Henoy izay lazain’ny fanahy amin’ireo kongregasiona!
“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ireo kongregasiona!” — APOKALYPSY 3:22, MN.
Ny pejy faha-10 ka hatramin’ny 21 dia mamerina ny teny tao amin’ireo lahateny roa voalohany natao araka ny foto-kevitra hoe “Akaiky ny andro voafetra” ary naseho tamin’ny 1988 tamin’ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra” nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.
1. Tenin’ny Apokalypsy inona moa no vaovao tsara amin’izao androntsika manjombona izao, ary inona ny “faminaniana” sy “ny andro voafetra”?
TAONA vitsivitsy lasa izay, tany Etazonia, ny sosiology iray dia nanambara fa manana fahafahana loatra ny olona ao amin’io tany io, saingy tsy ampy fahasambarana. Tsikaritry ny olona, hoy ny nanampiny, fa “mandositra azy ireo ny fahasambarana. Efitra fotsiny, raha ny marina, ny paradisa nampanantenain’izy ireo”. Tsy azo lavina fa vaovao tsara àry ny tenin’ny apostoly Jaona voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 1:3, satria asehony amintsika ny fomba hahitana fahasambarana. Izao no nosoratan’i Jaona: “Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro [voafetra, MN ].” Voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ny “faminaniana” resahiny. Ary tsy inona “ny andro voafetra” fa ny fotoana tokony hahatanterahan’io faminaniana ao amin’ny Apokalypsy io. Mifono heviny lehibe ho antsika amin’izao andro izao ny tenin’i Jaona.
2. Tsy maintsy ho nanontany tena ny amin’inona moa i Jaona tany amin’ny faramparan’ny taonjato I?
2 Enimpolo taona mahery talohan’ny hanoratana ny bokin’ny Apokalypsy, dia nanatrika ny fiforonan’ny kongregasiona kristiana voahosotry ny fanahy, tamin’ny andro Pentekosta, i Jaona. Nitombo izao io kongregasiona io, tamin’ny 96 amin’ny fanisan-taona iraisana. Tonga fandaminana lehibe iraisam-pirenena izy io, izay tsy nahitana afa-tsy mpikambana 120 tamin’ny voalohany. Nisy fahasahiranana nitranga anefa. Araka ny nambaran’i Jesosy sy Paoly ary Petera, dia nanomboka niseho ny fivadiham-pinoana sy ny fitokotokoana, ary tsy maintsy ho nanontany tena ny amin’izay natokan’ny ho avy i Jaona. — Matio 13:24-30, 36-43; Asa. 20:29, 30; 2 Petera 1:3.
3. Niantoka inona moa ireo fahitana azon’i Jaona sy voasoratra ao amin’ny Apokalypsy?
3 Alao sary an-tsaina àry ny fifaliany tamin’ny naharaisany “Fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana”. (Apokalypsy 1:1.) Noho ny fitohitohizam-pahitana kanto, dia takatr’i Jaona fa tsy maintsy ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah, ka hovalian-tsoa amin’ny fomba mahatalanjona ny fiaretan’ireo kristiana mahatoky. Nandray avy amin’i Jesosy, hafatra ho an’ny kongregasiona fito koa izy. Izany no ho hafatra mivantana farany homen’i Jesosy an’ireo kristiana alohan’ny hahatongavany ao amin’ny voninahitry ny Fanjakana.
Ireo kongregasiona fito
4. a) Inona moa no andraikitr’ireo kongregasiona kristiana nahatoky? b) Milaza inona moa ny hoe ireo loholona, voahosotry ny fanahy, dia toy ny kintana fito eo an-tanana ankavanan’i Kristy?
4 Ireo kongregasiona fiton’ny kristiana voahosotra ireo dia nasehon’ny fanaovan-jiro fito, ary ireo loholona tao amin’ireny kongregasiona ireny, voahosotry ny fanahy, nasehon’ny kintana fito teo an-tanana ankavanan’i Kristy (Apokalypsy 1:12, 16). Noho izany fanoharana manaitra izany, dia takatr’i Jaona fa ireo kongregasiona kristiana mahatoky dia tokony hitondra ny fahazavana, toy ny fanaovan-jiro mirehitra eo amin’izao tontolo izao maizina (Matio 5:14-16). Tamin’ny fitanana ireo loholona teo an-tanany ankavanana, dia nasehon’i Jesosy fa nitondra azy ireo, nitari-dalana azy izy.
5. Tamin’ny andron’i Jaona, natao ho an’iza moa ireo hafatra nalefa ho an’ny kongregasiona fito?
5 Hoy i Jesosy tamin’i Jaona: “Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ny boky, ka ampitondray ho any amin’ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.” (Apokalypsy 1:11). Tena nisy tokoa ireny kongregasiona ireny tamin’ny andron’i Jaona, ary azontsika antoka fa rehefa vitan’ilay apostoly ny fanoratana ny Fanambarana, dia nahazo anankiray tamin’izany ny kongregasiona tsirairay avy. Izao anefa no ambaran’ny Diksioneran’ny Baiboly (anglisy) nataon’i Hastings momba ny Fanambarana: “Tsy nisy mihitsy boky hafa ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] hita fa marina amin’ny fomba azo antoka tahaka azy io tamin’ny taonjato faha-2.” Tsy ny mpikambana tao amin’ireo kongregasiona fito ihany àry no nahalala sy namaky ny bokin’ny Apokalypsy, fa kristiana maro hafa koa maniry hianatra ny tenin’io faminaniana io. Tsy azo lavina fa natao ho an’ny kristiana voahosotra rehetra ny torohevitr’i Jesosy.
6, 7. a) Mihatra amin’ny fotoana inona indrindra moa ny tenin’ny Apokalypsy, ary ahoana no ahafantarantsika izany? b) Amin’izao androntsika izao, mampiseho inona moa ny kintana fito sy ny kongregasiona fito?
6 Misy fampiharana mbola lehibe kokoa ihany anefa izany hafatra natao ho an’ny kongregasiona fito izany. Izao tokoa no nolazain’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 1:10: “Voatsindrin’ny Fanahy tamin’ny Andron’ny Tompo aho.” Mahaforona ny anankiray amin’ireo fanalahidin’ny Apokalypsy lehibe indrindra io andininy io. Ampahafantariny antsika fa io faminaniana io dia mihatra alohan’ny zavatra rehetra amin’ny “andron’ny Tompo”, izay nanomboka tamin’ny nandraisan’i Jesosy ny Fanjakana tamin’ny 1914. Manamarina izany rahateo ireo hafatra nalefan’i Jesosy ho an’ny kongregasiona fito. Hita ao ny fitenenana tahaka izao, natao ho an’i Pergamosy: “Ho avy aminao faingana Aho.” (Apokalypsy 2:16; 3:3, 11). Taorian’ny taona 96 amin’ny fanisan-taona iraisana dia tsy ‘tonga’ tamin’ny fomba nisy heviny i Jesosy mandra-pandraisany ny fiandrianana tamin’ny 1914 (Asa. 1:9-11). Avy eo, ho fahatanterahan’ny Malakia 3:1, dia ‘tonga’ tao amin’ny tempoly indray izy tamin’ny 1918 mba hanomboka ny asa fitsarany tamin’ny ankohonan’Andriamanitra (1 Petera 4:17). Mbola “ho avy” indray mandeha koa izy, amin’ny hoavy tsy ho ela, rehefa “hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika”. — 2 Tesaloniana 1:7, 8; Matio 24:42-44.
7 Takatsika àry fa ireo kongregasiona fito dia mampiseho ny kongregasionan’ny kristiana voahosotra rehetra taorian’ny 1914, ary ny kintana fito dia mampiseho ny loholona rehetra, voahosotry ny fanahy, ao amin’ireny kongregasiona ireny. Ambonin’izany, ho fanitarana, ireo loholona izay anisan’ny “ondry hafa”, dia eo an-tanana ankavanana na eo ambany fahefan’i Jesosy koa (Jaona 10:16). Ary ireo torohevitra omena ny kongregasiona fito, raha ny marina, dia mihatra amin’ny kongregasionan’ny olon’Andriamanitra rehetra ankehitriny maneran-tany, anisan’izany ireo voaforon’ny kristiana manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany.
8. Tao anatin’ny toe-piainana nanao ahoana moa no nahitan’i Jesosy ireo izay nilaza tena fa kristiana tamin’ny fizahany tamin’ny 1918?
8 Rehefa tonga mba hizaha izay rehetra nilaza tena fa kristiana i Jesosy tamin’ny 1918, dia nahita teto an-tany kristiana voahosotra izay niezaka mba hitandrina ny tenin’ny faminaniana. Raha vao tamin’ireo taona 1870, dia nampiomana ny mpiara-belona taminy izy ireo ny amin’ny maha-zava-dehibe ny taona 1914. Nampiharan’ny fivavahana lazaina fa kristiana fitondrana ratsy izy ireo nandritra ny Ady Lehibe Voalohany ary tamin’ny 1918 ny asany dia saiky nitsahatra rehefa nampidirina am-ponja noho ny fiampangana tsy marina ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana Watch Tower. Kanefa ny fahoriana hitan’izy ireo tamin’izany fotoana izany dia nifanitsy tanteraka tamin’ireo faminaniana ao amin’ny Apokalypsy. Ary ny fahatapahan-kevitr’izy ireo hitandrina ny tenin’i Jesosy natao ho an’ny kongregasiona fito dia nampahafantatra azy ireny tsy nety hisy fisalasalana mihitsy ho ny hany kristiana mpitondra fahazavana eo amin’izao tontolo izao maizina. Ankehitriny izany sisa izany dia mahaforona ny kilasin’i Jaona izay mbola velona mba handinika ny fahatanterahan’ny tapany maro amin’ny Apokalypsy sy mba handray anjara amin’izany.
Torohevitra sy teny fiderana
9, 10. Ny fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy hoe ahoana moa no nitondra fifaliana lehibe ho an’ny kristiana amin’izao androntsika izao? Hazavao.
9 Ao amin’ny Apokalypsy 3:8, dia nilaza toy izao tamin’ny kongregasionan’i Filadelfia i Jesosy: “Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany hianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako.” Toa tena narisika ireo kristiana tany Filadelfia ka nisy varavarana nivoha teo anoloany izao; natolotra azy ireo ny fahafahana handray tombontsoa.
10 Nitondra fahasambarana lehibe ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra io hafatra io ihany tamin’izao androntsika izao. Taorian’ny fahoriany tamin’ny 1918, dia narenina teo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo, ary tamin’ny 1919 dia namoha varavarana ho azy ireo i Jesosy, dia ny fahafahana handray tombontsoa. Niditra tamin’io varavarana io izy ireo tamin’ny fanekena ny asa nanirahana azy, dia ny hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana any amin’ny firenena rehetra. Koa satria teo amin’izy ireo ny fanahin’i Jehovah, dia tsy nisy na inona na inona afaka nanakantsakana io asa io, ary ireny kristiana nahatoky ireny dia nanana tombontsoa lehibe nahatanteraka tapany tena lehibe amin’ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy (Matio 24:3, 14). Noho ny asa fitoriana nataon’izy ireo tamim-pahatokiana, ireo mpikambana farany amin’ny 144 000 dia nofidina sy nasiana tombo-kase, ary nangonina ny “olona betsaka” (Apokalypsy 7:1-3, 9). Toy inona moa ny fifalian’ireo mpanompon’Andriamanitra!
11. Ahoana moa no nanandraman’ny mpivadi-pinoana nanimba ny fandaminan’i Jehovah tamin’ny andron’i Jaona? Nisy nanao izany koa ve tamin’izao androntsika izao?
11 Mety hisy zavatra hanamatroka izany fifaliana izany ve? Izany dia izany tokoa. Ohatra, na dia tao aza ny fiaretana tsara nananan’ireo loholona tao amin’ny kongregasionan’i Pergamosy, dia niseho ho tsy nahay niaro azy tamin’ny fampianaran’ny antokon’ny Nikolaita izy ireo (Apokalypsy 2:15). Nila hahazo ny kongregasiona ny fironana hamorona fitokotokoana. Toy izany koa, ao anatin’ny andro farany iainantsika, dia nivadi-pinoana ny sasany ka nanandrana nanimba ny fandaminan’i Jehovah. Tamin’ny ankapobeny, dia nanohitra azy ireny ireo loholona, nefa mampalahelo fa nisy nanaiky ho voavily. Enga anie isika mba tsy hamela mihitsy an’ireo mpivadi-pinoana hanaisotra amintsika ny fifaliantsika!
12. a) Fitaomana inona moa no azo ampitahaina amin’ny an’i Balama sy Jezebela? b) Amin’izao androntsika izao, moa ve Satana manandrana mampiditra fitaomana sahala amin’izany ao anatin’ny kongregasiona kristiana?
12 Nampitandrina ny kongregasionan’i Pergamosy tamin’ireo izay ‘nitana ny fampianaran’i Balama’ koa i Jesosy. (Apokalypsy 2:14.) Inona moa izany fampianarana izany? Nisy olona tany Pergamosy nanimba ny kristiana sahala amin’ny nanimban’i Balama ny Isiraelita tany an’efitra, izany hoe tamin’ny fampirisihana azy ireny “hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga”. (Nomery 25:1-5; 31:8.) Nampitandrina ny kongregasionan’i Tyatira i Jesosy tamin’ny “vehivavy Jezebela” izay nitaona ny kristiana koa “hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ny sampy”. (Apokalypsy 2:20.) Moa ve amin’izao andro izao Satana manandrana mampiditra fitaomana sahala amin’ny an’i Balama sy Jezebela eo anivon’ny kongregasiona kristiana? Izany tokoa, hany ka efa ho 40 000 ny olona voaroaka isan-taona, ka ny ankamaroany dia noho ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Loza re izany! Nisy lehilahy sahala amin’i Balama sy vehivavy sahala amin’i Jezebela nikomy tamin’ireo loholona ka nitady hanimba ny kongregasiona. Enga anie isika hanohitra amin’ny herintsika rehetra ireny fitaomana maloto ireny! — 1 Korintiana 6:18; 1 Jaona 5:21.
13. a) Ahoana moa no teny ilazalazan’i Jesosy ny tsy fitiavany ny matimaty? b) Nahoana moa no matimaty ny Laodikiana, ary ahoana no azontsika analavirana ny fitoviana aminy?
13 Ao amin’ny Apokalypsy 3:15, 16, dia izao no ambaran’i Jesosy tamin’ny anjelin’ny kongregasionan’i Laodikia: “Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao; fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako hianao.” Lazalazain’i Jesosy amin’ny fomba mahery eo fa tsy tiany ny matimaty. Nanohy ny teniny toy izao izy: “Fa hoy hianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory.” Eny, sodokan’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo ny kristiana tany Laodikia. Nanaiky ho voatariky ny fahafahampo tamin’ny tenany izy ireo ka niseho ho nalaindaina. Nanantitrantitra toy izao tamin’io kongregasiona io anefa i Jesosy: “Tsy fantatrao fa hianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka.” (Apokalypsy 3:17). Moa ve isika maniry ho hita fa “ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka” eo imason’i Jesosy? Miharihary fa tsy izany! Aoka àry isika hiady amin’ny herintsika rehetra mba tsy ho fatra-pitia ny zavatra ara-nofo na ho matimaty. — 1 Timoty 6:9-12.
Aoka isika hiaritra hatramin’ny farany
14. a) Fahoriana inona avy moa no niaretan’ny kongregasionan’i Smyrna? b) Inona no mifanitsy amin’izany fahoriana izany amin’izao androntsika izao?
14 Tsy mba matimaty ny kongregasionan’i Smyrna. Hoy Jesosy taminy: “Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena hianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’i Satana. Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana.” (Apokalypsy 2:8-10). Moa ve tsy izany no mihatra amin’ny kristiana amin’izao andro izao? Na anisan’ny voahosotra izy na anisan’ny “ondry hafa”, dia miaritra fanoherana mafy koa avy amin’ny “synagogan’i Satana” ankehitriny, dia ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nanomboka hatramin’ny Ady Lehibe voalohany ka hatramin’izao androntsika izao, dia lehilahy sy vehivavy ary ankizy an’arivony maro no nokapohina, natao an-tranomaizina, nampijalina, nosavihina na novonoina satria tsy nety niala tamin’ny tsy fivadihany.
15, 16. a) Nahoana moa no afaka ny ho sambatra ny kristiana voahosotra na dia ao aza ny fanenjehana? b) Fahatsinjovan-javatra mahafinaritra inona moa no mameno fifaliana ny “ondry hafa” koa?
15 Mety hahasambatra izay miaritra azy ve ny fahoriana toy izany? Marina fa tsy dia ny fahoriana mihitsy akory no mahasambatra. Kanefa, sahala amin’ireo apostoly, ny kristiana mahatoky izay miaritra fitsapana dia mahatsapa fifaliana lalina anaty rehefa mieritreritra ny hoe “natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany [ny an’i Jesosy]”. (Asa. 5:41.) Ary mitana ny fifaliany izy ireo, na inona na inona ataon’ny fahavalony aminy, satria fantany fa akaiky ny fotoana voatendry hamalian-tsoa ny tsy fivadihany, ary valisoa toy inona moa! Hoy Jesosy tamin’ny kristiana tsirairay avy tany Smyrna: “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.” (Apokalypsy 2:10). Ary izao no nambarany tamin’ireo tany Sardisy: “Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho.” — Apokalypsy 3:5.
16 Marina fa mahakasika indrindra ireo kristiana voahosotra izany fampanantenana izany. Mampahatsiahy azy ireo ny loka miandry azy izany: ny fiainana tsy hahitam-pahafatesana any an-danitra. Manatanjaka ireo anisan’ny “ondry hafa” koa anefa izany. Manokana valisoa ho azy ireo koa Jehovah raha maneho zotom-po sy fiaretana izy ireo. Ananan’izy ireo ny fahatsinjovan-javatra mahafinaritra, dia ny handova ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana hotarihin’i Kristy. Amin’izany no hahitan’izy ireo ny Paradisa tsy ho hitan’izao tontolo izao ankehitriny mihitsy.
17. Ahoana moa no teny namaranan’i Jesosy ny tsirairay avy tamin’ireo hafatra nalefany, ary milaza inona ho antsika izany teny izany?
17 Nofaranan’i Jesosy tamin’izao teny izao ny tsirairay avy tamin’ireo hafatra nataony ho an’ny kongregasiona fito: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.” (Apokalypsy 3:22). Eny, ilaintsika ny mihaino ny tenin’ilay Mpiandry filoha sy ny mankato izany. Tokony handosirantsika ny fahalotoana sy ny fivadiham-pinoana, ka hitana ny zotom-pontsika isika. Amin’izany ihany no handraisantsika ny valisoa. Hihamafy ny fahavononantsika hanao toy izany arakaraka ny handrosoantsika amin’ny fandinihana ny bokin’ny Apokalypsy.
Horonamboky nasiana tombo-kase fito
18. a) Inona moa no noraisin’i Jesosy tao amin’ny kianja any an-danitra? b) Amin’izao androntsika izao, milaza inona ho an’ny olombelona moa ny fandehanan’ireo mpitaingin-tsoavaly telo voalazalaza ao amin’ny toko faha-6 amin’ny Apokalypsy?
18 Ao amin’ny toko faha-4 sy 5, ohatra, dia nahazo fahitana hafa dia hafa ny kianjan’i Jehovah any an-danitra i Jaona. Teo ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, Jesosy Kristy, ary nandray horonamboky iray voaisy tombo-kase fito izy. Ao amin’ny toko faha-6, dia sokafan’i Jesosy misesy ny enina amin’ireny tombo-kase fito ireny. Rehefa sokafana ny voalohany, dia miseho ny mpitaingin-tsoavaly fotsy iray. Mandray satroboninahitra izy ary mivoaka “naharesy sady mbola haharesy”. (Apokalypsy 6:2.) Jesosy Mpanjaka vao nandray satroboninahitra io mpitaingin-tsoavaly io. Niandoha ny andron’ny Tompo rehefa nanomboka ny fandehanany tamim-pandresena izy tamin’ny 1914. Rehefa novahana ny tombo-kase telo nanaraka, dia niseho ny soavaly telo hafa niaraka tamin’ireo mpitaingina azy. Izany dia endrika mahatahotra mampiseho ny ady eto an-tany, ny mosary, ary ny fahafatesana ateraky ny areti-mandringana, ankoatra ny zavatra hafa. Izany dia manamarina ny faminaniana lehibe nataon’i Jesosy manambara fa ny fanatrehany amin’ny maha-mpanjaka dia ho voamarika eto an-tany amin’ny ady lehibe, mosary, horohorontany sy loza aman’antambo hafa (Matio 24:3, 7, 8; Lioka 21:10, 11). Tsy azo lavina fa raha tiany ny hiaritra toe-piainana sarotra toy izany, ny kristiana dia tokony handinika akaiky ny teny nataon’i Jesosy ho an’ireo kongregasiona fito.
19. a) Mandritra ny fanatrehan’i Kristy, inona moa no valisoa raisin’ireo kristiana voahosotra mahatoky efa maty? b) Fisehoan-javatra mahatahotra inona avy moa no ambaran’ny famahana ny tombo-kase fahenina, ary mitarika ny olona hanontany hoe ahoana izany?
19 Tamin’ny famahana ny tombo-kase fahadimy no nanambarana fisehoan-javatra nitranga tany amin’ny faritra ara-panahy tsy hita maso. Samy mandray akanjo fotsy ny kristiana voahosotra izay maty noho ny finoany. Koa satria tena nisy ny fanatrehan’i Kristy, dia toa nanomboka ny fananganana ny maty ho any an-danitra (1 Tesaloniana 4:14-17; Apokalypsy 3:5). Avy eo dia novahana ny tombo-kase fahenina, ary ny “tany”, ny fandehan-javatra eto an-tany tapahin’i Satana dia nohozongozonin’ny horohoron-tany lehibe (2 Korintiana 4:4). Ny “lanitra”, na fanapahan’olombelona ampiharina eo ambany fahefan’i Satana, dia voahorona tahaka ny horonana tranainy fanary. Raiki-tahotra ireo mpikomy ka miantsoantso amim-pamoizam-po amin’ny vatolampy hoe: “Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ny tavan’ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry; fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo, ka iza no [mahajoro, MN ] mahajanona?” — Apokalypsy 6:13, 14, 16, 17.
20. Iza no hahajoro mandritra ny andro lehibe fahatezeran’i Jehovah sy ny Zanak’ondry?
20 Iza àry no tena hahajoro? Efa namaly an’io fanontaniana io i Jesosy: ireo izay ‘mandre izay lazain’ny fanahy amin’ireo kongregasiona’ dia hahajoro amin’io andro fahatezerana lehibe io. Ary ho fanamafisana izany, dia fantatr’i Jaona izao fa voaisy tombo-kase ny farany amin’ireo kristiana voahosotra 144 000 ary angonina mba ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ny olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra. (Apokalypsy 7:1-3, 14.) Tonga anefa ny fotoana hamahana ny tombo-kase fahafito amin’ny horonamboky. Hisy fahitana mahagaga hafa koa homena an’i Jaona ary tamin’ny alalany, ho antsika koa. Mamelabelatra ny sasany amin’izy ireny ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao ve?
◻ Inona moa no toerana tanan’i Jesosy oharina amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona?
◻ Tsy maintsy niatrika fahasahiranana inona avy moa ireo loholona tany Pergamosy sy Tyatira, ary nahita fahasahiranana sahala amin’izany ve ireo kongregasiona amin’izao androntsika izao?
◻ Fahadisoana lehibe inona moa no nataon’ny Laodikiana, ary ahoana no azontsika analavirana ny famerenana izany?
◻ Fanenjehana inona moa no niaretan’ny kristiana tamin’izao taonjato faha-20 izao, ary fampanantenan’i Jesosy inona no nanampy azy ireny?
◻ Ahoana no azontsika analavirana ny fahitana famoizam-po ho tsapan’ireo firenena ao Haramagedona?
[Sary, pejy 13]
Ny sasany tamin’ireo kristiana nahatoky izay nijaly tany amin’ny toby fitanana nazia.
[Sary nahazoan-dalana]
DÖW, Vienne, Autriche