Ilay vehivavy janga maloto — Ny fandringanana azy
“Haleloia! [derao Jah, MN ] Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanitsika; fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy — dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany — ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.” — APOKALYPSY 19:1, 2.
1. Amin’ny heviny ahoana moa ilay vehivavy janga lehibe no hoe nijangajanga tamin’ny “mpanjakan’ny tany”, ary inona no vokany?
EFA ratsy dia ratsy izay rehetra noresahintsika izay, kanefa tokony homarihintsika fa ankoatr’izany, araka ny Apokalypsy 17:2, ilay vehivavy janga lehibe dia mijangajanga amin’ny “mpanjakan’ny tany”. Na dia efa nianjera aza izy, dia mbola mitana fifandraisam-pisakaizana akaiky dia akaiky amin’izao tontolo izao ary manandrana mampiasa ireo mpitondra ara-politika mba hahatongavana amin’ny zava-kendreny (Jakoba 4:4). Izany fijangajangana ara-panahy izany — ireo fifandraisana tsy ara-dalàna tanan’i Babylona Lehibe amin’ireo filoha ara-politika — dia nitarika fahafatesan’ny tsy manan-tsiny am-polony tapitrisa maro. Efa be dia be ny ratsy nataon’ilay vehivavy janga lehibe tamin’ny fanohanana ny tsirairay avy amin’ny mpiady nandritra ny Ady Lehibe voalohany; tsy azo lavina anefa fa nandritra ny Ady Lehibe faharoa ny fahotany no “nitehika tamin’ny lanitra”. (Apokalypsy 18:5.) Fa nahoana?
2. a) Ahoana moa no nanampian’i Franz von Papen an’i Adolf Hitler ho tonga tompon’i Alemaina, ary ahoana no teny nilazalazan’ilay mpitantan-draharaha alemanina an’io mpiasa an-tranon’ny papa io? b) Tao amin’ny fifanarahana nosoniavin’ny fanjakana nazia sy ny Vatican, zavatra roa voalaza no nafenina: inona avy izany? (Jereo ny fanamarihana eo ambany amin’ny pejy.)
2 Haka ohatra iray isika: Ahoana no nahafahan’i Adolf Hitler ho tonga mpitantan-draharaha — sady mpitondra tsy refesi-mandimby — tany Alemaina? Ny teti-dratsin’ny mpiasa an-tranon’ny papa izay, araka ny filazan’ilay mpitantan-draharaha alemanina teo aloha, Kurt von Schleicher, dia “ny karaza-mpamadika mbola ratsy lavitra noho Jodasy Isikariota”. Tsy iza izany fa Franz von Papen, izay nanosika ny Asa katolika sy ireo mpanao taozavatra mahery hiady amin’ny kaominisma sy hampiray an’i Alemaina eo ambany fitarihan’i Hitler. Ho setrin’izany, dia voatendry ho lefitry ny mpitantan-draharaha von Papen. Nirahin’i Hitler ho any Roma izy, nitarika solontena mba hanao fifampiraharahana momba ny fifanarahan’ny fanjakana nazia sy ny Vatican. Tamin’io fotoana io, dia nasain’ny papa Pie XI nomarihin’ireo iraka alemanina fa faly izy satria “tarihin’ny fahavalon’ny kaominisma tsy azo ovana izao ny fitondram-panjakana alemanina”, ary ny 20 jolay 1933, tamin’ny fotoan-dehibe nakotroka natao tao Vatican, dia nanao sonia ny fifanekena ny kardinaly Pacelli [izay tonga papa Pie XII taoriana kelin’izay]a.
3. a) Inona no nosoratan’ny mpanoratra tantara iray momba ny fifanarahan’ny fanjakana nazia sy ny Vatican? b) Nandritra ny fotoan-dehibe nalamina tao Vatican, inona moa no voninahitra nomena an’i Franz von Papen? d) Inona moa no anjara noraisin’i Franz von Papen teo amin’ny fandraisan’ny nazia fahefana tany Aotrisy?
3 Hoy ny nosoratan’ny mpanao tantara iray: “Ny fifanekena [nifanaovan’i Alemaina sy ny Vatican] dia fandresena lehibe ho an’i Hitler. Izany no fanohanana ara-tsaina voalohany azony avy any an-tany hafa, ary avy amin’ny loharano ambony indrindra.” Nandritra ny fankalazana nalamina tany Vatican, dia nomen’i Pacelli an’i von Papen ny mari-boninahitra ambonin’ny papa: ny “grand-croix de l’Ordre de Pie IX”b. Tao amin’ny bokiny hoe Manatona ny oram-baratra (navoaka tamin’ny 1948), dia nilaza i Winston Churchill fa nampiasa ny “lazany tamin’ny naha-katolika tsara” i von Papen mba hitaomana ny Eglizy hankasitraka ny fandraisan’ny nazia fahefana tany Aotrisy. Tamin’ny 1938, mba hankalazana ny fitsingerenan’ny nahaterahan’i Hitler, dia nandidy ny kardinaly Innitzer mba hananganan’ny eglizy rehetra tany Aotrisy ny saina misy lakroa mifaingoka ny rantsany, mba hampanenoany ny lakolosiny ary mba hivavahan’ny mpiangona ho an’io mpitondra tsy refesi-mandisy io.
4, 5. a) Nahoana moa ny Vatican no tompon’andraikitra tamin’ny fandatsahan-dra nahatsiravina? b) Ahoana moa no nanohanan’ireo eveka katolika alemanina an’i Hitler?
4 Tompon’andraikitra tamin’ny ra nandriaka àry ny Vatican. Io tapany manan-daza amin’i Babylona Lehibe io dia nanampy an’i Hitler tamin’ny fomba misy heviny handray fahefana ary nanome azy fanohanana “ara-tsaina”. Lasa lavidavitra kokoa ihany aza izy tamin’ny fanohanana an-kolaka ny heloka lehibe nataon’io mpitondra tsy refesi-mandidy io. Nandritra ny folo taona lava nisian’ny fampihorohoroana nazia, dia nangina hatrany ny pontifa romana. Nandritra izany fotoana izany, dia miaramila katolika ana hetsiny maro no niady sy maty ho voninahitry ny fitondrana nazia, ary olo-nahantra an-tapitrisany maro no naringana tao amin’ireo efitrano nisy gazan’i Hitler.
5 Nanohana an-karihary an’i Hitler aza ireo eveka katolika alemanina. Tamin’ny andro namelezan’i Japon, mpiandany tamin’i Alemaina, tampoka an’i Pearl Harbor, dia namoaka izao fitantarana izao ny New York Times: “Ny fiaraha-midinika nataon’ireo eveka katolika alemanina tany Fulda dia nanipy hevitra ny amin’ny hampidirana ‘vavaka ho an’ny ady’, dia vavaka manokana tokony hovakina isaky ny manomboka sy mifarana ny fotoam-pivavahana. Izany vavaka izany dia fitalahoana tamin’Andriamanitra mba hitahy ireo fiadiana alemanina amin’ny fanomezana azy ny fandresena, ary hiaro ny aina sy ny fahasalaman’ny miaramila rehetra. Nanome toromarika ho an’ny pretra koa ireo eveka mba hisian’ny fiheverana, indray mandeha isam-bolana fara fahakeliny, an’ireo miaramila alemanina miady ‘an-tanety sy an-dranomasina ary ana habakabaka’, amin’ny toriteny manokana ny alahady.”
6. Raha tsy nijangajanga ara-panahy tamin’ny nazia ny Vatican, zavatra ratsy indrindra inona no nety tsy ho hitan’izao tontolo izao?
6 Raha tsy nitana fifandraisana nahameloka tamin’ny fitondrana nazia ny Vatican, dia aina maro no nety ho voatsimbina: ny an’ny miaramila sy sivily am-polony tapitrisa maro ringana nandritra ny ady, ny an’ny Jiosy enina tapitrisa novonoina satria tsy arianina, ary ny an’ny — sarobidy tokoa eo imason’Andriamanitra — Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro, voahosotry ny fanahy na anisan’ny kilasin’ny “ondry hafa”, izay nijaly mafy ary maro taminy no maty tany amin’ireo toby fitanana nazia. — Jaona 10:10, 16.
Fahitana miavaka an’ilay vehivavy janga
7. Inona no filazalazana amin’ny andinindininy kokoa momba ilay vehivavy janga lehibe nomen’ny apostoly Jaona?
7 Tena mety tokoa ny fahitana manaraka tao amin’ny faminanian’ny Apokalypsy! Araka ny andininy faha-3 ka hatramin’ny faha-5 amin’ny toko faha-17, dia izao no nolazain’i Jaona momba ilay anjely: “Dia nentiny tamin’ny Fanahy ho any an-efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo. Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary pèrila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany; ary nisy anarana voasoratra teo amin’ny handriny nanao hoe: Zava-miafina, Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta, amin’ny tany.”
8. a) Inona moa no tao anatin’ilay kapoaka volamena teny an-tanan’ilay vehivavy janga lehibe nampahafantarana ny tenany? b) Amin’ny heviny ahoana moa Babylona Lehibe no hoe ‘mitafy lamba volomparasy sy jaky ary miravaka volamena sy vato soa ary pèrila’?
8 Mijery akaiky dia akaiky an’i Babylona Lehibe i Jaona eo. Tena eo amin’ny toerany izy io ao amin’io efitra io, eo amin’ny biby dia monina ao. Io vehivavy janga lehibe io dia fantatra mazava amin’ny ao anatin’ny kapoaka tanany, dia kapoaka mety hoheverina fa sarobidy raha jerena amin’ny endriny ivelany. Maharikoriko eo imason’Andriamanitra ny ranon-javatra sotroiny. Ny fisakaizany amin’izao tontolo izao, ny fampianaran-disony, ny fileferany loatra, ny fanaovany an’ireo fanjakana ara-politika ho sakaiza ratsy — tsy misy mihitsy amin’ireo ka leferin’i Jehovah, “Mpitsara ny tany rehetra”. (Genesisy 18:22-26; Apokalypsy 18:21, 24.) Ary fitafiana kanto toy inona moa no isalorany! Mirehareha izy noho ny katedraliny mijoalajoala ka mahatalanjona ny rafiny ary manana fitaratra miloko, noho ny trano fivavahany amin’ny sampy sy ny monasitera bodikany voaravaka vatosoa, noho ireo tempoliny sy ireo fitoerany masina nisy hatramin’ny ela. Araka ny lamaody nalefan’ilay “vehivavy janga lehibe”, ireo mpisorony sy ireo moaniny dia manao akanjo marevaka mena mangatrakatraka, jaky sy vonivony. — Apokalypsy 17:1.
9. Meloka noho ny fandatsahan-dra mitohitohy inona moa Babylona Lehibe, ary teny mety ahoana no namaranan’i Jaona ny filazalazany?
9 Izy lian-dra anefa no mahatonga azy ho mendrika hotsinina indrindra. Hatramin’ny ela be Jehovah no tokony hampamoaka azy ny amin’izany. Tsy vitan’ny hoe nanohana ireo mpitondra tsy refesi-mandidy lian-dra amin’izao androntsika izao izy, fa nisy hatramin’ny taonjato maromaro ny tantarany maharikoriko; izy io no fototry ny adin’ny fivavahana, ny “Inquisition” (fampijaliana ny tsy mety manaraka ny finoana katolika), ny kroazada, ary na dia ny naha-maty maritiora ny apostoly sasany aza, sy ny namonoana ho faty ny Zanak’Andriamanitra mihitsy, dia Jesosy Kristy Tompo, raha tsy mitodika any lavitra kokoa aza (Asa. 3:15; Hebreo 11:36, 37). Aoka hanampintsika izany famonoana olona rehetra izany ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah izay, vao haingana kokoa, dia notifirina, nahantona, nokapaina na nolefonina, notapahin-doha sy nentina tamin’ny fomba tsy nifaditrovana tany amin’ireo tranomaizina sy toby fitanana. Tsy mahagaga mihitsy raha namarana ny filazalazany tamin’izao teny izao i Jaona: “Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny maritioran’i [vavolombelon’i, MN ] Jesosy”! — Apokalypsy 17:6.
“NY ZAVA-MIAFINA NY AMIN-DRAVEHIVAVY SY NY BIBI-DIA”
10. a) Tamin’ny fomba ahoana moa no nanenjehan’ilay vehivavy janga lehibe mandrakariva ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Karaza-mpitarika manao ahoana moa ireo anisan’ny klerjy ao amin’i Babylona Lehibe?
10 “Gaga indrindra” i Jaona teo anoloan’izany fisehoan-javatra izany. Toy izany koa ny amintsika amin’izao andro izao. Tao anatin’ireo taona 30 sy 40, dia nampiasa ny Asa katolika sy firaisan-tetika ara-politika “ilay vehivavy janga lehibe” mba hanenjehana sy hanaovana izay handrarana ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky. Hatramin’izao andro izao, na aiza na aiza mbola ananany hery ampy, Babylona Lehibe dia manohy miady, manakantsakana, manaratsy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay manambara ny fanantenana malaza ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny fitanana ho babo olona an-tapitrisany maro ao amin’ireo fandaminana ara-pivavahan’ilay vehivavy janga lehibe, ireo anisan’ny klerjy ao aminy dia manao zavatra toy ny ‘jamba mitarika jamba’ ho any amin’ny lavaky ny fandringanana. Tsy ho azon’io vehivavy janga maharikoriko io atao na oviana na oviana ny hilaza tahaka ny apostoly Paoly hoe: “Koa manambara aminareo aho (...) fa afaka amin’ny ranareo rehetra aho.” — Matio 15:7-9, 14; 23:13; Asa. 20:26.
11, 12. Inona moa ny zava-miafina ny amin’ilay “bibi-dia mivolon-jaky” itaingenan’ilay vehivavy janga maloto, ary inona no fanazavana azon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny amin’io zava-miafina io tamin’ny 1942?
11 Nahamarika ny fahagagan’i Jaona ilay anjely ka nilaza taminy hoe: “Nahoana no gaga hianao? Izao hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo.” (Apokalypsy 17:7). Iza moa izany “bibi-dia” izany? 600 taona mahery talohan’izay, Daniela mpaminany dia nahita biby tamin’ny fahitana, ary nohazavaina taminy fa nampiseho “mpanjaka”, na fahefana ara-politika eto an-tany izany (Daniela 7:2-8, 17; 8:2-8, 19-22). Hitan’i Jaona amin’ny fahitana eo ny fikambanan’ny fanjakana toy izany: “bibi-dia mivolon-jaky.” Tsy iza izany fa ny Fikambanam-pirenena, fikambanana naorin’olombelona izay niseho teo amin’ny sehatra maneran-tany tamin’ny 1920, kanefa latsaka tao anatin’ny lavaka tsy hita noanoan’ny tsy fahafahana manao na inona na inona rehefa nipoaka ny Ady Lehibe faharoa tamin’ny 1939. Inona anefa ny “zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia”?
12 Noho ny fitondran’Andriamanitra, dia nahazo fanazavana ny amin’io zava-miafina io ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1942. Nirehitra tamin’izay ny Ady Lehibe faharoa, ary be dia be no nieritreritra fa hiafara amin’ny Haramagedona izany. Tsy izany anefa no fanapahan-kevitr’i Jehovah. Mbola nanana asa be dia be hatao teo anoloany ireo vavolombelony! Tamin’ny Fivoriambe teokratikan’izao tontolo izao vaovao tamin’ny 18 ka hatramin’ny 20 septambra 1942, ka Cleveland (Etazonia) no tanàna foibe nifandray tamin’ny tanàna 51 hafa tany Etazonia, Nathan Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, dia nanao ny lahateny ampahibemaso nitondra ny lohateny hoe “Haharitra ve ny fiadanana ho avy?” Io lahateny io dia namelabelatra ny teny ao amin’ny Apokalypsy 17:8 nilazana ny amin’ny “bibi-dia mivolon-jaky” ho “teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin’ny fandringanana”. Nanazava ilay mpandahateny fa “teo” ny Fikambanam-pirenena tamin’ny 1920 ka hatramin’ny 1939. “Tsy eo” izy izao, hoy ny filazany, satria maty io Fikambanana io. Aorian’ny Ady Lehibe faharoa anefa, dia hivoaka avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa io fandaminana iraisam-pirenena io. Tanteraka ve io faminaniana mifototra amin’ny Baiboly io? Izany tokoa! Tamin’ny 1945, ny “bibi-dia” iraisam-pirenena dia nivoaka avy amin’ny lavaka tsy hita noanoan’ny tsy fanaovana na inona na inona tamin’ny anarana hoe Fandaminan’ny Firenena Mikambana.
13. Tamin’ny heviny ahoana moa Babylona Lehibe no nanohy nijangajanga tamin’ny “bibi-dia”, izany hoe ny O.N.U.?
13 Na dia nihena hery noho ny fianjerany aza Babylona Lehibe dia nanohy nijangajanga tamin’ny “bibi-dia”, izany hoe ny O.N.U. Ohatra, tamin’ny jona 1965, dia nisy mpanao raharaha ambony ao amin’ny fivavahana fito lehibe indrindra, “kristiana” sy tsy kristiana, nolazaina fa solontenan’ny antsasaky ny mponina maneran-tany, nivory tany San Francisco mba hankalaza ny faha-20 taonan’ny O.N.U.c Tamin’io taona io ihany koa, ny papa Paul VI dia nilaza ny O.N.U. ho “fara fanantenam-pifanarahana sy fiadanana”. Tatỳ aoriana, ny papa Jean-Paul II dia naneho ny firariany mba “haharetan’ny Firenena mikambana mandrakizay ho toerana ambony indrindran’ny fiadanana sy ny rariny”. Tamin’ny 1986, dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso no voalohany nanohana ny fanapahan-kevitry ny O.N.U. hanao an’io taona io ho Taona iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana. Nefa moa ve naorina ny tena fiadanana sy filaminana ho valin’ny vavaka mafana natao tamin’izay? Tsy izany velively! Etsy an-daniny koa, ireo Fanjakana anisan’ny O.N.U. dia mampiseho kokoa hatrany fa tsy tia amim-pahatsorana an’ilay vehivavy janga lehibe intsony izy.
Novonoina ilay vehivavy janga
14. Asa manokana inona moa no tokony hotanterahin’ny “bibi-dia”, ny O.N.U., ary ahoana no teny iresahan’ny anjely ny amin’izany?
14 Amin’ny fotoana voatendry, dia tsy maintsy mankany amin’ny fandringanana koa ilay “bibi-dia mivolon-jaky”. Nefa alohan’ny hahatongavan’izany, ary alohan’ny hanafihan’ny biby dia farany ny olon’Andriamanitra mihitsy aza, dia tsy maintsy manao asa manokana ny O.N.U. Jehovah dia ‘hanome fo ny bibi-dia sy ny tandrony miantehitra amin’ny tafika’. Inona no ho vokatr’izany? Mamaly toy izao ny anjelin’Andriamanitra: “Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” ‘Nidera tena sy nivelona tamin’ny zava-mahafinaritra ny tena izy’, nefa hiova ny zavatra rehetra. Tsy hahavonjy azy ireo trano fivavahany manerinerina sy ireo taniny midadasika. Izao tokoa no nambaran’ilay anjely: “Koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo [Jehovah, MN ] Andriamanitra, Izay nitsara azy.” — Apokalypsy 17:16, 17; 18:7, 8.
15. Inona no hataon’ireo sakaiza ratsy ara-politikan’ilay vehivavy janga mbamin’ireo mpanam-bola be, amin’ny fandringanana azy?
15 Hitoloko noho ny fandravana azy ireo sakaiza ratsiny ara-politika amin’ny filazana hoe: “Indrisy! indrisy! Babylona, ilay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! Fa tamin’ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao.” Toy izany koa, ireo mpanam-bola be izay nitady tombony tsy marina niaraka taminy dia “hitomany sy hisaona ary hanao hoe: Indrisy! (...) fa tamin’ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany.” — Apokalypsy 18:9-17.
16. Hanao ahoana ny fihetsik’ireo mpanompon’Andriamanitra rehefa haringana ilay vehivavy janga lehibe, ary ahoana no teny anamafisan’ny Apokalypsy izany?
16 Fa hanao ahoana ny fihetsik’ireo mpanompon’Andriamanitra? Miantefa amin’izy ireo koa ireto tenin’ny anjely ireto: “Mifalia noho izay zavatra nanjo azy hianao, ry lanitra, sy hianareo olona masina, sy hianareo Apostoly, ary hianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.” Hofongorana indray mandeha Babylona Lehibe, ka tsy hanala baraka intsony mihitsy ny anarana masin’i Jehovah. Ny fanafoanana an’ilay vehivavy janga lehibe dia ho mendrika ny hankalazaina amin’ny hiram-pandresena ventesina ho fiderana an’i Jehovah. Ity no voalohany amin’ny haleloia mitohitohy, dia hira falifaly nanakoako tamin’izay: “Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanitsika; fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy — dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany — ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.” — Apokalypsy 18:20 ka hatramin’ny 19:3.
17. Aorian’ny fandringanana ilay vehivavy janga lehibe, ahoana no hampiharana ireo didim-pitsaran’Andriamanitra hatramin’ny farany indrindra?
17 Hampiharina faingana ny didim-pitsaran’Andriamanitra, ka Jesosy Kristy, “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” dia hanitsaka “ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha” ao Haramagedona. Hofoanany amin’izay ireo mpitondra ratsy sy izay rehetra ho sisa tavela amin’ny fandaminan’i Satana eto an-tany. Handany ny nofony ny biby mpihinam-paty (Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-21). Tokony ho faly tokoa isika satria akaiky ny fotoana voafetra hanesoran’Andriamanitra tsy ho amin’ny tany, planetantsika kanto, izay rehetra tsy madio sy ratsy ary mampietry!
18. Inona no farany indrindra araka ny bokin’ny Apokalypsy?
18 Izany ve no fiafaran’ny bokin’ny Apokalypsy? Tsy mbola izany! Rehefa ho tafatsangana amin’ny maty any an-danitra daholo tokoa ny 144 000, dia hankalazaina ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Ny ‘ampakariny’, mihaingo ho an’ny vadiny, dia hapetraka ao amin’ny “lanitra vaovao”. Hidina avy any, an’ohatra izy, mba hanampy ny vadiny hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah, dia ny hanavao ny zavatra rehetra’. Ny hasoa ara-panahin’ny ampakarina dia ny an’ny tanàna masina, dia Jerosalema Vaovao, hazavain’i Jehovah Andriamanitra Tsitoha amin’ny voninahiny, ary ny Zanak’ondry no jirony (Apokalypsy 21:1-5, 9-11, 23). Hahita ny fiafarany lehibe amin’izay ny Apokalypsy: hohamasinina ny anaran’i Jehovah, ary ny Zanak’ondry (Jesosy Kristy) sy ny ampakariny (Jerosalema Vaovao) dia hanomboka hanome ho an’ny olombelona mankato ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany.
19. a) Ambonin’ny fialana amin’i Babylona Lehibe, inona no tsy maintsy atao mba hahazoana famonjena? b) Fanasana mandodona inona moa no mbola azo ekena, ary inona no tokony hataontsika?
19 Tsapanao ve ny fihatsarambelatsihin’ny fivavahan-diso? Tafavoaka avy ao Babylona Lehibe ve ianao? Moa ve ianao nanatona an’i Jehovah Andriamanitra koa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, tamin’ny fanoloran-tena tamin’ny fo rehetra ho azy sy tamin’ny fetezana hatao batisa? Tena ilaina koa ny hanaovana io dingana io mba hahazoana ny famonjena! Raha mbola manatona ny fotoana voatendry mba hampiharana ny fitsaran’i Jehovah farany, dia manakoako izao fanasana mandodona izao: “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia.” Enga anie izay rehetra mamaly io antso io hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah ka hilaza amin-jotom-po amin’ny hafa koa hoe: “Avia.” Eny, “aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina”! (Apokalypsy 22:17.) Mbola misy fotoana azo anekena io fanasana io. Ho sambatra tokoa ianao raha mandray toerana eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa ka mitoetra eo. Akaiky kokoa tsy araka ny iheveranao azy angamba ny fotoana voatendry! Eny, akaiky ny farany lehibe araka ny Apokalypsy!
Eo am-pifaranan’ity fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ity, dia hampamaky ny Fanapahan-kevitra eto aoriana ny mpitarika ka hanao ny fandinihana azy amin’ny alalan’ny fanontaniana voaomana amin’izany. Naseho naneran-tany io Fanapahan-kevitra io tamin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra” nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1988. Izany dia namarana ilay lahateny nitondra ny lohateny hoe “Ilay ‘vehivavy janga’ ratsy: ny fianjerany sy ny fandringanana azy”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Noho ny antony miharihary, dia anankiroa tamin’ireo hevitra voalaza tao amin’io fifanarahana io no nafenina tamin’izany fotoana izany. Izy ireo dia mahakasika politika iombonana ho fanoherana ny Firaisana sovietika sy ireo adidin’ny pretra katolika nilatsaka tao amin’ny tafik’i Hitler. Izany fiantsoana ho miaramila izany dia nandika ny fanekena tany Versailles (1919) mbola namatotra an’i Alemaina; nety ho nampanahy ireo mpanao sonia hafa ny fanekena ny fanambarana io zavatra nafenina io.
b Franz von Papen dia anisan’ireo nazia noheverina ho mpanao heloka bevava tamin’ny ady tany Nuremberg (Alemaina), tamin’ny faran’ireo taona 40. Nafahana izy, nefa tatỳ aoriana ny fitsarana alemanina fialana tamin’ny nazia dia nanameloka azy mafy. Tatỳ aoriana, tamin’ny 1959, dia mbola nasandratra ho amin’ny laharan’ny lehiben’ny mpitandrina ny tokantranon’ny papa niafina izy.
c Izao no nambaran’ny papa Paul VI ny amin’io fivoriana io: “Ara-dalàna tsy misy toy izany sady mety ny nanaovana fihaonambe ara-pivavahana ho an’ny fiadanana ho anisan’ireo fankalazana fahatsiarovana natao tamin’ny faharoapolo taonan’ny nanaovana sonia ny fitsipika mifehy ny Firenena mikambana.”
[Efajoro, pejy 11]
NY FANGINAN’NY PAPA
Tao amin’ny bokiny hoe Franz von Papen — Ny fiainany sy ny androny, navoaka tamin’ny teny anglisy tamin’ny 1939, dia nolazalazain’i H. Blood-Ryan tamin’ny andinindininy ny fitaka nahatonga an’io mpiasa an-tranon’ny papa io ho afaka hanandratra an’i Hitler ho eo amin’ny fahefana sy hikarakara ny fifampiraharahan’ny Vatican sy ny nazia. Izao no nambarany momba ny vonoana olona mahatsiravina nihatra tamin’ny Jiosy, ny Vavolombelon’i Jehovah sy hafa koa: “Nahoana no nangina i Pacelli [ny papa Pie XII]? Satria hitany fa ny planin’i von Papen hanorina Empira romana zermanika masina dia ho fanamafisana orina ny Eglizy katolika sy fahafahana ho an’ny Vatican hahazo fahefana ara-nofo (...). Na dia mampihatra fitondrana jadona ara-panahy aza ankehitriny io Pacelli io ihany eo amin’ny olona an-tapitrisany maro, dia zara raha nisy fimonomononana tsy fankasitrahana ho fanoherana ny fanaovana an-keriny sy ny fanenjehana hitleriana (...). Raha mbola manoratra ireto andalan-tsoratra ireto aho, dia efa hateloana no nisian’ny vonoana olona, kanefa ny Vatican tsy nivavaka na dia kely akory aza ho an’ny fanahin’ireo mpiady izay antsasany anefa no katolika. Hahatsiravina ny andro hisehoan’ireny olona tsy hanana ny fahefany eto an-tany intsony ireny eo anatrehan’ny Andriamaniny ka hampamoahan’Izy io azy ireny. Inona no fialan-tsiny ho azony ampiasaina? Tsy hisy mihitsy!”
[Efajoro, pejy 15]
NY FANAMELOHAN’NY VATICAN
Araka ny New York Times tamin’ny 6 martsa 1988, ny Vatican dia nahatsinjo fatiantoka tamin’ny teti-bola tsy mbola nisy toy izany 61,8 tapitrisa dôlara ho an’ny taona 1988. Nilaza mazava toy izao io gazety io: “Ny anankiray amin’ireo fandaniana lehibe indrindra dia azo inoana fa nifandray tamin’ny fampanantenana natao tamin’ny 1984 handrotsaka eo amin’ny 250 tapitrisa dôlara ho an’ireo tompon-trosan’ny banky Ambrosiano. Niray petsapetsa tokoa tamin’io banky milanezy io ny Vatican talohan’ny nahitany fatiantoka tamin’ny 1982.” Niray tsikombakomba tokoa tamin’io raharaha nahatafintohina io ny Vatican ka nikiry tsy nety nanolotra teo anatrehan’ny fitsarana italiana ny telo tamin’ireo nitana toerana ambony teo aminy, anisan’izany ny arseveka amerikana iray!
[Sary, pejy 12]
Tompon’andraikitra niaraka tamin’i von Papen sy Hitler ny Vatican tamin’ny fandatsahan-dra nahatsiravina.
[Sary nahazoan-dalana]
Photo UPI/Bettmann
Photo UPI/Bettmann
[Sary, pejy 15]
Tsy nanohana ny Fanjakan’Andriamanitra ireo papa fa nilaza ny O.N.U. ho ‘fara fanantenana fiadanana’.
[Sary nahazoan-dalana]
Voafefy: Sary O.N.U.