Andro Tsara Kokoa Amin’ny Hoavy
“IRAY-tsy misy-iray ny anay”, hoy ny vehivavy iray.
“Ratsy kokoa aza ny ahy”, hoy ny navalin’ilay namany. “Tsy mahazo afa-tsy tsy misy-tsy misy-iray aho.”
Any amin’ny faritra sasany atsy Afrika Andrefana, dia tsy mila fanazavana ny resaka fohy toy izany. Tsy misakafo intelo isan’andro (iray-iray-iray) ny olona iray mahazo iray-tsy misy-iray, satria tsy manana fahafahana hisakafo afa-tsy indroa isan’andro — indray mandeha amin’ny maraina ary indray mandeha amin’ny hariva. Manazava toy izao ny tarehin-javatra misy azy ny tovolahy iray mahazo tsy misy-tsy misy-iray: “Indray mandeha isan’andro aho no misakafo. Rano no amenoako ny vatako fampangatsiahana. Mihinana gari [mangahazo] aho amin’ny alina alohan’ny hatoriana. Toy izany no fomba anaovako azy.”
Toy izany no fahorian’ny olona mihamitombo isa hatrany amin’izao andro izao. Miakatra ny vidin-javatra, ary midina ny fahefa-mividin’ny vola.
Voambara mialoha ny tsy fahampian-tsakafo
Tao amin’ny fitohitohizana fahitana nomena ny apostoly Jaona, dia nambaran’Andriamanitra mialoha ireo toe-piainana sarotra atrehin’ny maro amin’izao andro izao. Anisan’izany ny tsy fahampian-tsakafo. Hoy ny fitantaran’i Jaona: “Hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizana teny an-tànany.” (Apokalypsy 6:5). Io soavaly sy ny mpitaingina azy manambara loza io dia mampiseho ny mosary — ho tsy fahita firy aoka izany ny sakafo, hany ka hotsinjaraina amin’ny mizana.
Manaraka izany dia hoy ny apostoly Jaona: “Ary nahare aho, ka toa nisy feo (...) nanao hoe: Denaria ny vary tritika eran’ny fatam-bary kely, ary denaria koa ny vary hordea intelon’ny fatam-bary”. (Fanamarihana ambany pejy). Tamin’ny andron’i Jaona, dia vary tritika (varimbazaha) eran’ny fatam-bary kely no anjara hanin’ny miaramila iray isan’andro, ary denaria iray no karama tamin’ny asa iray andro. Noho izany, ny fandikan-tenin’i Richard Weymouth dia mandika toy izao ilay andininy: “Ny karama iray andro maninjitra hahazoana mofo iray, ary ny karama iray andro maninjitra hahazoana mofomamy hordea telo.” — Apokalypsy 6:6.
Ohatrinona ny karama iray andro maninjitra amin’izao andro izao? Hoy ny fanamarihan’ny tatitra State of World Population, 1994: “Misy olona 1,1 arivo tapitrisa eo ho eo, tokony ho ny 30 isan-jaton’ny mponina any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, no mivelona amin’ny 1 dolara eo ho eo isan’andro.” Noho izany, ho an’ireo mahantra maneran-tany, ny karama iray andro dia ividianana ara-bakiteny mofo iray eo ho eo.
Mazava ho azy fa tsy mahagaga an’ireo izay tena mahantra izany. “Mofo hoe!” hoy ny fihiakan’ny lehilahy iray. “Iza no mahavidy mofo? Ankehitriny ny mofo dia sakafo haitraitra!”
Mifanohitra amin’izany anefa fa tsy misy ny tsy fahampian-tsakafo. Araka ny loharanon-kevitry ny ONU, nandritra ireo folo taona lasa, ny famokarana sakafo maneran-tany dia nitombo 24 isan-jato, ary izany dia nihoatra noho ny fitomboan’ny mponina maneran-tany. Kanefa, tsy ny rehetra no nahita izany fitomboan’ny sakafo izany. Atsy Afrika, ohatra, ny famokarana sakafo, raha ny marina, dia nidina 5 isan-jato, raha mbola nitombo 34 isan-jato ny isan’ny mponina. Koa na dia eo aza ny fahatondrahan-tsakafo maneran-tany amin’ny ankapobeny, dia mitohy ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ny tany maro.
Midika ho vidin-javatra lafo kokoa ny tsy fahampian-tsakafo. Ny tsy fananana asa sy ny karama ambany ary ny fidangan’ny vidim-piainana dia manasarotra kokoa ny fahitana ny vola hividianana izay misy. Hoy ny Human Development Report 1994: “Noana ny olona, tsy hoe noho ny tsy fisian’ny sakafo — fa satria tsy mahavidy izany izy ireo.”
Mihamitombo ny tsy fananana fanantenana sy ny fahasosorana ary ny famoizam-po. “Mahatsapa ny olona fa ratsy ny anio, kanefa ho ratsy kokoa ny ampitso”, hoy i Glory, izay mipetraka atsy Afrika Andrefana. Hoy ny vehivavy hafa iray: “Mihevitra ny olona fa mihamanatona antambo iray izy ireo. Mihevitra izy ireo fa ho avy ny andro izay tsy hisian’ny zavatra tavela intsony eny an-tsena.”
Niahy ny mpanompony i Jehovah tamin’ny lasa
Fantatry ny mpanompon’Andriamanitra fa mamaly soa ireo olony mahatoky i Jehovah amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’izy ireo sy amin’ny fanomezana azy ireo tanjaka mba hiatrehana ny toe-piainana sarotra. Izany fatokiana ny fahaizan’Andriamanitra mamelona izany, raha ny marina, dia tapany tena ilaina amin’ny finoany. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” — Hebreo 11:6.
Niahy foana ny mpanompony nahatoky i Jehovah. Nandritra ny hain-tany naharitra telo taona sy tapany, i Jehovah dia nanome sakafo an’i Elia mpaminany. Teo am-boalohany dia nodidian’Andriamanitra ny goaika hitondra mofo sy hena ho an’i Elia. (1 Mpanjaka 17:2-6). Tatỳ aoriana i Jehovah dia nampaharitra tamin’ny fomba mahagaga ny koba sy ny tahirina menaka nananan’ny vehivavy mpitondratena iray izay nanome sakafo an’i Elia. (1 Mpanjaka 17:8-16). Nandritra io mosary io ihany, na dia teo aza ny fanenjehana ara-pivavahana mafy nampiharin’i Jezebela Mpanjakavavy ratsy fanahy tamin’ireo mpaminanin’i Jehovah, dia nataon’i Jehovah koa izay hanomezana mofo sy rano azy ireo. — 1 Mpanjaka 18:13.
Tatỳ aoriana, fony nanao fahirano an’i Jerosalema mpivadi-pinoana ny mpanjakan’i Babylona, ny olona dia voatery ‘nihinana mofo an-danjany tamin’ny fanahiana’. (Ezekiela 4:16). Nanjary nampamoy fo aoka izany ny tarehin-javatra, hany ka nihinana ny nofon-janany ihany ny vehivavy sasany. (Fitomaniana 2:20). Kanefa, na dia natao an-tranomaizina aza i Jeremia mpaminany noho ny fitoriany, dia nataon’i Jehovah izay ‘hanomezana mofo iray isan’andro isan’andro avy any amin’ny fitoeran’ny mpanao mofo ho azy, ambara-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna’. — Jeremia 37:21.
Nanadino an’i Jeremia ve i Jehovah rehefa lany ny tahirina mofo? Toa tsy izany, satria rehefa lavo teo anatrehan’ny Babyloniana ilay tanàna, i Jeremia dia nomena ‘vatsy sy fanomezana ka nalefa handeha’. — Jeremia 40:5, 6; jereo koa ny Salamo 37:25.
Manohana ny mpanompony Andriamanitra amin’izao andro izao
Tsy nisy hafa tamin’ny nameloman’i Jehovah ny mpanompony tamin’ireo taranaka lasa no ataony koa amin’izao andro izao, ka miahy azy ireo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy izy. Diniho, ohatra, ny zavatra niainan’i Lamitunde, izay mipetraka atsy Afrika Andrefana. Hoy ny fitantarany: “Nanana toeram-piompiana akoho tena lehibe aho. Indray andro, dia nisy mpangalatra nitam-piadiana tonga tao amin’ilay toeram-piompiana, ka nangalatra ny ankamaroan’ireo akoho sy ny groupe électrogène nampiasaina tamin’ny vonjy taitra ary ny vola nanananay. Fotoana fohy taorian’izay, dia matin’ny aretina ny akoho vitsy tavela. Nandrava ilay fandraharahana naoriko tamin’ny fiompiana akoho izany. Nandritra ny roa taona aho dia niezaka nitady asa fa tsy nahomby. Tena mazana ny tarehin-javatra, kanefa namelona anay i Jehovah.
“Izay nanampy ahy hahazaka ilay fotoan-tsarotra dia ny fahatakarako fa mamela ny hitrangan’ny zavatra amintsika i Jehovah mba hanadiovana antsika. Nanohy ny fahazaranay nanao fianaran’ny fianakaviana Baiboly izahay mivady, ary tena nanampy anay izany. Loharanon-tanjaka lehibe koa ny vavaka. Indraindray dia tsy te hivavaka aho, kanefa rehefa tena nivavaka aho, dia nahatsiaro tena ho tsara kokoa.
“Nandritra io fe-potoan-tsarotra io, dia nianatra ny hasarobidin’ny fisaintsainana ny Soratra Masina aho. Nataoko ho fahazarana ny nieritreritra be momba ny Salamo faha-23, izay miresaka an’i Jehovah ho Mpiandry antsika. Andinin-teny hafa iray nampahery ahy ny Filipiana 4:6, 7, izay manisy firesahana ny amin’ny ‘fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra’. Andininy hafa nanatanjaka ahy ny 1 Petera 5:6, 7, izay manao hoe: ‘Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.’ Nanampy ahy ireo andininy rehetra ireo nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny. Rehefa misaintsaina ianao, dia afaka manolo ireo zavatra ao an-tsainao izay miteraka fahaketrahana.
“Miasa indray aho ankehitriny, kanefa raha ny marina no lazaina, dia tsy hoe mora ny tarehin-javatra. Tsy misy hafa amin’ny nanambaran’ny Baiboly azy mialoha ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 (NW ), fa miaina amin’ny ‘andro farany’, voamariky ny ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’, isika. Tsy afaka manova izay lazain’ilay andinin-teny isika. Koa tsy manampo ny hahamora ny fiainana aho. Na dia izany aza, dia mihevitra aho fa manampy ahy hizaka ny fanahin’i Jehovah.”
Na dia eo aza ny fotoan-tsarotra iainantsika, ireo izay mitoky amin’i Jehovah sy i Kristy Jesosy, Zanany Mpanjaka, dia tsy ho diso fanantenana. (Romana 10:11, NW ). I Jesosy mihitsy no manome toky antsika hoe: “Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana? Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo? Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza? Ary nahoana no manahy ny amin’ny fitafiana hianareo?” — Matio 6:25-28.
Azo antoka fa ireo dia fanontaniana andinihan-tena amin’izao fotoan-tsarotra izao. Kanefa nanohy tamin’izao teny manome toky izao i Jesosy: “Diniho tsara ny fanirin’ny vonin-kazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana? Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: “Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:28-33.
Andro tsara kokoa amin’ny hoavy
Misy izao filazana rehetra izao fa any amin’ny faritra maro eo amin’izao tontolo izao, dia hitohy hiharatsy kokoa ny toe-karena sy ny toe-piainana ara-tsosialy mikororosy. Na dia izany aza, dia takatry ny vahoakan’Andriamanitra fa mihelina ihany ireo toe-javatra ireo. Ny fanapahana be voninahitr’i Solomona Mpanjaka dia tandindon’ny fanapahana marin’ny Mpanjaka iray lehibe noho i Solomona, Mpanjaka iray izay hanapaka manerana ny tany manontolo. (Matio 12:42). Io Mpanjaka io dia i Kristy Jesosy, ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”. — Apokalypsy 19:16.
Ny Salamo faha-72, izay nanana ny fahatanterahany voalohany tamin’i Solomona Mpanjaka, dia milazalaza ilay fanapahana fatratra hampiharin’i Jesosy Kristy. Diniho ny sasany amin’ireo zava-mahatalanjona ambaran’izy io mialoha mikasika ny hoavin’ny tany eo ambanin’ny fitondran’i Kristy Mpanjaka.
Toe-piainana feno fiadanana haneran-tany: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. Ary hanjaka hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina izy, ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.” — Salamo 72:7, 8.
Fiahiana ny ambany: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.” — Salamo 72:12-14.
Fahatondrahan-tsakafo: “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. — Salamo 72:16.
Hanenika ny tany ny voninahitr’i Jehovah: “Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana; ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny.” — Salamo 72:18, 19.
Koa tena hisy marina àry ny andro tsara kokoa amin’ny hoavy.