LAHATSORATRA FIANARANA 21
Miresaka Momba ny Hoavinao ny Bokin’ny Apokalypsy
“Amena! Avia, Jesosy Tompo ô!”—APOK. 22:20.
HIRA 142 Fikiro Mafy Ilay Fanantenana
HO HITANAO ATOa
1. Inona no fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy raisin’ny olona rehetra?
MISY fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy raisin’ny olona amin’izao. Hanohana an’i Jehovah Andriamanitra ve ry zareo, ka hiaiky fa izy no manan-jo hitondra an’izao rehetra izao? Sa ry zareo hiandany amin’i Satana Devoly, ilay fahavalony lozabe? Ireo ihany no safidy azo atao, fa tsy misy ankoatra an’ireo. Hisy vokany amin’ny hoavin-dry zareo mandrakizay izay safidy ataony. (Mat. 25:31-33, 46) Hasiana marika ry zareo mandritra ny “fahoriana lehibe” hoe hovonjena sa horinganina.—Apok. 7:14; 14:9-11; Ezek. 9:4, 6.
2. a) Mampirisika antsika hanao inona ny Hebreo 10:35-39? b) Nahoana ny bokin’ny Apokalypsy no manampy antsika?
2 Vakio ny Hebreo 10:35-39. Mety ny fanapahan-kevitrao raha nifidy ny hanohana ny fitondran’i Jehovah ianao. Azo antoka fa te hanampy ny hafa hanao safidy tsara hoatr’izany koa ianao izao. Azonao ampiasaina mba hanaovana an’izany ny fanazavana ao amin’ny Apokalypsy. Resahina ao amin’io boky miavaka io hoe inona no hanjo an’izay manohitra an’i Jehovah. Asongadina ao koa anefa ny fitahiana ho azon’izay tsy mivadika aminy, ka manohana ny fitondrany. Tsara àry raha mandinika an’ireo isika. Vao mainka isika amin’izay ho tapa-kevitra hoe hanompo an’i Jehovah foana. Tsy izay ihany, fa afaka mampiasa an’izay ianarantsika isika mba hanampiana olon-kafa hanao safidy tsara sy tsy hiova amin’izany safidiny izany mihitsy.
3. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?
3 Hamaly an’ireto isika ato: Inona no miandry an’izay manohana ny fitondran’Andriamanitra? Inona kosa no hanjo an’izay miandany amin’ilay bibidia mena midorehitra voaresaka ao amin’ny Apokalypsy?
INONA NO MIANDRY AN’IREO OLONA TSY MIVADIKA?
4. Iza ilay antokon’olona hitan’ny apostoly Jaona miaraka amin’i Jesosy any an-danitra?
4 Nahazo fahitana ny apostoly Jaona. Nahita antokon’olona roa manohana ny fitondran’i Jehovah izy, ary hahazo fitahiana be ry zareo satria hiaina mandrakizay. Miisa 144 000 ilay antokon’olona voalohany. (Apok. 7:4) Avy tetỳ an-tany ry zareo no nalaina mba hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra, ary hitondra ny tany miaraka aminy. (Apok. 5:9, 10; 14:3, 4) Hitan’i Jaona tao amin’ilay fahitana hoe mitsangana miaraka amin’i Jesosy eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra ry zareo.—Apok. 14:1.
5. Inona no hitranga amin’ny sisa amin’ireo 144 000 rehefa afaka kelikely?
5 An’arivony no efa voafidy ho anisan’ireo 144 000 ireo nandritra ny taonjato maro. (Lioka 12:32; Rom. 8:17) Nolazaina tamin’i Jaona anefa hoe vitsivitsy amin’ireo ihany no ho velona eto an-tany mandritra ny andro farany. Hahazo “tombo-kase” farany ireo “sisa” ireo alohan’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe. Midika izany fa hankasitrahan’i Jehovah ry zareo. (Apok. 7:2, 3; 12:17) Hakarina any an-danitra izy ireo avy eo mandritra ny fahoriana lehibe, ka ho tafaraka amin’ny olon-kafa anisan’ny 144 000, izay efa tsy nivadika mandra-pahafatiny. Hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ry zareo any.—Mat. 24:31; Apok. 5:9, 10.
6-7. a) Iza ilay antokon’olona hitan’i Jaona avy eo, ary inona no fantatsika momba an-dry zareo? b) Nahoana no tokony hahaliana ny sisa voahosotra sy ny “vahoaka be” ny Apokalypsy toko faha-7?
6 Rehefa avy nahita an’ilay antokon’olona any an-danitra i Jaona, dia nahita “vahoaka be.” Tsy hoatran’ny 144 000 ry zareo satria tsy voaisa. (Apok. 7:9, 10) Inona no fantatsika momba an-dry zareo? Izao no nolazaina tamin’i Jaona: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry ny akanjony.” (Apok. 7:14) Hiaina eto an-tany io “vahoaka be” io, rehefa tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe, ary hahazo fitahiana be dia be.—Sal. 37:9-11, 27-29; Ohab. 2:21, 22; Apok. 7:16, 17.
7 Voafidy ho any an-danitra ve ianao, sa anisan’ireo ho eto an-tany? Na ahoana na ahoana, hitanao ve hoe mahakasika anao ilay resahin’ny Apokalypsy toko faha-7? Tena tokony ho liana amin’izany ianao. Fotoana mahafinaritra ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra mantsy no resahina ao, na ho any an-danitra izy na ho eto an-tany. Ho faly be isika amin’izay satria nifidy ny hanohana ny fitondran’i Jehovah. Misy zavatra hafa koa anefa resahin’ny Apokalypsy momba ny fahoriana lehibe. Inona izany?—Mat. 24:21.
INONA NO HANJO AN’IZAY MANOHITRA AN’ANDRIAMANITRA?
8. Ahoana no hamantarana fa manomboka ny fahoriana lehibe, ary ahoana no hataon’ny ankamaroan’ny olona?
8 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe tsy ho ela ny fitondram-panjakana eto amin’izao tontolo izao dia hanafika an’i Babylona Lehibe, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra. (Apok. 17:16, 17) Izay no famantarana hoe manomboka ny fahoriana lehibe. Inona no ho vokatr’izany? Hisy olona be dia be hanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah ve amin’izay? Tsy izany mihitsy! Ny mifanohitra amin’izany aza no resahin’ny Apokalypsy toko faha-6. Resahina ao hoe hialokaloka any amin’ny tontolo ara-politika sy ara-barotra ny olona tsy manompo an’i Jehovah mandritra an’io fotoan-tsarotra io. Oharina amin’ny tendrombohitra mantsy izy ireny. Tsy hiandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ry zareo, ka raisin’i Jehovah ho hoatran’ny hoe mpanohitra azy.—Lioka 11:23; Apok. 6:15-17.
9. Nahoana no hiavaka ny vahoakan’i Jehovah mandritra ny fahoriana lehibe, ary inona no ho vokatr’izany?
9 Tena hiavaka ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, mandritra an’io fotoam-pahoriana io. Mbola ry zareo irery ihany mantsy eto an-tany no hanompo an’i Jehovah Andriamanitra, sy tsy hanaiky hanohana an’ilay “bibidia.” (Apok. 13:14-17) Ho tezitra be ny olona manohitra an’i Jehovah rehefa mahita hoe tsy manaiky hivadika mihitsy ry zareo. Izany no hahatonga ny firenena maromaro hitambatra mba hanafika ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany. Fanafihan’i Goga avy any Magoga no iantsoan’ny faminaniana an’izany.—Ezek. 38:14-16.
10. Ahoana no hataon’i Jehovah rehefa misy manafika ny vahoakany, araka ny Apokalypsy 19:19-21?
10 Ahoana no hataon’i Jehovah rehefa hitany hoe misy manafika ny vahoakany? Izao no lazainy: “Ho tezitra be aho.” (Ezek. 38:18, 21-23) Manazava an’izay hitranga aorian’izay ny Apokalypsy toko faha-19. Haniraka ny Zanany i Jehovah mba hiaro ny vahoakany sy handresy ny fahavalony. Hanampy an’i Jesosy ‘ny tafika any an-danitra’, izany hoe ireo anjely tsy mivadika sy ny 144 000. (Apok. 17:14; 19:11-15) Inona no ho vokatr’io ady io? Ho ringana tanteraka ny olona sy ny fikambanana rehetra manohitra an’i Jehovah!—Vakio ny Apokalypsy 19:19-21.
HISY FAMPAKARAM-BADY AORIAN’ILAY ADY
11. Inona ilay fotoana miavaka indrindra resahin’ny Apokalypsy?
11 Mba eritrereto ange ny fihetseham-pon’ireo olona tsy mivadika eto an-tany ireo e! Ho ringana daholo ny fahavalon’Andriamanitra nefa ry zareo tafavoaka velona! Azo antoka fa tsy ho omby tratra ny hafaliany amin’izany! Marina hoe ho faly be ny any an-danitra rehefa ringana i Babylona Lehibe. (Apok. 19:1-3) Mbola misy zavatra hahafaly kokoa an-dry zareo anefa. Io, raha ny marina, ny fotoana miavaka indrindra resahin’ny Apokalypsy. Inona izany? “Ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.”—Apok. 19:6-9.
12. Rahoviana ilay fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, araka ny Apokalypsy 21:1, 2?
12 Rahoviana ilay fampakaram-badin’ny Zanak’ondry? Marina hoe efa any an-danitra daholo ireo 144 000 aloha kelin’ny ady Aramagedona. Mbola tsy amin’izay anefa ilay fampakaram-bady no hatao. (Vakio ny Apokalypsy 21:1, 2.) Hatao aorian’ny Aramagedona kosa izy io, rehefa tsy eo intsony ny fahavalon’Andriamanitra rehetra.—Sal. 45:3, 4, 13-17.
13. Inona no hitranga mandritra an’ilay fampakaram-badin’ny Zanak’ondry?
13 Inona no hitranga mandritra an’ilay fampakaram-badin’ny Zanak’ondry? Mampikambana lehilahy iray sy vehivavy iray ny fampakaram-bady. Hoatr’izany koa ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Mampikambana an’i Jesosy Kristy Mpanjaka sy ilay “ampakarina” izy io, izany hoe ireo 144 000. Amin’io fotoan-dehibe io no hanomboka hitondra ny tany mandritra ny 1000 taona i Jesosy Kristy sy ny 144 000.—Apok. 20:6.
MISY IFANDRAISANY AMIN’NY HOAVINAO ILAY TANÀNA TSARA TAREHY
14-15. Ampitovin’ny Apokalypsy toko faha-21 amin’ny inona ny 144 000? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)
14 Oharin’ny Apokalypsy toko faha-21 amin’ny tanàna tena tsara tarehy ireo 144 000 ireo. “Jerosalema Vaovao” no iantsoana an’io tanàna io. (Apok. 21:2, 9) Manana vato fototra 12 izy io, ary nosoratana teo amin’ireo “ny anarana roa ambin’ny folon’ny apostoly 12, dia ny apostolin’ny Zanak’ondry.” Liana be tamin’izany izao i Jaona. Fa maninona? Satria hitany teo amin’ny iray amin’ireo vato ireo ny anarany. Voninahitra be izany!—Apok. 21:10-14; Efes. 2:20.
15 Tsy misy mitovy amin’io tanàna an’ohatra io mihitsy! Volamena tsy misy fangarony ny lalambe ao, perla 12 ny vavahadiny 12, ary voaravaka vatosoa ny manda sy ny fototr’ilay tanàna. Efamira izy io, satria mitovy tanteraka ny lavany sy ny sakany ary ny haavony. (Apok. 21:15-21) Hoatran’ny misy zavatra tsy ampy anefa. Inona izany? Izao no nolazain’i Jaona avy eo: “Tsy nahita tempoly tao aho, fa i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, sy ny Zanak’ondry, no tempolin’ilay tanàna. Ary tsy nila ny masoandro na ny volana hanazava azy ilay tanàna, fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak’ondry no jirony.” (Apok. 21:22, 23) Ho afaka hifandray mivantana amin’i Jehovah izay anisan’io Jerosalema vaovao io. (Heb. 7:27; Apok. 22:3, 4) I Jehovah sy Jesosy àry no tempoly ao amin’ilay tanàna.
16. Inona no fitahiana ho azon’ny olombelona mandritra ny Fanjakana Arivo Taona?
16 Mahafinaritra ny voahosotra ny misaintsaina momba an’io tanàna io. Ary ahoana ny amin’ny olona manantena hiaina eto an-tany? Tokony ho liana amin’izy io koa ve ry zareo? Izany mihitsy! Hahazo fitahiana be dia be avy amin’i Jerosalema Vaovao mantsy ry zareo, mandritra an’ilay Fanjakana Arivo Taona. Ireny fitahiana ireny ilay “reniranon’ny ranon’aina” hitan’i Jaona. Misy “hazon’aina” koa eo amin’ny andaniny roa amin’ilay renirano. “Natao hanasitranana ny firenena” ny ravin’ireo hazo ireo. (Apok. 22:1, 2) Ho afaka handray soa amin’izany daholo ny olona velona amin’izay fotoana izay, ary ho lavorary tsikelikely izay rehetra mankatò. Tsy hisy intsony ny aretina sy ny fanaintainana ary ny ranomaso vokatry ny alahelo.—Apok. 21:3-5.
17. Iza no handray soa avy amin’ny Fanjakana Arivo Taona, araka ny Apokalypsy 20:11-13?
17 Iza avy no handray soa avy amin’izany fitahiana tsara be izany? Voalohany, ny vahoaka be tafavoaka velona amin’ny Aramagedona, sy izay ankizy mety ho teraka ao amin’ny tontolo vaovao. Mampanantena koa anefa ny Apokalypsy toko faha-20 hoe hatsangana ny maty. (Vakio ny Apokalypsy 20:11-13.) Ho velona eto an-tany indray ny olona “marina” tsy nivadika amin’izay. Hatsangana koa anefa ny “tsy marina”, izany hoe izay olona tsy afaka nianatra momba an’i Jehovah tamin’ny fahavelony. (Asa. 24:15; Jaona 5:28, 29) Midika ve izany hoe hatsangana daholo ny olon-drehetra mandritra ny Fanjakana Arivo Taona? Tsy izany mihitsy! Tsy hatsangana izay tsy nety nanompo an’i Jehovah nefa afaka nanao an’izany. Tsy nahay nanararaotra mantsy izy, ka hita hoe tsy mendrika ny hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Mat. 25:46; 2 Tes. 1:9; Apok. 17:8; 20:15.
ILAY FITSAPANA FARANY
18. Hanao ahoana ny olona eto an-tany, amin’ny faran’ny 1 000 taona?
18 Ho efa lavorary ny olona rehetra eto an-tany, amin’ny faran’ny 1 000 taona. Tsy hisy vokany amin’izy ireo intsony ny fahotana nolovana avy tamin’i Adama. (Rom. 5:12) Efa tsy voaozona noho ny fahotan’i Adama intsony izy ireo. Izay vao tena “velona” àry ny olona eto an-tany, satria efa lavorary amin’ny faran’ny 1 000 taona.—Apok. 20:5.
19. Nahoana no ilaina ilay fitsapana farany?
19 Fantatsika hoe tsy nanaiky hotaomin’i Satana hivadika i Jesosy. Hahavita hoatr’izany koa ve anefa ny olombelona lavorary rehetra, rehefa avela hitsapa an-dry zareo i Satana? Ho afaka hanaporofo an’izany ny tsirairay, rehefa hovahana avy ao amin’ilay lavaka mangitsokitsoka i Satana amin’ny faran’ny 1 000 taona. (Apok. 20:7) Hiaina mandrakizay izay tsy mivadika mandritra an’io fitsapana farany io. Izay ry zareo vao hahazo ny tena fahafahana! (Rom. 8:21) Haringana mandrakizay miaraka amin’ny Devoly sy ny demoniany kosa izay mikomy.—Apok. 20:8-10.
20. Ahoana no fahitanao ny faminaniana mahafinaritra be ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy?
20 Hoatran’ny ahoana ny fihetseham-ponao rehefa avy nandinika tamin’ny ambangovangony ny bokin’ny Apokalypsy? Tsy faly be ve ianao hoe mahakasika anao ilay faminaniana tsara be ao? Lasa te hanasa ny olon-kafa hanompo an’ilay Andriamanitsika koa ve ianao? (Apok. 22:17) Azo antoka izany! Faly be isika satria fantatsika izao hoe inona no hitranga atsy ho atsy. Lasa te hilaza hoatran’ny apostoly Jaona isika hoe: “Amena! Avia, Jesosy Tompo ô!”—Apok. 22:20.
HIRA 27 Haseho Miharihary Ireo Zanak’Andriamanitra
a Ity no lahatsoratra farany amin’ilay andian-dahatsoratra momba ny bokin’ny Apokalypsy. Ho hitantsika ato hoe hanana hoavy sambatra izay tsy mivadika amin’i Jehovah, fa ho ratsy fiafara sy ho afa-baraka kosa izay manohitra ny fitondrany.