Mitondra Zanaka Betsaka ho any Amin’ny Voninahitra i Jehovah
“Mendrika an’[Andriamanitra,] (...), izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana ilay ihavian’ny famonjena an’ireo.” — HEBRIO 2:10, Fandikan-teny Katolika.
1. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah momba ny olombelona?
NAMORONA ny tany i Jehovah mba ho fonenana mandrakizay ho an’ny fianakavian’olombelona lavorary hiriaria amin’ny fiainana tsy hanam-pahataperana. (Mpitoriteny 1:4; Isaia 45:12, 18). Marina fa nanota i Adama razambentsika, ka noho izany, dia nampita ota sy fahafatesana tamin’ny taranany. Ho tanteraka anefa ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Taranaka Nampanantenainy. (Genesisy 3:15; 22:18; Romana 5:12-21; Galatiana 3:16). Fitiavana ny tontolon’ny olombelona no nanosika an’i Jehovah hanome “ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. (Jaona 3:16). Fitiavana koa no nanosika an’i Jesosy “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”. (Matio 20:28). Mamerina indray ireo zo sy zavatra azo nantenaina izay nafoin’i Adama io “avotra” io, ary mahatonga ny fiainana mandrakizay hety hisy. — 1 Timoty 2:5, 6; Jaona 17:3.
2. Inona avy no natao tamin’ny Andro Fanavotana fanaon’ny Isiraely isan-taona, ka tandindon’ny fampiharana ny sorom-panavotan’i Jesosy?
2 Izay natao tamin’ny Andro Fanavotana fanao isan-taona, dia tandindon’ny fampiharana ny sorom-panavotan’i Jesosy. Tamin’io andro io ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely dia nanao sorona vantotr’ombilahy aloha, ho fanatitra noho ny ota, ka ny rany dia natolony teo amin’ilay Fiara masina tao amin’ny Masina Indrindran’ny tabernakely, ary tatỳ aoriana dia tao amin’ny tempoly. Natao ho an’ny tenany sy ny ankohonany ary ny fokon’i Levy izany. Toy izany koa fa natolotr’i Jesosy Kristy an’Andriamanitra ny vidin’ny rany, mba hanaronana ny otan’ireo ‘rahalahiny’ ara-panahy aloha. (Hebreo 2:12; 10:19-22; Levitikosy 16:6, 11-14). Nanao sorona osilahy ho fanatitra noho ny ota koa ny mpisoronabe, tamin’ny Andro Fanavotana, ary natolony tao amin’ny Masina Indrindra ny ran’izy io, ka tamin’izany no nanaovany fanavotana ho an’ny fahotan’ireo fokon’ny Isiraely 12 tsy mpisorona. Toy izany koa no hampiasan’i Jesosy Kristy Mpisoronabe ny rany, mba ho tombontsoan’ireo olona maneho finoana, ka hanafoanany ny fahotan’izy ireo. — Levitikosy 16:15.
Nentina ho any amin’ny voninahitra
3. Araka ny Hebreo 2:9, 10, inona no nataon’Andriamanitra hatramin’ny 1 900 taona izao?
3 Nanao zavatra niavaka nifandray tamin’ireo ‘rahalahin’i Jesosy’ Andriamanitra, hatramin’ny 1 900 taona izao. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly mahakasika izany: “Ilay natao ambany vetivety noho ny anjely, dia izy Jeso no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra izy. Fa mendrika an’ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra [Jehovah Andriamanitra], izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana ilay ihavian’ny famonjena an’ireo.” (Hebrio 2:9, 10, Kat.). Ilay iavian’ny famonjena dia i Jesosy Kristy, izay nianatra fankatoavana lavorary tamin’ireo fijaliana nentiny, fony izy olombelona teto an-tany. (Hebreo 5:7-10). I Jesosy no voalohany nateraka ho zanak’Andriamanitra ara-panahy.
4. Oviana, ary tamin’ny fomba ahoana, no niterahana an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra ara-panahy?
4 Nampiasa ny fanahiny masina, na heriny miasa, i Jehovah mba hiterahana an’i Jesosy ho Zanany ara-panahy, mba hitondrana azy ho any amin’ny voninahitra any an-danitra. Rehefa tsy nisy olona afa-tsy izy sy i Jaona Mpanao Batisa teo, dia nalentika tanteraka tao anaty rano i Jesosy mba hanamarihana ny fisehoany teo anatrehan’Andriamanitra. Hoy ny fitantaran’ny Filazantsaran’i Lioka: “Rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.” (Lioka 3:21, 22). Nahita ny fanahy masina nankeo ambonin’i Jesosy, i Jaona, ary nandre an’i Jehovah nilaza teny fankasitrahana azy an-karihary ho ny Zanany malala. Tamin’io fotoana io, dia niteraka an’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanahy masina i Jehovah, ka izy no voalohany amin’ireo ‘zanaka betsaka hoentina ho any amin’ny voninahitra’.
5. Iza no voalohany nandray soa tamin’ny soron’i Jesosy, ary firy ny isany?
5 Ireo ‘rahalahin’i Jesosy’ no voalohany nandray soa tamin’ny sorona nataony. (Hebreo 2:12-18). Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana izy ireo, efa be voninahitra teo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra, niaraka tamin’ny Zanak’ondry, izay Jesosy Kristy Tompo tafatsangana amin’ny maty. Nambaran’i Jaona koa ny isan’izy ireo, tamin’ny filazana hoe: “Hitako fa, indro, ny Zanak’ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny. (...) Ireo no navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry. Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.” (Apokalypsy 14:1-5). Koa 144 001 monja àry no tontalin’ireo ‘zanaka betsaka hoentina ho any amin’ny voninahitra’ any an-danitra — dia i Jesosy sy ireo rahalahiny ara-panahy.
“Naterak’Andriamanitra”
6, 7. Iza avy no “naterak’Andriamanitra”, ary midika ho inona ho azy ireo izany?
6 “Naterak’Andriamanitra” ireo zanak’i Jehovah ireo. Raha niresaka tamin’olona toy izany ny apostoly Jaona, dia nanoratra toy izao: “Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy zatra manota, satria ny voan[’i Jehovah] mahavokatra no mitoetra ao amin’ny olona toy izany, ary afaka ny tsy ho zatra manota izy satria naterak’Andriamanitra.” (1 Jaona 3:9, NW ). Ny fanahy masin’Andriamanitra io “voany mahavokatra” io. Izy io dia ‘niteraka indray’ ny tsirairay amin’ny 144 000 ho amin’ny fanantenana any an-danitra, noho ny fiarahany niasa tamin’ny tenin’Andriamanitra. — 1 Petera 1:3-5, 23.
7 Efa Zanak’Andriamanitra hatramin’ny nahaterahany ho olombelona i Jesosy, toy ny naha-“zanak’Andriamanitra” an’i Adama, lehilahy lavorary. (Lioka 1:35; 3:38). Taorian’ny batisan’i Jesosy anefa, dia nisy heviny lehibe ny nanambaran’i Jehovah hoe: “Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.” (Marka 1:11). Nazava avy tamin’io fanambarana io, sy ny filatsahan’ny fanahy masina nanaraka azy io, fa niteraka an’i Jesosy ho Zanany ara-panahy Andriamanitra tamin’izay. Tamin’izay i Jesosy dia azo lazaina hoe ‘nateraka indray’, nanana zo hahazo fiainana indray, amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra ara-panahy any an-danitra. Sahala aminy, dia “ateraka indray” ireo rahalahiny ara-panahy 144 000. (Jaona 3:1-8; jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1992, pejy faha-3-6.) Afa-tsy izany koa, dia voahosotr’Andriamanitra sy nirahina hanambara ny vaovao tsara sahala amin’i Jesosy, izy ireo. — Isaia 61:1, 2; Lioka 4:16-21; 1 Jaona 2:20.
Porofo mampiseho fa naterak’Andriamanitra
8. Inona no porofo fa nateraky ny fanahy a) i Jesosy b) ireo mpianany tany am-boalohany?
8 Nisy porofo fa nateraky ny fanahy i Jesosy. Nahita ny fanahy nidina teo ambonin’i Jesosy i Jaona Mpanao Batisa, ary nandre ny fanambaran’Andriamanitra fa Zanak’Andriamanitra ara-panahy ilay Mesia vao nohosorana. Ahoana anefa no hahafantaran’ireo mpianatr’i Jesosy fa nateraky ny fanahy izy ireo? Hoy i Jesosy, tamin’ilay andro niakarany tany an-danitra iny: “Jaona nanao batisa tamin’ny rano; fa hianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.” (Asan’ny Apostoly 1:5). ‘Natao batisa tamin’ny fanahy masina’ ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i. Io filatsahan’ny fanahy masina io dia narahin’ny ‘feo avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo’ ary “nisy lela maro mitarehin’afo” teo ambonin’ny mpianatra tsirairay. Niavaka indrindra ilay fahaizan’ireo mpianatra “niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy”. Koa nisy àry porofo hita maso sy ren’ny sofina fa nisokatra ho an’ireo mpanara-dia an’i Kristy ny lalana mankamin’ny voninahitra any an-danitra, amin’ny maha-zanak’Andriamanitra. — Asan’ny Apostoly 2:1-4, 14-21; Joela 3:1, 2.
9. Inona no porofo fa nateraky ny fanahy ny Samaritana sy i Kornelio ary ny hafa tamin’ny taonjato voalohany?
9 Tsy ela taorian’izay, dia nitory tany Samaria i Filipo evanjelisitra. Na dia nanaiky ny hafatra nentiny aza ny Samaritana ka natao batisa, dia tsy nahazo porofo izy ireo fa niteraka azy ho zanany Andriamanitra. Rehefa nivavaka sy nametra-tanana tamin’ireo mpino ireo ny apostoly Petera sy Jaona, dia “nandray ny Fanahy Masina ireo”, ary niharihary tamin’ireo mpitazana ny fomba nandraisany izany. (Asan’ny Apostoly 8:4-25). Porofo izany fa nateraky ny fanahy ho zanak’Andriamanitra ireo Samaritana nino. Toy izany koa, fa nanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra i Kornelio sy ny Jentilisa hafa, tamin’ny 36 am.f.i. “Talanjona” i Petera sy ireo mpino jiosy niaraka taminy, “satria nilatsaka tamin’ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. Fa nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy.” (Asan’ny Apostoly 10:44-48). Kristiana maro tamin’ny taonjato voalohany no nahazo “fanomezan’ny fanahy” toy ny fitenenana tamin’ny fiteny tsy fantatra. (1 Korintiana 14:12, 32, NW ). Nanana porofo mazava àry ireny olona ireny fa nateraky ny fanahy izy ireo. Ahoana anefa no hahafantaran’ireo Kristiana atỳ aoriana raha nateraky ny fanahy izy ireo, na tsia?
Fanambaran’ny fanahy
10, 11. Miorina amin’ny Romana 8:15-17, ahoana no hanazavanao fa manao fanambarana amin’ireo mpiray lova amin’i Kristy ny fanahy?
10 Samy nanana porofo tsy azo lavina ireo Kristiana voahosotra 144 000 fa manana ny fanahin’Andriamanitra izy ireo. Nanoratra toy izao mahakasika izany i Paoly: “Hianareo (...) [dia] nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia [manao fanambarana, NW ] amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.” (Romana 8:15-17). Fihetseham-pon-janaka no ananan’ireo Kristiana voahosotra manoloana ny Rainy any an-danitra, izany hoe tena fahatsapana tsara fa zanaka ny tenany. (Galatiana 4:6, 7). Mahazo antoka tanteraka izy ireo fa naterak’Andriamanitra ho zanaka ara-panahy mba ho mpiara-mandova amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Manana anjara asa mazava tsara amin’izany, ny fanahy masin’i Jehovah.
11 Eo ambanin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ny fanahin’ireo voahosotra, na ny fihetsika mahazo vahana eo amin’izy ireo, dia manosika azy hampihatra amin’ny tenany manokana izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fanantenana ho any an-danitra. Ohatra, rehefa mamaky izay lazain’ny Soratra Masina momba ireo zanak’i Jehovah ara-panahy izy ireo, dia tonga dia manaiky izy ireo fa mihatra amin’ny tenany izany teny izany. (1 Jaona 3:2). Fantatr’izy ireo fa “natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy” sy ho amin’ny fahafatesany, izy ireo. (Romana 6:3). Miaiky mafy izy ireo fa zanak’Andriamanitra ara-panahy ny tenany, ary ho faty sy hatsangana amin’ny maty ho amin’ny voninahitra any an-danitra, sahala amin’i Jesosy.
12. Nampisy inona tao amin’ireo Kristiana voahosotra ny fanahin’Andriamanitra?
12 Tsy faniriana nambolena akory ny fahaterahana ho zanaka ara-panahy. Tsy ny fahoriana noho ireo zava-tsarotra eto an-tany akory no mahatonga ireo nateraky ny fanahy haniry ny hankany an-danitra. (Joba 14:1). Ny fanahin’i Jehovah kosa no nampisy fanantenana sy faniriana tsy ananan’ny olona amin’ny ankapobeny, tao amin’ireo tena voahosotra. Fantatr’ireo nateraka ireo fa hahatalanjona ny fiainana mandrakizay amin’ny maha-olombelona lavorary eo amin’ny tany zary paradisa, ka ho voahodidin’ny havana aman-tsakaiza sambatra. Tsy izany fiainana izany anefa no faniriana lehibe indrindra ao am-pon’izy ireo. Mahery aoka izany ny fanantenana ho any an-danitra ananan’ireo voahosotra, ka ataony sorona an-tsitrapo ireo zava-drehetra eto an-tany izay mivelatra eo anatrehany sy iraiketan’ny fony. — 2 Petera 1:13, 14.
13. Inona no ‘fanirian’i Paoly indrindra’, araka ny 2 Korintiana 5:1-5, ary milaza inona ho an’ireo nateraky ny fanahy izany?
13 Mahery aoka izany ao amin’ny olona toy izany ilay fanantenana hiaina any an-danitra nomen’Andriamanitra, hany ka mitovy fihetseham-po amin’i Paoly izay nanoratra toy izao, izy ireo: “Fantatsika fa raha ravana ny tranolaintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tànana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. Ary misento ao anatin’ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa; fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka. Fa isika izay amin’izao lay izao dia misento noho ny mahavesatra antsika, satria tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin’ny fiainana ny mety maty. Ary Izay efa namboatra antsika ho amin’izany indrindra dia Andriamanitra, Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.” (2 Korintiana 5:1-5). ‘Fanirian’i Paoly indrindra’ ny hatsangana ho any an-danitra ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty. Raha niresaka momba ny vatan’olombelona izy, dia nampiasa ohatra ny amin’ny tranolay azo ahorona, izay fonenana marefo sy tsy maharitra raha ampitahaina amin’ny trano. Ireo Kristiana manana ny fanahy masina ho santatry ny fiainana any an-danitra ho avy, dia miaina eto an-tany ao amin’ny vatana ara-nofo mety maty. Na dia izany aza, dia miandrandra ‘trano voarafitr’Andriamanitra’ izy ireo, dia vatana ara-panahy tsy mety maty sy tsy mety lo. (1 Korintiana 15:50-53). Sahala amin’i Paoly, dia afaka miteny amim-pahatsorana toy izao izy ireo: “Matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena[n’olombelona], fa ny hitoetra [any an-danitra] any amin’ny Tompo.” — 2 Korintiana 5:8.
Nampidirina tao amin’ny fanekena manokana
14. Inona ilay fanekena izay sambany vao notononin’i Jesosy fony izy nanorina ny fankalazana ny Fahatsiarovana, ary inona no anjara asan’izy io mifandray amin’ny Isiraely ara-panahy?
14 Mahazo antoka ireo Kristiana nateraky ny fanahy fa nampidirina tao amin’ny fanekena manokana roa ny tenany. Nilaza ny iray amin’ireo i Jesosy fony izy nampiasa mofo tsy nisy lalivay sy divay mba hanorenana ny Fahatsiarovana ny fahafatesany ho avy. Hoy izy momba ilay kaopy nisy divay: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” (Lioka 22:20; 1 Korintiana 11:25). Iza avy ireo andaniny roa tafiditra ao amin’ilay fanekena vaovao? I Jehovah Andriamanitra sy ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy — dia ireo izay kasain’i Jehovah hoentina ho any amin’ny voninahitra any an-danitra. (Jeremia 31:31-34; Galatiana 6:15, 16; Hebreo 12:22-24). Noho ny ra nalatsak’i Jesosy dia nanjary nanan-kery ilay fanekena vaovao, ka sady naka olona avy amin’ireo firenena mba hankalazana ny anaran’i Jehovah izy io no nahatonga ireny Kristiana nateraky ny fanahy ireny ho anisan’ny “taranak’i Abrahama”. (Galatiana 3:26-29; Asan’ny Apostoly 15:14). Noho ny fanekena vaovao, dia manjary azo atao ny hitondra ireo Isiraelita ara-panahy rehetra ho any amin’ny voninahitra, amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra. Noho izy io “fanekena mandrakizay”, dia haharitra mandrakizay ny soa entiny. Mbola ho hita eo ihany raha hanana anjara asa amin’ny fomba hafa, na tsia, io fanekena io, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona sy aorian’izay. — Hebreo 13:20.
15. Mifanaraka amin’ny Lioka 22:28-30, dia nanomboka nampidirina tao amin’ny fanekena hafa inona ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy, ary oviana?
15 Nampidirina tsirairay tao amin’ilay fanekena ny amin’ny Fanjakana any an-danitra koa ireo “zanaka betsaka” izay nokasain’i Jehovah ‘hoentina ho any amin’ny voninahitra’. Hoy i Jesosy momba io fanekena nifanaovany tamin’ireo mpanara-dia azy io: “Hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; [ary manao fanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana iray, NW ], mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako hianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.” (Lioka 22:28-30). Notokanana ny fanekena ny amin’ilay Fanjakana, fony nohosorana tamin’ny fanahy masina ireo mpianatr’i Jesosy, tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. Hitoetra ho manan-kery mandrakizay eo amin’i Kristy sy ireo mpanjaka mpiara-miasa aminy, io fanekena io. (Apokalypsy 22:5). Noho izany àry, dia mahazo antoka ireo Kristiana nateraky ny fanahy fa ao anatin’ny fanekena vaovao sy ny fanekena ny amin’ilay Fanjakana izy ireo. Amin’ireo fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo àry, dia ny sisa voahosotra mbola eto an-tany izay somary vitsy ihany, no mandray anjara amin’ilay mofo mampiseho ny tenan’olombelona tsy nisy ota nananan’i Jesosy, sy ilay divay manondro ny rany lavorary nalatsaka tamin’ny nahafatesany, ka nampanan-kery ny fanekena vaovao. — 1 Korintiana 11:23-26; jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 May 1989, pejy faha-17-20.
Voantso sy voafidy ary mahatoky
16, 17. a) Mba hahatonga azy ireo hoentina ho any amin’ny voninahitra, dia fepetra inona avy no tsy maintsy fenoin’ireo 144 000 rehetra? b) Iza ireo “mpanjaka folo”, ary ahoana no itondrany ny sisa amin’ny ‘rahalahin’i Kristy’ eto an-tany?
16 Noho ny fampiharana voalohany ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia manjary azo atao ny milaza an’ireo 144 000 ho voantso ho amin’ny fiainana any an-danitra sy ho voafidy, noho izy ireo naterak’Andriamanitra tamin’ny fanahy. Mazava ho azy fa, mba hahatonga azy ireo hoentina ho any amin’ny voninahitra, dia tsy maintsy ‘manao izay farany azony atao izy ireo mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana azy’, ary tsy maintsy mahatoky hatramin’ny fahafatesana izy ireo. (2 Petera 1:10, NW; Efesiana 1:3-7; Apokalypsy 2:10). Mitana ny tsy fivadihany ny sisa voahosotra vitsy mbola eto an-tany, na dia toherin’ireo “mpanjaka folo” aza, izany hoe ireo hery ara-politika rehetra. “Ireo dia hiady amin’ny Zanak’ondry”, hoy ny anjely iray, “ary ny Zanak’ondry haharesy azy, satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.” — Apokalypsy 17:12-14.
17 Tsy afaka manao na inona na inona amin’i Jesosy “Mpanjakan’ny mpanjaka”, ireo mpanapaka olombelona satria any an-danitra izy. Mankahala ny sisa amin’ireo ‘rahalahiny’ mbola eto an-tany anefa izy ireo. (Apokalypsy 12:17). Hifarana izany amin’ny Haramagedona, ilay adin’Andriamanitra, rehefa ho azo antoka ny fandresen’ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka” sy ireo ‘rahalahiny’, izany hoe ireo “voantso sy voafidy ary mahatoky”. (Apokalypsy 16:14, 16). Mandra-pahatongan’izany, dia tena be atao ireo Kristiana nateraky ny fanahy. Inona no ataon’izy ireo izao, alohan’ny hitondran’i Jehovah azy ireo ho any amin’ny voninahitra?
Inona no Valin-teninao?
Iza no ‘hoentin’Andriamanitra ho any amin’ny voninahitra any an-danitra’?
◻ Inona no dikan’ny hoe “naterak’Andriamanitra”?
◻ Ahoana no ‘anaovan’ny fanahy fanambarana’ amin’ny Kristiana sasany?
◻ Nampidirina tao amin’ny fanekena inona avy ireo nateraky ny fanahy?
[Sary, pejy 15]
Nisy porofo nomena tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., fa nisokatra ny lalana mankamin’ny voninahitra any an-danitra