Toko 12
“Tano Mafy Foana Izay Anananao”
FILADELFIA
1. Iza no fiangonana manaraka nandefasan’i Jesosy hafatra, ary inona no dikan’io anaran-tanàna io?
TOETRA mahatehotia tokoa ny fitiavan-drahalahy! Azo inoana fa tao an-tsain’i Jesosy izany, rehefa nandefa ny hafany fahenina ho an’ny fiangonan’i Filadelfia izy. Midika hoe “Fitiavan-drahalahy” mantsy io anarana io. Mbola tsaroan’i Jaona be taona ny zava-nitranga 60 taona talohan’io, rehefa nilaza intelo tamin’i Jesosy ny apostoly Petera fa tena tiany ny Tompony. (Jaona 21:15-17) Naneho fitiavan-drahalahy ve ireo Kristianina tany Filadelfia? Toa nanao izany izy ireo!
2. Tanàna nanao ahoana i Filadelfia, nanao ahoana ilay fiangonana tany, ary inona no nolazain’i Jesosy ho an’ny anjelin’io fiangonana io?
2 Miala 50 kilaometatra eo ho eo mankany atsimoatsinanan’i Sardisy (any Alasehir, tanàna any Torkia ankehitriny) no misy an’i Filadelfia tamin’ny andron’i Jaona, ary tanàna nandroso ihany izy io. Tsara homarihina kokoa anefa ny fandrosoan’ny fiangonana kristianina tany. Tsy maintsy ho faly izy ireo nandray ny mpiandraikitra nitsidika azy ireo, izay avy tany Sardisy angamba! Nirakitra torohevitra nampahery azy ireo ny hafatra nentiny. Miresaka momba ny fahefan’ilay Mpandefa azy anefa aloha izy io. Hoy izy: “Ary soraty izao ho an’ny anjelin’ny fiangonana atsy Filadelfia: Izao no lazain’ilay masina, ilay marina, ilay manana ny lakilen’i Davida, ilay manokatra ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy misy manokatra.”—Apokalypsy 3:7.
3. Nahoana no mety ny hiantsoana an’i Jesosy hoe “masina”, ary nahoana no azo lazaina fa “ilay marina” izy?
3 Nandre an’i Petera nilaza toy izao tamin’i Jesosy Kristy i Jaona: “Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay efa mino sy mahalala fa ianao ilay Masin’Andriamanitra.” (Jaona 6:68, 69) I Jehovah Andriamanitra no tena masina, ka tsy maintsy ho “masina” koa ilay Zanany lahitokana. (Apokalypsy 4:8) “Marina” koa i Jesosy. Manondro zavatra tena izy ilay teny grika (a·le·thi·nosʹ ) nadika hoe marina eto. I Jesosy àry no tena fahazavana sy tena mofo avy any an-danitra. (Jaona 1:9; 6:32) Izy no tena voaloboka. (Jaona 15:1) Marina koa i Jesosy, satria mendri-pitokisana. Milaza ny marina foana izy. (Jereo ny Jaona 8:14, 17, 26.) Mendrika ny ho Mpanjaka sy Mpitsara tokoa io Zanak’Andriamanitra io.—Apokalypsy 19:11, 16.
“Lakilen’i Davida”
4, 5. Inona ilay fifanekena nifandray tamin’ny “lakilen’i Davida”?
4 Manana ny “lakilen’i Davida” i Jesosy. “Manokatra [izy] ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy misy manokatra”, rehefa mampiasa azy io. Inona moa io “lakilen’i Davida” io?
5 Tamin’i Davida mpanjakan’ny Israely no nanaovan’i Jehovah fifanekena momba ny fanjakana mandrakizay. (Salamo 89:1-4, 34-37) Nanjaka teo ambony seza fiandrianan’i Jehovah ny taranak’i Davida, nanomboka tamin’ny 1070 ka hatramin’ny 607 T.K. Nampiharina tamin’io fanjakana io anefa ny didim-pitsaran’i Jehovah, satria lasa nanao ratsy izy io. Notanterahin’i Jehovah àry ny faminanian’ny Ezekiela 21:27 21:32, Prot. hoe: “Havadiko [na horavako], havadiko, havadiko izany [Jerosalema]; fa izany [tehim-panjakan’ny taranak’i Davida] koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan’izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.”
6, 7. Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’ilay “tena tompony”?
6 Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’io “tena tompony” io? Ahoana no nanomezana azy ny tehim-panjakan’i Davida?
7 Bevohoka tamin’ny alalan’ny fanahy masina ny vehivavy virjiny jiosy atao hoe Maria, taranak’i Davida Mpanjaka, 600 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Naniraka ny anjely Gabriela Andriamanitra mba hilaza tamin’i Maria fa hiteraka zazalahy hatao hoe Jesosy izy. Hoy koa i Gabriela: “Ho lehibe izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary i Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.”—Lioka 1:31-33.
8. Ahoana no nanaporofoan’i Jesosy fa mendrika handova ny fanjakan’i Davida izy?
8 Voatendry ho Mpanjaka anisan’ny taranak’i Davida i Jesosy, rehefa natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana tamin’ny taona 29. Naneho zotom-po fakan-tahaka izy teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary naniraka ny mpianany hitory koa. (Matio 4:23; 10:7, 11) Nanetry tena i Jesosy, ka nanaiky ho faty teo amin’ny hazo fijaliana mihitsy. Noporofoiny tamin’izany fa mahafeno fepetra tanteraka handova ny fanjakan’i Davida izy. Natsangan’i Jehovah ho fanahy any an-danitra i Jesosy, ka lasa tsy mety maty, ary nomeny voninahitra eo an-tanany havanana. Nomena azy avokoa ny zon’ny mpandova ny fanjakan’i Davida. Hampiasa ny zony izy amin’ny fotoana mety, mba ‘hanapahany eo amin’ny fahavalony.’—Salamo 110:1, 2; Filipianina 2:8, 9; Hebreo 10:13, 14.
9. Ahoana no ampiasan’i Jesosy ny lakilen’i Davida mba hanokafana sy hanidiana?
9 Mampiasa ny lakilen’i Davida i Jesosy, ka manokatra tombontsoa mifandray amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nafahan’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy, avy amin’ny “fahefan’ny haizina”, ny Kristianina voahosotra, ka nafindrany “ho amin’ny fanjakan’ilay Zanany tiany.” (Kolosianina 1:13, 14) Ampiasaina koa ilay lakile mba hanakanana io tombontsoa io tsy ho azon’ireo tsy nahatoky. (2 Timoty 2:12, 13) Hanjaka mandrakizay eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida i Jesosy, ary i Jehovah no manohana azy, ka tsy misy zavaboary afaka manakana azy tsy hanatontosa ny andraikiny.—Ampitahao amin’ny Matio 28:18-20.
10. Inona no fampaherezana nomen’i Jesosy ny fiangonana tany Filadelfia?
10 Tsy maintsy ho nampahery ny tenin’i Jesosy ho an’ny Kristianina tany Filadelfia, satria manam-pahefana lehibe toy izany i Jesosy! Midera azy ireo toy izao izy: “Fantatro izay ataonao, (indro, efa nasiako varavarana misokatra eo anoloanao, izay tsy azon’iza na iza hidiana) eny, fantatro fa mba manana hery kely ihany ianao, ary efa nitana ny teniko ka tsy nivadika tamin’ny anarako.” (Apokalypsy 3:8) Nazoto ilay fiangonana, ka nisy varavarana nisokatra ho azy io, dia varavarana ho amin’ny fanompoana. (Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 16:9; 2 Korintianina 2:12.) Nampirisika ny fiangonana àry i Jesosy mba hanararaotra ny fahafahana hitory. Niaritra izy ireo, ary nampian’ny fanahy masina, ka vonona hanao asa bebe kokoa teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (2 Korintianina 12:10; Zakaria 4:6) Nankatò ny didin’i Jesosy izy ireo, ka tsy nanda an’i Kristy, na tamin’ny teny na tamin’ny atao.
‘Hiankohoka eo anatrehanao izy’
11. Inona no fitahiana ampanantenain’i Jesosy ny Kristianina, ary ahoana no ahatanterahan’izany?
11 Nampanantena vokatra azy ireo àry i Jesosy hoe: “Indro, hatolotro ireo avy amin’ny synagogan’i Satana izay mihambo ho Jiosy nefa tsy izy, fa mandainga, eny, indro, hasaiko ho tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao izy ireo, ka hampahafantariko azy fa efa tia anao aho.” (Apokalypsy 3:9) Nety ho nampahorin’ireo Jiosy teo an-toerana koa angamba ilay fiangonana, toy ny tany Smyrna. Nantsoin’i Jesosy hoe “synagogan’i Satana” ireny Jiosy ireny. Hisy amin’izy ireny anefa hahatakatra fa marina ny zavatra notorin’ny Kristianina momba an’i Jesosy. Ny ‘fiankohofan’izy’ ireo angamba dia ho toy ilay nolazain’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 14:24, 25. Tena hibebaka sy ho tonga Kristianina izy ireo, ka hahatakatra tsara ny fitiavan’i Jesosy tamin’ny nanomezany ny ainy ho an’ny mpianany.—Jaona 15:12, 13.
12. Nahoana ny Jiosy tao amin’ny synagogan’i Filadelfia no nety ho gaga, rehefa fantany fa “hiankohoka” eo anatrehan’ny fiangonana kristianina ny sasany aminy?
12 Mety ho gaga koa ny Jiosy tao amin’ny synagogan’i Filadelfia, rehefa fantany fa “hiankohoka” eo anatrehan’ilay fiangonana kristianina ny sasany aminy. Maro angamba ny tsy Jiosy teo amin’io fiangonana io, ka nihevitra ireo Jiosy fa ny tsy Jiosy no tokony hiankohoka toy izany. Nahoana? Satria efa nilaza i Isaia hoe: “Mpanjaka [tsy Jiosy] no ho rainao mpitaiza anao [vahoakan’ny Israely], ary zanakavavin’andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy.” (Isaia 49:23; 45:14; 60:14) Nilaza koa i Zakaria hoe: “Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23) Ny tsy Jiosy àry, raha ny tokony ho izy, no nantenaina hiankohoka teo anatrehan’ny Jiosy, fa tsy ny nifamadika tamin’izany!
13. Iza ireo Jiosy hampiharana ireo faminaniana nolazaina tamin’ny Israely fahiny?
13 Nolazaina tamin’ny firenena nofidin’Andriamanitra ireo faminaniana ireo. Nanana toeram-boninahitra ny Israely, tamin’ny fotoana nilazana an’ireo. Nolavin’i Jehovah anefa izy ireo, rehefa nanda ny Mesia. (Matio 15:3-9; 21:42, 43; Lioka 12:32; Jaona 1:10, 11) Ny tena Israelin’andriamanitra, dia ny fiangonana kristianina, kosa no nofidiny hisolo azy ireo, tamin’ny Pentekosta taona 33. Jiosy ara-panahy voafora fo no ao anatin’izy io. (Asan’ny Apostoly 2:1-4, 41, 42; Romanina 2:28, 29; Galatianina 6:16) Tsy afaka nifandray tsara indray tamin’i Jehovah ny Jiosy ara-bakiteny taorian’izay, raha tsy nino an’i Jesosy ho Mesia. (Matio 23:37-39) Nanao izany ny olona sasany tany Filadelfia.a
14. Inona no fahatanterahana lehiben’ny Isaia 49:23 sy Zakaria 8:23 ankehitriny?
14 Misy fahatanterahany lehibe koa ankehitriny ny faminaniana toy ny Isaia 49:23 sy ny Zakaria 8:23. Olona maro no niditra teo amin’ilay varavarana misokatra ho amin’ny fanompoana ilay Fanjakana, noho ny fitorian’ireo voahosotra toa an’i Jaona.b Avy tamin’ny Kristianisma Anarana, izay mihambo ho Israely ara-panahy, ny ankamaroan’izy ireo. (Ampitahao amin’ny Romanina 9:6.) Manasa ny akanjony sy mamotsy izany ireo vahoaka be ireo, amin’ny alalan’ny finoana ny ra nalatsak’i Jesosy ho sorona. (Apokalypsy 7:9, 10, 14) Manantena hahazo fitahiana eto an-tany izy ireo, satria manaiky ny Fanjakan’i Kristy. Manatona ny rahalahin’i Jesosy voahosotra izy ireo, ka toy ny hoe ‘miankohoka’ eo amin’izy ireo, satria ‘reny fa momba azy ireo Andriamanitra.’ Manampy ny voahosotra izy ireo, ary tafaray aminy, toy ny mpirahalahy eran-tany.—Matio 25:34-40; 1 Petera 5:9.
“Ora fizahan-toetra”
15. a) Inona no nampanantenain’i Jesosy ny Kristianina tany Filadelfia, ary inona no nampirisihana mba hataon’izy ireo? b) Inona ilay ‘satroboninahitra’ nantenain’ny Kristianina ho azo?
15 Hoy indray i Jesosy: “Koa satria nitana ny teny momba ny fiaretako ianao, dia hiaro anao koa aho amin’ny ora fizahan-toetra ho tonga eran’ny tany onenana, hitsapana an’izay monina ambonin’ny tany. Ho avy haingana aho. Tano mafy foana izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.” (Apokalypsy 3:10, 11) Tsy nahita ny andron’ny Tompo, izay nanomboka tamin’ny 1914, ny Kristianina tamin’ny andron’i Jaona. Nanome azy ireo hery nitoriana anefa ny fatokiana fa ho avy i Jesosy. (Apokalypsy 1:10; 2 Timoty 4:2) Niandry azy ireo tany an-danitra ny ‘satroboninahitra’, na loka, dia ny fiainana mandrakizay. (Jakoba 1:12; Apokalypsy 11:18) Tsy nisy afaka naka io valisoa io, raha nahatoky hatramin’ny fahafatesana izy ireo.—Apokalypsy 2:10.
16, 17. a) Inona ilay “ora fizahan-toetra ho tonga eran’ny tany onenana”? b) Nanao ahoana ny voahosotra tamin’ny fanombohan’ilay “ora fizahan-toetra”?
16 Inona anefa ilay “ora fizahan-toetra”? Tsy maintsy niaritra fanenjehana mafy avy tamin’ny fanjakan’i Roma ireo Kristianina tany Azia ireo.c Ny fotoana fanasivanana sy fitsarana mandritra ny andron’ny Tompo anefa no tena fahatanterahan’ilay “ora fizahan-toetra”, ary nanomboka tamin’ny 1918 ny fara tampony. Io fitsapana io no amantarana raha miandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa niorina ny olona iray na momba an’i Satana. “Ora” iray ilay izy, izany hoe fotoana fohy ihany, nefa mbola tsy tapitra hatramin’izao. Mandra-pahatapitr’izany, dia tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa ao anatin’io “ora fizahan-toetra” io isika.—Lioka 21:34-36.
17 Tamin’ny 1918, dia notoherin’ny “synagogan’i Satana” amin’ny andro ankehitriny koa ireo Kristianina voahosotra, toy ilay fiangonana niorina tsara tany Filadelfia. Nanao tetika ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, izay milaza ho Jiosy ara-panahy, mba hahatonga ny fanjakana hanafoana ny Kristianina marina. ‘Nitana ny teny momba ny fiaretan’i Jesosy’ anefa ny Kristianina marina. Nahazo fanampiana izy ireo, izany hoe nahazo “hery kely” niavaka, ka tafavoaka velona sy nitsangana mba hiditra tao amin’ilay varavarana nisokatra ho azy ireo. Inona no dikan’izany?
“Varavarana misokatra”
18. Inona no fanendrena nataon’i Jesosy tamin’ny 1919, ary nahoana ireo voatendry no nanjary toa an’ilay mpanompo nahatokin’i Hezekia?
18 Notanterahin’i Jesosy ny fampanantenany, tamin’ny 1919, ka notendreny ho “mpanompo mahatoky sy malina”, ireo tena Kristianina voahosotra vitsivitsy. (Matio 24:45-47) Nahazo tombontsoa toa an’i Eliakima mpanompo mahatoky tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka izy ireo.d Hoy i Jehovah momba an’i Eliakima: “Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida; dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.” Niantsoroka andraikitra lehibe i Eliakima, solontenan’i Hezekia Mpanjaka taranak’i Davida. Apetraka eo an-tsoroky ny voahosotra toa an’i Jaona koa ankehitriny ny “fanalahidin’ny tranon’i Davida”, ka izy ireo no mikarakara ny momba ilay Fanjakan’ny Mesia eto an-tany. Nohatanjahin’i Jehovah ny mpanompony mba hiantsoroka io tombontsoa io. Nampitomboiny ny hery kely nananan’izy ireo, mba ho lasa hery lehibe ampy hanatanterahana ny fitoriana eran-tany.—Isaia 22:20, 22; 40:29.
19. Ahoana no niantsorohan’ny voahosotra ny andraikitra nomen’i Jesosy azy tamin’ny 1919, ary inona no vokany?
19 Nanao ezaka manokana nitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny sisa voahosotra, nanomboka tamin’ny 1919, ho fanahafana an’i Jesosy. (Matio 4:17; Romanina 10:18) Nanatona azy ireo àry ny sasany tamin’ireo anisan’ny synagogan’i Satana ankehitriny, na ny Kristianisma Anarana, ka nibebaka sy ‘niankohoka’, izany hoe nanaiky ny fahefan’ilay mpanompo. Nanjary nanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ireo voahosotra zokiny kokoa izy ireny. Nitohy izany, mandra-panangona ny rahalahin’i Jesosy voahosotra rehetra. Tonga ‘niankohoka’ teo amin’ilay mpanompo voahosotra taorian’izay ny ‘vahoaka be avy tamin’ny firenena rehetra.’ (Apokalypsy 7:3, 4, 9) Lasa andiany iray ilay mpanompo sy ny vahoaka be, izay samy Vavolombelon’i Jehovah.
20. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny no tsy maintsy matanjaka amin’ny finoana sy mazoto manompo an’Andriamanitra?
20 Mifankatia toy ny Kristianina tany Filadelfia ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, ary mahatakatra fa tsy maintsy atao haingana ny asa fitoriana. Tsy ho ela dia hamarana ny tontolo ratsin’i Satana ny fahoriana lehibe. Enga anie isika rehetra amin’izay ka hatanjaka amin’ny finoana sy hazoto hanompo an’Andriamanitra, mba tsy hovonoin’i Jehovah ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarantsika. (Apokalypsy 7:14) Aoka isika handray am-po ny fampirisihan’i Jesosy ny fiangonana tany Filadelfia, mba hihazonantsika ny tombontsoam-panompoantsika sy hahazoantsika valisoa, dia ny fiainana mandrakizay.
Fitahiana ho an’ny mpandresy
21. Inona no dikan’ny hoe ‘mitana ny teny momba ny fiaretan’i Jesosy’ ny Kristianina voahosotra ankehitriny, ary inona no miandry azy ireo?
21 ‘Mitana ny teny momba ny fiaretan’i Jesosy’ ireo voahosotra toa an’i Jaona ankehitriny, izany hoe manaraka ny ohatra navelany sy miaritra. (Hebreo 12:2, 3; 1 Petera 2:21) Tena nampahery azy ireo àry ny tenin’i Jesosy manaraka ho an’ny fiangonan’i Filadelfia, hoe: “Izay mandresy, dia hataoko andry ao amin’ny tempolin’Andriamanitro, ary tsy hiala ao intsony mihitsy izy.”—Apokalypsy 3:12a.
22. a) Inona ilay tempolin’ny Andriamanitr’i Jesosy? b) Ahoana no hahatonga ny Kristianina voahosotra mandresy ho andry ao amin’io tempoly io?
22 Tombontsoa tokoa ny hoe anisan’ny andrin’ny tempolin’i Jehovah! Foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah ny tempoly tany Jerosalema fahiny. Tao no nanoloran’ny mpisoronabe ny ran’ny biby natao sorona, indray mandeha isan-taona, teo anatrehan’ilay hazavana mahagaga nampiseho ny fanatrehan’i Jehovah, tao amin’ny “Masina Indrindra.” (Hebreo 9:1-7) Nanjary nisy tempoly hafa anefa, rehefa natao batisa i Jesosy. Tempoly ara-panahy lehibe izy io, dia ny fandaharana ahafahan’ny olona mivavaka amin’i Jehovah. Any an-danitra ny masina indrindra amin’izy io, ary tany i Jesosy no niseho ‘teo anatrehan’Andriamanitra.’ (Hebreo 9:24) I Jesosy no Mpisoronabe, ary iray ihany ny fanatitra natao hanaronana ny fahotana rehetra, dia ny ra nalatsak’i Jesosy, lehilahy lavorary. (Hebreo 7:26, 27; 9:25-28; 10:1-5, 12-14) Mpisorona lefitra ao amin’ny tokotanin’io tempoly io eto an-tany ny sisa voahosotra, raha mbola mahatoky koa. (1 Petera 2:9) Miditra any amin’ny masina indrindra koa anefa izy ireo, raha vao mandresy, ary lasa tohana toy ny andry, ho an’ilay tempoly ara-panahy. (Hebreo 10:19; Apokalypsy 20:6) “Tsy hiala ao intsony mihitsy izy.”
23. a) Inona koa no fampanantenana nomen’i Jesosy ho an’ny Kristianina voahosotra mandresy? b) Inona no vokatry ny nanoratana ny anaran’i Jehovah sy ny anaran’i Jerosalema vaovao eo amin’ny Kristianina mpandresy?
23 Hoy indray i Jesosy: “Ary hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao izay midina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitro, ary hosoratako eo koa ilay anarako vaovao.” (Apokalypsy 3:12b) Misoratra eo amin’ireo mpandresy tokoa ny anaran’i Jehovah Andriamanitr’izy ireo sy Andriamanitr’i Jesosy. Hita mazava avy amin’izany fa olona roa samy hafa i Jehovah sy Jesosy, fa tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray. (Jaona 14:28; 20:17) Tsy maintsy hitan’ny zavaboary rehetra fa an’i Jehovah ny voahosotra. Vavolombelony izy ireo. Soratana eo amin’izy ireo koa ny anaran’i Jerosalema vaovao, dia ilay tanàna any an-danitra. Midina avy any an-danitra izy io, izany hoe mifehy ny olombelona mahatoky rehetra. (Apokalypsy 21:9-14) Ho fantatry ny ondry rehetra eto an-tany koa àry fa vahoakan’ilay Fanjakana, ao amin’ilay Jerosalema any an-danitra, ireo voahosotra mpandresy ireo.—Salamo 87:5, 6; Matio 25:33, 34; Filipianina 3:20; Hebreo 12:22.
24. Inona no dikan’ilay anaran’i Jesosy vaovao, sy ilay hoe voasoratra eo amin’ny Kristianina voahosotra mahatoky izy io?
24 Misoratra eo amin’ny voahosotra mpandresy koa ny anaran’i Jesosy vaovao. Izany dia manondro ny andraikitr’i Jesosy vaovao sy ny tombontsoa manokana nomen’i Jehovah azy. (Filipianina 2:9-11; Apokalypsy 19:12) Tsy misy mahalala io anarana io, izany hoe tsy misy olon-kafa mandia zavatra toy izany na omena an’ireo tombontsoa ireo. Rehefa soratan’i Jesosy eo amin’ireo rahalahiny mahatoky anefa ny anarany, dia manjary mifandray akaiky aminy any an-danitra izy ireo, ka mahazo ny tombontsoa ananany mihitsy aza. (Lioka 22:29, 30) Tsy mahagaga raha nofaranan’i Jesosy tamin’ity fampirisihana ity indray ny hafany ho an’ireo voahosotra: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana.”—Apokalypsy 3:13.
25. Ahoana no hampiharan’ny Kristianina tsirairay ny toro lalana ao amin’ny torohevitr’i Jesosy ho an’ny fiangonana tany Filadelfia?
25 Tena nampahery an’ireo Kristianina nahatoky tany Filadelfia izany hafatra izany! Misy lesona mafonja ho an’ireo voahosotra toa an’i Jaona koa izany, amin’izao andron’ny Tompo izao. Zava-dehibe ho an’ny Kristianina tsirairay anefa ny toro lalana ao amin’izy io, na voahosotra izy, na ondry hafa. (Jaona 10:16) Tokony hamokatra ny voan’ilay Fanjakana isika tsirairay, toy ireo Kristianina tany Filadelfia. Manana hery kely isika rehetra, fara faharatsiny, ary samy afaka manao zavatra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Aoka àry hampiasaintsika io hery io! Aoka koa isika ho mailo, ka hiditra amin’ny varavarana misokatra eo anoloantsika, mba hampitomboana ny fanompoantsika ilay Fanjakana. Afaka mivavaka amin’i Jehovah mihitsy aza isika mba hanokatra varavarana toy izany. (Kolosianina 4:2, 3) Raha manahaka ny fiaretan’i Jesosy sy tsy mivadika amin’ny anarany isika, dia hampiseho koa fa manana sofina mihaino izay lazain’ny fanahy masin’Andriamanitra amin’ny fiangonana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Lasa rahalahy kristianina i Sostena, mpitantana ny synagogan’ny Jiosy tany Korinto, tamin’ny andron’i Paoly.—Asan’ny Apostoly 18:17; 1 Korintianina 1:1.
b Nantitranterin’ny Tilikambo Fiambenana, navoakan’ireo voahosotra toa an’i Jaona, foana fa ilaina ny manararaotra ny fahafahana hitory sy mandray anjara feno amin’izany, araka izay azo atao. Jereo, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Aoka ny Rehetra Hitory ny Voninahitr’i Jehovah” sy ilay hoe “Nivoaka Eran-tany ny Feony”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2004. Nantitranterina tao amin’ilay hoe “Tahin’Andriamanitra Ireo Manome Voninahitra Azy”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 2004, kosa fa ilaina ny miditra amin’ilay “varavarana misokatra” ho amin’ny fanompoana manontolo andro. Nisy 1 093 552 ny mpisava lalana nanao izany nandritra ny volana iray, tamin’ny 2005.
c Hoy ny Rakipahalalana (anglisy) nataon’i McClintock sy Strong (Boky Faha-10, pejy 519): “Nahita ny fandroson’ny finoana kristianina ny mpisorona mpanompo sampy, ka nitarika korontana teo anivon’ny vahoaka. Nanjary fantatry ny mpanjaka àry ny Kristianisma. Voatery namoaka didy araka izany i Trajan [taona 98-117] mba hanafoanana tsikelikely an’ilay fampianarana vaovao, izay nahatonga ny olona hankahala an’ireo andriamanitra. Sahirana i Pline Zandriny, governora tany Bitynia [nanamorona ny faritany romanin’i Azia tany avaratra], satria nitombo be ny Kristianisma ka tezitra ny mpanompo sampy tao amin’ny faritaniny.”
d Ny anarana hoe Hezekia dia midika hoe “Manatanjaka i Jehovah.”
[Efajoro, pejy 63]
Fanampiana ny Maro mba Hiankohoka
Toa latsaka ny 9 000 ny sisa amin’ireo 144 000 handova ilay Fanjakana any an-danitra, no mbola eto an-tany. Lasa 6 600 000 mahery kosa ny vahoaka be. (Apokalypsy 7:4, 9) Inona no nahatonga izany fitomboana be izany? Nandray anjara be tamin’izany ireo sekoly samihafa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mitovy mihitsy amin’ny sekoly fianarana teolojia ao amin’ny Kristianisma Anarana izy ireny, satria tsy mampianatra firehan-kevitr’izao tontolo izao na manambany ny Baiboly. Mampitombo ny finoana ny Tenin’Andriamanitra kosa izy ireny. Asehon’izy ireny ny fomba hananana fitondran-tena madio sy tsara, ary ny fomba anompoana an’Andriamanitra. Manao Sekolin’ny Fanompoana ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay eran-tany, nanomboka tamin’ny 1943. Olona an-tapitrisany no manatrika io sekoly io any amin’ny Efitrano Fanjakana isan-kerinandro, sady manaraka fandaharam-pianarana Baiboly mitovy.
Manao Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana koa ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1959, ka ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana no ampiofanina amin’izy io. Nampiofana rahalahy sy anabavy ana hetsiny koa ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana nanomboka tamin’ny 1977. Manana toe-tsaina toy ireo tany Filadelfia izy ireny, ka manompo an’i Jehovah manontolo andro. Natomboka tamin’ny 1987 kosa ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, mba hampiofanana rahalahy ho amin’ny fanendrena manokana eran-tany.
Miavaka amin’ireo sekoly tarihin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, atao any amin’ny Fanjakan’i New York. Mampiofana antokona mpianatra roa isan-taona eo ho eo io sekolin’ny misionera natomboka tamin’ny 1943 io. Efa 7 000 mahery ny tontalin’ny mpanompon’i Jehovah nampiofanin’izy io ho misionera any an-tany hafa. Manompo any amin’ny tany zato mahery ireo nahazo diplaoma tamin’izy io, ka nanokatra ny asan’ilay Fanjakana tany ny maro taminy. Mbola eo am-perinasa ny maro amin’ireo misionera voalohandohany, 60 taona eo ho eo atỳ aoriana, ka miara-miasa amin’ireo misionera vaovao eo amin’ny fanitarana ny fandaminan’i Jehovah. Tena mahafinaritra izany fitomboana izany!
[Tabilao, pejy 64]
Nanokatra varavarana ho amin’ny fanompoana kristianina i Jesosy Mpanjaka, tamin’ny 1919. Mihamaro hatrany ny Kristianina be fandavan-tena manararaotra izany.
1918 14 3 868 591
1928 32 23 988 1 883
1938 52 47 143 4 112
1948 96 230 532 8 994
1958 175 717 088 23 772
1968 200 1 155 826 63 871
1978 205 2 086 698 115 389
1988 212 3 430 926 455 561
1998 233 5 544 059 698 781
2005 235 6 390 022 843 234
[Fanamarihana ambany pejy]
e Salanisa isam-bolana ireo tarehimarika ireo.
f Salanisa isam-bolana ireo tarehimarika ireo.
[Tabilao, pejy 65]
Miasa amin’ny fo manontolo ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo, ohatra, ny ora nolanin’izy ireo tamin’ny fitoriana sy fampianarana, sy ny isan’ny fampianarana Baiboly maro be notarihin’izy ireo maimaim-poana.
Ora Fampianarana
Nitoriana Baiboly
Taona (Tontaliny isan-taona) (Salan’isa Isam-bolana)
1918 19 116 Tsy voasoratra
1928 2 866 164 Tsy voasoratra
1938 10 572 086 Tsy voasoratra
1948 49 832 205 130 281
1958 110 390 944 508 320
1968 208 666 762 977 503
1978 307 272 262 1 257 084
1988 785 521 697 3 237 160
1998 1 186 666 708 4 302 852
2005 1 278 235 504 6 061 534
[Sary, pejy 59]
Lakile romanina tamin’ny taonjato voalohany