Toko 4
Tonga Hitondra Fampaherezana i Jesosy
1. Ho an’iza izao no nanoratan’i Jaona, ary iza ankehitriny no tokony ho tena liana amin’ny hafatra nolazainy?
TOKONY ho tena hahaliana ny rehetra miaraka amin’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny ny zavatra voalaza manaraka. Misy hafatra maro mifampitohy ao. Misy fampiharana manokana izy ireny, arakaraka ny anatonan’ilay “fotoana voatondro.” (Apokalypsy 1:3) Hahasoa antsika mandrakizay ny fihainoana an’ireo hafatra ireo. Izao no voasoratra: “Izaho Jaona dia manoratra ho an’ny fiangonana fito any amin’ny faritr’i Azia: Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana avy amin’‘Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy’, sy avy amin’ny fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianany, ary avy amin’i Jesosy Kristy.”—Apokalypsy 1:4, 5a.
2. a) Midika ho inona ilay isa “fito”? b) Mihatra amin’iza ireo hafatra ho an’ny “fiangonana fito” amin’izao andron’ny Tompo izao?
2 Miresaka amin’ny “fiangonana fito” i Jaona eto, ary homena antsika any aoriana kokoa ny anaran’ireo fiangonana ireo. Miverina imbetsaka ao amin’ny Apokalypsy ny isa “fito.” Midika ho fahafenoana izy io, indrindra fa mifandray amin’ny fikasan’Andriamanitra sy ny fiangonan’ny voahosotra. Misy fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra efa ho 100 000, amin’izao andron’ny Tompo izao. Azontsika antoka àry fa mihatra amin’izy ireo koa ny zavatra voalaza mivantana ho an’ireo “fiangonana fito.” (Apokalypsy 1:10) Zava-dehibe tokoa ny hafatr’i Jaona ho an’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra sy ho an’ireo miaraka amin’izy ireo, na aiza na aiza misy azy ireo eto an-tany.
3. a) Iza no niavian’ilay “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana” ao amin’ny teny fampidiran’i Jaona? b) Inona no tenin’ny apostoly Paoly mitovy amin’ny teny fampidiran’i Jaona?
3 Irintsika tokoa ny hahazo “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” sy “fiadanana”! Fantatsika mantsy fa i Jehovah Tompo Fara Tampony no “Ilay” niavian’izany. Izy no “Mpanjakan’ny mandrakizay”, izay velona “hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” (1 Timoty 1:17; Salamo 90:2) Inona kosa no tiana hambara amin’ny hoe “fanahy fito”? Midika izany fa miasa amin’ny fomba feno ny hery ampiasain’Andriamanitra, na ny fanahy masina, satria manome fahatakarana sy fitahiana ho an’ireo mandinika an’ilay faminaniana. Manana anjara lehibe koa i “Jesosy Kristy”, izay nolazain’i Jaona tatỳ aoriana hoe: “Feno hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy fahamarinana izy.” (Jaona 1:14) Misy itovizany àry ny teny fampidiran’i Jaona sy ny famaranan-tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny fiangonan’ny Korintianina, manao hoe: “Ho aminareo rehetra anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary enga anie ianareo samy handray soa amin’ny fanahy masina!” (2 Korintianina 13:14) Enga anie hihatra amintsika tsirairay tia ny fahamarinana koa ireo teny ireo!—Salamo 119:97.
“Ilay Vavolombelona Mahatoky”
4. Ahoana no nilazan’i Jaona an’i Jesosy Kristy, ary nahoana no mety ireo fomba ilazana azy ireo?
4 I Jesosy no be voninahitra indrindra eo amin’izao rehetra izao, manarakaraka an’i Jehovah. Nanaiky izany i Jaona, rehefa nilaza momba an’i Jesosy hoe: “ ‘Ilay Vavolombelona Mahatoky’, ‘ilay lahimatoa amin’ny maty’, ary ‘ilay Mpitondra ny mpanjakan’ny tany.’ ” (Apokalypsy 1:5b) Antsoina hoe vavolombelona marina na mahatoky ny volana, satria eny amin’ny lanitra foana. Mahatoky toy izany koa i Jesosy, ilay Vavolombelona lehibe indrindra, satria eo foana izy mba hanamarina fa i Jehovah no Andriamanitra. (Salamo 89:37) Tsy nivadika mandra-pahafatiny ho sorona izy, ka izy no olombelona voalohany natsangana ho fanahy, ary tsy ho faty mihitsy. (Kolosianina 1:18) Eo anatrehan’i Jehovah izy izao, ary nasandratra ho ambonin’ny mpanjakan’ny tany rehetra, sady nomena “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Matio 28:18; Salamo 89:27; 1 Timoty 6:15) Lasa Mpanjaka izy nanomboka tamin’ny 1914, ary hitondra ny firenena rehetra eto an-tany.—Salamo 2:6-9.
5. a) Ahoana no nanohizan’i Jaona ny fankasitrahana an’i Jesosy Kristy Tompo? b) Iza no mandray soa amin’ny nanomezan’i Jesosy ny ain’olombelona lavorary nananany, ary inona no fitahiana manokana azon’ny Kristianina voahosotra?
5 Nanohy ny fankasitrahany an’i Jesosy Kristy Tompo i Jaona, ka nilaza ireto teny mahafinaritra ireto: “Ho azy izay tia antsika sy namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, (ary nataony fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy isika) eny, ho azy mandrakizay anie ny voninahitra sy ny hery! Amena.” (Apokalypsy 1:5d, 6) Nanome ny ain’olombelona lavorary nananany i Jesosy, mba hahazo fiainana lavorary indray ny olombelona maneho finoana azy. Afaka ny ho anisan’izany ianao, ry mpamaky malala! (Jaona 3:16) Hitondra fitahiana manokana ho an’ireo Kristianina voahosotra toa an’i Jaona anefa ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona. Nambara fa marina izy ireo, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Mahafoy ny fiainana eto an-tany, toa an’i Jesosy, ireo ondry vitsy ireo, ary nateraky ny fanahin’Andriamanitra indray, sady manantena ny hatsangana amin’ny maty mba ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Jesosy Kristy ao amin’ny Fanjakany. (Lioka 12:32; Romanina 8:18; 1 Petera 2:5; Apokalypsy 20:6) Tombontsoa tokoa izany! Tsy mahagaga raha niaiky mihitsy i Jaona hoe an’i Jesosy ny voninahitra sy ny hery!
“Ho avy izy, ao amin’ny rahona”
6. a) Inona no nolazain’i Jaona momba ny fahatongavan’i Jesosy “ao amin’ny rahona”, ary inona no faminanian’i Jesosy nety ho tsaroan’i Jaona teo? b) Inona no dikan’ny hoe “ho avy” i Jesosy, ary iza no halahelo mafy vokatr’izany?
6 Faly erỳ i Jaona avy eo nilaza hoe: “Indro, ho avy izy, ao amin’ny rahona. Ary hahita azy ny maso rehetra sy ireo nandefona azy. Ary hikapo-tratra noho ny alahelo ireo foko rehetra eto an-tany noho ny aminy. Eny, Amena.” (Apokalypsy 1:7) Azo antoka fa tsaroan’i Jaona teo ny faminanian’i Jesosy momba ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Izao no nolazain’i Jesosy: “Ary hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, dia hikapo-tratra sy hitomany ny foko rehetra eto an-tany, ary hahita ny Zanak’olona ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahon’ny lanitra.” (Matio 24:3, 30) Ny dikan’ny hoe “ho avy” i Jesosy, dia hoe mampifantoka ny sainy amin’ny fanatanterahana ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ireo firenena izy. Hiteraka fiovana lehibe eto an-tany izany. Tsy manaiky an’i Jesosy ho mpanjaka “ireo foko rehetra eto an-tany”, ka tsy maintsy hiharan’ny “fisafoaky ny fahatezeran’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra.”—Apokalypsy 19:11-21; Salamo 2:2, 3, 8, 9.
7. Inona no dikan’ilay hoe “hahita” an’i Jesosy “ny maso rehetra”, eny fa na dia ireo tsy mankatò aza?
7 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, tamin’ilay alina farany niarahan’izy ireo: “Kely sisa dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao.” (Jaona 14:19) Ahoana àry ilay hoe “hahita azy ny maso rehetra”? Tsy tokony hanantena isika hoe hahita maso an’i Jesosy ny fahavalony. Nilaza mantsy ny apostoly Paoly, taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, fa “mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina” i Jesosy izao, ary “tsy misy olona mahita azy na mahavita mijery azy.” (1 Timoty 6:16) Mazava àry fa ny tian’i Jaona holazaina amin’ny hoe ‘mahita’ eto, dia hoe ‘mahafantatra.’ Mahita na mahafantatra ny toetran’Andriamanitra tsy hita maso koa isika, amin’ny alalan’ny zavaboariny. (Romanina 1:20) “Ho avy izy [Jesosy], ao amin’ny rahona”, izany hoe tsy ho hitan’ny maso toy ny masoandro takonan’ny rahona. Na dia takon’ny rahona aza anefa ny masoandro, dia fantatsika fa antoandro ny andro, satria mazava. Hiharihary koa i Jesosy Tompo na dia tsy hitan’ny masontsika aza, satria ho toy ny ‘afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba azy.’ Ho voatery “hahita azy” koa izy ireny.—2 Tesalonianina 1:6-8; 2:8.
8. a) Iza “ireo nandefona azy” tamin’ny taona 33, ary iza kosa izany ankehitriny? b) Tsy eto an-tany intsony i Jesosy, ka ahoana no ahafahan’ny olona ‘mandefona azy’?
8 “Hahita” an’i Jesosy koa, na dia “ireo nandefona azy” aza. Iza moa izany? Nandefona azy ara-bakiteny ny miaramila romanina, rehefa novonoina izy tamin’ny taona 33. Meloka noho izany koa ireo Jiosy, satria nilaza tamin’ny sasany tamin’izy ireo i Petera tamin’ny Pentekosta hoe: “Nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy iny Jesosy nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana iny.” (Asan’ny Apostoly 2:5-11, 36; ampitahao amin’ny Zakaria 12:10; Jaona 19:37.) Efa ho 2 000 taona lasa izay no nahafatesan’ireny Romanina sy Jiosy ireny. Ireo ‘mandefona azy’ ankehitriny àry dia tsy maintsy ho ireo firenena sy vahoaka mankahala azy, toy ny fankahalan’ireo namono azy teo amin’ny hazo fijaliana. Tsy eto an-tany intsony i Jesosy. Toy ny ‘mandefona’ azy mihitsy anefa ireo mpanohitra manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mitory momba an’i Jesosy, na ireo mankasitraka an’izany fanenjehana izany.—Matio 25:33, 41-46.
“Alfa sy Omega”
9. a) Iza izao no miteny, ary impiry izy no manao izany ao amin’ny Apokalypsy? b) Inona no tian’i Jehovah holazaina, rehefa miantso ny tenany hoe “Alfa sy Omega” ary “Mahery Indrindra” izy?
9 Mahatalanjona ny zava-mitranga manaraka, satria i Jehovah Tompo Fara Tampony mihitsy no miteny! Mety tokoa raha ny teniny no mampiditra ny fahitana manaraka, satria izy no Mpampianatra Lehibe Indrindra, sady avy aminy ny Apokalypsy! (Isaia 30:20) Hoy ilay Andriamanitsika: “Izaho no Alfa sy Omega, ... Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Mahery Indrindra.” (Apokalypsy 1:8) Intelo i Jehovah no niteny avy tany an-danitra ao amin’ny Apokalypsy, ka io no voalohany. (Jereo koa ny Apokalypsy 21:5-8; 22:12-15.) Fantatry ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany avy hatrany fa litera voalohany sy farany amin’ny abidy grika ny alfa sy omega. Miantso ny tenany amin’ireo litera roa ireo i Jehovah, mba hanamafisana fa tsy nisy Andriamanitra mahery indrindra talohany, ary tsy hisy koa aoriany. Hofaranany tanteraka ilay raharaha momba ny hoe iza no Andriamanitra. Hohamarinina mandrakizay fa izy no ilay hany Andriamanitra mahery indrindra, Tompo Fara Tampony eo amin’ny zavaboariny rehetra.—Ampitahao amin’ny Isaia 46:10; 55:10, 11.
10. a) Ahoana no nilazan’i Jaona ny tenany, ary taiza izy no nigadra? b) Iza no tsy maintsy ho nandray anjara tamin’ny fahatongavan’ireo horonam-boky nosoratan’i Jaona tany amin’ireo fiangonana? d) Ahoana matetika no ahazoana sakafo ara-panahy ankehitriny?
10 Natoky i Jaona fa handamina ny zava-drehetra i Jehovah, ka hoy izy tamin’ireo mpanompo namany: “Izaho Jaona, rahalahinareo sady miara-mizaka fahoriana aminareo sy hahazo fanjakana toa anareo ary mahatakatra ny fiaretanareo noho ianareo manara-dia an’i Jesosy, dia nanjary teto amin’ny nosy antsoina hoe Patmo, satria niresaka ny amin’Andriamanitra sy vavolombelona nanambara an’i Jesosy.” (Apokalypsy 1:9) Nigadra tany Patmo noho ny vaovao tsara i Jaona efa zokiolona. Niaritra fahoriana be niaraka tamin’ireo rahalahy izy, sady nanantena mafy fa hanana anjara ao amin’ilay Fanjakana. Tamin’izay izy no nahazo ny fahitana voalohany ao amin’ny Apokalypsy. Azo inoana fa tena nampahery azy ireo fahitana ireo. Mampahery an’ireo voahosotra namany ankehitriny koa ny mahita ny fahatanterahan’izy ireny. Tsy fantatsika ny fomba nandefasan’i Jaona ny horonam-bokin’ny Apokalypsy ho any amin’ireo fiangonana, satria nigadra izy tamin’izany. (Apokalypsy 1:11; 22:18, 19) Tsy maintsy ho nandray anjara tamin’izany ny anjelin’i Jehovah. Matetika mantsy izy ireo no miaro ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky, izay manompo ao anatin’ny fandrarana sy fameperana, ka mahazo sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety foana ireo rahalahy noana ny fahamarinana.—Salamo 34:6, 7.
11. Inona no tombontsoa sarobidy nankasitrahan’i Jaona, ka heverin’ireo voahosotra toa azy ho zava-dehibe koa?
11 Tsy maintsy ho tena nankasitrahan’i Jaona ny tombontsoany nampiasain’i Jehovah mba hampita hafatra ho an’ny fiangonana! Heverin’ireo voahosotra toa an’i Jaona ho tombontsoa lehibe koa ankehitriny ny manome ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ ho an’ny ankohonan’Andriamanitra. (Matio 24:45) Enga anie ianao ka ho anisan’ireo hatanjahin’izany fandaharana izany, mba hahazoanao ilay fiainana mandrakizay, izay tanjona tena tsara tokoa!—Ohabolana 3:13-18; Jaona 17:3.
[Efajoro, pejy 21]
Fahazoana Sakafo Ara-panahy Amin’ny Fotoan-tsarotra
Iharam-panenjehana sy zava-manahirana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro farany izao, ka tena mila sakafo ara-panahy mba hanatanjaka ny finoany hatrany. Mahazo sakafo ara-panahy ampy izy ireo, satria nanampy tamin’ny fomba mahagaga i Jehovah matetika.
Ohatra amin’izany ny tany Alemaina, nandritra ny fitondran’i Hitler. Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah kopia sy nozarainy Ny Tilikambo Fiambenana, na dia voararan’ny fitondrana nazia tsy mifaditrovana aza izany. Nanao bemidina tao amin’ny trano iray fanaovana kopia toy izany ny polisy, tany Hambourg. Kely ilay trano, ka tsy nisy toerana azo nanafenan-javatra tsara. Natao tao anaty lalimoara ilay milina fanoratana, ary tao anaty vata fasiana ovy tao ambany lakaly kosa ilay milina lehibe fanaovana kopia. Nisy valizy iray feno gazety koa tao ambadik’ilay vata! Toa tsy maintsy ho hitan’ny polisy ireo zavatra ireo. Inona anefa no nitranga? Tsy hitan’ilay polisy nanokatra an’ilay lalimoara ilay milina fanoratana tao. Izao kosa no nolazain’ilay tompon-trano, momba ny fisavana ilay lakaly: “Nijoro teo afovoan-trano ireo polisy telo, izany hoe teo anoloan’ilay vata mihitsy, ary tao ambadik’io vata io ilay valizy feno Ny Tilikambo Fiambenana. Toa tsy nisy nahita an’ilay izy anefa ry zareo, fa toy ny jamba.” Noho io fanampian’Andriamanitra io, dia afaka nizara sakafo ara-panahy foana ilay fianakaviana tao, nandritra ilay fotoan-tsarotra sy nampidi-doza.
Nisy ady an-trano tany Nizeria, teo anelanelan’ny 1960 sy 1970, satria te hahaleo tena ny faritanin’i Biafra. Voahodidina tao anatin’ny faritanin’i Nizeria i Biafra, ka ny fiaramanidina ihany no nahafahana nifandray taminy. Midika izany fa toa tsy hahazo sakafo ara-panahy intsony ireo Vavolombelona tany. Tamin’ny fiandohan’ny taona 1968 anefa, dia notendren’ny fitondrana tany Biafra ho amin’ny toerana ambony tany Eoropa ny iray tamin’ireo mpiasam-panjakana tao aminy, ary nisy iray hafa notendrena hiasa amin’ny fitaterana ana habakabaka. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary izy ireo ihany izao no nahafahan’i Biafra nifandray tamin’ny any ivelany. Takatr’izy ireo fa avy amin’i Jehovah izany fandaharana izany. Nanolo-tena àry izy ireo mba hanao izay hahatongavan’ny sakafo ara-panahy tany Biafra, na dia sarotra sy nampidi-doza aza izany. Vitan’izy ireo tokoa izany, nandritra ilay ady manontolo. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Raha olombelona fotsiny, dia tsy hahay hanao fandaharana toy izany.”
[Tabilao, pejy 19]
Isa Misy Heviny An’ohatra ao Amin’ny Apokalypsy
Isa Heviny An’ohatra
2 Manamafy fa voamarina ny zavatra iray.
(Apokalypsy 11:3, 4; ampitahao amin’ny Deoteronomia 17:6.)
3 Midika ho fanantitranterana. Milaza hamafin’ny zava-mitranga koa.
4 Midika hoe voafaoka ao daholo ny lafiny rehetra amin’ilay zavatra resahina, na mampiseho lafiny mitovy tsara toy ny efamira.
6 Tsy fahalavorariana, zavatra tsy ara-dalàna, sampona.
(Apokalypsy 13:18; ampitahao amin’ny 2 Samoela 21:20.)
7 Fahafenoana araka ny fihevitr’Andriamanitra, mahakasika ny fikasan’i Jehovah na ny an’i Satana.
10 Fitambarana na fahafenoana mifandray amin’ny zavatra etỳ an-tany.
12 Fandaminana naorin’Andriamanitra, na any an-danitra na eto an-tany.
24 Fahaiza-mandamin-javatra avo lenta (avo roa heny) asehon’i Jehovah.
Raisina ara-bakiteny ny isa sasany ao amin’ny Apokalypsy. Ny teny manodidina matetika no manampy antsika hamantatra izany. (Jereo Apokalypsy 7:4, 9; 11:2, 3; 12:6, 14; 17:3, 9-11; 20:3-5.)