-
Ilay Tanàna MamirapiratraApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
ka hahita ny tavany, ary ho eo amin’ny handrin’izy ireo ny anaran’Andriamanitra.” (Apokalypsy 22:3, 4)
-
-
Ilay Tanàna MamirapiratraApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
28. Nahoana ny anaran’Andriamanitra no voasoratra eo amin’ny handrin’ireo anisan’i Jerosalema Vaovao? Inona no nampanantenaina azy ireo?
28 ‘Mpanompon’Andriamanitra’ sahala amin’i Jaona, ireo ho anisan’ilay tanàna any an-danitra. Noho izany, dia voasoratra mibaribary eo amin’ny handrin’izy ireo ny anaran’Andriamanitra, mba hampisehoana fa i Jehovah no Tompon’izy ireo. (Apokalypsy 1:1; 3:12) Raisin’izy ireo ho tombontsoa tsy hay tombanana ny manolotra fanompoana masina ho azy, amin’ny maha anisan’i Jerosalema Vaovao azy ireo. Izao no nampanantenain’i Jesosy an’ireo ho mpitondra ireo: “Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.” (Matio 5:8) Ho sambatra tokoa ireo mpanompo ireo hahita mivantana an’i Jehovah sy hanompo azy!
-