‘Amin’ny Anaran’ny Fanahy Masina’
“Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny (...) Fanahy Masina”. — MATIO 28:19.
1. Fitenenana vaovao nifandray tamin’ny fanahy masina inona no nampiasain’i Jaona Mpanao batisa?
TAMIN’NY taona 29 am.fan.ir., dia niasa teo amin’ny Isiraely i Jaona Mpanao batisa, nanomana lalana ho an’ny Mesia, ary nandritra ny fanompoany dia nanambara zava-baovao mikasika ny fanahy masina izy. Marina aloha fa efa fantatry ny Jiosy izay nolazain’ny Soratra hebreo mikasika ny fanahy. Mety ho gaga anefa izy ireo rehefa nilaza i Jaona hoe: “Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako (...) no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina”. (Matio 3:11). Fitenenana vaovao tanteraka ny hoe ‘batisa amin’ny fanahy masina’.
2. Fitenenana vaovao mahakasika ny fanahy masina inona no nampidirin’i Jesosy?
2 Ilay ho avy dia i Jesosy. Nandritra ny fiainany teto an-tany, dia tsy tena nanao batisa na iza na iza tamin’ny fanahy masina akory izy na dia niresaka imbetsaka ny amin’ny fanahy aza. Ankoatra izany, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nanisy fitenenana ny amin’ny fanahy masina mbola tamin’ny fomba vaovao hafa iray izy. Nilaza tamin’ireo mpianany izy hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”. (Matio 28:19). Ilay fitenenana hoe “amin’ny anaran’ny” dia midika hoe “ho fanekena ny”. Ny batisa amin’ny rano ho fanekena ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina dia tsy maintsy ho hafa noho ny batisa amin’ny fanahy masina. Izy io koa dia fitenenana vaovao nahatafiditra ny fanahy masina.
Batisa amin’ny fanahy masina
3, 4. a) Oviana no nitranga ny fanaovana batisa tamin’ny fanahy masina voalohany? b) Ankoatra ny nanaovany batisa azy ireo, ahoana no niasan’ny fanahy masina teo amin’ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.?
3 Raha ny amin’ny batisa amin’ny fanahy masina, dia nampanantena toy izao an’ireo mpianany i Jesosy taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra: “Hianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.” (Asan’ny apostoly 1:5, 8). Fotoana fohy taorian’izay, dia tanteraka io fampanantenana io. Nilatsaka teo amin’ny mpianatra 120 nivory tao amin’ny efitrano ambony rihana iray tao Jerosalema ny fanahy masina, rehefa nanao batisa voalohany tamin’ny fanahy masina avy tany an-danitra i Jesosy. (Asan’ny apostoly 2:1-4, 33). Inona no vokany? Tonga anisan’ny tenan’i Kristy ara-panahy ireo mpianatra. Hoy ny nanazavan’ny apostoly Paoly azy hoe: “Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa [azy] rehetra ho tena iray”. (1 Korintiana 12:13). Tamin’izay fotoana izay ihany, izy ireo dia voahosotra ho tonga mpanjaka sy mpisorona amin’ny ho avy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. (Efesiana 1:13, 14; 2 Timoty 2:12; Apokalypsy 20:6). Ny fanahy masina koa dia niasa ho tombo-kase na marika ny amin’io lova ho avy io. Tsy izay ihany anefa. — 2 Korintiana 1:21, 22.
4 Taona vitsivitsy talohan’izay, dia nilaza tamin’i Nikodemosy i Jesosy hoe: “Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. (...) Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy”. (Jaona 3:3, 5). Olona 120 izao no nateraka indray. Tamin’ny alalan’ny fanahy masina, izy ireo dia natsangana ho zanak’Andriamanitra ara-panahy, rahalahin’i Kristy. (Jaona 1:11-13; Romana 8:14, 15). Ireny asan’ny fanahy masina rehetra ireny, amin’ny fombany manokana avy, dia mahatalanjona kokoa noho ny fahagagana. Ankoatra izany, tsy sahala amin’ny fahagagana indray miserana, ny fanahy masina dia tsy nitsahatra tamin’ny nahafatesan’ireo apostoly, fa nanohy niasa tamin’izany fomba izany izy mandraka androany. Tombontsoa ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fananana eo anivony ny farany amin’ireo vita batisa tamin’ny fanahy masina anisan’ny tenan’i Kristy, ka izy ireo dia miasa amin’ny maha-“mpanompo mahatoky sy malina” mba hanome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety. — Matio 24:45-47, MN.
Batisa “amin’ny anaran’ny (...) Fanahy masina”
5, 6. Tamin’ny ahoana ny fanaovana batisa tamin’ny fanahy masina voalohany no nitarika ho amin’ny fanaovana batisa tamin’ny rano?
5 Ahoana anefa ny amin’ilay batisa amin’ny rano nampanantenaina fa hatao amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina? Ireo mpianatra voalohany izay natao batisa tamin’ny fanahy ireo dia tsy nandalo tamin’izany batisa amin’ny rano izany. Efa nandray ny batisa tamin’ny rano nataon’i Jaona izy ireo, ary satria azon’i Jehovah nekena izany tamin’io fotoana manokana io, dia tsy voatery naverina natao batisa indray izy ireo. Tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir. anefa, dia nisy vahoaka maro be natao ilay batisa vaovao tamin’ny rano. Ahoana no nitrangan’izany?
6 Ny fanaovana batisa tamin’ny fanahy masina ireo mpianatra 120 dia narahin’ny tabataba mafy izay nanintona vahoaka maro. Talanjona izy ireo nandre ireo mpianatra niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra, izany hoe fiteny vahiny izay azon’ireo nanatrika teo ny heviny. Nohazavain’ny apostoly Petera fa io fahagagana io dia porofo fa ny fanahin’Andriamanitra dia nalatsak’i Jesosy izay natsangana tamin’ny maty ary efa nipetraka teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra any an-danitra izao. Nampirisika ny mpihaino azy toy izao i Petera: “Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”. Avy eo dia nofaranany ny teniny tamin’ny filazana hoe: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina”. Olona teo amin’ny 3 000 teo ho eo no namaly izany. — Asan’ny apostoly 2:36, 38, 41.
7. Tamin’ny fomba ahoana ireo olona 3 000 natao batisa tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir. no natao batisa tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka, ary ny fanahy masina?
7 Azo atao ve ny milaza fa ireo olona ireo dia natao batisa tamin’ny anaran’ny (ho fanekena ny) Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina? Eny. Na dia tsy nilaza tamin’izy ireo aza i Petera mba hatao batisa amin’ny anaran’ny Ray, dia efa neken’izy ireo ho Mpanjaka Tompo i Jehovah noho izy ireo Jiosy hatrany an-kibon-dreniny, anisan’ny firenena nanolo-tena ho Azy. Hoy i Petera hoe: ‘Aoka ianareo hatao batisa amin’ny anaran’ny Zanaka’. Koa ny batisan’izy ireo àry dia nidika fa nanaiky an’i Jesosy ho Tompo sy Kristy izy ireo. Izao izy ireo dia mpianany ary nanaiky fa ny famelan-keloka dia amin’ny alalany manomboka hatreo. Farany, ilay batisa dia ho fanekena ny fanahy masina, ary izany dia natao ho fanekena ilay fampanantenana hoe handray ny fanahy masina ho fanomezana izy ireo.
8. a) Ho fanampin’ny batisa amin’ny rano, dia batisa hafa iray inona no noraisin’ireo kristiana voahosotra? b) Iza, ankoatra ireo 144 000 no atao batisa amin’ny rano amin’ny anaran’ny fanahy masina?
8 Ireo izay natao batisa tamin’ny rano tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am.fan.ir., dia natao batisa tamin’ny fanahy koa, voahosotra ho mpanjaka sy mpisorona ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra amin’ny ho avy. Araka ny bokin’ny Apokalypsy, dia 144 000 ihany no toy izany. Koa ireo izay natao batisa tamin’ny fanahy masina ary nasiana ‘tombo-kase’ ho mpandova ny Fanjakana amin’ny farany, dia miisa ho 144 000 monja. (Apokalypsy 7:4; 14:1). Na dia izany aza, ireo mpianatra vaovao rehetra — na inona na inona fanantenany — dia atao batisa amin’ny rano amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka, ary ny fanahy masina. (Matio 28:19, 20). Koa milaza inona ho an’ny kristiana rehetra, na “ondry vitsy” izy na “ondry hafa”, àry ny batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina? (Lioka 12:32; Jaona 10:16). Alohan’ny hamaliana izany, dia aoka isika handinika ny sasany amin’ireo asan’ny fanahy amin’ny andro kristiana.
Ireo vokatry ny fanahy
9. Asan’ny fanahy masina inona no zava-dehibe ho an’ny kristiana rehetra?
9 Asa iray lehibe ataon’ny fanahy masina ny fanampiana antsika hampitombo toetra kristiana. Marina fa noho ny tsy fahatanterahana dia tsy afaka ny tsy hanota isika. (Romana 7:21-23). Kanefa, rehefa mibebaka amim-pahatsorana isika, dia mamela antsika i Jehovah mifototra amin’ny soron’i Kristy. (Matio 12:31, 32; Romana 7:24, 25; 1 Jaona 2:1, 2). Ambonin’izany, dia antenain’i Jehovah ny hiadiantsika mafy amin’ny fironantsika hanota, ary manampy antsika hanao izany ny fanahy masina. “Mandehana araka ny Fanahy”, hoy i Paoly, “dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo”. (Galatiana 5:16). Nanohy ny teniny i Paoly tamin’ny fampisehoana fa afaka mamokatra ao amintsika ny tsara indrindra amin’ny toetra ny fanahy masina. Izao no nosoratany: “Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana fahalemem-panahy, fifehezan-tena”. — Galatiana 5:22, 23, NW.
10. Ahoana no itomboan’ireo vokatry ny fanahy ao amin’ny kristiana iray?
10 Amin’ny ahoana ny fanahy masina no mahatonga ny vokatra toy izany hety hisy ao amin’ny kristiana? Izany akory tsy tonga ho azy satria fotsiny hoe kristiana nanolo-tena sy vita batisa isika. Tsy maintsy miezaka ho amin’izany isika. Raha miaraka amin’ny kristiana hafa izay maneho ireny toetra tsara ireny anefa isika, ka mangataka amin’ny vavaka amin’Andriamanitra ny fanahiny masina mba hanampy antsika hampitombo toetra tsara manokana, raha manalavitra ny naman-dratsy isika ary mianatra ny Baiboly mba hahazoana torohevitra sy ohatra tsara, dia hitombo ao amintsika amin’izay ireo vokatry ny fanahy. — Ohabolana 13:20; 1 Korintiana 15:33; Galatiana 5:24-26; Hebreo 10:24, 25.
Notendren’ny fanahy masina
11. Amin’ny fomba ahoana no anendren’ny fanahy masina ireo loholona?
11 Rehefa niresaka tamin’ireo loholona tany Efesosy i Paoly, dia nampiditra hevi-baovao ny amin’ny asa hafa iray ataon’ny fanahy masina rehefa niteny hoe: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny rany [ran’ny Zanany mihitsy, MN]”. (Asan’ny apostoly 20:28). Eny, ireo mpiandraikitra na loholona ao amin’ny kongregasiona dia notendren’ny fanahy masina. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny heviny hoe ireo loholona dia tsy maintsy manana ireo toetra takina voasoratra ao amin’ny Baiboly. (1 Timoty 3:1-13; Titosy 1:5-9). Tsy afaka mampitombo ireo toetra takina ireo izy raha tsy noho ny fanampian’ny fanahy masina. Fanampin’izany, ny kolejin’ny loholona izay manolotra loholona vaovao iray dia mangataka amin’ny vavaka ny fitarihan’ny fanahy masina mba hahaizany manavaka raha manana ireo toetra takina ilay rahalahy na tsia. Ary ny tena fanendrena dia atao eo ambany fanaraha-mason’ny mpanompo mahatoky sy malina voahosotry ny fanahy.
Aoka ianao hotarihin’ny fanahy
12. Ahoana no ahafahan’ny fanahy hanan-kery eo amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly.
12 Miaiky ny kristiana fa ny Soratra masina dia nosoratana teo ambanin’ny herin’ny fanahy masina. Noho izany, dia mandalina izany izy ireo mba hahazoana fahendrena ara-tsindrimandrin’ny fanahy, toy ny nataon’ireo vavolombelon’i Jehovah talohan’ny andro kristiana. (Ohabolana 2:1-9). Mamaky izany izy ireo, misaintsaina azy, ary mamela azy hitarika ny fiainany. (Salamo 1:1-3; 2 Timoty 3:16). Amin’izany izy ireo dia ampian’ny fanahy mba ‘hamantatra ny saina lalina izay an’Andriamanitra’. (1 Korintiana 2:10, 13; 3:19). Ny fitarihana toy izany ny mpanompon’Andriamanitra dia asa lehibe iray ataon’ny fanahin’Andriamanitra amin’izao androntsika izao.
13, 14. Inona no nampiasain’i Jesosy mba handaminana ireo zava-nanahirana tao amin’ny kongregasiona, ary ahoana no anaovany toy izany amin’izao andro izao?
13 Ankoatra izany, ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, i Jesosy natsangana tamin’ny maty dia nandefa hafatra ho an’ny kongregasiona fito tany Azia Minora. (Apokalypsy toko faha-2 sy faha-3). Nampahafantariny tao amin’izany fa nizaha ireo kongregasiona izy ary nahatsikaritra ny toe-piainan’izy ireo ara-panahy. Hitany fa ny sasany dia nanome oha-pinoana tsara dia tsara. Tao amin’ny sasany, ireo loholona dia namela ny hisian’ny fisaratsarahana, ny fahalotoam-pitondrantena, sy ny toetra matimaty hanimba ny andian’ondry. Ny kongregasiona tany Sardisy dia maty ara-panahy, afa-tsy olona nahatoky vitsivitsy monja. (Apokalypsy 3:1, 4). Ahoana no nikarakaran’i Jesosy ireo zava-nanahirana ireo? Tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Rehefa nanome torohevitra ireo kongregasiona fito i Jesosy, dia namarana ny hafatra tsirairay nalefany tamin’ny fitenenana hoe: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana”. — Apokalypsy 2:7, 11, 29; 3:6, 13, 22.
14 Amin’izao andro izao koa, dia mizaha ireo kongregasiona i Jesosy. Ary rehefa mahatsikaritra zava-manahirana izy dia mbola mikarakara izany amin’ny alalan’ny fanahy masina ihany. Afaka manampy antsika ny fanahy mba hamantatra sy handresy mivantana ireo zava-manahirana amin’ny famakiantsika ny Baiboly. Mety ho avy amin’ny zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina voahosotry ny fanahy koa ny fanampiana. Na mety ho avy amin’ireo loholona notendren’ny fanahy ao amin’ny kongregasiona izany. Na inona na inona toe-javatra, na ho an’olon-tokana ilay torohevitra, na ho an’ny kongregasiona amin’ny fitambarany, moa ve isika manaraka ny tenin’i Jesosy hoe: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy”?
Ny fanahy sy ny asa fitoriana
15. Ahoana no niasan’ny fanahy tamin’i Jesosy raha ny amin’ny asa fitoriana?
15 Indray mandeha, rehefa nitory tao amin’ny synagoga tao Nazareta i Jesosy, dia mbola nasehony koa ny asa hafa iray ataon’ny fanahy. Milaza amintsika ilay fitantarana hoe: “Ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: ‘Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina. Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.” (Lioka 4:17, 18, 21; Isaia 61:1, 2). Eny, voahosotry ny fanahy masina mba hitory ny vaovao tsara i Jesosy.
16. Tamin’ny taonjato voalohany, tamin’ny ahoana ny fanahy masina no tafiditra lalina teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara?
16 Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia nambaran’i Jesosy mialoha ny amin’ny fiezahana manokana iray lehibe eo amin’ny fitoriana hotanterahin’ireo mpanara-dia azy. Hoy izy: “Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha”. (Marka 13:10). Tanteraka voalohany ireo teny ireo tamin’ny taonjato voalohany, ary tsara homarihina ny anjara asan’ny fanahy masina tamin’izany. Ny fanahy masina no nitarika an’i Filipo mba hitory tamin’ilay ionoka etiopiana. Nitarika an’i Petera tany amin’i Kornelio ny fanahy masina, ary izy io no nitarika ny fanirahana an’i Paoly sy i Barnabasy tamin’ny naha-apostoly avy tany Antiokia. Tatỳ aoriana, rehefa naniry ny hitory tany Azia sy Bitynia i Paoly, dia nanakana azy tsy hanao izany tamin’ny fomba iray ny fanahy masina. Nirin’Andriamanitra hikisaka hankany Eoropa ny asa fanambarana. — Asan’ny apostoly 8:29; 10:19; 13:2; 16:6, 7.
17. Ahoana no mahatafiditra ny fanahy masina eo amin’ny asa fitoriana?
17 Amin’izao andro izao, dia tena tafiditra lalina tokoa amin’ny asa fitoriana indray ny fanahy masina. Ho fahatanterahan’ny Isaia 61:1, 2 koa, ny fanahin’i Jehovah dia nanosotra ireo rahalahin’i Jesosy mba hitory. Amin’ny fahatanterahan’ny Marka 13:10 farany, ireo voahosotra ireo, ampian’ny olona betsaka, dia hitory ny vaovao tsara any amin’ny “firenena rehetra” ara-bakiteny. (Apokalypsy 7:9). Ary manohana azy rehetra amin’izany ny fanahy. Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, izy io dia manokatra faritany ary mitarika ny fandrosoana ankapoben’ilay asa. Manatanjaka ny isam-batan’olona izy amin’ny fanampiana azy handresy ny fahasarotan-kenatra sy hampitombo ny fahaizany mampianatra. Ambonin’izany, dia nilaza tamin’ny mpianany toy izao i Jesosy: “Ary ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa. Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo (...) Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo”. — Matio 10:18-20.
18, 19. Amin’ny fomba ahoana no iarahan’ny fanahy amin’ny ampakarina amin’ny fanasana ireo mpandefitra mba “hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina”?
18 Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia antitranterin’ny Baiboly indray ny fidiran’ny fanahy masina ao amin’ny asa fitoriana. Ao ilay apostoly dia nanoratra hoe: “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina”. (Apokalypsy 22:17). Ny ampakarina izay asehon’ny sisa amin’ny 144 000 mbola eto an-tany, dia manasa ny rehetra mba hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. Mariho anefa fa, ny fanahy masina koa dia miteny hoe “Avia”. Amin’ny fomba ahoana?
19 Amin’ny heviny hoe: ilay hafatra torin’ny kilasin’ny ampakarina — izay ampian’ny olona betsaka amin’ny ondry hafa — dia avy amin’ny Baiboly, nosoratana teo ambanin’ny herin’ny fanahy masina mivantana. Ary io fanahy io ihany no nanokatra ny fo sy ny sain’ny kilasin’ny ampakarina mba hahatakarany ilay Teny ara-tsindrimandry sy hanazavany izany amin’ny hafa. Ireo izay vita batisa amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy Kristy vaovao azy, dia finaritra misotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina. Ary mientam-po izy ireo miara-miasa amin’ny fanahy sy ny ampakarina amin’ny filazana hoe “Avia” amin’ny hafa. Amin’izao andro izao, dia maherin’ny efatra tapitrisa no mandray anjara amin’io asa io miaraka amin’ny fanahy.
Aoka isika hiaina mifanaraka amin’ny batisantsika
20, 21. Ahoana no ahafahantsika miaina mifanaraka amin’ny batisantsika amin’ny anaran’ny fanahy masina, ary ahoana no tokony hiheverantsika an’io batisa io?
20 Ny batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina dia fanambarana iray ampahibemaso fa ekentsika ny fanahy masina ary ekentsika ny anjara asany ao amin’ny fikasan’i Jehovah. Izany dia milaza fa hiara-miasa amin’ny fanahy isika, tsy hanao na inona na inona mba hanakanana ny fiasany eo amin’ny vahoakan’i Jehovah. Amin’izany isika dia manaiky sy miara-miasa amin’ny mpanompo mahatoky sy malina. Miara-miasa amin’ilay fandaharana nanasiana loholona ao amin’ny kongregasiona isika. (Hebreo 13:7, 17; 1 Petera 5:1-4). Miaina noho ny fahendrena ara-panahy fa tsy ara-nofo isika ary avelantsika ny fanahy hamolavola ny toetrantsika, hanao izany hitovy kokoa amin’ny an’i Kristy. (Romana 13:14). Ary hiaraka amim-pahatsorana tanteraka amin’ny fanahy sy ny ampakarina isika amin’ny filazana hoe “Avia” amin’ireo olona an-tapitrisany maro izay mbola mety hanaiky.
21 Zava-dehibe toy inona moa izany hoe atao batisa ‘amin’ny anaran’ny fanahy masina’ izany! Fitahiana toy inona anefa no mety ho vokany! Enga anie ny isan’ireo izay atao batisa toy izany hitombo hatrany. Ary enga anie isika rehetra hanohy hiaina mifanaraka amin’ny hevitr’izany batisa izany, eo am-panompoantsika an’i Jehovah ary amin’ny fetezantsika “harehitry ny fanahy” hatrany. — Romana 12:11, MN.
Inona no Tadidinao Momba ny Fanahy Masina?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no niasan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.?
◻ Ahoana no ahafahantsika mamokatra ireo vokatry ny fanahy?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no anendren’ny fanahy masina ireo loholona?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no ikarakaran’i Jesosy ireo zava-manahirana ao amin’ny kongregasiona amin’ny alalan’ny fanahy masina?
◻ Ahoana no mahatafiditra lalina ny fanahy masina amin’ny asa fitoriana?
[Sary, pejy 15]
Ilay batisa notorin’i Petera dia tamin’ny anaran’ny Ray sy ny fanahy masina koa
[Sary, pejy 17]
Tafiditra lalina amin’ny asa fitoriana ny vaovao tsara ny fanahy