“Ilay vehivavy Jezebela”
“MANAN-TENY aminao Aho, satria hianao mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ny sampy.” (Apokalypsy 2:20). Izany no nolazain’i Jesosy tamin’ireo loholona kristiana tany Tyatira. Narisika be io kongregasiona io ary naneho fitiavana sy finoana ary fiaretana. Noleferiny anefa ny fitaomana manimban’i Jezebela. Nahoana? Ary mety hitranga amin’izao andro izao ve ny zavatra toy izany? — Apokalypsy 2:19.
Azo antoka fa tsy nisy olona tena nantsoina hoe Jezebela tany Tyatira. Nampiasa io anarana io i Jesosy mba hampahatsiahivana antsika ny amin’ilay mpanjakavavy nalaza natao hoe Jezebela, vadin’i Ahaba mpanjaka. Io vehivavy nahery loha io dia nanimba tanteraka ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny fampidirana ny fanompoana an’i Bala feno fijangajangana teo amin’ny Isiraely, sy tamin’ny fahavononana ny hanao izay hanafoanana ny fanompoam-pivavahana marina. — 1 Mpanjaka 16:31-33; 21:1-7.
Ilay Jezebela tany Tyatira — na vehivavy iray ihany izany na antokom-behivavy — dia nampirisika toy izany koa ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fanompoan-tsampy teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Nihaino azy ny sasany tao amin’ny kongregasiona satria i Jesosy niresaka ny amin’ireo “zanany”, izay azo antoka fa ireo mpanaraka azy. (Apokalypsy 2:22, 23). Saika nanimba ny kongregasionan’i Tyatira toy ny Isiraely tamin’ny andron’i Ahaba ny fitaomany.
Nahoana no nahery be toy izany ny fitaoman’ilay Jezebela tany Tyatira io? Raha nanao fampitahana tamin’ilay Jezebela fahizay ny sasany dia nihevitra fa izy io dia ny vadin’ilay loholona mpitarika tao Tyatira. Tsy milaza izany anefa ny Baiboly. Ny azo antoka kokoa dia ny hoe ny toetrany nahery sy ny fihamboany ho mpaminanivavy no nanome azy ny toerana sy laza nananany tao amin’ny kongregasiona.
Nisy nanipy hevitra fa ireo fanao ratsy nampirisihany dia nifandray tamin’ireo fikambanam-pivarotana natao hifanampian’ny mpikambana tao aminy. Araka ny filazan’ny Dokotera W. M. Ramsey, dia “maro kokoa ny fikambanam-pivarotana fantatra tao Tyatira noho ireo tany amin’ny tanàna hafan’i Azia.” Izao no lazain’ny Rakibolan’ny Baiboly manazava hevitra (anglisy) momba azy ireo: “Ny fikambanana tsirairay toy izany dia samy nanana ny andriamaniny mpiaro azy avy, ireo andro firavoravoany, ireo fanasany izay lasa fikoranana feno faharatsiam-pitondrantena indraindray. Nety ho nilaza i ‘Jezebela’ fa (...) tsy nilaina homelohina ireny fikoranana ireny satria ny mpiasa rehetra dia tsy maintsy nilatsaka ho isan’ny fikambanana iray mba hahafahany nivelona.” Nanaiky izany Ny Fanazavana ny hevitry ny Testamenta grika (anglisy) ka toa nilaza fa ireo mpanaraka an’i Jezebela dia “nirehareha noho ny falalahan-tsainy nahazo fahazavana.”
Raha ny tena izy, ny fampianaran’i Jezebela tany Tyatira dia nitovy tamin’ny “fampianaran’i Balama” tany Pergamosy. (Apokalypsy 2:14). Niaritra fanenjehana maro ny kongregasionan’i Pergamosy, kanefa ny sasany tao aminy dia nanahaka an’i Balama fahizay tamin’ny fampirisihana ny fijangajangana sy ny fanompoan-tsampy. Nisy nanipy hevitra fa tany Pergamosy, ny fitaoman’i Balama dia nampirisika ny fanekena lembenana mba handosirana ny fanenjehana mafy, fa i Jezebela tany Tyatira kosa dia nampirisika ny fanekena lembenana noho ny antony ara-toekarena. Na inona na inona antony, ireo fampianarana roa ireo dia samy fivadiham-pinoana mitarika ho amin’ny fahafatesana.
Mety hisy ve ankehitriny ny fitaoman’i Jezebela — na ny an’i Balama? Eny tokoa. Mpitarika maro be ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no manahaka an’i Jezebela amin’ny fandeferana ny fisian’ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ny fanalana zaza ary ny zavatra toy izany izay melohin’Andriamanitra, eo anivon’ny kongregasionany. Na dia ao anatin’ny kongregasiona kristiana aza, dia nisy olona vitsivitsy izay nampirisika ny “fanalalahana” ny fanompoam-pivavahana marina, ka nanosika ireo kristiana mba tsy hanaraka akaiky ireo fari-pitsipiky ny Baiboly ary nampirisika ny faharatsiam-pitondrantena mihitsy aza.
Izay rehetra maniry ny hahazo sitraka amin’i Jehovah dia tokony handositra ny fomba fiheverana toy izany, na dia olona — lehilahy na vehivavy — manana toetra mahery na manintona aza no manolotra izany. Izany fomba fiheverana izany dia mbola mitarika ho amin’ny fahafatesana ihany ankehitriny toy ny tamin’ny taonjato voalohany. — Apokalypsy 2:22, 23.