HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | APOKALYPSY 20-22
“Ataoko Vaovao ny Zava-drehetra”
Mampanantena i Jehovah fa hataony vaovao ny zava-drehetra.
“Lanitra vaovao”: Fitondram-panjakana vaovao hampanjaka ny fahamarinana eto an-tany
“Tany vaovao”: Ny olona manaiky ny zon’i Jehovah hitondra sady mankatò ny fitsipiny
“Vaovao ny zava-drehetra”: Tsy hijaly intsony ny olona. Hahafinaritra be ny fiainana isan’andro, ka zavatra mahafinaritra foana no hotsaroana