Toko 6
Fampiharihariana Zava-miafina Masina
1. Ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana ilay fahitana mamirapiratra ao amin’ny Apokalypsy 1:10-17?
MAHATALANJONA tokoa ny fahitana momba ny voninahitr’i Jesosy! Tsy maintsy ho talanjona tamin’io voninahitra mamirapiratra io koa isika, raha niara-nijery tamin’ny apostoly Jaona. Tsy maintsy ho niankohoka toa azy isika. (Apokalypsy 1:10-17) Notahirizina io fahitana mahavariana avy amin’ny fanahy masina io mba hampirisihana antsika hanao zavatra. Tokony hanetry tena toa an’i Jaona isika, ka hankasitraka ny dikan’ilay fahitana. Enga anie isika hanaja foana ny toeran’i Jesosy Mpanjaka sy Mpisoronabe ary Mpitsara.—Filipianina 2:5-11.
“Ilay Voalohany sy Farany”
2. a) Inona no anaram-boninahitra iantsoan’i Jesosy ny tenany? b) Inona no dikan’ilay tenin’i Jehovah hoe: “Izaho no voalohany, ary Izaho no farany”? d) Mampahatsiahy inona ny anaram-boninahitr’i Jesosy hoe “ilay Voalohany sy Farany”?
2 Tsy tokony hatahotra loatra anefa isika, na izany aza. Nomen’i Jesosy toky i Jaona, araka ny tantarainy manaraka. “Ary izy nametraka ny tanany havanana tamiko sady niteny hoe: ‘Aza matahotra. Izaho ilay Voalohany sy Farany, sy ilay velona.’ ” (Apokalypsy 1:17b, 18a) Milaza i Jehovah, ao amin’ny Isaia 44:6, fa izy ary izy irery no Andriamanitra mahery indrindra. Hoy izy: “Izaho no voalohany, ary Izaho no farany; ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.”a Tsy mihambo ho mitovy amin’i Jehovah, Mpamorona Lehibe, i Jesosy, rehefa miantso ny tenany hoe “ilay Voalohany sy Farany.” Mampiasa ny anaram-boninahitra nomen’Andriamanitra azy fotsiny izy. Ilay tenin’i Jehovah ao amin’ny Isaia kosa dia milaza fa izy irery no Andriamanitra marina. Andriamanitra mandrakizay izy, ary tsy misy Andriamanitra ankoatra azy. (1 Timoty 1:17) Manonona ny anaram-boninahitra nomena azy i Jesosy, ao amin’ny Apokalypsy, ary mampahatsiahy fa niavaka ny fananganana azy tamin’ny maty.
3. a) Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “ilay Voalohany sy Farany”? b) Inona no dikan’ny hoe “manana ny lakilen’ny fahafatesana sy ny fasana” i Jesosy?
3 I Jesosy tokoa no “ilay Voalohany” tamin’ny olombelona natsangana ho fanahy, ka tsy ho faty mihitsy. (Kolosianina 1:18) Izy koa no “Farany” tamin’ireo natsangan’i Jehovah mivantana. Nanjary “ilay velona ... mandrakizay mandrakizay” izy, ary tsy mety maty intsony. Amin’io lafiny io no itovizan’izy sy ilay Rainy tsy mety maty, izay antsoina hoe “ilay Andriamanitra velona.” (Apokalypsy 7:2; Salamo 42:2) I Jesosy no “fananganana ny maty sy fiainana” ho an’ny olombelona hafa rehetra. (Jaona 11:25) Izao tokoa no nolazainy tamin’i Jaona: “Efa maty aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny lakilen’ny fahafatesana sy ny fasana.” (Apokalypsy 1:18b) Nomen’i Jehovah fahefana hanangana ny maty i Jesosy. Toy ny hoe manana lakile àry izy, mba hanokafana ny vavahadin’ny fasana, ka hamahana an’ireo voahidy ao amin’ny fahafatesana.—Ampitahao amin’ny Matio 16:18.
4. Inona no baiko naverin’i Jesosy, ary natao hahasoa an’iza izany?
4 Averin’i Jesosy eto indray ny baikony hanoratana ilay fahitana. Hoy izy tamin’i Jaona: “Soraty ny zavatra efa hitanao sy ny zavatra ankehitriny ary ny zavatra hitranga aorian’izany.” (Apokalypsy 1:19) Inona koa no zava-mahaliana mbola hampahafantarin’i Jaona antsika?
Ireo kintana sy ireo fitoeran-jiro
5. Inona ireo “kintana fito” sy ireo “fitoeran-jiro fito”, araka ny nohazavain’i Jesosy?
5 Teo afovoan’ny fitoeran-jiro volamena no nahitan’i Jaona an’i Jesosy, ary nisy kintana fito teny an-tanany havanana. (Apokalypsy 1:12, 13, 16) Manazava izany i Jesosy izao: “Ary ny amin’ny zava-miafina masina momba ny kintana fito izay efa hitanao teo an-tanako havanana sy ny fitoeran-jiro volamena fito: Tsy inona ny kintana fito fa ny anjelin’ny fiangonana fito, ary ny fitoeran-jiro fito dia fiangonana fito.”—Apokalypsy 1:20.
6. Inona no mifanitsy amin’ireo kintana fito, ary nahoana ilay hafatra no avantana amin’izy ireo?
6 Ireo “kintana” dia “ny anjelin’ny fiangonana fito.” Anjely ara-bakiteny indraindray no tiana holazaina amin’ny hoe kintana, ao amin’ny Apokalypsy. Tsy olombelona mihitsy anefa no hampiasain’i Jesosy hanoratra hafatra ho an’ny anjely. Olombelona mpiandraikitra, na anti-panahin’ny fiangonana àry ireo “kintana” ireo, ka heverina ho mpitondra hafatr’i Jesosy.b Avantana amin’ireo kintana ilay hafatra, satria izy ireo no miandraikitra ny andian’ondrin’i Jehovah.—Asan’ny Apostoly 20:28.
7. a) Inona no mampiseho fa tsy iray ihany ny anti-panahy isaky ny fiangonana tamin’izany, na dia anjely iray isaky ny fiangonana aza no niresahan’i Jesosy? b) Iza, raha ny marina, no mifanitsy amin’ireo kintana fito eny an-tanana havanan’i Jesosy?
7 “Anjely” iray isaky ny fiangonana no niresahan’i Jesosy. Midika ve izany fa iray ihany ny anti-panahy isaky ny fiangonana tamin’izany? Tsia. Efa tamin’ny andron’i Paoly, ohatra, no nanana anti-panahy maromaro ny fiangonana tany Efesosy. (Apokalypsy 2:1; Asan’ny Apostoly 20:17) Nalefa tany amin’ireo kintana fito ny hafatra tamin’ny andron’i Jaona, mba hovakina tamin’ireo fiangonana (anisan’izany ilay tany Efesosy). Manondro ny anti-panahy rehetra teo anivon’ny fiangonan’ny voahosotr’i Jehovah àry ireo kintana. Vakin’ny mpiandraikitra ankehitriny amin’ny fiangonana koa ny taratasy avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana, izay mpiandraikitra voahosotra eo ambany fitarihan’i Jesosy. Ataon’ireo anti-panahy rehetra azo antoka fa arahin’ny fiangonany ny torohevitr’i Jesosy. Mazava ho azy fa natao hahasoa an’ireo rehetra eo anivon’ny fiangonana ilay torohevitra, fa tsy ho an’ny anti-panahy ihany.—Jereo ny Apokalypsy 2:11a.
8. Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe eny an-tanana havanan’i Jesosy ireo anti-panahy?
8 I Jesosy no Lohan’ny fiangonana, ka azo lazaina hoe eny an-tanany havanana ny anti-panahy, satria izy no mifehy sy mitarika azy ireo. (Kolosianina 1:18) Izy no Mpiandry Lehibe Indrindra, fa mpiandry lefitra kosa izy ireo.—1 Petera 5:2-4.
9. a) Mifanitsy amin’ny inona ireo fitoeran-jiro fito, ary nahoana no mety izany fanoharana izany? b) Nety ho nampahatsiahy an’i Jaona ny amin’ny inona ilay fahitana?
9 Ireo fitoeran-jiro fito dia ireo fiangonana fito nanoratan’i Jaona ny bokin’ny Apokalypsy. Ireto avy izy ireo: Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia. Nahoana no lazaina hoe toy ny fitoeran-jiro ireo fiangonana? Satria tokony ‘hamirapiratra eo anatrehan’ny olona’ ny fahazavan’ny Kristianina tsirairay sy ny fiangonana, eto amin’ity tontolo maizina ity. (Matio 5:14-16) Anisan’ny fanaka tao amin’ny tempolin’i Solomona koa ny fitoeran-jiro. Mety ho tsaroan’i Jaona tamin’ilay fahitana àry fa ny fiangonan’ny voahosotra tsirairay dia toy ny “tempolin’Andriamanitra”, satria mitoetra ao ny fanahin’Andriamanitra. (1 Korintianina 3:16) Misy fandaharana mitovy amin’ny tao amin’ny tempoly jiosy koa ao amin’ilay tempoly ara-panahin’i Jehovah. “Sady mpisorona no mpanjaka” ao ireo anisan’ny fiangonan’ny voahosotra, ka i Jesosy no Mpisoronabe, ary ao amin’ny Masina Indrindra any an-danitra no misy an’i Jehovah.—1 Petera 2:4, 5, 9; Hebreo 3:1; 6:20; 9:9-14, 24.
Ilay fivadiham-pinoana lehibe
10. Inona no nitranga tamin’ny tontolo jiosy sy ny mpanohana azy tsy nibebaka, tamin’ny taona 70?
10 Efa ho 60 taona no nisian’ny Kristianisma, rehefa nanoratra ny Apokalypsy i Jaona. Tsy nahafoana azy io ny fanoherana nataon’ny Fivavahana Jiosy nandritra ny 40 taona. Rava kosa ny tontolo jiosy tamin’ny taona 70. Tsy nanana firenena nahaleo tena intsony ireo Jiosy tsy nibebaka, ary rava koa ny tempoly tao Jerosalema, izay toy ny sampy mihitsy tamin’izy ireo.
11. Nahoana no fotoana nety tsara ho an’ilay Mpiandry Lehibe tamin’izay, mba hampitandremana ny fiangonana momba ilay loza nihanahazo vahana?
11 Efa nilaza anefa ny apostoly Paoly fa hisy fivadiham-pinoana eo anivon’ny Kristianina voahosotra. Efa nitranga sahady izany tamin’ny fahanteran’i Jaona, rehefa jerena ny hafatr’i Jesosy. I Jaona no farany nisakana an’io ezak’i Satana hanimbana ny taranak’ilay vehivavy io. (2 Tesalonianina 2:3-12; 2 Petera 2:1-3; 2 Jaona 7-11) Fotoana nety ho an’ilay Mpiandry Lehibe àry tamin’izay mba hanoratana ho an’ny anti-panahin’ny fiangonana. Nampitandrina azy ireo momba ilay loza nihanahazo vahana izy, ary nampirisika ny olona tso-po mba hiorina tsara ao amin’ny fahamarinana.
12. a) Ahoana no nitomboan’ny fivadiham-pinoana, rehefa maty i Jaona? b) Ahoana no nampisy ny Kristianisma Anarana?
12 Tsy fantatsika izay fomba nandraisan’ireo fiangonana tamin’ny taona 96 ny hafatr’i Jesosy. Niely be anefa ny fivadiham-pinoana, raha vao maty i Jaona. Nanjary tsy nampiasa ny anaran’i Jehovah intsony ireo nilaza azy ho Kristianina, fa nosoloany hoe “Tompo” na “Andriamanitra” izany tao amin’ny Baiboliny. Tafatsofoka teo anivon’ny fiangonana ny fampianaran-diso momba ny Andriamanitra telo izay iray, tamin’ny taonjato fahefatra tany ho any. Nekena koa tamin’izany ny hoe tsy mety maty ny fanahy. Farany, dia neken’i Constantin, Mpanjaka Romanina, ny fisian’ny fivavahana “Kristianina.” Izany no nampiroborobo ny Kristianisma Anarana, ka niara-nanjaka nandritra ny arivo taona ny Fivavahana sy ny Fitondrana. Mora ny nanaraka an’io “Kristianisma” vaovao io. Novan’ny foko sasany haka endrika “kristianina” ny finoany nifandray tamin’ny fanompoan-tsampy. Maro tamin’ireo mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana no nanjary mpitondra politika nampahory, ka nampiasa hery mba hanerena ny olona hanaraka ny fampianaran-disony.
13. Inona no nataon’ireo Kristianina nivadi-pinoana, na dia nampitandreman’i Jesosy momba ny sekta aza izy ireo?
13 Tsy niraharaha ny tenin’i Jesosy ho an’ireo fiangonana fito ny Kristianina nivadi-pinoana. Efa nampirisika ny Efesianina i Jesosy mba hamerina ny fitiavana nananany tamin’ny voalohany. (Apokalypsy 2:4) Tsy tia an’i Jehovah intsony anefa ireo mpivavaka ao amin’ny Kristianisma Anarana, ka rafitra ady sy nifanenjika tamin-kabibiana. (1 Jaona 4:20) Nampitandreman’i Jesosy momba ny sekta koa ny fiangonana tany Pergamosy. Efa nisy sekta nipoitra anefa tamin’ny taonjato faharoa, ary feno sekta sy fivavahana an’arivony eo anivon’ny Kristianisma Anarana ankehitriny.—Apokalypsy 2:15.
14. a) Inona no ataon’ireo mitonona ho Kristianina, na dia nampitandrina aza i Jesosy hoe tsy tokony ho faty ara-panahy ny Kristianina? b) Inona no ataon’ny Kristianisma Anarana, na dia nilaza aza i Jesosy fa tsy tokony hanompo sampy na hijangajanga izy ireo?
14 Nampitandreman’i Jesosy ny fiangonana tany Sardisy mba tsy ho faty ara-panahy. (Apokalypsy 3:1) Toy ny Kristianina tany Sardisy anefa ireo mitonona ho Kristianina ankehitriny, ka vetivety dia manadino ny asa kristianina, ary manankina ilay asa lehibe momba ny fitoriana amin’ny mpitondra fivavahana vitsivitsy karamaina. Nampitandreman’i Jesosy ny fiangonana tany Tyatira mba tsy hanompo sampy sy tsy hijangajanga. (Apokalypsy 2:20) Mampirisika mazava ny hivavahana amin’ny sary anefa ny Kristianisma Anarana, sady manohana ny fanompoan-tsampy an-kolaka toy ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitiavan-karena. Milaza izy ireo indraindray fa ratsy ny fijangajangana, nefa matetika izy ireo no milefitra amin’izany.
15. Inona no porofoin’ny tenin’i Jesosy ho an’ny fiangonana fito momba ireo fivavahan’ny Kristianisma Anarana, ary hita fa inona ny mpitondra fivavahan’izy ireo?
15 Porofoin’ny tenin’i Jesosy ho an’ny fiangonana fito àry, fa tsy vahoakan’i Jehovah ny fivavahana rehetra anisan’ny Kristianisma Anarana. Hita tokoa fa ny mpitondra fivavahan’izy ireo no misongadina indrindra amin’ny taranak’i Satana eto an-tany. Antsoin’ny apostoly Paoly hoe “ilay tsy tan-dalàna” izy ireo, ary nolazainy mialoha fa ny fanatrehan’izy ireo dia “araka ny asan’i Satana, miaraka amin’ny fahagagana rehetra, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra.”—2 Tesalonianina 2:9, 10.
16. a) Iza no tena nankahalain’ny Kristianisma Anarana? b) Inona no nitranga teo anivon’ny Kristianisma Anarana nandritra ny Vanim-potoan’ny Haizina? d) Niova ve ny fomban’ny mpivadi-pinoana, rehefa nisy ny Fanavaozana Protestanta?
16 Milaza ho mpiandry ny ondrin’Andriamanitra ireo mpitarika ny Kristianisma Anarana, nefa tena mankahala an’izay rehetra mampirisika ny olona hamaky Baiboly, na ireo mampiseho fa tsy araka ny Soratra Masina ny zavatra ataony. Nenjehina sy novonoina i Jan Hus sy William Tyndale mpandika Baiboly. Nanana fahefana lehibe ireo mpivadi-pinoana nandritra ny Vanim-potoan’ny Haizina, ka ny fanenjehana nataon’ny Katolika (Inquisition) no nahatsiravina indrindra tamin’izany. Novonoina tsy nisy indrafo izay rehetra niady hevitra momba ny fampianarana sy fahefan’ny eglizy. An’arivony maro tamin’ireo nolazaina fa mpivadi-pinoana no nampijalina mandra-pahafatiny, na nodorana teo amin’ny tsato-kazo. Niezaka mafy àry i Satana mba hamotika haingana an’izay rehetra tena taranak’ilay vehivavy, na fandaminan’Andriamanitra. Maro tamin’ny fiangonana protestanta koa no tsy nisy indrafo, rehefa nipoitra ny fikomian’izy ireo, na Fanavaozana Protestanta, nanomboka tamin’ny 1517. Nanjary meloka koa izy ireo, satria namono an’ireo niezaka tsy hivadika tamin’Andriamanitra sy Kristy. Be dia be tokoa ny “ran’ny olona masina” nalatsaka tamin’izany!—Apokalypsy 16:6; ampitahao amin’ny Matio 23:33-36.
Niaritra ilay taranaka
17. a) Nilaza mialoha momba ny inona ny fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary? b) Inona no nitranga tamin’ny 1918, ary iza no nolavina sy notendrena vokatr’izay?
17 Niresaka momba ny vanim-potoan’ny haizina ara-panahy i Jesosy tao amin’ny fanoharany momba ny vary sy ny tsimparifary, dia ny fotoana nanjakan’ny Kristianisma Anarana. Hisy Kristianina toy ny vary anefa, izany hoe tena voahosotra, mandritra ireo taonjato nielezan’ny fivadiham-pinoana. (Matio 13:24-29, 36-43) Mbola nisy Kristianina marina foana àry teto an-tany, mandra-panomboky ny andron’ny Tompo, tamin’ny Oktobra 1914. (Apokalypsy 1:10) Tonga hitsara tao amin’ny tempoliny ara-panahy i Jehovah, telo taona sy tapany teo ho eo taorian’io, izany hoe tamin’ny 1918, ary niaraka taminy i Jesosy, ilay “Anjelin’ny fanekena.” (Malakia 3:1; Matio 13:47-50) Nolavin’ny Tompo àry ny Kristianina sandoka, ary nanendry ‘mpanompo mahatoky sy malina hikarakara ny fananany rehetra’ izy.—Matio 7:22, 23; 24:45-47.
18. Inona ilay “ora” tonga tamin’ny 1914, ary fotoana tokony hanaovan’ilay mpanompo inona tamin’izay?
18 Tamin’izay koa ilay mpanompo no tokony handinika akaiky ny zavatra voasoratra tao amin’ny hafatr’i Jesosy ho an’ny fiangonana fito. Noresahin’i Jesosy, ohatra, ny fiaviany hitsara ny fiangonana. Nanomboka tamin’ny 1918 ilay fitsarana. (Apokalypsy 2:5, 16, 22, 23; 3:3) Nolazainy koa fa harovana ny fiangonana tany Filadelfia amin’ny “ora fizahan-toetra ho tonga eran’ny tany onenana, hitsapana an’izay monina ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 3:10, 11) Tamin’ny fiandohan’ny andron’ny Tompo tamin’ny 1914 vao nitranga io “ora fizahan-toetra” io. Nandalo fitsapana ny Kristianina taorian’izay, mba hahitana raha tsy nivadika tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa niorina izy ireo.—Ampitahao amin’ny Matio 24:3, 9-13.
19. a) Mifanitsy amin’ny inona ankehitriny ireo fiangonana fito? b) Iza no olona maro nanjary niaraka tamin’ny Kristianina voahosotra, ary nahoana no mihatra amin’izy ireo koa ny torohevitr’i Jesosy sy ny fanamarihana nataony? d) Ahoana no tokony hiheverantsika ny hafatr’i Jesosy ho an’ireo fiangonana fito?
19 Nanomboka tamin’ny 1914 àry vao tena tanteraka ny tenin’i Jesosy ho an’ireo fiangonana. Ny fiangonan’ny voahosotra rehetra mandritra ny andron’ny Tompo no mifanitsy amin’ireo fiangonana fito ireo. Nisy mpino maro be koa nanjary niaraka tamin’ireo Kristianina voahosotra toa an’i Jaona, nandritra ireo 70 taona mahery lasa. Manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany izy ireo. Mihatra amin’izy ireo koa ny torohevitr’i Jesosy Kristy sy ny fanamarihana nomeny ho an’ireo fiangonana fito nanaovany fandinihana. Mitovy ihany mantsy ny fitsipika momba ny fahamarinana sy fahatokiana takina amin’ny mpanompon’i Jehovah rehetra. (Eksodosy 12:49; Kolosianina 3:11) Tsy tantara mahaliana fotsiny àry ny hafatr’i Jesosy ho an’ireo fiangonana fito tany Azia Minora, tamin’ny taonjato voalohany. Miankina amin’izay fandraisantsika izany no hahavelona na hahafaty antsika. Aoka àry isika hihaino tsara ny tenin’i Jesosy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy misy mpanoritra voafaritra eo amin’ireo teny hoe “voalohany” sy “farany”, ao amin’ny Isaia 44:6, araka ny teny hebreo tany am-boalohany. Misy mpanoritra voafaritra kosa amin’ilay filazan’i Jesosy ny tenany, ao amin’ny Apokalypsy 1:17, araka ny teny grika tany am-boalohany. Manondro anaram-boninahitra àry ny Apokalypsy 1:17, raha ny fitsipi-pitenenana no jerena. Milaza ny maha Andriamanitra an’i Jehovah kosa ny Isaia 44:6.
b Ilay teny grika hoe agʹge·los (vakina hoe “anʹge·los”) dia midika hoe “mpitondra hafatra”, na “iraka”, sy hoe “anjely.” Lazaina hoe ‘iraka’ (hebreo: mal·’akhʹ) ny Levita mpisorona iray ao amin’ny Malakia 2:7.
[Efajoro, pejy 32]
Fotoam-pitsapana sy Fitsarana
Natao batisa sy nohosorana ho Mpanjaka tany amin’ny Reniranon’i Jordana i Jesosy, tamin’ny Oktobra taona 29. Tonga tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izy telo taona sy tapany taorian’io, izany hoe tamin’ny taona 33, ary nandroaka an’ireo nanao azy io ho lava-bato fieren-jiolahy. Mifanandrify amin’io ilay telo taona sy tapany nanomboka tamin’izy lasa Mpanjaka tany an-danitra, tamin’ny Oktobra 1914, mandra-pahatongany hitsara an’ireo mitonona ho Kristianina, rehefa nanomboka tao amin’ny tranon’Andriamanitra ny fitsarana. (Matio 21:12, 13; 1 Petera 4:17) Nisy fanoherana be ny asan’ilay Fanjakana nataon’ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny fiandohan’ny 1918. Fotoam-pitsapana eran-tany izany, ka voasivana ireo natahotra. Nataon’ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana izay higadran’ny tompon’andraikitry ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tamin’ny Mey 1918. Nafahana anefa izy ireo, sivy volana taoriana, ary nofoanana ny fiampangana azy ireo taorian’izay. Nazoto indray ny fandaminan’ny vahoakan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny 1919, rehefa avy notsapaina sy nodiovina, ka lasa nanambara fa ny Fanjakan’i Jehovah tarihin’i Kristy Jesosy ihany no fanantenana ho an’ny olombelona.—Malakia 3:1-3.
Nanomboka ny fitsarany i Jesosy tamin’ny 1918, ka nomelohiny ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana. Sady nanohitra ny vahoakan’Andriamanitra mantsy izy ireo, no meloka noho ny fandatsahan-dra koa, satria nanohana an’ireo firenena niady, nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. (Apokalypsy 18:21, 24) Nanjary nitoky tamin’ny Fikambanam-pirenena naorin’olombelona ireo mpitondra fivavahana ireo. Nolavin’Andriamanitra tanteraka ny Kristianisma Anarana, mbamin’ny fivavahan-diso rehetra, tamin’ny 1919.
[Sarintany, pejy 28, 29]
(Jereo ny boky)
EFESOSY
SMYRNA
PERGAMOSY
TYATIRA
SARDISY
FILADELFIA
LAODIKIA
[Sary, pejy 31]
Meloka noho ny fandatsahan-dra be ny Kristianisma Anarana, satria nanenjika sy namono ho faty an’ireo nandika sy namaky, na nanana Baiboly fotsiny