Toko 14
Be Voninahitra ny Seza Fiandrianan’i Jehovah any An-danitra
Fahitana 2—Apokalypsy 4:1–5:14
Foto-kevitra: Fisehoan-javatra tena miavaka, eo anoloan’ny seza fiandrianana fitsaran’Andriamanitra
Fotoana fahatanterahany: Nanomboka tamin’ny 1914 mandra-pifaranan’ny Arivo Taona sy aorian’izay. Hidera an’i Jehovah ny zavaboary rehetra any an-danitra sy eto an-tany amin’ny faran’izy io.—Apokalypsy 5:13
1. Nahoana no tokony hahaliana antsika ny fahitana resahin’i Jaona amintsika?
MIRESAKA fahitana hafa mahavariana i Jaona. Mbola tao anatin’ny andron’ny Tompo izy, teo ambany herin’ny fanahy masina. Misy heviny lalina ho antsika ao anatin’io fotoana io àry ny fanazavany. Ireny fahitana ireny no ampihariharian’i Jehovah ny tena zava-misy any an-danitra, sy anehoany ny fomba fijeriny ny didim-pitsarana hotanterahiny eto an-tany. Manampy antsika hahita ny toerantsika ao anatin’ny fikasan’Andriamanitra koa izy ireny, na ho any an-danitra isika na ho eto an-tany. Tokony hahaliana antsika rehetra hatrany àry ny tenin’i Jaona hoe: “Sambatra izay mamaky mafy sy ireo mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny.”—Apokalypsy 1:3.
2. Inona izao no zavatra hitan’i Jaona?
2 Mihoatra lavitra noho ny sarimihetsika jeren’ny olona ankehitriny ny zavatra hitan’i Jaona! Hoy izy: “Taorian’izany, dia nahita aho, ary indro nisy varavarana nisokatra tany an-danitra, ary ilay feo voalohany izay efa reko dia toy ny an’ny trompetra, niteny tamiko hoe: ‘Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy hitranga.’ ” (Apokalypsy 4:1) Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana ny lanitra tsy hita maso misy an’i Jehovah. Ambony noho ny lanitra nalehan’ny manam-pahaizana izy io, sady ambony lavitra noho izay takatry ny maso mihitsy. Toy ny niditra teo amin’ny varavarana nisokatra i Jaona, ka nasaina hijery tsara an’ireo zavatra mahavariana tany amin’ilay lanitra tsy hita maso misy ny seza fiandrianan’i Jehovah. (Salamo 11:4; Isaia 66:1) Tombontsoa tokoa izany!
3. Inona no tonga ao an-tsaina amin’ilay feo “toy ny an’ny trompetra”, ary iza no tena nanao ilay fiantsoana?
3 Tsy lazain’ny Baiboly hoe iza io “feo voalohany” io. Mibaiko toy ny trompetra io feo io, sahala amin’ny feo mafin’i Jesosy re teo aloha. (Apokalypsy 1:10, 11) Tonga ao an-tsaina amin’izany ilay feona trompetra naneno mafy, nanambara fa teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Jehovah. (Eksodosy 19:18-20) I Jehovah tokoa no tena nanao ilay fiantsoana. (Apokalypsy 1:1) Novohany ny varavarana mba hidiran’i Jaona, tamin’ny alalan’ny fahitana, tao amin’ny toerana masina indrindra amin’ilay faritra midadasika anjakan’i Jehovah.
Be voninahitra i Jehovah
4. a) Inona no dikan’ny fahitan’i Jaona ho an’ny Kristianina voahosotra? b) Inona no dikan’ny fahitan’i Jaona ho an’ireo hiaina mandrakizay eto an-tany?
4 Inona no hitan’i Jaona? Henoy ny fitantarany: “Ary taorian’izany avy hatrany, dia nanjary teo ambany herin’ny fanahy aho: Ary indro, nisy seza fiandrianana teo amin’ny toerany tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo amboniny.” (Apokalypsy 4:2) Vetivety dia nentin’ny hery ampiasain’Andriamanitra i Jaona, mba ho any amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah mihitsy. Nanaitra an’i Jaona tokoa izany! Naseho taminy teo ny lanitra izay hanomezana azy sy ny Kristianina voahosotra hafa “lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra.” (1 Petera 1:3-5; Filipianina 3:20) Misy heviny lalina ho an’ireo hiaina mandrakizay eto an-tany koa ny fahitan’i Jaona. Manampy azy ireo izany mba hahatakatra ny voninahitry ny fanatrehan’i Jehovah sy ny rafitry ny fitondrany any an-danitra. Io fitondrana io no hitsara ny firenena sy hanjaka amin’ny olombelona eto an-tany aorian’izay. I Jehovah no Andriamanitr’izany fandaminana hafakely izany!
5. Inona no hitan’i Jaona tamin’ny fahitana, ka oharina amin’ny saron’ilay vata misy ny fifanekena?
5 Maro amin’ireo zavatra hitan’i Jaona tany an-danitra no misy itovizana amin’ilay tranolay tany an-tany efitra. Tamin’ny 1 600 taona lasa talohan’izany no naorina ilay tranolay, izay toerana masina ho an’ny fivavahana marina teo amin’ny Israely. Tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’izy io ny vata misy ny fifanekena, izay nisy sarony volamena mafy. Avy teo ambonin’ilay sarony no nitenenan’i Jehovah. (Eksodosy 25:17-22; Hebreo 9:5) Ny seza fiandrianan’i Jehovah àry no oharina amin’ny saron’ilay Vata. Hitan’i Jaona mihitsy i Jehovah Tompo Fara Tampony mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany manerinerina any an-danitra, ary mahatalanjona ny voninahiny!
6. Inona no fanazavan’i Jaona momba an’i Jehovah, ary nahoana no mety izany?
6 Tsy toy ireo mpaminany taloha, izay nahazo fahitana momba ny seza fiandrianan’i Jehovah i Jaona, satria tsy manazava amin’ny an-tsipiriany an’ilay Masina mipetraka eo amin’izy io. (Ezekiela 1:26, 27; Daniela 7:9, 10) Izao anefa no lazainy momba Ilay mipetraka eo ambony seza fiandrianana: “Ary tahaka ny vato jaspa sy vatosoa mena no fahitana an’ilay mipetraka, ary manodidina an’ilay seza fiandrianana dia nisy avana izay tahaka ny emeraoda no fahitana azy.” (Apokalypsy 4:3) Voninahitra tsy manam-paharoa tokoa izany! Kanto sy milamina ary mamirapiratra ny zavatra hitan’i Jaona, toy ny vatosoa mangirana sy manjelanjelatra. Mitovy amin’izany ny fanazavan’i Jakoba mpianatra momba an’i Jehovah, izay lazainy hoe “Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra”! (Jakoba 1:17) Nilaza toy izao koa i Jaona, taoriana kelin’ny nanoratany ny Apokalypsy: “Andriamanitra dia fahazavana, ka tsy ao anatin’ny haizina mihitsy izay tafaray aminy.” (1 Jaona 1:5) Be voninahitra tokoa i Jehovah!
7. Inona no ianarantsika avy amin’ny hoe misy avana manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah?
7 Mariho fa nahita avana maitso toy ny emeraoda i Jaona, nanodidina ilay seza fiandrianana. Toa manondro zavatra boribory tsara ilay teny grika nadika hoe avana (irʹis) eto. Tamin’ny andron’i Noa no niresahan’ny Baiboly voalohany momba ny avana. Nasian’i Jehovah avana teo amin’ny rahona, rehefa ritra ny ranon’ny Safodrano. Nohazavainy toy izao ny dikan’izy io: “Ny avako efa napetrako eo amin’ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ny tany. Dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin’ny zava-manan-aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano handringana ny nofo rehetra intsony.” (Genesisy 9:13, 15) Inona àry no tonga tao an-tsain’i Jaona tamin’ilay fahitana tany an-danitra? Tsaroany tamin’ilay avana fa ilaina ny mihavana tsara amin’i Jehovah, sahala amin’ireo voahosotra ankehitriny. Nilentika tao an-tsainy tamin’izany koa fa Andriamanitry ny filaminana sy ny fiadanana i Jehovah. Ho hitan’ny olombelona mankatò rehetra io filaminana io, rehefa hamelatra ny tranolainy amin’izy ireo i Jehovah ao amin’ny tany vaovao.—Salamo 119:165; Filipianina 4:7; Apokalypsy 21:1-4.
Iza ireo anti-panahy 24?
8. Iza no hitan’i Jaona manodidina ilay seza fiandrianana, ary mifanitsy amin’iza izy ireo?
8 Fantatr’i Jaona fa notendrena hiasa tao amin’ilay tranolay fahiny ny mpisorona. Nety ho gaga àry izy, rehefa nahita ireto zavatra lazainy ireto: “Ary manodidina an’ilay seza fiandrianana dia nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo, ary teo ambonin’ireo seza fiandrianana ireo dia hitako fa nisy anti-panahy efatra amby roapolo nipetraka, nanao akanjo ivelany fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.” (Apokalypsy 4:4) Tsy mpisorona no hitany, fa anti-panahy 24, mipetraka eo ambony seza fiandrianana, sy manao satroboninahitry ny mpanjaka. Mifanitsy amin’iza ireo anti-panahy ireo? Mifanitsy amin’ireo Kristianina voahosotra, natsangana tamin’ny maty sy manana toerana any an-danitra, araka ny nampanantenain’i Jehovah azy. Ahoana no hahalalantsika izany?
9, 10. Ahoana no ahalalantsika fa ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra manana toerana be voninahitra any an-danitra ireo anti-panahy 24?
9 Manao satroboninahitra izy ireo, voalohany indrindra. Lazain’ny Baiboly fa hahazo ‘fehiloha tsy mety lo’ ny Kristianina voahosotra, sady ho lasa tsy mety maty. (1 Korintianina 9:25; 15:53, 54) Manondro fahefan’ny mpanjaka anefa ny satroboninahitra volamena eto, satria mipetraka eo ambony seza fiandrianana ireo anti-panahy 24. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 6:2; 14:14.) Ny mpanara-dia an’i Jesosy nahazo toerana tany an-danitra tokoa àry ireo anti-panahy 24 ireo, satria nanao fifanekena tamin’izy ireo i Jesosy mba hipetrahany eo amin’ny seza fiandrianana ao amin’ny Fanjakany. (Lioka 22:28-30) I Jesosy sy ireo anti-panahy 24 ihany, fa tsy ny anjely akory aza, no lazaina fa manjaka any an-danitra, eo anatrehan’i Jehovah.
10 Mifanaraka amin’izao fampanantenan’i Jesosy ho an’ny fiangonan’i Laodikia izao izany: “Izay mandresy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako.” (Apokalypsy 3:21) Tsy ny fitondrana ihany anefa no andraikitr’ireo anti-panahy 24 any an-danitra. Izao no nolazain’i Jaona momba an’i Jesosy, eo am-piandohan’ny bokin’ny Apokalypsy: “Nataony fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy isika.” (Apokalypsy 1:5, 6) Sady mpanjaka no mpisorona izy ireo. “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy arivo taona.”—Apokalypsy 20:6.
11. Nahoana no mety ny hoe 24 ny isan’ireo anti-panahy, ary manondro inona io isa io?
11 Inona no tsara homarihina momba ilay isa 24, tamin’ilay fahitan’i Jaona momba ny anti-panahy 24 manodidina ilay seza fiandrianana? Maro ny lafiny itovizan’izy ireo amin’ny mpisorona nahatoky teo amin’ny Israely fahiny. Hoy ny apostoly Petera tamin’ny Kristianina voahosotra: “Ianareo kosa dia ‘firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.’ ” (1 Petera 2:9) Mahaliana fa nozaraina ho antokony 24 ny mpisorona jiosy fahiny. Samy nanana ny herinandro nanompoany teo anatrehan’i Jehovah ny antokony tsirairay nandritra ny taona, ka tsy tapaka mihitsy ny fanompoana masina. (1 Tantara 24:5-19) Mety àry raha misy anti-panahy 24 voalazan’ny fahitan’i Jaona momba ny fisoronana any an-danitra, satria manompo an’i Jehovah tsy tapaka mihitsy ireo mpisorona ireo. Hisy antokony 24 misy mpandresy 6 000 avy izy ireo, rehefa feno. Milaza mantsy ny Apokalypsy 14:1-4 fa olona 144 000 (24 x 6 000) no “novidina avy teo amin’ny olombelona” mba hitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra, miaraka amin’i Jesosy Kristy Zanak’ondry. Manondro fandaminan’Andriamanitra voalanjalanja tsara ny isa 12, ka manao izany fandaharana izany ho avo roa heny, na manamafy izany, ny isa 24.
Tselatra sy feo ary kotroka
12. Inona indray no hitan’i Jaona sy reny, ary mampahatsiahy inona ny “tselatra sy feo ary kotroka”?
12 Inona indray no hitan’i Jaona sy reny? “Ary nisy tselatra sy feo ary kotroka nivoaka avy teo amin’ilay seza fiandrianana.” (Apokalypsy 4:5a) Mampahatsiahy antsika fisehoan’ny herin’i Jehovah lehibe any an-danitra koa izany! Nilaza toy izao, ohatra, i Mosesy, rehefa “nidina” teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Jehovah: “Nony tamin’ny marain’ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ny tendrombohitra, ary nisy feon’anjomara mafy indrindra. ... Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.”—Eksodosy 19:16-19.
13. Inona ireo tselatra avy amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah?
13 Ahariharin’i Jehovah amin’ny fomba miavaka koa ny heriny sy ny fanatrehany, mandritra ny andron’ny Tompo. Tsy misy tselatra ara-bakiteny anefa, satria fahitana no hitan’i Jaona. Inona àry ireo tselatra? Mety hanome hazavana ny tselatra, sady mety hamely hahafaty olona koa. Ny tselatra avy amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah àry dia ny fahazavana omeny ny vahoakany tsy tapaka, ary indrindra ny didim-pitsarany.—Ampitahao amin’ny Salamo 18:14; 144:5, 6; Matio 4:14-17; 24:27.
14. Inona ireo feo re ankehitriny?
14 Inona kosa ireo feo? Nisy feo niresaka tamin’i Mosesy, rehefa nidina teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Jehovah. (Eksodosy 19:19) Feo avy tany an-danitra no nilaza ny maro tamin’ny didy sy fanambarana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 4:1; 10:4, 8; 11:12; 12:10; 14:13; 16:1, 17; 18:4; 19:5; 21:3) Mamoaka didy sy fanambarana ho an’ny vahoakany ankehitriny koa i Jehovah, ka manazava ny fahatakaran’izy ireo ny faminaniana sy toro lalan’ny Baiboly. Navoaka tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena matetika ireo fanazavana lehibe, ary nambara eran-tany ireny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ireny avy eo. Hoy ny apostoly Paoly, momba ireo mpitory ny vaovao tsara mahatoky: “Raha ny marina, dia ‘efa nivoaka eran-tany ny feony, ary efa tonga hatrany amin’ny faran’ny tany onenana ny teny nolazainy.’ ”—Romanina 10:18.
15. Inona ireo kotroka avy amin’ilay seza fiandrianana, mandritra izao andron’ny Tompo izao?
15 Misy kotroka matetika aorian’ny tselatra. Nantsoin’i Davida hoe “feon’i Jehovah” ny kotroka ara-bakiteny. (Salamo 29:3, 4) Voalaza fa nandefa kotroka i Jehovah, rehefa niady tamin’ny fahavalon’i Davida. (2 Samoela 22:14; Salamo 18:13) Nilaza tamin’i Joba i Eliho fa toy ny kotroka ny feon’i Jehovah, rehefa manao “zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.” (Joba 37:4, 5) ‘Mikotroka’ koa i Jehovah amin’izao andron’ny Tompo izao, izany hoe mamoaka fampitandremana momba ny asa lehibe hamelezany ny fahavalony. Manakoako eran-tany hatrany izany kotroka izany. Sambatra ianao, raha mihaino ireny fanambarana makotrokotroka ireny, sady mampiasa amim-pahendrena ny lelanao hanamafisana azy ireny!—Isaia 50:4, 5; 61:1, 2.
Jiro sy ranomasina tahaka ny fitaratra
16. Inona ireo “jiro fito”?
16 Inona koa no hitan’i Jaona? Izao: “Ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan’ilay seza fiandrianana, ary tsy inona ireo jiro ireo fa ny fanahy fiton’Andriamanitra. Ary nisy toa ranomasina tahaka ny fitaratra sady tahaka ny kristaly, teo anoloan’ilay seza fiandrianana.” (Apokalypsy 4:5b, 6a) Lazain’i Jaona amintsika hoe inona ireo jiro fito: “Tsy inona ireo jiro ireo fa ny fanahy fiton’Andriamanitra.” Manondro fahafenoana araka ny fihevitr’Andriamanitra ny isa fito. Ireo jiro ireo dia manondro fa manazava amin’ny fomba feno ny herin’ny fanahy masina. Faly tokoa ireo voahosotra toa an’i Jaona ankehitriny, fa nampiandraiketina an’io fanazavana io sy nasaina hampita izany amin’ny olona noana ara-panahy eran-tany! Faly isika, satria gazety Ny Tilikambo Fiambenana an-jatony tapitrisa no mamoaka io hazavana io amin’ny fiteny 150 eo ho eo isan-taona!—Salamo 43:3.
17. Manondro inona ilay “ranomasina tahaka ny fitaratra sady tahaka ny kristaly”?
17 Mahita “ranomasina tahaka ny fitaratra sady tahaka ny kristaly” koa i Jaona. Mifanandrify amin’ny inona izany, mahakasika an’ireo asain’i Jehovah ho any an-danitra? Niresaka ny fomba anadiovan’i Jesosy ny fiangonana i Paoly, dia ny “hanadiovany azy amin’ny rano fandroana, amin’ny alalan’ny teny.” (Efesianina 5:26) Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, talohan’ny nahafatesany: “Efa madio ianareo, noho ny teny nolazaiko taminareo.” (Jaona 15:3) Azo antoka àry fa manondro ny Tenin’Andriamanitra manadio, ilay ranomasina tahaka ny fitaratra sady tahaka ny kristaly eto. Efa nodiovin’ny Tenin’Andriamanitra tanteraka ireo mpisorona sy mpanjaka tonga eo anatrehan’i Jehovah.
Jereo ireo “zavamananaina efatra”!
18. Inona no hitan’i Jaona eo afovoan’ilay seza fiandrianana sy manodidina azy?
18 Mahita lafiny hafa i Jaona izao. Hoy izy: “Ary teo afovoan’ilay seza fiandrianana sy manodidina azy dia nisy zavamananaina efatra izay feno maso ny anoloany sy ny andamosiny.”—Apokalypsy 4:6b.
19. Manondro inona ireo zavamananaina efatra, ary ahoana no ahalalantsika izany?
19 Inona ireo zavamananaina ireo? Manampy antsika hamaly izany ny fahitan’i Ezekiela mpaminany. Hitany i Jehovah nipetraka teo amin’ny kalesy iray tany an-danitra, ary nisy zavamananaina toy ireo noresahin’i Jaona ireo teo anatrehany. (Ezekiela 1:5-11, 22-28) Hitan’i Ezekiela indray io kalesy nisy seza fiandrianana io tatỳ aoriana, niaraka tamin’ireo zavamananaina. Nolazainy hoe kerobima anefa ireo zavamananaina tamin’io. (Ezekiela 10:9-15) Manondro an’ireo kerobiman’Andriamanitra maro be àry ireo zavamananaina efatra hitan’i Jaona. Zavaboary ambony ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra ny kerobima. Tsy hafahafa tamin’i Jaona ny nahita kerobima teo akaiky kelin’i Jehovah toy izany. Nisy kerobima volamena roa mantsy, tao amin’ilay tranolay fahiny, teo amin’ny saron’ny vata misy ny fifanekena, ilay oharina amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah. Nivoaka teo anelanelan’ireo kerobima ireo ny feon’i Jehovah namoaka didy ho an’ilay firenena.—Eksodosy 25:22; Salamo 80:1.
20. Inona no dikan’ny hoe eo “afovoan’ilay seza fiandrianana sy manodidina azy”, ireo zavamananaina efatra?
20 Eo “afovoan’ilay seza fiandrianana sy manodidina azy”, ireo zavamananaina efatra. Inona no tena dikan’izany? Mety hidika izany hoe manodidina ilay seza fiandrianana izy ireo, ka toy ny hoe eo afovoan’ny lafiny iray avy ny tsirairay aminy. Mandika ilay andininy toy izao ny Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara: ‘Namefy akaiky an’ilay sezafiandrianana isaky ny lafiny avy.’ Mety hidika koa anefa io fitenenana io hoe eo afovoan’ny lanitra, izany hoe eo amin’ny toerana misy an’ilay seza fiandrianana, ireo zavamananaina efatra. Izany angamba no nahatonga Ny Baibolin’i Jerosalema (anglisy) handika azy io hoe: “Eo afovoany, tafangona manodidina ilay seza fiandrianana mihitsy.” Ny zava-dehibe dia hoe tena eo akaikin’ny seza fiandrianan’i Jehovah ireo kerobima, toy ireo kerobima hitan’i Ezekiela tamin’ny lafiny efatra amin’ilay kalesin’i Jehovah. (Ezekiela 1:15-22) Mifanaraka amin’ity Salamo 99:1 ity izany rehetra izany: “Jehovah no Mpanjaka, ... mipetraka amin’ny kerobima Izy.”
21, 22. a) Ahoana no ilazan’i Jaona an’ireo zavamananaina efatra? b) Manondro inona avy ireo zavamananaina efatra?
21 Hoy indray i Jaona: “Ary ny zavamananaina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zavamananaina faharoa dia tahaka ny vantotr’ombilahy, ary ny zavamananaina fahatelo dia nanan-tarehy toy ny an’ny olona, ary ny zavamananaina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.” (Apokalypsy 4:7) Nahoana ireo zavamananaina ireo no tsy mitovy mihitsy? Manasongadina toetran’Andriamanitra voafaritra tsara ny fahasamihafan’izy ireo. Ny liona no voalohany. Manondro herim-po ny liona ao amin’ny Baiboly, indrindra fa ny herim-po hanaovana izay rariny sy mahitsy. (2 Samoela 17:10; Ohabolana 28:1) Ilay liona àry dia manondro ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny amin-kerim-po. (Deoteronomia 32:4; Salamo 89:14) Mitovy amin’ny vantotr’ombilahy ilay zavamananaina faharoa. Inona no toetra tonga ao an-tsainao amin’izany? Sarobidy tamin’ny Israelita ny omby, satria matanjaka. (Ohabolana 14:4; jereo koa ny Joba 39:9-11.) Manondro hery sy tanjaka omen’i Jehovah àry ilay vantotr’ombilahy.—Salamo 62:11; Isaia 40:26.
22 Manana tarehy toy ny an’ny olona ilay zavamananaina fahatelo. Manondro fitiavana toy ny an’Andriamanitra izany, satria ny olombelona ihany no noforonina araka ny endrik’Andriamanitra, ka ny fitiavana no tena toetra mampiavaka azy. (Genesisy 1:26-28; Matio 22:36-40; 1 Jaona 4:8, 16) Tena maneho io toetra io ireo kerobima, rehefa manompo manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah. Inona kosa ilay zavamananaina fahefatra? Toy ny voromahery manidina ny endriny. Izao no nolazain’i Jehovah momba ny fahitan’ny voromahery: “Mahatsinjo lavitra ny masony.” (Joba 39:29) Manondro fahendrena mahatsinjo lavitra àry ny voromahery. I Jehovah no niavian’ny fahendrena. Maneho fahendrena avy aminy ny kerobima, rehefa mankatò ny didiny.—Ohabolana 2:6; Jakoba 3:17.
Manakoako ny fiderana an’i Jehovah
23. Inona no dikan’ilay hoe “rakotra maso” ireo zavamananaina efatra, ary inona no antitranterina amin’ireo elatra enina?
23 Izao no tohin’ny filazan’i Jaona: “Ary ireo zavamananaina efatra dia samy nanana elatra enina avy, ary rakotra maso nanerana ny elany sy tao ambany elany. Ary tsy nitsahatra niteny izy ireo, na andro na alina, hoe: ‘Masina, masina, masina i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.’ ” (Apokalypsy 4:8) Rakotra maso ny elatr’ireo zavamananaina efatra, ka mahita ny zavatra rehetra izy ireo sady mahatsinjo lavitra. Tsy mila matory izy ireo, ka afaka mahita amin’ny fotoana rehetra. Manahaka an’i Jehovah izy ireo, araka ny voalaza hoe: “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” (2 Tantara 16:9) Afaka mahita ny toerana rehetra ireo kerobima, satria manana maso be dia be. Tsy misy zavatra tsy hitan’izy ireo. Ampy fitaovana tsara àry izy ireo mba hanompo an’Andriamanitra eo amin’ny asa fitsarany. Izao no voalaza momba azy: “Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.” (Ohabolana 15:3) Enina ny elatr’ireo kerobima ireo, ka toy ny hoe mizara telo, ary mandeha tsiroaroa. Midika ho fanantitranterana ny isa telo ao amin’ny Baiboly. Antitranterina amin’izany àry fa afaka mandeha haingana toy ny tselatra ireo kerobima, mba hanambara sy hanatanteraka ny didim-pitsaran’i Jehovah.
24. Ahoana no ideran’ireo kerobima an’i Jehovah, ary inona no dikan’izany?
24 Henoy ange e! Mahafinaritra sy mampahery ilay hira fiderana ataon’ireo kerobima ho an’i Jehovah, manao hoe: “Masina, masina, masina i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.” Manondro fanamafisana koa ilay fiverenana intelo eto. Hamafisin’ireo kerobima fa masina i Jehovah Andriamanitra. Avy aminy ny fahamasinana, ary izy no Modely tsara indrindra amin’izany. Izy koa no “ilay Mpanjakan’ny mandrakizay”, dia ilay “Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.” (1 Timoty 1:17; Apokalypsy 22:13) Tsy miato mihitsy ireo kerobima manambara ny toetran’i Jehovah tsy manam-paharoa eo anatrehan’ny zavaboary rehetra.
25. Inona no fiderana iarahan’ireo zavamananaina sy ny anti-panahy 24 manao?
25 Manakoako eran’ny lanitry ny lanitra ny fiderana an’i Jehovah! Mitohy toy izao ny fanazavan’i Jaona: “Ary ireo zavamananaina dia nanome voninahitra sy haja ary fisaorana an’Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana, dia Ilay velona mandrakizay mandrakizay. Ary isaky ny nanao izany izy ireo, ny anti-panahy efatra amby roapolo dia niankohoka teo anatrehan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana ka nivavaka tamin’Ilay velona mandrakizay mandrakizay, ary nanipy ny satroboninahiny teo anoloan’ny seza fiandrianana, sady niteny hoe: ‘Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.’ ” (Apokalypsy 4:9-11) Izany no anisan’ny fiderana lehibe indrindra ao amin’ny Soratra Masina ho an’i Jehovah Andriamanitsika sy Tompontsika Fara Tampony!
26. Nahoana ireo anti-panahy 24 no manipy ny satroboninahiny eo anoloan’i Jehovah?
26 Manana ny toe-tsain’i Jesosy ireo anti-panahy 24, ka manipy ny satroboninahiny eo anoloan’i Jehovah mihitsy. Tsy ao an-tsain’izy ireo mihitsy ny hanandratra ny tenany eo anatrehan’Andriamanitra. Manetry tena izy ireo, ka manaiky fa ny hanome voninahitra sy hidera an’Andriamanitra, toy ny nataon’i Jesosy, ihany no antony maha mpanjaka azy ireo. (Filipianina 2:5, 6, 9-11) Eken’izy ireo fa ambany ny tenany, sady miankina amin’ny zon’i Jehovah hitondra ny fitondrany. Miray saina tanteraka amin’ireo kerobima sy ny zavaboary mahatoky rehetra àry izy ireo, ka midera sy manome voninahitra an’ilay Andriamanitra namorona ny zava-drehetra.—Salamo 150:1-6.
27, 28. a) Inona no tokony ho vokatry ny fahitan’i Jaona eo amintsika? b) Inona avy no fanontaniana mipoitra, momba izay hitan’i Jaona sy reny manaraka?
27 Iza no tsy hihetsi-po rehefa mamaky ny fitantaran’i Jaona an’io fahitana manetriketrika io? Fahitana fotsiny aza mahatalanjona toy izany, ka mainka fa ny tena izy! Voatosika hidera an’i Jehovah noho ny voninahiny, toa an’ireo zavamananaina efatra sy ny anti-panahy 24, ny olona mahay mankasitraka, ary mivavaka amin’i Jehovah sy manambara ny anarany amin’ny olona. Vavolombelon’io Andriamanitra io ny Kristianina ankehitriny. (Isaia 43:10) Tadidio fa mihatra amin’izao andron’ny Tompo misy antsika izao ny fahitan’i Jaona. Izao no tena miasa ireo “fanahy fito” mba hitarika sy hanatanjaka antsika. (Galatianina 5:16-18) Eo koa ny Tenin’Andriamanitra mba hanampy antsika ho masina eo am-panompoana an’ilay Andriamanitra masina. (1 Petera 1:14-16) Sambatra tokoa isika raha mamaky mafy ny tenin’io faminaniana io. (Apokalypsy 1:3) Manosika antsika izany mba tsy hivadika amin’i Jehovah, sady tsy hamela ity tontolo ity hisakana antsika tsy hihira fiderana azy!—1 Jaona 2:15-17.
28 Mbola mitantara ihany i Jaona, ka milaza izay hitany teo amin’ilay varavarana nisokatra tany an-danitra. Ny voninahitr’i Jehovah sy ny fahamboniany no zavatra tena niavaka hitany. Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany i Jehovah. Ny fandaminana matanjaka indrindra no manodidina azy, ary tsy mivadika aminy io fandaminana tena kanto io. Vonona ilay Fitsarana any an-danitra. (Daniela 7:9, 10, 18) Hisy zavatra hafakely hitranga. Inona izany, ary inona no akon’izany eo amintsika? Araho tsara àry izay mitranga!
[Sary, pejy 75]
[Sary, pejy 78]