Toko 42
Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao
1. Inona no hitan’i Jaona rehefa nentin’ilay anjely niverina tany am-piandohan’ny Fanjakana Arivo Taona izy?
MITOHY ilay fahitana be voninahitra, rehefa nentin’ilay anjely niverina tany am-piandohan’ny Fanjakana Arivo Taona i Jaona. Inona no hitan’i Jaona? “Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho, fa efa lasa ny lanitra taloha sy ny tany taloha, ary tsy nisy ranomasina intsony.” (Apokalypsy 21:1) Mahaliana ny zavatra hitany!
2. a) Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Isaia momba ny lanitra vaovao sy tany vaovao tamin’ny Jiosy tamin’ny 537 T.K.? b) Ahoana no ahalalantsika fa mbola misy fahatanterahany hafa ny faminanian’i Isaia, ary ahoana no ahatanterahan’ilay fampanantenana?
2 Hoy i Jehovah tamin’i Isaia, taona maro be talohan’izay: “Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.” (Isaia 65:17; 66:22) Tanteraka voalohany io faminaniana io rehefa niverina tany Jerosalema ny Jiosy nahatoky, tamin’ny 537 T.K., taorian’ny fahababoana naharitra 70 taona tany Babylona. Izy ireo no “tany vaovao”, na fiaraha-monina voadio, teo ambany fitondran’ny “lanitra vaovao”, na fitondrana vaovao. Mbola misy fahatanterahany hafa anefa io faminaniana io, araka izao hazavain’ny apostoly Petera izao: “Misy anefa lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.” (2 Petera 3:13) Asehon’i Jaona fa tanteraka mandritra ny andron’ny Tompo io fampanantenana io. Hanjavona “ny lanitra taloha sy ny tany taloha”, na ny rafitra naorin’i Satana sy ny fitondrana tarihin’izy sy ny demoniany. Tsy hisy intsony ny “ranomasina” misamboaravoara, na ny olona ratsy fanahy sy mpikomy. Hisolo azy io ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”, na fiaraha-monina vaovao eto an-tany eo ambany fitondrana vaovao, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.—Ampitahao amin’ny Apokalypsy 20:11.
3. a) Inona no hitan’i Jaona, ary inona ilay Jerosalema Vaovao? b) Inona no dikan’ny hoe “nidina avy any an-danitra” i Jerosalema Vaovao?
3 Hoy ihany i Jaona: “Ary hitako koa ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao, nidina avy any an-danitra avy tany amin’Andriamanitra sady efa voaomana tahaka ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny.” (Apokalypsy 21:2) I Jerosalema Vaovao no ampakarin’i Kristy. Tsy iza io Jerosalema io fa ireo Kristianina voahosotra nahatoky mandra-pahafatiny sy natsangana mba ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Jesosy nomem-boninahitra. (Apokalypsy 3:12; 20:6) I Jerosalema teto an-tany no foiben’ny fitondrana teo amin’ny Israely fahiny. I Jerosalema Vaovao kanto sy ny Mpampakatra azy koa no ho fitondrana, na lanitra vaovao, ao amin’ny tontolo vaovao. Inona kosa no dikan’ilay hoe “nidina avy any an-danitra” ilay ampakarina? Tsy ara-bakiteny izany, fa midika kosa hoe mampifantoka ny sainy amin’ny tany izy. Tsy tokony hivadika amin’ny Zanak’ondry ny ampakariny, fa hanampy azy hitondra ny olombelona amin’ny fahamarinana. Fitahiana ho an’ny tany vaovao tokoa izany!
4. Inona no fampanantenan’Andriamanitra mitovy amin’ilay nataony tamin’ny Israely?
4 Hoy koa i Jaona: “Tamin’izay aho dia nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: ‘Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy.’ ” (Apokalypsy 21:3) Nampanantena toy izao i Jehovah, rehefa nanao ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Israely, firenena vaovao: “Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ny fanahiko hianareo. Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary hianareo ho oloko.” (Levitikosy 26:11, 12) Mampanantena izany amin’ny olona mahatoky koa i Jehovah izao. Ho vahoaka manokana ho azy izy ireo mandritra ny Andro Fitsarana haharitra arivo taona.
5. a) Ahoana no hiarahan’Andriamanitra mitoetra amin’ny olona mandritra ny Fanjakana Arivo Taona? b) Ahoana no hiarahany mitoetra amin’ny olona aorian’ny Fanjakana Arivo Taona?
5 “Hitoetra” vetivety eo amin’ny olona i Jehovah, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, ary hisolo tena azy i Jesosy Kristy, Zanany mpanjaka. Tsy hilaina intsony anefa ny solontena, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, rehefa hatolotr’i Jesosy an-dRainy ny Fanjakana. Hitoetra maharitra eo amin’ny “olony” i Jehovah, ary tsy hisy mpanelanelana intsony amin’izay. (Ampitahao amin’ny Jaona 4:23, 24.) Tombontsoa lehibe izany ho an’ny olona efa lasa lavorary!
6, 7. a) Inona no fampanantenana lehibe nambaran’i Jaona, ary iza no hahazo izany fitahiana izany? b) Inona no nolazain’i Isaia momba ny paradisa ara-panahy sy ara-bakiteny?
6 Hoy indray i Jaona: “Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4) Mampahatsiahy antsika fampanantenana taloha koa izany. Niandrandra ny fotoana tsy hisian’ny fahafatesana sy ny alahelo intsony koa i Isaia, ka ny fifaliana no ho solon’ny alahelo. (Isaia 25:8; 35:10; 51:11; 65:19) Hamafisin’i Jaona izao fa ho tanteraka mandritra ny Andro Fitsarana haharitra arivo taona ireo fampanantenana ireo. Ny vahoaka be no voalohany hahazo fitahiana. “Ny Zanak’ondry, izay eo afovoan’ny seza fiandrianana, dia hiandry azy ... ka hitarika azy ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina. Ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.” (Apokalypsy 7:9, 17) Hiaraka amin’izy ireo ihany anefa, amin’ny farany, izay rehetra hatsangana amin’ny maty, ka mino ny fandaharana nataon’i Jehovah. Hiaina ao amin’ny paradisa ara-panahy sy ara-bakiteny izy ireo.
7 Amin’izany, hoy i Isaia: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladìna ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” (Isaia 35:5, 6) “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” (Isaia 65:21, 22) Tsy hesorina eto an-tany àry ireo olona ireo.
8. Inona no nolazain’i Jehovah mba hampisehoana fa azo atokisana ireo fampanantenana lehibe ireo?
8 Sary kanto no tonga ao an-tsaintsika rehefa misaintsaina an’ireo fampanantenana ireo! Zavatra tsara tokoa no miandry ny olona mahatoky, eo ambany fitondrana hanjakan’ny fitiavana. Tsy mampino ve izany? Ary sao dia nofinofin’ny lahiantitra iray tany an-tsesitany, tany amin’ny nosy Patmo, fotsiny izany? Mamaly i Jehovah hoe: “Ary hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ‘Indro, ataoko vaovao ny zava-drehetra.’ Ary hoy koa izy: ‘Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.’ Ary hoy izy tamiko: ‘Vita! Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana.’ ”—Apokalypsy 21:5, 6a.
9. Nahoana no azo antoka fa ho tanteraka ireo fitahiana ho avy ireo?
9 Toy ny hoe manao sonia antoka iray i Jehovah, momba ireo fitahiana ho avy ireo. Iza no ho sahy hiahiahy Mpanome antoka toy izany? Tena azo antoka ny fampanantenan’i Jehovah, hany ka toy ny efa tanteraka no filazany azy hoe: “Vita!” Tsy i Jehovah tokoa ve ilay antsoina hoe “Alfa sy Omega ... Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Mahery Indrindra”? (Apokalypsy 1:8) Izy tokoa! Izy mihitsy no nilaza hoe: “Izaho no voalohany, ary Izaho no farany; ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.” (Isaia 44:6) Vitany ny maminany sady manatanteraka izany amin’ny an-tsipiriany. Tena manatanjaka ny finoantsika izany! Mampanantena àry izy hoe: “Indro, ataoko vaovao ny zava-drehetra”! Koa aza misalasala hoe: “Ho tanteraka tokoa ve izany?” Anontanio kosa ny tenanao hoe: ‘Inona no tokony hataoko hahazoako izany fitahiana ho avy izany?’
“Rano” ho an’izay mangetaheta
10. “Rano” inona no omen’i Jehovah, ary mifanitsy amin’inona izany rano izany?
10 I Jehovah mihitsy no miteny hoe: “Izay mangetaheta dia homeko maimaim-poana amin’ny loharanon’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 21:6b) Mba hanafahana izany hetaheta izany, dia tokony hiaiky ny olona fa mila an’Andriamanitra izy ka tokony hisotro “ny rano” omen’i Jehovah. (Isaia 55:1; Matio 5:3) “Rano” inona? Namaly izany i Jesosy, rehefa nitory tamin’ny vehivavy iray teo amin’ny lavadrano tany Samaria. Hoy izy: “Fa izay rehetra misotro ny rano homeko azy kosa tsy hangetaheta intsony mihitsy. Fa ilay rano homeko azy dia ho loharano ao anatiny, izay hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.” Avy amin’i Jehovah, ary omeny amin’ny alalan’i Kristy, io “loharanon’ny ranon’aina” io. Ho lavorary sy hahazo fiainana ny olona misotro amin’izy io. Maika higoka ny rano avy amin’izany loharano izany, toy ilay vehivavy samaritanina, ve isika? Tokony ho vonona hamoy izay atolotr’ity tontolo ity, toy io vehivavy io, koa isika, mba hitoriantsika ny vaovao tsara.—Jaona 4:14, 15, 28, 29.
Izay mandresy
11. Inona no fampanantenana nomen’i Jehovah, ary mihatra amin’iza voalohany indrindra izany?
11 Tsy maintsy mandresy koa izay misotro amin’ilay “rano” mamelombelona, araka izao lazain’i Jehovah izao: “Izay mandresy dia handova izany, ka ho Andriamaniny aho ary izy ho zanako.” (Apokalypsy 21:7) Mitovy amin’ny fampanantenana natao tamin’ireo fiangonana fito io fampanantenana io. Koa mihatra voalohany indrindra amin’ny voahosotra àry ireo teny ireo. (Apokalypsy 2:7, 11, 17, 26-28; 3:5, 12, 21) Efa ela ireo voahosotra rahalahin’i Kristy no nanantena ho anisan’i Jerosalema Vaovao. Ho tanteraka ny fanantenan’izy ireo, raha mandresy toa an’i Jesosy izy ireo.—Jaona 16:33.
12. Ahoana no hahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Apokalypsy 21:7 amin’ny vahoaka be?
12 Miandrandra an’io fampanantenana io koa ny vahoaka be avy any amin’ny firenena rehetra. Tsy maintsy mandresy koa izy ireo, ka manompo amim-pahatokiana an’Andriamanitra mandra-pifaran’ny fahoriana lehibe. Hahazo ny lovany eto an-tany izy ireo avy eo, dia ‘ny fanjakana izay nomanina ho azy hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.’ (Matio 25:34) Hantsoina hoe “olona masina” izy ireo, sy ny ondrin’ny Tompo izay tafavoaka amin’ny fitsapana amin’ny faran’ny arivo taona. (Apokalypsy 20:9) Ho anisan’ny fianakaviamben’i Jehovah Andriamanitra izy ireo, ka hoentiny toy ny zanany, ary ho masina ny fifandraisany amin’ilay Mpamorona azy.—Isaia 66:22; Jaona 20:31; Romanina 8:21.
13, 14. Inona avy no fanao tena tokony hialantsika, mba hahitantsika ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra, ary nahoana?
13 Tena tsy tokony ho voaloton’ny tontolon’i Satana mihitsy àry ny Vavolombelon’i Jehovah! Tokony hanana finoana matanjaka isika, sady tsy hanaiky hotarihin’i Satana hiaraka amin’ny olona nolazain’i Jehovah hoe: “Fa ny amin’ny kanosa sy ny tsy manam-pinoana sy ny olona maharikoriko noho ny fitondran-tenany mahamenatra sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy izay mifandray amin’ny fanahy ratsy sy ny mpanompo sampy sy ny mpandainga rehetra kosa, dia ao amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara no anjarany. Tsy inona izany fa ny fahafatesana faharoa.” (Apokalypsy 21:8) Eny, mila miala amin’ny fanao mandoton’ity tontolo ity ny olona te hahazo fitahiana. Mila mandresy izy, ka tsy hivadika mihitsy eo anoloan’ny fanerena sy ny fakam-panahy.—Romanina 8:35-39.
14 Ireo zavatra maharikoriko ireo no fanaon’ny Kristianisma Anarana, nefa izy milaza tena ho ny ampakarin’i Kristy. Haringana mandrakizay, miaraka amin’ny sisa amin’i Babylona Lehibe, izy. (Apokalypsy 18:8, 21) Haringana mandrakizay koa izay anisan’ny voahosotra na vahoaka be, nefa manao ireo zava-dratsy ireo, na mampirisika ny hanaovana azy. Tsy hahita ny fahatanterahan’ireo fampanantenana ireo izy, raha tsy miala amin’izany. Haringana haingana koa izay mitady hampiditra an’ireo fanao ireo ao amin’ilay tany vaovao. Ho any amin’ny fahafatesana faharoa izy, ary tsy antenaina hatsangana amin’ny maty intsony.—Isaia 65:20.
15. Iza avy no mpandresy miavaka, ary fahitana momba ny inona no mamarana ny bokin’ny Apokalypsy?
15 Mpandresy miavaka i Jesosy Kristy Zanak’ondry, sy ny ampakariny, dia ireo 144 000 antsoina hoe Jerosalema Vaovao. Mety tsara àry raha fahitana momba an’i Jerosalema Vaovao no mamarana ny bokin’ny Apokalypsy! Manazava fahitana iray farany izao i Jaona.
[Sary, pejy 302]
Hahafinaritra ny asa sy ny fiarahan’ny rehetra ao amin’ny tany vaovao