-
Miezaha Mafy ho MpandresyApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
5. Inona no fitsapana niandry ny Kristianina tany Smyrna?
5 Nampahery an’ireo Kristianina tany Smyrna ireto tenin’i Jesosy ireto, nanoloana izany fankahalana izany: “Aza matahotra izay fijaliana efa hiaretanao. Indro, ny Devoly tsy hitsahatra hanao ny sasany aminareo any am-ponja mba hozahan-toetra tanteraka ianareo, ary mba hiaretanareo fahoriana folo andro. Aoka hahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.” (Apokalypsy 2:10) Intelo i Jesosy eto no mampiasa ny hoe “-nareo”, mba hilazana fa mahakasika ilay fiangonana manontolo ny teniny. Tsy afaka nampanantena i Jesosy hoe hifarana tsy ho ela ny fitsapana an’ireo Kristianina tany Smyrna. Mbola henjehina sy hatao am-ponja ihany ny sasany amin’izy ireo, ary hanam-pahoriana “folo andro” izy ireo. Isa manondro fahafenoana eto an-tany ny folo. Hotsapaina amin’ny fomba feno àry, na dia ireo manankarena ara-panahy sy tsy mivadika ireo aza.
6. a) Nahoana no tsy tokony hatahotra ny Kristianina tany Smyrna? b) Ahoana no namaranan’i Jesosy ny hafany ho an’ny fiangonana tany Smyrna?
6 Tsy tokony hatahotra na hanaiky lembenana anefa ireo Kristianina tany Smyrna. Hahazo “satroboninahitry ny fiainana” izy ireo, izany hoe hankany an-danitra ka ho lasa tsy mety maty, raha mahatoky hatramin’ny farany. (1 Korintianina 9:25; 2 Timoty 4:6-8) Sarobidy tamin’ny apostoly Paoly izany, ka nataony ho mendrika ny hamoizana ny zava-drehetra, eny fa na dia ny fiainany teto an-tany aza. (Filipianina 3:8)
-
-
Miezaha Mafy ho MpandresyApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
“Fahoriana folo andro”
7, 8. Ahoana no ‘nizahan-toetra tanteraka’ ny fiangonana kristianina tamin’ny 1918, toy ny fiangonana tany Smyrna?
7 ‘Zahan-toetra tanteraka’, toy ny Kristianina tany Smyrna, ireo voahosotra toa an’i Jaona sy ny namany ankehitriny. Marika mampiavaka azy ireo ho vahoakan’Andriamanitra ny fahatokiany ao anatin’ny fitsapana. (Marka 13:9, 10) Mbola vitsy ny vahoakan’i Jehovah teto an-tany rehefa nanomboka ny andron’ny Tompo. Tena nampahery azy ireo anefa ny tenin’i Jesosy ho an’ny Kristianina tany Smyrna. (Apokalypsy 1:10) Efa tamin’ny 1879 izy ireo no nanomboka nikaroka harena ara-panahy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary nizara izany maimaim-poana. Nankahalaina sy notoherina mafy anefa izy ireo nandritra ny Ady Lehibe I, satria tsy nandray anjara tamin’ny ady, sady tsy natahotra nampiharihary ny fahadisoan’ny Kristianisma Anarana. Tamin’ny 1918 no tena mafy ny fanenjehana nataon’ireo mpitarika ny Kristianisma Anarana, toy ny nanenjehan’ny Jiosy an’ireo Kristianina tany Smyrna.
8 Nisongadina tamin’ny fanenjehana tany Etazonia ny nampidirana am-ponja an’i Joseph Rutherford, prezidà vaovaon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, niaraka tamin’ny mpiara-miasa fito, tamin’ny 22 Jona 1918. Voaheloka higadra 20 taona ny ankamaroan’izy ireo. Nafahana izy ireo, rehefa nandoa onitra, sivy volana tatỳ aoriana. Nanova ilay didim-pitsarana ny fitsarana tampony tamin’ny 14 Mey 1919, ary voaporofo fa nisy fahadisoana 130 tamin’ilay fitsarana teo aloha. Tamin’ny 1918, dia tsy nanaiky hanafaka an’ireo Kristianina ireo i Manton Mpitsara, izay manana mari-boninahitra ambony ao amin’ny Katolika Romanina. Voaheloka higadra roa taona sy handoa lamandy 10 000 dolara (11 000 000 Ariary eo ho eo ankehitriny) anefa izy io tamin’ny 1939, noho ny raharaha enina mahakasika kolikoly.
9. Ahoana no nitondran’i Hitler ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina nazia, ary ahoana no fihetsiky ny mpitondra fivavahana?
9 Noraran’i Hitler tanteraka ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny fitondran’ny Nazia tany Alemaina. An’arivony ny Vavolombelona nogadraina tamin-kabibiana tany amin’ny toby fitanana na fonja, nandritra ny taona maro. Maro no maty tany, ary tovolahy 200 teo ho eo no novonoina, satria tsy nanaiky hiady tao amin’ny tafik’i Hitler. Nanohana izany ny mpitondra fivavahana, araka ny tenin’ny pretra katolika iray, navoaka tao amin’ny gazety Ny Toe-tsain’ny Alemà, tamin’ny 29 Mey 1938. Izao no anisan’ny nolazainy: “Misy tany iray izao andrarana ireo lazaina hoe ... Mpianatra ny Baiboly [Vavolombelon’i Jehovah]. I Alemaina izany! ... Nilaza toy izao i Hitler, rehefa nahazo fahefana, ka namerina nanao fangatahana taminy ny eveka alemà: ‘Mpanakorontana ireo lazaina hoe Mpianatra ny Baiboly Mazoto [Vavolombelon’i Jehovah] ireo. ... Mpisandoka ireo amiko. Tsy ekeko mihitsy raha ny Katolika alemà no alam-baraka toy izany, noho ny ataon’io Rutherford mpitsara amerikanina io. Foanako ny [Vavolombelon’i Jehovah] eto Alemaina.’ ” Nampian’ilay pretra ilay izy hoe: “Tsara izany!”
10. a) Inona no fanenjehana nihatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny andron’ny Tompo? b) Inona matetika no vokany, rehefa niady tany amin’ny fitsarana ny Kristianina mba hahazoana fahalalahana ara-pivavahana?
10 Niady tamin’ny Kristianina voahosotra sy ny namany foana ilay Menarana sy ny taranany, nandritra ny andron’ny Tompo. Maro tamin’izy ireo no nogadraina sy nenjehina tamin-kabibiana. (Apokalypsy 12:17) ‘Nisaina fampahoriana araka ny lalàna’ foana ireo fahavalo, nefa nanantitrantitra ny vahoakan’i Jehovah hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.” (Salamo 94:20; Asan’ny Apostoly 5:29) Hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1954: “Tany 70 mahery no namoaka didy fameperana na fanenjehana ny vavolombelon’i Jehovah, tao anatin’ny 40 taona farany.” Afaka niady tany amin’ny fitsarana izy ireo indraindray mba hahazoana fahalalahana ara-pivavahana. Nahazo fandresena niavaka izy ireo tany amin’ny tany maro, rehefa nanao izany. Nandresy tamin’ny fitsarana 50, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia fotsiny.
11. Inona no famantarana nomen’i Jesosy momba ny fanatrehany, ka tanteraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mandritra ny andron’ny Tompo?
11 Ny Vavolombelon’i Jehovah no tena manaraka akaiky ilay tenin’i Jesosy mba hanome ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara. (Lioka 20:25; Romanina 13:1, 7) Izy ireo ihany anefa no gadraina any amin’ny tany maro, eo ambany fifehezan’ny fitondrana samihafa. Mbola mitohy izany any amin’ireo tanin’i Amerika, Eoropa sy Afrika, ary Azia. Izao no anisan’ny famantarana nomen’i Jesosy momba ny fanatrehany: “Amin’izany fotoana izany, dia hanolotra anareo ho amin’ny fahoriana ny olona ka hamono anareo ho faty, ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Matio 24:3, 9) Tena tanteraka amin’ny Kristianina Vavolombelon’i Jehovah izany, mandritra izao andron’ny Tompo izao.
12. Inona no nataon’ireo voahosotra toa an’i Jaona mba hanatanjahana ny vahoakan’Andriamanitra, tao anatin’ny fanenjehana?
12 Nanatanjaka ny vahoakan’Andriamanitra mba hiaritra fahoriana ireo voahosotra toa an’i Jaona, ka nampahatsiahy foana momba ny tenin’i Jesosy ho an’ny Kristianina tany Smyrna. Namoaka lahatsoratra, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana, rehefa nanomboka ny fanenjehan’ny Nazia. Anisan’izany ireo tamin’ny 1933 sy 1934, hoe “Aza Matahotra Azy Ireo”, izay niresaka momba ny Matio 10:26-33, sy “Ilay Fitsapana Mivaivay”, niorina tamin’ny Daniela 3:17, 18, ary ilay hoe “Vavan’ny Liona”, niorina tamin’ny Daniela 6:23. Niharam-panenjehana mafy ny Vavolombelona tany amin’ny tany 40 mahery, teo anelanelan’ny 1980 sy 1990, izany hoe tamin’ny fotoana namoahana ity boky ity voalohany. Nanatanjaka azy ireo Ny Tilikambo Fiambenana, izay namoaka lahatsoratra toy ny hoe “Enjehina, Nefa Sambatra!”, sy ny hoe “Miaritra Fanenjehana ny Kristianina.”b
13. Nahoana ny Kristianina Vavolombelon’i Jehovah no tsy matahotra fanenjehana, fa toy ny Kristianina tany Smyrna?
13 Niaritra fanenjehana ara-batana sy fitsapana isan-karazany tokoa ny Kristianina Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ireo folo andro an’ohatra. Tsy natahotra izy ireo, fa toy ireo Kristianina tany Smyrna fahiny. Tsy tokony hatahotra koa isika, na dia miharatsy aza ny olana eto an-tany. Vonona hiaritra fijaliana isika, ary faly mihitsy aza, raha ‘robaina ny fananantsika.’ (Hebreo 10:32-34)
-