Azo adika amin’ny fomba isan-karazany ve ny Baiboly?
“MITSINDROKA etsy sy eroa ao amin’ny Baiboly ianareo mba hanokanana ireo andininy manohana ny filazana hevi-teny araka izay itiavanareo azy.” Izany no fanomezan-tsiny nataon’ny vehivavy iray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tonga nitsidika azy indray andro.
Nefa moa ve ny fampiasana fotsiny andininy nalaina avy amin’ny toerana samy hafa ao amin’ny Baiboly filazana ny hevitry ny Soratra masina araka izay tian’ny tena? Milaza ve izany fa azo adika amin’ny fomba isan-karazany ny Baiboly ka rehefa dinihina dia samy tsara daholo izany heviny omena rehetra izany?
Ny tenin’ny Mpanao azy
Raha iray monja ny Mpanao ny Baiboly, Jehovah Andriamanitra, dia maro kosa ny mpanoratra azy. Tsy mifanipaka mihitsy ny tenin’ireo lehilahy eo amin’ny efapolo ireo ka tsara ny milaza aloha fa manaporofo ny tena maha-loharanon’io boky io an’Andriamanitra izany. Kanefa, tsy misy na dia iray monja amin’izy ireo aza milaza izay rehetra tokony holazaina momba ny foto-kevitra toy izao na izao. Mba hahazoana ny hevitry ny Mpanao ny Baiboly ny amin’ny hevitra hentitra iray àry dia ilaina ny manangona ny andinin-teny rehetra ao amin’ny Soratra masina mifandray amin’izany, ary niezaka hanao izany indrindra ilay Vavolombelona noresahintsika teo ambony.
Marim-pototra ny nataony. Sokafy, ohatra, ny Baibolinao ao amin’ny toko faha-9 amin’ny taratasy ho an’ny Romana. Asehony amin’ny fomba miavaka fa Paoly, kristiana nahatoky, dia nampiasa izany fomba izany koa. Ao amin’io toko iray io ihany, dia in-11 izy no manonona tapany hafa avy ao amin’ny Soratra masina. Nanomboka tamin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly izy, dia nitsambikina ho ao amin’ny faha-39, niverina ho ao amin’ny faha-2, nanonona ny faha-28 rehefa avy eo, ary dia namarana tamin’ny faha-23.a
Miharihary fa ho diso hevitra i Paoly raha naka andininy hivoaka avy amin’ny teny manodidina azy ka nanolana ny heviny mba hampifanitsiana izany amin’ny hevitra manokana, kanefa tena nitandrina izy mba tsy hanao izany. Toa latsaka tao amin’izany fahadisoana izany anefa ny sasany teo amin’ireo kristiana voalohany, satria ny apostoly Petera niresaka ny amin’ny “zavatra saro-pantarina, izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany”. — 2 Petera 3:16.
Mora ny ho diso fandray ny hevitry ny “zavatra saro-pantarina”. Marina koa izany ny amin’ny asan’ny mpanoratra malaza tahaka an’i Shakespeare, izay adika amin’ny fomba samihafa ny zavatra nosoratany, ka miharihary fa tsy mety ho marina daholo akory izany rehetra izany. Tsy mahagaga àry raha tsy maningana amin’izany ny Baiboly. Raha mbola velona i Shakespeare, dia ho mora ny hanontany azy hoe: “Inona marina no tianao holazaina?” Hita avy hatrany fa zavatra tsy azo atao izany, toy ny tsy ahafahana mangataka fanazavana amin’ireo mpanoratra ny Baiboly. Soa ihany anefa fa afaka mitodika any amin’ny Mpanao azy isika, satria velona izy (Salamo 90:1, 2)! Afa-tsy izany koa, dia nanaiky izy ny hanao izany karazam-pitarihana ara-panahy izany ho an’ireo olona manam-pinoana izay hangataka izany aminy. — Lioka 11:9-13; Jakoba 1:5, 6.
Tany Egypta, Josefa, mpanompo mahatokin’Andriamanitra, dia niaiky ny amin’ny maha-zava-dehibe tokoa ny hitadiavana ny fitarihan’Andriamanitra rehefa nisy nangataka azy mba hilaza ny hevitry ny nofy nomen’Andriamanitra ny mpanjaka egyptiana. “Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy?” hoy ny fanontaniany. Rehefa avy nanome ny heviny tsara i Josefa dia nahatsiaro ho voatosika hilaza toy izao i Farao: “Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin’Andriamanitra ao anatiny, va isika?” Nitodika tany amin’i Josefa izy ka nanampy teny hoe: “Satria efa nampahafantarin’Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao.” — Genesisy 40:8; 41:38, 39.
Tsy avy amin’ny Mpanao ny Baiboly akory ny filazana hevi-teny maro mifanipaka izay mampisaratsaraka ankehitriny an’ireo manaraka ny kristianisma, ary tsy avy amin’ireo mpanoratra azy koa. Koa satria mpaminanin’Andriamanitra ireny olona ireny, dia ‘avy tamin’Andriamanitra no nitenenany araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy’. (2 Petera 1:20, 21.) Ireo mpamaky ny Baiboly kosa no tsy manaiky ny fitarihan’ny fanahy masina amin’ny famelana an’Andriamanitra hilaza ny hevitry ny Teniny. Ny hevitry ny tenany ihany no misakana azy ireny tsy hahay hanavaka ny hevitr’ireo fanambaran’ny Mpanao ny Baiboly. Misy ohatra roa ireto:
Inona moa no sazin’ny ota?
Ho an’ireo izay nampianarina izany, ny sazin’ny ota dia ny fampijaliana mandrakizay hampiharina amin’ny mpanota ao amin’ny afobe mirehitra. Raha mamaky ny Apokalypsy 20:10 izay miresaka ny amin’i Satana “natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara” izy ireny, dia milaza ny hevitr’io andininy io mba hanohanana ny heviny. Tsy isalasalana mihitsy fa izany filazana hevi-teny izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny Mpitoriteny 9:5 izay manambara fa ny maty “tsy mba mahalala na inona na inona, sy amin’ny Romana 6:23 izay manaporofo hoe “fahafatesana no tambin’ny ota”, fa tsy fampijaliana. Mety hanontany tena anefa ny sasany hoe nahoana ny Apokalypsy 20:10 no manambara fa Satana (sy ireo azo heverina fa voaviliny) dia “hampijalina andro amin-alina mandrakizay mandrakizay”.
Tamin’ny taonjato I, ny teny grika nadika hoe “mampijaly” — teny ampiasain’i Jaona mpanoratra Baiboly eto — dia nanana heviny ara-panoharana manokana. Koa satria nampijalina indraindray ny mpigadra (na dia nifanohitra tamin’ny lalàn’Andriamanitra aza izany fanao izany), tamin’ny farany ireo mpiambina tranomaizina dia nanjary nantsoina hoe mpampijaly.
Manisy fitenenana ny amin’izany koa ny mpanoratra Baiboly hafa iray rehefa miresaka ny amin’ny mpanompo tsy nahatoky natolotry ny tompony “ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra”. (Matio 18:34.) Izao no ambaran’ny firaketana iray (The International Standard Bible Encyclopedia) momba izany: “Azo inoana fa ny fanagadrana mihitsy no noheverina ho ‘fampijaliana’ (toy izany anefa izy), ary tsy tokony hoheverina ho zavatra hafa fa tsy mpiambina tranomaizina ny ‘mpampijaly’.”
Takatsika àry, amin’ny fampifanitsiana andininy maromaro sy amin’ny fiheverana ny heviny tao amin’ireo fiteny nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany, fa azo atao ny manome ho an’ny andinin-teny iray, heviny mifandrindra amin’ny Soratra masina amin’ny fitambarany. Rehefa esorina izay rehetra mety ho fitompoan-teny fantatra, dia takatra mora foana fa tsy manohana velively ny fampianarana ny amin’ny fampijaliana ao amin’ny afobe ny Apokalypsy 20:10. Izay rehetra mikomy amin’Andriamanitra, amin’ny farany dia hohidiana mandrakizay ao amin’ny fahafatesana. Hiharan’ny fandringanana tanteraka toy ny hoe natsipy tao amin’ny tena farihy afo izy ireny.
Inona no hiafaran’ny tany?
Araka ny 2 Petera 3:10, dia “hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy”. Ho an’ny sasany, ny dikan’ireo teny ireo dia hoe holevonina ny tany indray andro any, angamba amin’ny alalan’ny fandringanana noklehera. Azo inoana anefa ve izany filazana hevitry ny teny izany rehefa heverina izay lazain’ilay Mpanao ny Baiboly any an-toeran-kafa? Rehefa nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra ny mpanao salamo dia nanambara ao amin’ny Salamo 104:5 fa Andriamanitra dia “nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany (...), mba tsy hihetsehany mandrakizay doria”. Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra koa no nanantitranteran’i Solomona mpanjaka hendry toy izao ao amin’ny Mpitoriteny 1:4: “Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.”
Misy hevitra mifanipaka ve amin’izany? Tsy izany velively; tsy afaka manipaka ny teny nataony ny Mpanao ny Baiboly, ilay Andriamanitry ny fahamarinana. Raha izany no izy, ahoana no azo ampifanarahana ireo andininy ireo? Aoka hodinihintsika ny teny manodidina ny 2 Petera 3:10.
Eo amin’ny andininy faha-5 sy 6, dia mampahatsiahy ny safodrano tamin’ny andron’i Noa i Petera ka mampitaha izany, eo amin’ny andininy faha-7, amin’ny fandringanana tsy maintsy ho tonga “amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy”. Inona àry no naringan’ny safodrano? Mamaly toy izao ny andininy faha-6: “Nandravana izao rehetra izao taloha.” Fandehan-javatra ratsy maneran-tany àry no nofaranany, fa tsy ny planeta. Rehefa nampanantena an’i Noa Andriamanitra tatỳ aoriana, ao amin’ny Genesisy 9:11, fa “tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony”, dia miharihary fa tsy niresaka ny amin’ny planeta izy, satria tsy rava io. Araka izany, ny “tany” voatokana ho amin’ny fandravana, araka ny 2 Petera 3:10 dia sahala amin’ny “tany” noravana tamin’ny safodrano: tsy ny planeta Tany akory, fa fitambaran’olona ratsy fanahy. — Jereo Genesisy 11:1, ahitana fampiasana ny teny hoe “tany” mitovy amin’izany.
Na toy inona na toy inona fikarohana ao amin’ny Soratra masina, dia tsy ho hita mihitsy izay andinin-teny ao amin’ny Baiboly manohitra izany filazana hevi-teny izany. Tsy maintsy ho izany àry no heviny omen’ny tenan’ilay Mpanao ny Baiboly.
Nahoana no tsy azo adika araka izay itiavana azy izy io
Ahoana tokoa no mety hoheverin’ny vehivavy mpikarakara tokantrano iray raha azo adika amin’ny fomba samihafa ny voalazan’ny boky fahandroany sakafo? Na inona no ilàna hividy diksionera iray izay hamela ny mpamaky hilaza ny hevitry ny teny araka izay itiavany azy? Hanantena ny hanoloran’Andriamanitra mpitari-dalana toy izany ho an’ny zavaboariny ve ianao? Ary raha izany no izy, ho azo atao ara-drariny ve ny hiantso an’io boky io hoe “mpitari-dalana”?
Ny olona manao ny marina, ireo izay matahotra an’Andriamanitra, dia tsy maniry velively hanolana ny hevitry ny Soratra masina ka ‘hahatonga fahaverezana ho an’ny tenany”. (2 Petera 3:16.) Mba hiarovan-tena amin’izany, dia ataony izay hanangonana ny andininy rehetra mifandray amin’ilay foto-kevitra andramany fantarina ny heviny. Rehefa mahita andinin-teny ao amin’ny Soratra masina manipaka amin’ny fomba hentitra izay noeritreretiny teo aloha izy, dia laviny avy hatrany ireo fiheverany taloha, satria tsy mety ho marina izany izao.
Noho izany toe-tsaina voamariky ny fanetren-tena izany, dia olona an-tapitrisany maro voasaratsaraka teo amin’ny lafin’ny fivavahana taloha no manandrana firaisan-tsaina ara-pivavahana miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Tsy maniry hilaza ny hevitry ny Baiboly araka izay itiavany azy intsony izy ireny, fa vonona ny hanaraka ny filazana heviny mangarangarana omen’ny Mpanao azy.
Manome toky tokoa ny mahafantatra fa tsy azo omena heviny isan-karazany akory ny Baiboly! Raha avelantsika hanolotra antsika ny fanalahidiny ny Mpanao azy, dia manjary tena “mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana” izany. Amin’izay, ary amin’izay ihany, no hanaovany antsika ‘ho tanteraka, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra’. — 2 Timoty 3:16, 17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hita ireo teny nalaina ireo ao amin’ny Romana, toko faha-9, andininy faha-7 (Genesisy 21:12), 9 (Genesisy 18:14), 12 (Genesisy 25:23), 13 (Malakia 1:2, 3), 15 (Eksodosy 33:19), 17 (Eksodosy 9:16), 25 (Hosea 2:23), 26 (Hosea 1:10), 27, 28 (Isaia 10:22, 23), 29 (Isaia 1:9) sy 33 (Isaia 28:16).