha aho; dia natahotra aho.” — Genesisy 3:10.
Tsy mba sahala amin’i Adama sy Eva i Joba fa lehilahy tsy nivadika hatrany tamin’i Jehovah tao anatin’ny fitsapana mafy indrindra. Nahoana? Ny tenan’i Jehovah mihitsy no nanantitrantitra fa ‘lehilahy natahotra azy ka noho izany dia nifady ny ratsy’ i Joba. (Joba 1:8; 2:3.) Enga anie isika hanao izay hahatonga an’i Jehovah hilaza zavatra toy izany ny amintsika! Tsara ny fahatahorana an’Andriamanitra ka tokony ho toe-tsaintsika.
Ny tahotra an’Andriamanitra sy ny tahotra olona
Ny fironana voajanahary hatahotra an’Andriamanitra dia mitondra ho antsika fahatsiarovana tsy fananana ahiahy azo ampitahaina amin’ny an’ny zanaka iray eo anatrehan’ny rainy hajainy fatratra. Izany tahotra izany dia manampy antsika koa handroaka ny fihetseham-po tsy faniry sy tsy manorina, dia ny tahotra olona, fandrika (Ohabolana 29:25). Tsy nahatakatra izany i Oria, zanak’i Semaia. Nitory tany Jerosalema niaraka tamin’i Jeremia izy nandritra ny vanim-potoana nialoha ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana ary, nifanohitra tamin’i Jeremia, dia nanaiky ho azon’ny fandriky ny tahotra ny mpanjaka izy. Nitsahatra tsy nitory izy ary nandositra mba tsy hanatanteraka ny nanendrena azy. Tratran’ny mpanjaka izy tatỳ aoriana ka nampamonoiny (Jeremia 26:20-23). Nety ho afaka nisoroka izany fiafarana nampalahelo izany anefa i Oria raha namboly tahotra an’i Jehovah nahery kokoa noho ny tahotra olona.
Taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty sy ny niakarany ho any an-danitra, dia nanoro hevitra ny mpianany toy izao i Jesosy: “Aza matahotra izay efa hiaretanareo.” (Apokalypsy 2:10). Asehon’ny tantara fa nilaina io torohevitra io, satria, nanomboka tamin’ny kianja romana ka hatramin’ny toby fitanana nazia, dia nisetra tarehin-javatra nahatsiravina ny kristiana. Ahoana no nahafahany nandresy ny tahotra tian’ireo fahavalony hahazo azy? Nampihariny ireto tenin’i Jesosy ireto: “Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ny helo, rehefa novonoiny.” — Lioka 12:4, 5.
Izao no fantatsika ao amin’ny Salamo 19:9: “Madio ny fahatahorana an’i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.” Tsy hoe tsy manorina mihitsy àry ny tahotra an’Andriamanitra. Madio izany ka miaro ny mpanompon’Andriamanitra, mahatonga azy hatanjaka noho ireo fahavalony. Sahala amin’i Jesosy, ny kristiana iray dia mahita fahafahampo ao amin’ny tahotra, toy ny ahitany fahafinaretana noho ireo fitahian’i Jehovah hafa. — Isaia 11:3.
Amin’izany, dia mety tanteraka ny ananaran’ny anjely ny olombelona rehetra velona ankehitriny hatahotra an’Andriamanitra. Raha tsy misy ny tahotra mampiseho fitiavam-pivavahana tsara, dia azo inoana fa ho resin’ny fanirian-dratsy isika na ho resin’ny tahotra olona. Raha mamboly ny karazan-tahotra tsara isika, dia hanampy antsika hanao zavatra amim-pahendrena izany. “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.” (Ohabolana 9:10; Salamo 111:10). Marina tokoa fa tokony ho tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra sy ny herintsika rehetra isika (Marka 12:30). Tokony hankamasina azy, hanaja azy koa isika, na, araka ny tenin’ny anjely, ‘hatahotra azy sy hanome voninahitra azy, satria tonga ny ora fitsarany’. — Apokalypsy 14:7.
[Sary, pejy 30]
Raha natahotra an’i Jehovah tamin’ny fomba lalina kokoa i Oria, dia tsy ho fandrika ho azy ny tahotra olona.