-
Ao Amin’ny Bokin’ny Fiainana ve ny Anaranao?Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
“Misy vitsivitsy anefa ao aminao ao Sardisy tsy nandoto ny akanjony ivelany, ka hiara-mandeha amiko manao akanjo fotsy, satria mendrika.
-
-
Ao Amin’ny Bokin’ny Fiainana ve ny Anaranao?Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Mety hanjary hatory ara-panahy ny fiangonana, raha manao tsirambina ny anti-panahy. Mety hisy ihany anefa ireo miezaka ny hadio sy tsy hisy pentina avy amin’ity tontolo ity. Miharihary foana hoe Kristianina izy ireo, ka tsara laza eo imason’i Jehovah.—Ohabolana 22:1.
11, 12. a) Nahoana no tsy maintsy ho ‘nisy vitsivitsy’ nahatoky toy ny tany Sardisy, na dia nandritra ny fivadiham-pinoana lehibe aza? b) Inona no fifaliana tsapan’ireo Kristianina toy ny vary, nandritra ny andron’ny Tompo?
11 Ny ‘akanjo ivelany’ lazaina eo dia ny maha Kristianina ny olona iray. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 16:15; 19:8.) Tsy maintsy ho nahafaly an’i Jesosy ny nahita hoe “misy vitsivitsy” amin’ireo Kristianina voahosotra tany Sardisy miaro ny maha Kristianina azy, na dia tsy miraika aza ny ankamaroany. Lasa anisan’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra, koa ireo Kristianina sandoka, nandritra ireo taonjato nanjakan’ny fivadiham-pinoana lehibe. Tsy maintsy ho nisy vitsivitsy niezaka nanao ny sitrapon’i Jehovah anefa, na dia be aza ny fanenjehana. Toy ny vary tao anatin’ny tsimparifary naniry be ireny olo-marina ireny teo anivon’ireo mpivadi-pinoana maro be.—Apokalypsy 17:3-6; Matio 13:24-29.
12 Nampanantena i Jesosy fa hiaraka amin’ireny Kristianina toy ny vary ireny foana izy “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Fantany izy ireny sy ny laza tsara iezahan’izy ireny hananana. (Matio 28:20; Mpitoriteny 7:1) Eritrereto ny fifalian’ireny “vitsivitsy” nahatoky ireny, izay mbola velona tamin’ny fiandohan’ny andron’ny Tompo! Tafasaraka tamin’ny Kristianisma Anarana maty ara-panahy izy ireo nony farany, ka nangonina ho ao amin’ny fiangonana marina, toy ny fiangonan’i Smyrna.—Matio 13:40-43.
13. Inona no fitahiana ho an’ireo Kristianina voahosotra “tsy nandoto ny akanjony ivelany”?
13 Nahazo fitahiana lehibe ireo voahosotra tany Sardisy, izay nahatoky hatramin’ny farany sy niaro ny maha Kristianina azy. Natsangana ho fanahy any an-danitra izy ireo, taorian’ny niorenan’ny Fanjakan’ny Mesia tamin’ny 1914. Mpandresy koa izy ireo ka nomena akanjo ivelany fotsy, mba hampisehoana fa tsy misy tsininy sy tsy misy pentina ny fahamarinan’izy ireo. Hahazo valisoa mandrakizay izy ireo, satria nandeha tamin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana.—Matio 7:14; jereo koa ny Apokalypsy 6:9-11.
-