-
Ilay Tanàna MamirapiratraApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Voaravaka vatosoa isan-karazany ny fototry ny mandan’ilay tanàna: Ny fototra voalohany dia jaspa, ny faharoa safira, ny fahatelo kalsedoanina, ny fahefatra emeraoda, ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina sardoanina, ny fahafito krizolita, ny fahavalo berila, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krizoprazy, ny fahiraika ambin’ny folo hiasinta, ny faharoa ambin’ny folo ametista.
-
-
Ilay Tanàna MamirapiratraApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
12. Inona no dikan’ny hoe a) voaravaka vatosoa 12 ny fototr’ilay tanàna? b) perla ny vavahadin’ilay tanàna?
12 Tsara tarehy hatramin’ny fototr’ilay tanàna, satria voaravaka vatosoa 12. Mampahatsiahy antsika ny mpisoronabe jiosy fahiny izany. Nisy andro manokana nisalorany efoda nisy vatosoa 12, mitovitovy amin’ireo voalaza tetsy ambony. (Eksodosy 28:15-21) Tsy kisendrasendra fotsiny izany, fa vao mainka manamafy hoe ho mpisorona ireo anisan’i Jerosalema Vaovao, ary ‘jiro’ manazava azy io i Jesosy Mpisoronabe. (Apokalypsy 20:6; 21:23; Hebreo 8:1)
-