“Aoka izay rehetra mahare hilaza hoe: ‘Avia!’”
“Ny fanahy sy ny ampakarina tsy mitsahatra milaza hoe: ‘Avia!’ ary aoka izay rehetra mahare hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay rehetra mangetaheta; ary izay rehetra mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” — APOKALYPSY 22:17, MN.
Mandritra ny taona ho avy manontolo, ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maherin’ny 200 maneran-tany dia hiezaka mafy araka ny teny fototra noraisiny ho amin’ny 1991 manao hoe: “AOKA IZAY REHETRA MAHARE HILAZA HOE: ‘AVIA!’”
1. Ho amin’ny “rano” inona no anasana antsika mba ho “avy”?
ASAINA ianao mba “ho avy”! Ho avy hanao inona? Ho avy mba hanala ny hetahetanao amin’ny rano. Tsy rano tsotra fotsiny akory izany fa ilay rano noresahin’i Jesosy Kristy rehefa niteny tamin’ilay vehivavy samaritana teo am-pantsakana izy nanao hoe: “Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” (Jaona 4:14). Taiza no nahazoan’i Jesosy io “rano” io?
2. Inona no loharanon’ilay “rano”, ary aorian’ny hitrangan’ny fisehoan-javatra inona ihany izy io vao afaka ny hikoriana?
2 Nahazo tombontsoa hahita tamin’ny fahitana ilay loharano nivoahan’io “rano” io ny apostoly Jaona, araka ny nomarihiny ao amin’ny Apokalypsy 22:1 manao hoe: “Izy naneho ahy onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry”. Eny, ny loharanon’io rano madio manganohano misy foto-javatra manome fiainana io dia tsy iza fa ilay Mpanome ny fiainana ihany, dia i Jehovah mihitsy, izay manao azy io ho azo raisina amin’ny alalan’ny Zanak’ondry, dia i Jesosy Kristy. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 21:6.) Koa satria voatonona eo ny “seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny [an’ny, MN] Zanak’ondry”, dia tsy maintsy ho taorian’ny nanorenana ny Fanjakana mesianika tamin’ny 1914, izany hoe, taorian’ny nanombohan’ny Andron’ny Tompo, no nanomboka nikoriana ilay ranon’aina. — Apokalypsy 1:10.
3, 4. Mampiseho inona ilay “rano”, ary azon’iza raisina izy io?
3 Mariky ny inona io ranon’aina io? Izy io dia sary mampiseho ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hamerenana indray ny fiainan’olombelona tanteraka, dia fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana eo amin’ny tany voaova ho paradisa. Ilay ranon’aina dia mampiseho ireo fandaharana rehetra ho amin’ny fiainana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Azo raisina avokoa ve izy rehetra ireo izao? Tsia, tsy izy rehetra akory, satria tsy maintsy esorin’Andriamanitra aloha ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny miaraka amin’ny mpanapaka azy tsy hita maso, dia i Satana Devoly. Kanefa azontsika atao ny maka amin’izay azo raisina amin’io “rano” io izao amin’ny fihainoana sy fankatoavana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy amin’ny fampifanarahana ny fiainantsika aminy. — Jaona 3:16; Romana 12:2.
4 Araka izany, rehefa avy nampiseho ilay ‘onin’aina’ an’i Jaona i Jesosy, dia niresaka tamin’i Jaona momba ny Fikasany handefa ny Anjeliny hiaraka amin’ilay fahitana. Avy eo i Jaona dia nahare izao fanambarana izao: “Ny fanahy sy ny ampakarina tsy mitsahatra milaza hoe: ‘Avia!’ ary aoka izay rehetra mahare hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay rehetra mangetaheta; ary izay rehetra mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 22:17, MN). Noho izany, ny mpanompon’Andriamanitra dia manolotra ny fanasana ho an’ireo mangetaheta mba hanombohany hisotro amin’ireo fandaharan’Andriamanitra natao hahazoana fiainana mandrakizay eto an-tany amin’ny alalan’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra. — Jaona 1:29.
Nipoitra ny ilàna ranon’aina
5. Tamin’ny ahoana no nanjary nilan’ny taranak’olombelona io fandaharana nataon’Andriamanitra io?
5 Mampalahelo fa ireo ray aman-drenin’ny fianakavian’olombelona voalohany dia tsy nifikitra tamin’ny lalan’ny fiainana izay ho nanome ny taranany ny fahafahana hankamamy fiainan’olombelona tanteraka ao amin’ny fonenana paradisa. Ny hahazoan’ny taranak’olombelona fiainana mandrakizay dia nitaky ny hanaovan’i Adama ny safidy mitory fahaiza-misaina ny hanompo sy hankatò ny Mpamorona azy. Teo ambanin’ny fitaoman’ny zavaboary ara-panahy mpikomy iray, i Eva dia nanao ny dingana voalohany izay niteraka fahafatesana ho an’ny taranak’olombelona, ary i Adama vadiny tanteraka dia nifidy ny hanaraka azy teo amin’io lalana nitondra fahafatesana io. Araka izany, tamin’ny naha-mpampita ny aina voajanahary azy ho an’ireo taranaka nanaraka teo amin’ny olombelona, dia i Adama no tena ilay nampiditra ny asan’ny fahafatesana teo amin’ny fianakavian’olombelona manontolo. Izany no amakiantsika toy izao ao amin’ny Baiboly: “Izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12). Taorian’ny nahatafalatsaka an’i Adama sy i Eva tao anatin’ny ota no nanombohan’izy ireo nampitombo ny isan’ny mpianakavy teo amin’ny fianakavian’olombelona. — Salamo 51:5.
6. Nahoana i Jehovah no nanao fandaharana mba hahatonga ilay “rano” ho azo raisina?
6 Moa ve Andriamanitra voasakana mandrakizay teo amin’ny fanatanterahana ny fikasany hanao ny tany ho paradisa iray feno olombelona tanteraka? Ny valiny ao amin’ny Baiboly dia mazava ho azy fa tsia! Na dia izany aza, mba hahafahana manatanteraka ny fikasany, i Jehovah dia nanao fandaharana feno fitiavana izay hanafoana ny tsy fahombiazana nampidi-dozan’i Adama ary anefa mbola hifanaraka tanteraka amin’ny rariny sy ny fahamarinana, izay Izy mihitsy no fototra sy fahafenoan’ny fisehoan’izany. Manao izany amin’ny alalan’ny “onin’ny ranon’aina” izy. Amin’ny alalany, izy dia hamerina ny fiainan’olombelona tanteraka amin’ny taranak’olombelona mankatò, izay namoy ny lalana mankany amin’ny Loharanon’ny fiainana. Hikoriana amin’ny heviny feno indrindra io ony io mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy. Noho izany, mandritra ny Fanapahana arivo taonan’i Kristy, ny olombelona, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty, dia tsy maintsy misotro amin’ny “onin’ny ranon’aina”. — Ampitahao amin’ny Ezekiela 47:1-10; Asan’ny apostoly 24:15.
7. Inona no fototra nanaovana io fandaharana ny amin’ny “rano” io?
7 Mankamamy ny fiainany manokana i Jehovah, sady mankamamy ny fanomezana tombontsoa hanana fiainana misy fahaiza-misaina ho an’ny sasany amin’ireo zavatra noforoniny. Ny fototr’ireo fandaharana manome fiainana avy amin’i Jehovah dia ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Marka 10:45; 1 Jaona 4:9, 10). Tafiditra amin’izany koa ny Tenin’Andriamanitra, izay antsoin’ny Baiboly indraindray hoe “rano”. (Efesiana 5:26). Afaka miteny malalaka hoe: “Avia!” i Jehovah Andriamanitra amin’ireo zavaboary olombelona, izay mijaly noho ny famoizana ireo fandaharana tany am-boalohany nataon’Andriamanitra ho an’ireo mpivady olombelona tanteraka, dia i Adama sy i Eva.
Manolotra ilay fanasana hoe: “Avia!” ny kilasin’ny ampakarina
8. Tamin’ny alalan’iza ary oviana no nanomezana voalohany io “rano” io?
8 Ny voalohany manolotra ilay fanasana hoe: “Avia!” dia ireo izay mahaforona, amin’ny heviny ara-panoharana, ny ampakarin’ny Zanak’ondry, ny Zanak’i Jehovah ara-panahy lahimatoa. (Apokalypsy 14:1, 3, 4; 21:9). Ny ampakarin’i Kristy ara-panahy dia tsy miteny hoe: “Avia!” amin’ny tenany ihany akory, izany hoe amin’ireo izay mbola hangonin’i Jehovah Andriamanitra ho anisan’ny kilasin’ny ampakarina mba hamenoana ny isa 144 000. Ireo teny fanasana ireo dia atolotra ny olombelona izay manantena ny hahazo ny fiainan’olombelona tanteraka eto an-tany aorian’ny Haramagedona. (Apokalypsy 16:14, 16). Mandritra izao fifaranan’ny fandehan-javatra izao izay nanomboka tamin’ny 1914, dia nahare ilay fanasana natolotry “ny ampakarina” niaraka tamin’ny fanahy masin’Andriamanitra isika.
9. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy ho an’antokon’olom-bitsy iray monja izy io?
9 Mampientana tokoa fa ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa hisy “olona betsaka tsy tambo isaina” hamaly ny fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ary hiandany mafy amin’io fitondran’ny mpanjaka io. (Apokalypsy 7:9, 10, 16, 17). Iray amin’ireo olona betsaka ireo ve ianao? ‘Aoka àry izay rehetra mahare hilaza hoe: “Avia!” ’
Ny fanahy sy ny ampakarina milaza hoe: “Avia!”
10. Avy aiza no tsy maintsy iavian’ilay rano ara-panoharana, ary nahoana?
10 Nahoana anefa no tsy voatonona ao amin’ny Apokalypsy 22:17 Andriamanitra sy ilay Mpampakatra ara-panoharana? Voalohany indrindra aloha, dia mariho fa tsy milaza ilay andinin-teny hoe eo ambanin’ny fitarihan’iza ny fanahy no miasa. Kanefa, ny firesahana ny amin’ny fanahy dia mampitodika ny saintsika ho amin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy. Tsy hoe tsy noraharahaina akory ny Ray, satria ny Loharanon’ny fanahy masina mihitsy izy. Faharoa manaraka izany, ny Zanaka dia miara-miasa amin’ny fomba feno amin’ny Rainy, araka ny nolazain’ny tenany ihany hoe: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray”. (Jaona 5:19). Fanampin’izany, na dia fanambarana azo tamin’ny tsindrimandry, izay avy any amin’i Jehovah Andriamanitra ny fototra iaviany, aza io fanasana io, ny olombelona dia afaka mahazo fitarihana avy amin’Andriamanitra, na “teny azo tamin’ny tsindrimandry”, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, izay “ny Teny”. (Apokalypsy 22:6, MN; ary koa 22:17, MN, misy fakàn-teny, fanamarihana ambany pejy; Jaona 1:1). Mety àry raha mampifandray an’i Kristy, ilay Mpampakatra, amin’io fanasana io isika. Eny, afaka mahazo antoka isika fa i Jehovah Andriamanitra, ny Rain’ny Mpampakatra, sy i Jesosy Kristy, ny Mpampakatra, dia miaraka amin’ny “Ampakarina” amin’ny alalan’ny fanahy masina amin’ny filazana hoe: “Avia.”
11, 12. a) Inona ireo zavatra nanondro tany aloha fa hitarina ilay fanasana hisotro? b) Tamin’ny ahoana ilay raharaha no nihanazava hatrany arakaraka ny fandehan’ireo taona?
11 Mandritra ny am-polony taona maro io fanasana hoe: “Avia!” io dia nankany amin’ireo olona mangetaheta ny “ranon’aina”. Na dia tany amin’ny 1918 aza, ny kilasin’ny ampakarina dia efa nanomboka nitory hafatra iray izay nahakasika manokana ireo izay mety hiaina eto an-tany. Izany dia ilay lahateny ampahibemaso nitondra ny lohateny hoe “Mety tsy ho faty mihitsy ny olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny”. Izy io dia nanolotra fanantenana fa hisy olona maro ho tafita velona amin’ny Haramagedona ary aorian’izany dia hahazo fiainana mandrakizay eto amin’ny tany paradisa eo ambanin’ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra. Io hafatra io anefa, dia tsy nampiseho tamin’ny fomba hentitra ny lalana ho amin’io tombontsoa ny ho tafita velona io, afa-tsy amin’ny alalan’ny fahamarinana ankapobeny fotsiny.
12 Mba hanatrarana olona maro kokoa ihany amin’ilay fanasana hoe: “Avia!”, tamin’ny 1922, ilay hafatra dia nalefa tany amin’izay rehetra liana ny hanompo an’Andriamanitra tamin’ny hoe: “Ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakana.” Tamin’ny 1923, ny kilasin’ny ampakarina dia nahatakatra fa miseho alohan’ny Haramagedona “ny ondry” sy “ny osy” ao amin’ny fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Matio 25:31-46. Avy eo, tamin’ny 1929, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Martsa, dia nanana ny lahatsoratra fototra hoe “Fanasana feno hatsaram-panahy”. Ny andinin-teny fototra tamin’izany dia ny Apokalypsy 22:17, MN, ary nampisongadina ny andraikitry ny kilasin’ny ampakarina hanolotra ilay fanasana hoe: “Avia!” izy io. — Pejy faha-87-89.a
Mandray anjara amin’ny filazana hoe: “Avia!” ny ondry hafa
13, 14. Nandritra ireo taona 1930, fanazavana fanampiny inona no nomena ny amin’ny hoe hisy hafa hisotro amin’ilay rano ara-panoharana?
13 Fanampin’izany, vao tany amin’ny 1932, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) dia efa nampiseho ny andraikitry ny “ondry hafa” hilaza indray kosa hoe: “Avia!” (Jaona 10:16). Tao amin’ny nomeraony tamin’ny 1 Aogositra, pejy faha-232, ny fehintsoratra faha-29 dia nanambara hoe: “Ny Vavolombelon’i Jehovah izao dia manana zotom-po sahala amin’ny an’i Jeho ary tokony hampirisika ny kilasin’i Jonadaba [ondry hafa] mba hiray dia aminy ka handray anjara amin’ny fanambarana amin’ny hafa fa efa antomotra ny fanjakan’Andriamanitra.” Avy eo, rehefa avy nanonona ny Apokalypsy 22:17, ilay fehintsoratra dia nanao hoe: “Aoka ireo voahosotra hampirisika izay rehetra maniry izany mba handray anjara amin’ny filazana ny vaovao tsaran’ilay fanjakana. Tsy voatery ho voahosotry ny Tompo ireo mba hanambarana ny hafatry ny Tompo. Fampiononana lehibe ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mahafantatra izao fa omena lalana izy ireo hitondra ny ranon’ny fiainana any amin’ny kilasin’olona izay mety hotarihina hamakivaky ny Haramagedona ka homena fiainana mandrakizay eto an-tany noho ny hatsaram-pon’i Jehovah tsy hita lany.”b
14 Nanomboka tamin’ny 1934, ny sisa voahosotra dia nampiseho fa ireo ondry hafa ireo dia tsy maintsy manao fanolorana ny tenany ho an’Andriamanitra izao ary hanamarika izany fanoloran-tena izany amin’ny batisa amin’ny rano ka avy eo, dia hiaraka amin’ny kilasin’ny ampakarina amin’ny filazana hoe: “Avia!” amin’ny hafa mangetaheta ihany koa. Araka izany, izao dia nisy fanasana iray nazava tsara natolotry ny kilasin’ny ampakarina ho amin’ny fanangonana ireo ondry hafa mangetaheta ireo hahaforona “andiany iray” eo ambany fitarihan’ny ‘Mpiandry iray ihany’, dia i Jesosy Kristy. (Jaona 10:16). Tamin’ny 1935, ny sisa voahosotra dia nihetsi-po nahare tany amin’ny fivoriambe fanaon’izy ireo tamin’io taona io fa ilay kilasin’olona toy ny ondry izay ilazany hoe “Avia!” raha ny tena izy dia ireo “olona betsaka” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17 ihany. Izany dia nanome azy ireo hery lehibe nanosika azy hanao ilay asa fanasana.
15. Amin’ny ahoana no mahatafiditra “ny fanahy” ao amin’ilay fanasana hoe: “Avia”?
15 Tamin’ny filazana hoe: “Avia!”, ny kilasin’ny ampakarina dia nifanaraka tamin’ny fanahin’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny fanahiny izay nampahafantatra ny hevitr’ireo faminanian’ny Teniny voasoratra, izy dia nanao izay hanoloran’ny kilasin’ny ampakarina ilay fanasana. Ireo faminaniana ireo, izay iorenan’ny fanasany, dia azo tamin’ny tsindrimandrin’ny fanahin’Andriamanitra. Ny fanahin’Andriamanitra nirotsaka tamin’ny alalan’i Kristy sy ny ampakariny àry, raha ny tena izy, no nilaza tamin’ny olona betsaka toy ny ondry hoe: “Avia!” — Apokalypsy 19:10.
16. Amin’ny ahoana ny fanahy sy ny ampakarina no mifandray amin’ilay fanasana ankehitriny?
16 Hatramin’izao, ny fanahy sy ny ampakarina, asehon’ny sisa, dia “tsy mitsahatra milaza hoe: ‘Avia!’ ” Ny sisa dia miteny amin’ireo ondry hafa ireo mba hanasa olon-kafa koa mba ho ‘avy’. Tsy tokony hihazona ny “ranon’aina”, araka izay azontsika raisina ankehitriny, ho an’ny tenany izy ireo. Tsy maintsy mankatò ny baiko avy any amin’ny “fanahy sy ny ampakarina” izy ireo, baiko manao hoe: “Aoka izay rehetra mahare hilaza hoe: ‘Avia!’ ” Izay rehetra efa afa-ketaheta dia tsy maintsy mampiely ilay fanasana. Tsy maintsy manolotra azy io amin’ny olona rehetra izy ireo, ka tsy hijery ny firazanany, ny fireneny, ny fiteniny na ny fivavahany amin’izao fotoana izao — ny olona rehetra amin’ny toerana rehetra! Izay “ranon’aina” azo raisina amin’izao fotoana izao, dia amin’izany no anasan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona rehetra sy anampiany azy mba handraisany koa, ary maimaimpoana!
17. Karazana “rano” inona no azo raisina ankehitriny?
17 Maneran-tany, ny Zanak’ondry, Jesosy Kristy, dia tena mitarika ny olona betsaka ho any amin’ny “loharanon’ny ranon’aina” tokoa. (Apokalypsy 7:17). Tsy rano voaloto akory izany, fa rano madio, mangatsiatsiaka ary mahasoa avy any amin’ny Loharanony mihitsy. Midika mihoatra noho ilay rano amin’ny heviny hoe fahatakarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly io rano ara-panoharana io; izany dia ireo fandaharan’Andriamanitra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay efa mametraka ny olona betsaka dieny izao sahady ho eo amin’ny lalana hahazoana ny fiainana tanteraka mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana.
Mandraisa anjara dieny izao amin’ny fanambarana
18. Tonga hatraiza ilay fanasana amin’izao androntsika izao?
18 Efa misy an-tapitrisany maro izao izany olona betsaka izany. Manohy manambara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin-jotom-po amin’ny tany onenana manontolo izy ireo. Mamerina tsy tapaka ny filazana ny asany nitoriany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, izay tonga any amin’ny tany 212 izao, izy ireo. Araka ny amelan’ny fotoana tavela amin’izao fifaranan’ny fandehan-javatra izao, dia hitohy ilay fanasana araka ny faharetan’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpitana fotoana lehibe, sy ny fahari-pony. Ho fantany rehefa tapitra ny fotoana ary rehefa tonga ny fotoana lehibe hampahafantarany ny tenany ho Jehovah amin’ny rehetra, dia toy ny nampanantenainy araka ireo fanambarana niverimberina ao amin’ny faminanian’ny Baiboly. — Ezekiela 36:23; 38:21-23; 39:7.
19. Nahoana isika no afaka miteny fa atolotra maimaimpoana io “rano” io?
19 Raha mbola misy fotoana àry, ireo mpikambana amin’ny olona betsaka dia miara-mandray anjara amim-pifaliana amin’ny sisa amin’ny fitambaran’ny ampakarina amin’ny filazana hoe: ‘Avia haka amin’ny ranon’aina maimaimpoana!’ Ireo mpanambara io vaovao tsara mamonjy ain’olona io dia manao izany fanambarana izany maimaimpoana ka tsy mampandoa vola noho ireo asa ataony eo am-pampielezana ny hafatr’ilay Fanjakana manerana izao tontolo izao.
20. Inona no ho vokatra azo noho io “rano” io efa azo raisina dieny izao?
20 Azo raisina manerana ny bolantany manontolo dieny izao ny ranon’aina, hany ka izay olona maniry haka dia mahazo manao izany mandra-pahazoany fahafahampo tanteraka ary hamonjy ny ainy amin’ny fanaovana izany. Ny taranak’olombelona voavotra dia hankamamy fiainana tsy hanam-pahataperana eto amin’ity tany ity, izay ho voaova ho paradisa, ho fanamarinana ny fikasana sarobidin’i Jehovah. Ny Mpamorona antsika dia nanao ny tany, tsy ho foana akory, fa mba ho zaridainan’i Edena, na Paradisam-pahafinaretana, hahafeno ny tany ary honenan’ny zavaboary olombelona tanteraka tahaka ny endrik’Andriamanitra sy hanahaka azy.
21. Amin’ny fomba ahoana no hahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany?
21 Azo antoka mihitsy fa ho tombontsoa sy hafaliana lehibe tsy hay lazaina ny ho ao amin’izany fandehan-javatra vaovao izany! Amin’izay, ny asa nanendren’Andriamanitra ireo mpivady olombelona voalohany ao amin’ny Genesisy 1:27, 28 dia ho tanteraka amin’ny fomba feno. Noho ny fandaminan’i Jehovah tamim-pahaizana tokoa ny loza nanjo ny fianakavian’olombelona, ny tany dia hampanompoina rehefa ho tonga paradisa ary ho feno taranak’olombelona tanteraka. Eny, ho hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka, indro, ho tsara indrindra izany. Ho ao ve ianao? Raha izany no izy, dia tsy maintsy maka amim-pankasitrahana dieny izao amin’ny ranon’aina maimaimpoana ianao. “Avia!” ary misotroa izay tianao rehetra ka ataovy izay hahafa-ketaheta amin’ny ranon’aina efa nanomboka nikoriana dieny izao ary hikoriana amin’ny fomba feno mandritra ny Fanjakana arivo taona ho avy. Ary aoka izay rehetra mahare io fanasana mahafinaritra io hilaza hoe: “Avia!”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ankoatra ny zavatra hafa, dia nilaza toy izao io lahatsoratra io: “Na oviana na oviana dia mbola tsy nisy fanambarana ny amin’ny fahamarinana betsaka toy izay hita nandritra ireo taona vitsivitsy lasa. (...) Ny sisa dia mitondra any amin’izy ireo ilay hafatra falifaly, ary milaza aminy hoe: ‘Ary izay rehetra mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina’. Ilazana izy ireo fa azony atao izao ny miandany amin’ny Tompo, ary manohitra ny Devoly ka handray fitahiana. Moa ve izy ireo tsy ilay kilasin’olona izay mety hitady ny fandeferana sy ny fahamarinana dieny izao, ho voafina amin’ny andro hanehoany ny fahatezerany ary hoentina hatrany aorian’ny ady lehibe Haramagedona ka hiaina mandrakizay fa tsy ho faty? (Zef. 2:3) (...) Ny kilasin’ny sisa mahatoky dia mandray anjara amin’io fanasana feno hatsaram-panahy io ka milaza hoe: ‘Avia’. Io hafatra io dia tsy maintsy ambara amin’ireo izay maniry ny fahamarinana sy ny marina. Tsy maintsy atao izao izany.”
b Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Aogositra 1934, koa dia niresaka ny amin’ny andraikitry ny ondry hafa ary nilaza toy izao tao amin’ny pejy faha-249, fehintsoratra faha-31: “Ny kilasin’i Jonadaba dia ireo izay ‘mahare’ ny hafatry ny fahamarinana ary tsy maintsy milaza amin’izay tratrany antso hoe: ‘Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina’. (Apok. 22:17). Ireo anisan’ny kilasin’i Jonadaba dia tsy maintsy miaraka amin’ireo izay anisan’ny antokon’i Jeho tandindona, izany hoe, ireo voahosotra, ary hanambara ny hafatr’ilay fanjakana, na dia tsy vavolombelona voahosotr’i Jehovah aza izy ireo.”
Inona no havalinao?
◻ “Rano” inona no resahina ao amin’ny Apokalypsy 22:17?
◻ Inona no loharanon’ilay “rano”?
◻ Nahoana no ilaina ilay “rano”, ary oviana izy io vao nanomboka nikoriana?
◻ Ao amin’io andinin-teny fototra raisintsika io, dia manondro inona ny firesahana ny amin’ny hoe “fanahy”, ary amin’ny ahoana ny “ampakarina” no tafiditra amin’izany?
◻ Iza no afaka maka amin’ilay “rano”, ary inona no ho vokatr’izany?