Toko 9
Ny Hery Omen’ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty
1. Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona inona avy no misy noho ny fitsanganana amin’ny maty?
RAHA tsy misy fitsanganana amin’ny maty, dia tsy hisy fanantenana fiainan-ko avy ho an’ireo olona maty. Kanefa, noho ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, dia nanokatra ny fahafahana tsy manam-paharoa hanana fiainana mandrakizay, ho an’ireo maty an’arivo tapitrisany maro, i Jehovah. Ho vokatr’izany, isika koa dia manana ny fanantenana mampahery ny ho tafaray indray amin’ireo olon-tiantsika izay matory ao amin’ny fahafatesana. — Ampitahao amin’ny Marka 5:35, 41, 42; Asa. 9:36-41.
2. a) Amin’ny fomba ahoana avy no isehoan’ny fitsanganana amin’ny maty ho zava-dehibe eo amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah? b) Amin’ny fotoana toy inona indrindra ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty no loharanon-kery ho antsika?
2 Noho ny fitsanganana amin’ny maty, i Jehovah dia afaka, nefa tsy hitondra fahavoazana maharitra ho an’ireo mpanompony mahatoky, ny hamela an’i Satana hampihatra ny fara heriny eo amin’ny fiezahany hanaporofo ny fahamarinan’ilay fiampangany feno haratsiam-panahy hoe: “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.” (Joba 2:4). Satria natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia afaka nanolotra ny vidin’ny sorona olombelona nataony, teo anoloan’ny seza fiandrianan’ny Rainy any an-danitra, ho famonjena antsika. Amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty, ireo mpiara-mandova amin’i Kristy dia hampiraisina aminy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Ary ho antsika rehetra manam-pinoana, ny fitsanganana amin’ny maty dia loharanon-kery mihoatra noho ny mahazatra rehefa mandia fisedrana izay mitondra antsika ho eo anoloan’ny fahafatesana isika.
Ny antony maha-fampianarana fototra azy io ho an’ny finoana kristiana
3. a) Amin’ny heviny ahoana ny fitsanganana amin’ny maty no “abidim-pianarana”? b) Midika ho inona ny fitsanganana amin’ny maty ho an’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny?
3 Ny fitsanganana amin’ny maty, araka ny Hebreo 6:1, 2, dia iray amin’ireo “abidim-pianarana”, anisan’ny fototra iorenan’ny finoana, ka raha tsy misy azy io, dia tsy afaka ny ho Kristiana matotra mihitsy isika. Tsy tafiditra ao amin’ny fomba fisainan’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny anefa izy io. Tsy manana fiainana ara-panahy ny olona ka mihamaro aminy no manokana ny fiainany ho an’ny fikatsahana fahafinaretana. Izao fiainana ankehitriny izao ihany no tena misy amin’izy ireo. (1 Kor. 15:32). Ireo izay mifikitra amin’ireo fivavahana efa nisy hatramin’ny ela, na ao anatin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana izany na tsia, dia mihevitra fa manana fanahy (âme) tsy mety maty izy ireo, finoana izay mahatonga ny fitsanganana amin’ny maty ho tsy ilaina. Na iza na iza mitady hampifanaraka ireo hevitra roa ireo dia mahita fa mampisafotofoto azy ilay izy fa tsy manome fanantenana. Ahoana no ahafahantsika manampy ireo izay vonona ny hihaino? — Asa. 17:32.
4. a) Alohan’ny hahafahan’ny olona iray hahatakatra ny atao hoe fitsanganana amin’ny maty, inona no mety hilaintsika horesahina aminy? b) Andinin-teny inona avy no hampiasainao mba hanazavana ny atao hoe fanahy (âme)? Ny toetran’ny maty? d) Ahoana anefa raha mampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly iray izay toa manamaizina ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-teny ireo ny olona iray?
4 Alohan’ny hahafahan’ny olona toy izany hankasitraka fa tena fandaharana mahatalanjona tokoa ny fitsanganana amin’ny maty, dia mila ny mahafantatra izy aloha hoe inona no atao hoe fanahy (âme) sy ny toetran’ny maty. Mazàna dia andinin-teny vitsivitsy monja dia ampy mba hahatonga ireo hevitra ireo hazava tsara ao an-tsain’izay mangetaheta ny fahamarinana. (Gen. 2:7; Ezek. 18:4; Sal. 146:3, 4). Misy fandikan-teny sy fanontana maoderina ny Baiboly sasany anefa manamaizina ireo fahamarinana ireo. Noho izany, dia mety hilaina ny mandinika ireo teny ampiasaina ao amin’ireo fiteny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany.
5. Ahoana no hanampianao ny olona toy izany hahatakatra ny atao hoe fanahy (âme)?
5 Ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia sarobidy indrindra amin’izany, satria tsy miovaova izy fa mandika ilay teny hebreo hoe neʹphesh sy ilay teny grika mifanitsy aminy hoe psy·kheʹ amin’ny hoe “fanahy (âme)” hatrany hatrany. Ankoatra izany, ao amin’ireo pejy fanampiny any amin’ny farany, dia misy lisitry ny andinin-teny maro ahitana ireo teny ireo. Misy fanontana maoderina hafa mety handika ireo teny tany am-boalohany ireo ihany, tsy hoe “fanahy (âme)” fotsiny, fa hoe “zavaboary”, “fisiana”, “olona” ary “fiainana” koa; ny hoe “ny neʹphesh-ko” dia mety hadikany hoe “izaho”, ary ny hoe “ny neʹphesh-nao” hoe “ianao”. Ny fampitahana ireo Baiboly ireo amin’ny fandikan-teny tranainy kokoa na amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia hanampy ny mpianatra tso-po iray hahatakatra fa ireo teny amin’ireo fiteny tany am-boalohany nadika hoe “fanahy (âme)” dia manondro 1) olona, 2) biby ary 3) ny fiainana ananan’ireo. Na oviana na oviana anefa izy io dia tsy mamela hino fa ny fanahy (âme) dia zavatra iray tsy hita maso, tsy azo tsapain-tanana, izay afaka mandao ny vatana amin’ny fahafatesana ka hanohy hanana fisiana misy fahatsiarovan-tena any ho any.
6. a) Nahoana ny fandikan-teny maoderina sasany no mamela ny mpamaky hisafotofoto raha ny amin’ny hevitry ny hoe Sheola, Hadesy ary Gehena? b) Ahoana no hanazavanao amin’ny alalan’ny Baiboly ny toetran’ny olona ao amin’ny Sheola na Hadesy? Ny olona ao amin’ny Gehena?
6 Tsy miovaova toy izany koa ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao eo amin’ny fampiasany ny hoe Sheola izay avy amin’ilay teny hebreo hoe sheōlʹ sy ny fampiasany ny hoe Hadesy izay avy amin’ilay teny grika hoe haʹdes ary ny fampiasany ny hoe Gehena ho an’ny hoe geʹen·na. Misy fandikan-teny sy fanontana maoderina hafa amin’ny Baiboly anefa mampisafotofoto ny mpamaky amin’ny fandikana IREO TENY ROA hoe haʹdes sy geʹen·na amin’ny hoe “afobe”, sy amin’ny fampiasana ny hoe “fasana” sy “tontolo misy ny maty” mba handikana koa ny hoe sheōlʹ sy ny hoe haʹdes. Amin’ny fanaovana fampitahana, rehefa ilaina izany, dia azo atao ny mampiseho fa ny Sheola dia mifanitsy amin’ny Hadesy. (Sal. 16:10, fanamarihana ambany pejy; Asa. 2:27, fanamarihana ambany pejy). Ny Baiboly dia mampiseho mazava tsara fa ny Sheola, na Hadesy, izany hoe ny fasana iombonan’ny olombelona, dia mifandray amin’ny fahafatesana, fa tsy amin’ny fiainana akory. (Sal. 89:48, fanamarihana ambany pejy; Apok. 20:13, fanamarihana ambany pejy). Manondro koa izy fa misy fahatsinjovana ny hiverina avy any, amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty. (Joba 14:13, fanamarihana ambany pejy; Asa. 2:31, fanamarihana ambany pejy). Mifanohitra amin’izany kosa fa tsy misy fanantenana fiainan-ko avy ho an’ireo izay mankany amin’ny Gehena, ary mazava ho azy fa ny fanahy (âme) dia tsy lazaina ho manana fiainana misy fahatsiarovan-tena any. — Matio 18:9, NW; 10:28, fanamarihana ambany pejy.
7. Rehefa azo araka ny tokony ho izy ny atao hoe fitsanganana amin’ny maty, ahoana moa no ahafahan’izy io hanan-kery eo amin’ny fihetsiky ny olona iray sy ny ataony?
7 Raha vao voazava tsara ireo hevitra ireo, dia manjary tena misy heviny ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Azo ampiana amin’izay àry ny olona iray hahatakatra izay mety ho dikan’ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ny tenany manokana. Afaka manomboka mankasitraka ny fitiavan’i Jehovah nanao io fandaharana mahatalanjona io amin’izay koa izy. Ny alahelo tsapan’ireo izay namoy olon-tiana tamin’ny fahafatesana izao dia hosoloan’ny fanantenana feno hafaliana ny ho tafaray indray ao amin’ny Fandehan-javatra Vaovaon’Andriamanitra. Ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia nahatakatra fa ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty dia vato fehizoro iray ho an’ny finoana kristiana. Nanao fanambarana tamin’ny hafa momba azy io sy ny fanantenana nataon’izany azo antoka izy ireo. Toy izany koa, ireo izay mankasitraka azy io amin’izao andro izao dia may ny hizara io fahamarinana sarobidy io amin’ny hafa. — Asa. 5:30-32; 10:40-43; 13:32-39; 17:31.
Ny fampiasana ny ‘fanalahidin’ny hadesy’
8. Inona no dikan’ny fampiasan’i Jesosy “ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny an’ny Hadesy” ho an’ireo mpanara-dia azy voahosotry ny fanahy?
8 Ireo rehetra ho tafaray amin’i Kristy any amin’ny Fanjakany any an-danitra dia tsy maintsy maty amin’ny farany. Kanefa fantatr’izy ireo tsara ilay toky nomeny rehefa nilaza tamin’ny apostoly Jaona izy hoe: “Efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny [an’ny Hadesy, NW ].” (Apok. 1:18). Inona no tiany holazaina tamin’izany? Nanintona ny saina ho amin’izay nitranga tamin’ny tenany izy. Izy koa dia nandia fahafatesana. Kanefa tsy navelan’Andriamanitra tao amin’ny Hadesy izy. Tamin’ny andro fahatelo dia i Jehovah mihitsy no nanangana azy ho amin’ny fiainana ara-panahy ary nanome azy ny tsy fahafatesana. Tsy izay ihany anefa, fa nomen’Andriamanitra azy “ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny an’ny Hadesy” mba hampiasainy ho fanafahana olona hafa koa avy amin’ny fasana iombonan’ny olombelona sy avy amin’ny vokatry ny fahotan’i Adama. Noho izy manana ireo fanalahidy ireo, dia afaka manangana amin’ny maty ireo mpanara-dia azy mahatoky i Jesosy. Rehefa manao izany izy, dia manome an’ireo mpikambana voahosotry ny fanahy ao amin’ny kongregasionany ny tsy fahafatesana ao amin’ny fiainana any an-danitra izay fanomezana sarobidy, tsy misy hafa amin’ny nataon’ny Rainy taminy. — Rom. 6:5; Fil. 3:20, 21.
9. Rahoviana no mitranga ny fitsanganan’ireo Kristiana voahosotra mahatoky amin’ny maty?
9 Rahoviana ireo Kristiana voahosotra mahatoky no hahazo izany fitsanganana amin’ny maty izany? Efa nanomboka izy io. Manazava ny apostoly Paoly fa hatsangana ‘mandritra ny fanatrehan’i Kristy’, izay nanomboka tamin’ny 1914, izy ireo. (1 Kor. 15:23, NW ). Ankehitriny, rehefa mahavita ny fihazakazahany eto an-tany izy ireo, dia tsy voatery hiandry ao amin’ny fahafatesana ny fiverenan’ny Tompony. Raha vantany vao maty izy ireo dia hatsangana ho fanahy, ka ‘hovana vetivety, toy ny indray mipy maso’. Endre ny fahasambaran’izy ireo, satria “ny asany manaraka azy”. — 1 Kor. 15:51, 52; Apok. 14:13.
10. Fitsanganana amin’ny maty hafa inona no hisy, ary rahoviana izany no hanomboka?
10 Tsy ny azy ireo ihany anefa no hany fitsanganana amin’ny maty. Ny fiantsoana azy hoe “fitsanganana voalohany” dia manondro fa misy iray hafa tsy maintsy manaraka. (Apok. 20:6). Ireo izay handray soa avy amin’io fitsanganana farany io dia hanana ny fahatsinjovana mahafaly hiaina mandrakizay eto amin’ny tany Paradisa. Rahoviana izany no hitranga? Ny bokin’ny Apokalypsy dia mampiseho fa izany dia ho aorian’ny nanesorana “ny tany sy ny lanitra” amin’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Efa tena akaiky io faran’ny fandehan-javatra tranainy io. Aorian’izay, amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, dia hanomboka ny fitsanganana eto an-tany. — Apok. 20:11, 12.
11. Iza no ho anisan’ireo olo-mahatoky haverina ho amin’ny fiainana eto an-tany, ary nahoana izany no fahatsinjovan-javatra mampientana aoka izany?
11 Iza no ho voafaokan’izany? Ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky tamin’ny andro taloha indrindra. Anisan’izany, dia hisy lehilahy nanana finoana natanjaka ny fitsanganana amin’ny maty ka “tsy nanaiky hafahana tamin’ny alalan’ny fanavotana iray” — dia fanekena lembenana mba hialana tamin’ny fahafatesana nahery vaika. (Heb. 11:35, NW ). Endre izany ho fahasambarana hahafantatra azy ireny manokana sy hahare azy ireny hitantara mivantana ny tsipirian-javatra momba ireo fisehoan-javatra voalaza fohy fotsiny ao amin’ny Baiboly! Ho anisan’izy ireo i Abela, ilay Vavolombelon’i Jehovah nahatoky voalohany; i Enoka sy i Noa, mpitory tsy nanan-tahotra ny hafatra fampitandreman’Andriamanitra talohan’ny safodrano; i Abrahama, izay nampiantrano anjely; i Mosesy, izay tamin’ny alalany no nanomezana ny Lalàna tany amin’ny Tendrombohitra Sinay; ireo mpaminany be herim-po toa an’i Jeremia, izay nahita ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i.; i Jaona Mpanao Batisa, izay nahare ny tenan’Andriamanitra mihitsy nampahafantatra an’i Jesosy ho Zanany. Ho eo koa ireo olo-mahatoky izay maty mandritra ny andro faran’izao fandehan-javatra ankehitriny izao. — Heb. 11:4-38; Matio 11:11.
12. a) Firy amin’ireo ao amin’ny Hadesy no hatsangana? b) Koa iza àry no ho anisan’izany, ary nahoana?
12 Arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia hatsangana koa ny hafa. Ny hoe hatraiza no hampiasan’i Jesosy ny ‘fanalahidin’ny Hadesy’ ho tombontsoan’ny olombelona dia aseho ao amin’ny fahitana iray nomena ny apostoly Jaona ka nahitany fa ny Hadesy dia “natsipy tany amin’ny farihy afo”. (Apok. 20:12-14, fanamarihana ambany pejy). Inona no tian’izany holazaina? Fa hoe horinganina izy io; fa hoe hitsahatra tsy hisy intsony izy io satria ho nesorina tanteraka ny tao anatiny. Noho izany, ankoatra an’ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky hatsangany, i Jesosy dia hamerina amim-pamindram-po avy any amin’ny Hadesy, na Sheola, na dia ireo olona tsy marina aza. Tsy misy na dia iray amin’izy ireo aza hatsangana mba hotsaraina ka homelohina ho faty indray. Ao amin’ny toe-piainana marina eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hampiana izy ireo mba hampifanaraka ny fiainany amin’ireo lalan’i Jehovah. Ilay fahitana dia nampiseho “bokin’ny fiainana” novelarina, ka hahazo fahafahana hanana ny anarany ho voasoratra ao anatiny izy ireo. Samy ‘hotsaraina araka ny asany’ hataony aorian’ny fitsanganany amin’ny maty avy izy ireo. (Apok. 20:12-14; Asa. 24:15, NW ). Noho izany, raha raisina araka ny ho fiafarany farany, ny azy dia afaka ny ho “fitsanganana ho fiainana” ary tsy voatery ho “fitsanganana ho fahamelohana”. — Jaona 5:28, 29.
13. a) Iza no tsy hatsangana? b) Tokony hanao ahoana ny vokatry ny fahalalana ny fahamarinana momba ny fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny fiainantsika?
13 Mazava ho azy fa tsy hatsangana amin’ny maty avokoa akory izay rehetra niaina teto an-tany. Nisy nanao fahotana izay tsy hahazoany famelan-keloka. Ireo olona hovonoina amin’ny “fahoriana lehibe”, izay efa antomotra izao, dia ho anisan’ireo izay hiharan’ny fandringanana mandrakizay. (Matio 12:31, 32; 23:33, NW; 24:21, 22; 25:41, 46, NW; 2 Tes. 1:6-9, NW ). Noho izany, na dia fanehoana famindram-po tsy misy ohatra izany aza ny fanafahana ireo rehetra ao amin’ny Hadesy, ny fitsanganana amin’ny maty dia tsy manome antony tsy tokony hiraikantsika raha ny amin’ny fomba fiainantsika ankehitriny. Mifanohitra amin’izany kosa, izany dia tokony hanosika antsika hampiseho fa tena velom-pankasitrahana aoka izany isika noho io hatsaram-panahin’Andriamanitra izay tena ho an’ny tsy mendrika akory io.
Mahazo tanjaka noho ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty
14. Amin’ny ahoana ny fitsanganana amin’ny maty no loharanon-tanjaka lehibe ho an’ny olona iray mihamanakaiky ny fiafaran’ny fiainany?
14 Ireo izay manana ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty dia afaka manovo hery lehibe avy aminy. Rehefa mihamanakaiky ny fiafaran’ny fiainany izy ireo, dia mahafantatra fa tsy afaka ny hampihemotra lalandava ny fahafatesana na inona na inona fomba fitsaboana ampiasaina. (Mpit. 8:8). Raha tsy nitsahatra nandray anjara tamin’ny asan’ny Tompo izy ireo nandritra ny fiainany, ka niara-nanompo tamim-pahatokiana tamin’ny fandaminany, dia afaka mibanjina ny hoavy amin-toky tanteraka. Fantany fa, amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty, dia hifaly amin’ny fiainana indray izy amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra. Ary ho fiainana hanao ahoana moa izany! “Ny tena fiainana”, hoy ny filazan’ny apostoly Paoly azy. — 1 Tim. 6:19; 1 Kor. 15:58; Heb. 6:10-12.
15. Raha rahonan’ny mpanenjika mahery setra isika, inona no ho afaka hanampy antsika hihazona ny tsy fivadihantsika eo anatrehan’i Jehovah?
15 Tsy ilay fahafantarana fotsiny fa misy ny fitsanganana amin’ny maty no mahatonga antsika hatanjaka, fa ny fahafantarana hoe iza Ilay Loharanon’izany fandaharana izany. Izany dia manatanjaka antsika mba tsy hivadika amin’Andriamanitra na dia rahonan’ny fahafatesana eo an-tanan’ny mpanenjika mahery setra aza isika. Efa nampiasa ny tahotra ny fahafatesana alohan’ny fotoana hatramin’ny ela i Satana mba hihazonana ny olona ao amin’ny fanandevozana. I Jesosy anefa tsy nanaiky ho resin’io tahotra io; niseho ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah hatramin’ny fahafatesana mihitsy izy. Tamin’ny alalan’ny zavatra notanterahin’ny fahafatesany, dia nanome ny fomba hanafahana ny hafa amin’io tahotra io izy. (Heb. 2:14, 15). Ho vokatry ny finoan’izy ireo an’izany fandaharana izany, dia nanjary nalaza sy niavaka tamin’ny naha-mpihazona tsy fivadihana ireo mpanara-dia azy marina. Rehefa teo ambany fanerena izy ireo, dia nanaporofo fa “tsy nankamamy ny ainy” mihoatra noho ny fitiavany an’i Jehovah. (Apok. 12:11). Tamim-pahendrena dia tsy nitady hamonjy ny ainy ankehitriny tamin’ny fandavana ireo fotopoto-pitsipika kristiana izy ireo, ka hamoy amin’izany ny fahatsinjovana fiainana mandrakizay. (Lioka 9:24, 25). Manana izany karazana finoana izany ve ianao? Hanana izany ianao raha tia marina an’i Jehovah ka nandray am-po ny hevitry ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty ho an’ny tenanao.
Famerenana
● Nahoana ny olona iray no mila ny mahatakatra hoe inona no atao hoe fanahy (âme) sy ny toetran’ny maty, alohan’ny hahafahany hankasitraka ny fitsanganana amin’ny maty?
● Iza no hiverina avy any amin’ny Hadesy? Tokony hanao ahoana ny vokatr’izany eo amintsika?
● Amin’ny ahoana ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty no manatanjaka antsika?