-
“Tano Mafy Foana Izay Anananao”Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
“Koa satria nitana ny teny momba ny fiaretako ianao, dia hiaro anao koa aho amin’ny ora fizahan-toetra ho tonga eran’ny tany onenana, hitsapana an’izay monina ambonin’ny tany.
-
-
“Tano Mafy Foana Izay Anananao”Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
16, 17. a) Inona ilay “ora fizahan-toetra ho tonga eran’ny tany onenana”? b) Nanao ahoana ny voahosotra tamin’ny fanombohan’ilay “ora fizahan-toetra”?
16 Inona anefa ilay “ora fizahan-toetra”? Tsy maintsy niaritra fanenjehana mafy avy tamin’ny fanjakan’i Roma ireo Kristianina tany Azia ireo.c Ny fotoana fanasivanana sy fitsarana mandritra ny andron’ny Tompo anefa no tena fahatanterahan’ilay “ora fizahan-toetra”, ary nanomboka tamin’ny 1918 ny fara tampony. Io fitsapana io no amantarana raha miandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa niorina ny olona iray na momba an’i Satana. “Ora” iray ilay izy, izany hoe fotoana fohy ihany, nefa mbola tsy tapitra hatramin’izao. Mandra-pahatapitr’izany, dia tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa ao anatin’io “ora fizahan-toetra” io isika.—Lioka 21:34-36.
17 Tamin’ny 1918, dia notoherin’ny “synagogan’i Satana” amin’ny andro ankehitriny koa ireo Kristianina voahosotra, toy ilay fiangonana niorina tsara tany Filadelfia. Nanao tetika ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, izay milaza ho Jiosy ara-panahy, mba hahatonga ny fanjakana hanafoana ny Kristianina marina. ‘Nitana ny teny momba ny fiaretan’i Jesosy’ anefa ny Kristianina marina. Nahazo fanampiana izy ireo, izany hoe nahazo “hery kely” niavaka, ka tafavoaka velona sy nitsangana mba hiditra tao amin’ilay varavarana nisokatra ho azy ireo.
-