Tadiavo ny Tena Fiadanana ka Araho!
“Na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, (...) aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana [“fiadanana”, NW ] sy hanaraka azy.” — 1 PETERA 3:10, 11.
1. Teny malaza nataon’i Isaia inona no azo antoka fa ho tanteraka?
“HANEFY ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” (Isaia 2:4). Na dia arantiranty eo akaikin’ny foibe maneran-tanin’ny Firenena Mikambana ao New York aza io soratra malaza io, dia tsy nahatanteraka azy velively io fikambanana maneran-tany io. Anisan’ny tenin’i Jehovah Andriamanitra tsy mety diso anefa io fanambarana io ka amin’ny maha-izany azy dia tsy maintsy hisy vokany. — Isaia 55:10, 11.
2. Inona no tsy maintsy “ho tonga any am-parany” araka ny Isaia 2:2, 3?
2 Raha ny marina, ireo teny hita ao amin’ny Isaia 2:4 dia anisan’ny faminaniana mahatalanjona iray, dia faminaniana momba ny tena fiadanana — ary eo am-pahatanterahana izy io amin’izao androntsika izao. Hoy ilay faminaniana, alohan’ny anambarany an’ilay fahatsinjovana mampientana hoe tsy hisy ady sy fitaovam-piadiana intsony: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony; fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah.” — Isaia 2:2, 3.
Afaka hanjary ho tia fihavanana ny olona
3. Ahoana no ahafahan’ny olona iray tia ady hiova ho tia fihavanana?
3 Mariho fa alohan’ny hahafahan’ny olona manaraka ny lalan’ny fiadanana, dia tsy maintsy ampianarina ny amin’ny lalan’i Jehovah izy ireo. Ny fanekena amim-pankatoavana ny fampianaran’i Jehovah dia afaka manova ny fomba fisainan’ny olona iray sy ny fomba fanaovany zavatra, hany ka izay tia ady taloha dia manjary tia fihavanana. Ahoana no anatanterahana izany fiovana izany? Hoy ny Romana 12:2: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” Manavao ny saintsika isika, na hoe manosika azy io ho any amin’ny lalan-kafa, amin’ny famenoana azy io amin’ireo fotopoto-pitsipika sy fitsipika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly dia manampy antsika hanao izany fiovana izany ary mahatonga antsika ho afaka hamantatra ny sitrapon’i Jehovah ny amintsika, ka hahitantsika mazava tsara ny lalana tsy maintsy izorantsika. — Salamo 119:105.
4. Ahoana no itafian’ny olona iray ilay toetra vaovao tia fihavanana?
4 Ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia tsy vitan’ny hoe manova ny firafitry ny fisainantsika fotsiny, fa manova koa ny zavatra ataontsika sy ny toetra maha-izy antsika. Izy io dia manampy antsika hanao izay nampirisihan’ny apostoly Paoly hoe: “[Ialao] ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; fa (...) [havaozy] kosa (...) ny [hery izay manetsika, NW ] ny sainareo, ary (...) [tafio] ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.” (Efesiana 4:22-24). Ilay hery izay manetsika ny saina dia ao anaty. Miova sy mihamatanjaka izy io, arakaraka ny itomboan’ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny lalàny, ary mahatonga antsika ho olona araka ny fanahy sy ho tia fihavanana izy io.
5. Amin’ny ahoana ilay “didy vaovao” izay nomen’i Jesosy ny mpianany no mandray anjara amin’ny fisian’ny fihavanana eo anivon’izy ireo?
5 Ilaina io fiovana io, ary hita izany avy amin’ilay toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany nandritra ny ora farany niarahany tamin’izy ireo: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35). Io fitiavana tsy misy fitiavan-tena toy ny an’i Kristy io dia mamatotra ireo mpianatra ao anatin’ny firaisan-tsaina tonga lafatra. (Kolosiana 3:14, NW ). Ireo izay vonona ny hanaiky sy hiaina mifanaraka amin’io “didy vaovao” io ihany no hahita ilay fiadanana ampanantenain’Andriamanitra. Misy olona manao izany ve amin’izao andro izao?
6. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mankafy fiadanana, mifanohitra amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao?
6 Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampiseho fitiavana eo amin’ny firahalahiany maneran-tany. Na dia nalaina avy tamin’ny firenena rehetra amin’ny tany aza izy ireo, dia tsy miditra ao amin’ny fifandiran’izao tontolo izao izy ireo, na dia rehefa ampiharana fanerena mafy ara-politika sy ara-pivavahana aza. Amin’ny maha-vahoaka tafaray azy, dia ampianarin’i Jehovah izy ireo ka mankafy fiadanana. (Isaia 54:13). Mitoetra ho mialanalana eo amin’ny fifandonana ara-politika izy ireo, ary tsy mandray anjara amin’ny ady. Ny sasany izay nahery setra taloha dia namela izany fomba fiaina izany. Tonga Kristiana tia fiadanana izy ireo, ka manahaka ny ohatr’i Kristy Jesosy. Ary arahin’izy ireo amin’ny fo manontolo ny torohevitr’i Petera manao hoe: “Na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana [“fiadanana”, NW ] sy hanaraka azy.” — 1 Petera 3:10, 11; Efesiana 4:3.
Ireo izay manaraka ny fiadanana
7, 8. Manomeza ohatra ny amin’ny olona izay namela ny ady ka tonga mpitady tena fiadanana. (Tantarao ny amin’olon-kafa izay mety ho fantatrao tsara.)
7 Eo, ohatra, i Rami Oved, manamboninahitra taloha tao amin’ny andian-tafika voaofana manokana hiady amin’ny mpampihorohoro. Nampiofanina hamono ny fahavalony izy. Nino mafy ny naha-tsara ny fanindrahindrany ny fireneny israeliana izy, hatramin’ilay andro nahitany fa tsy tian’ireo raby ny hanambadiany an’ilay vehivavy tiany satria fotsiny hoe Aziatika izy io, izany hoe Jentilisa. Nanomboka nikaroka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly i Rami. Avy eo, dia nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izy. Ny fiarahany nianatra ny Baiboly tamin’ireo Vavolombelona dia nampiaiky mafy azy fa tsy afaka ny ho mpanindrahindra firenena nirehitra tafahoatra intsony izy. Ny fitiavana kristiana dia nidika hoe famelana ny ady sy ny fitaovam-piadiana sy hoe fianarana ho tia ny olona avy amin’ny firazanana rehetra. Gaga toy inona moa izy rehefa naharay taratasy feno hatsaram-panahy izay ny voalohan-teny tao dia hoe “Any Rami Anadahiko”! Inona no naha-hafahafa be an’izany? Ilay mpanoratra dia Vavolombelona palestiniana. “Nihevitra aho hoe sarotra inoana izany”, hoy i Rami, “satria ireo Palestiniana dia fahavaloko, ary indro ny iray tamin’izy ireo dia niantso ahy hoe: ‘Anadahiko’ .” Ankehitriny i Rami sy ny vadiny dia manaraka ny tena fiadanana araka ny fomban’Andriamanitra.
8 Ohatra iray hafa ny an’i Georg Reuter, izay tao amin’ilay tafika alemà nanafika an’i Rosia nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Tsy ela izy dia nanjary diso fanantenana tamin’ilay tetika goavan’i Hitler hanapaka izao tontolo izao. Rehefa tafody avy tany amin’ny ady izy, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no nosoratany: “Rehefa ela ny ela, dia nanomboka nihanazava tamiko ny zava-drehetra. Takatro fa tsy Andriamanitra no tokony homen-tsiny noho ireo fandatsahan-dra rehetra. (...) Nianarako fa ny fikasany dia ny hanorina paradisa haneran-tany hiaraka amin’ny fitahiana mandrakizay ho an’ny olombelona mankatò. (...) Nirehareha momba ny ‘Reich Arivo Taona’ haoriny i Hitler, nefa tsy nanapaka afa-tsy 12 [taona] monja — no sady ratsy fiafara erỳ! I Kristy fa tsy i Hitler (...) no afaka, ary tena hanorina fanjakana arivo taona hanapaka ny tany.” Efa hatramin’ny 50 taona eo ho eo izao i Georg no manompo amin’ny maha-iraka milaza ny tena fiadanana, amin’ny maha-minisitra manontolo andro azy.
9. Ahoana no anaporofoan’ny zavatra niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Nazia fa be herim-po izy ireo kanefa tia fiadanana?
9 Ny tsy fivadihana sy ny fialanalanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina nandritra ny fitondrana nazia dia manohy manao fanambarana momba ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra sy ny fiadanana, na dia ankehitriny, maherin’ny 50 taona atỳ aoriana aza. Milaza toy izao ny bokikely iray navoakan’ny Tranombakoka Amerikana ho Fahatsiarovana ny Fandripahana Tambabe, any Washington, D.C.: “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia niaritra fanenjehana namaivay teo ambany fitondrana nazia. (...) Nahatonga azy ireo hohajain’ny niara-belona taminy maro, ny herim-po nasehon’ny ankamaroan’izy ireo tamin’ny fandavany [tsy hiala tamin’ny fivavahany] teo anatrehan’ny fampijalijaliana sy ny fitondrana ratsy tao amin’ireo toby fitanana, ary ny famonoana ho faty indraindray.” Avy eo, dia nanampy teny toy izao izy io: “Nandritra ny fanafahana an’ireo toby, dia nanohy ny asany ireo Vavolombelon’i Jehovah, nandehandeha teo anivon’ireo tafita velona, nampiova finoana olona.”
Fiovana lehibe lavitra
10. a) Fiovana lehibe inona no ilaina mba hahatongavan’ny tena fiadanana? b) Ahoana no nilazalazana izany ao amin’ny bokin’i Daniela?
10 Midika ve izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mino fa afaka mitondra fiadanana ho an’ny tany manontolo ny tenany, amin’ny alalan’ny fitaomana olona maro be hiova finoana ka hanaiky ny fialanalanana kristiana? Tsia! Mba hamerenana ny fiadanana eto ambonin’ny tany, dia fiovana lehibe lavitra noho izany no ilaina. Inona izany? Ireo fanapahan’olombelona mampisara-bazana sy mampahory ary mahery setra dia tsy maintsy manome ny toerany ho an’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay nampianarin’i Jesosy ny mpianany mba hangatahina ao amin’ny vavaka. (Matio 6:9, 10). Ahoana anefa no hitrangan’izany? Tao amin’ny nofy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, i Daniela mpaminany dia nahita fa amin’ny andro farany, ny Fanjakan’Andriamanitra, toy ny vato goavana iray ‘tsy nendahan-tanan’olombelona’, dia hamotipotika sary makadiry iray mampiseho ireo fanapahana ara-politikan’ny olombelona amin’ny tany. Avy eo izy dia nanambara hoe: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:31-44.
11. Amin’ny alalan’ny inona no hampisian’i Jehovah ilay fiovana ilaina ho amin’ny fiadanana?
11 Nahoana no hitranga io fiovana tanteraka eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao io? Satria efa nampanantena i Jehovah fa hanadio ny tany amin’izay rehetra mandoto sy manimba azy izy. (Apokalypsy 11:18). Io fiovana io dia hitranga amin’ilay ady marina hataon’i Jehovah amin’i Satana sy ny tontolony ratsy. Izao no vakintsika ao amin’ny Apokalypsy 16:14, 16: “Fa fanahin’ny demonia ireo [izany hoe, ireo teny ara-tsindrimandry maloto] ka manao famantarana sady mankany amin’ny mpanjaka [ireo mpitondra ara-politika] amin’izao tontolo izao, mba hanangona azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha. Ary nangoniny ho any amin’ny tany atao amin’ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.”
12. Ho sahala amin’inona izany Haramagedona izany?
12 Ho sahala amin’inona izany Haramagedona izany? Tsy ho apokalypsy niokleary iray na ho loza iray hapoakan’ny olombelona izy io. Tsia, fa ady hataon’Andriamanitra mba hamaranana ny adin’olombelona rehetra sy hanafoanana izay rehetra mampandroso izany ady izany izy io. Ady hataon’Andriamanitra mba hitondrana tena fiadanana ho an’izay tia fiadanana izy io. Eny, ho avy Haramagedona, araka ny fikasan’i Jehovah. Tsy hitaredretra izy io. Nahazo tsindrimandry mba hanoratra toy izao i Habakoka mpaminaniny: “Ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy[. Tsy ho diso aoriana izy, NW ].” (Habakoka 2:3). Noho ny fihetseham-pontsika olombelona, dia mety ho toa diso aoriana izy io, nefa i Jehovah dia mitana ny fandaharam-potoanany. Hamely amin’ilay ora efa nofaritan’i Jehovah mialoha Haramagedona.
13. Hataon’Andriamanitra ahoana ilay tena meloka, dia i Satana Devoly?
13 Io asa famaranan-javatra io dia hisava lalana ho an’ny tena fiadanana! Kanefa, mba hahatonga ny tena fiadanana hiorina mafy, dia misy zavatra hafa tsy maintsy atao — ny fanesorana an’ilay mahatonga fisaratsarahana sy fankahalana ary ady. Ary izany indrindra no lazain’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa hitranga manaraka — ny fanipazana any amin’ny lavaka tsy hita noanoa an’i Satana, ilay mpanetsika ady sady rain’ny lainga. Nahita io fisehoan-javatra io tao amin’ny fahitana ara-paminaniana iray ny apostoly Jaona, araka ny voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 20:1-3, manao hoe: “Hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, dia nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona”.
14. Ahoana no azo ilazalazana ilay famelezan’i Jehovah amim-pandresena an’i Satana?
14 Tsy nofinofy akory izany; fampanantenan’Andriamanitra izany — ary hoy ny Baiboly: ‘Tsy mahay mandainga Andriamanitra.’ (Hebreo 6:18). Araka izany, dia afaka niteny toy izao tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminaniny, i Jehovah: “[Izaho no] Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.” (Jeremia 9:23). Manao fitsarana marina sy fahamarinana i Jehovah, ary sitrany ilay fiadanana hoentiny eto ambonin’ny tany.
Fanapahan’ilay Andrian’ny Fiadanana
15, 16. a) Iza no nofidin’i Jehovah mba hanapaka amin’ny maha-Mpanjaka? b) Ahoana no ilazalazana izany fanapahana izany, ary iza no hanana anjara amin’izany?
15 Mba hiantohana ny fahatongavan’ny tena fiadanana amin’izay rehetra hiaina eo ambanin’ny fandaharana nataony momba ny Fanjakany, dia nomen’i Jehovah an’i Jesosy Kristy, ilay tena Andrian’ny Fiadanana, ny fanapahana, araka ny nambara mialoha toy izao ao amin’ny Isaia 9:5, 6: “Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana (...); ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.” Ny mpanao salamo koa dia nanoratra faminaniana toy izao momba ny fanapahana feno fiadanan’ny Mesia: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.” — Salamo 72:7.
16 Ambonin’izany, dia hisy rahalahin’i Kristy 144 000 voahosotry ny fanahy, hiara-manapaka aminy any an-danitra. Ireo no mpiara-mandova amin’i Kristy izay nanoratan’i Paoly toy izao: “Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Romana 16:20). Eny, avy any an-danitra no handraisan’izy ireo anjara amin’ny fandresen’i Kristy an’ilay mpampihetsika ady, dia i Satana Devoly!
17. Inona no tsy maintsy ataontsika mba handovana tena fiadanana?
17 Koa ny fanontaniana izao dia hoe: Inona no tsy maintsy ataonao mba handovana tena fiadanana? Araka ny fomban’Andriamanitra ihany no hahatongavan’ny tena fiadanana, ary mba hahazoana azy io dia tsy maintsy manao dingana hentitra ianao. Tsy maintsy manaiky ilay Andrian’ny Fiadanana ianao, ary mitodika any aminy. Midika izany fa tsy maintsy manaiky an’i Kristy ho Mpanavotra sady Mpanao Fanavotana ho an’ny olombelona mpanota, ianao. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza ireo teny malaza hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Moa ve ianao vonona ny hino an’i Kristy Jesosy, ho ilay Fiasan’Andriamanitra hitondrana ny tena fiadanana sy famonjena? Tsy misy anarana hafa etỳ ambanin’ny lanitra afaka manorina fiadanana sy miantoka azy io. (Filipiana 2:8-11). Nahoana? Satria i Jesosy no Ilay Nofidin’Andriamanitra. Izy no ilay iraka lehibe indrindra milaza fiadanana, nandia itỳ tany itỳ. Moa ve ianao hihaino an’i Jesosy ka hanaraka ny ohatra navelany?
18. Inona no tokony hataontsika ho setrin’ny tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Jaona 17:3?
18 “Ary izao no fiainana mandrakizay”, hoy i Jesosy, “dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Izao no fotoana handraisana fahalalana araka ny marina, amin’ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Efitrano Fanjakana. Ireny fivoriana natao hampianarana ireny dia hanosika anao hizara ny fahalalanao sy ny fanantenanao amin’ny hafa. Ianao koa dia afaka ny ho tonga iraka milaza fiadanan’Andriamanitra. Afaka mahita fiadanana dieny izao ianao, amin’ny fatokiana an’i Jehovah Andriamanitra, araka ny ambara ao amin’ny Isaia 26:3, manao hoe: “Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.” Tokony hatoky an’iza ianao? “Matokia an’i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.” — Isaia 26:4.
19, 20. Inona no miandry an’ireo izay mitady fiadanana sy manaraka azy io amin’izao andro izao?
19 Miandania dieny izao amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolon’Andriamanitra izay vaovao sy mandry feizay. Ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 4, ny Tenin’Andriamanitra dia manome antsika toky toy izao: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” Tsy izany ve no hoavy feno fiadanana irinao fatratra?
20 Tadidio àry izay nampanantenain’Andriamanitra. “Ny mpandefitra (...) no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana. Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; fa fiadanana no faran’izany olona izany.” (Salamo 37:11, 37, fanamarihana ambany pejy). Rehefa tonga izany andro sambatra izany, dia enga anie isika hilaza amim-pankasitrahana hoe: “Ela ny ela ka tena fiadanana! Isaorana anie i Jehovah Andriamanitra, ilay loharanon’ny tena fiadanana!”
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Inona no afaka manampy olona iray hanova ny fisainany sy ny zavatra ataony?
◻ Ahoana no nanehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitiavan’izy ireo ny tena fiadanana, na isam-batan’olona izany, na amin’ny fitambarany?
◻ Hataon’i Jehovah ahoana ireo rehetra mampandroso ny fankahalana sy ny ady?
◻ Hanao inona ho an’ny olombelona ny fanapahan’ilay Andrian’ny Fiadanana?
[Sary, pejy 14]
Ireo mandray tsara ny fampianaran’i Jehovah no mahatanteraka ny tenin’i Isaia, fa tsy ny ONU
[Sary, pejy 15]
Nanao fiovana ka nanaraka ny fiadanana ireto roa lahy ireto
Rami Oved
Georg Reuter
[Sary, pejy 16]
Hanjaka ny tena fiadanana eo ambany fanapahan’ilay Andrian’ny Fiadanana