-
ArkeolojiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Milaza ny Baiboly fa noravana tamin’ny afo i Sodoma sy Gomora, ary be lavaka godorao (asfalta) tao amin’ilay faritra. (Ge 14:3, 10; 19:12-28) Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa rakotry ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty ny toerana nisy an’ireo tanàna roa ireo, satria niakatra ilay ranomasina fahiny ka nidadasika kokoa. Hitan’ny mpikaroka fa nisy solitany sy asfalta ilay toerana, ary kilan’ny afo. Hoy i Jack Finegan: “Nofakafakaina tsara ny porofo avy amin’ireo soratra sy fandinihana ny nofon-tany sy ny any ambanin’ny tany, ka izao no fanatsoahan-kevitra: Safotry ny rano ankehitriny ilay faritra nisy an’ireo ‘tanàna teo amin’ny tany lemaka’ (Genesisy 19:29) nalaza ratsy ireo, ... ary horohoron-tany lehibe no nandrava azy ireo, ary angamba koa zavatra nipoaka, tselatra, gazy nipoaka, ary afo lehibe.”—Fanazavan’ny Tantara Fahiny, 1959, p. 147; jereo koa SODOMA.
-
-
ElamaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tantarany. Tamin’ny andron’i Abrahama (2018-1843 T.K.) no voalohany niresahan’ny Baiboly fa tany na firenena i Elama. Voalaza ao fa niaraka tamin’ny mpanjaka hafa i Kedorlaomera “mpanjakan’i Elama”, mba hiady tamin’ny mpanjaka kananita maromaro niray dina. Nifanandrina teo amin’ny faritry ny Ranomasina Maty izy ireo. (Ge 14:1-3) I Kedorlaomera no nitarika an’ireo mpanjaka namany, mba hanafay an’ireo mpanjaka kananita nikomy taminy. (Ge 14:4-17) Nandeha 3200 km nandroso sy niverina angamba ry Kedorlaomera. Efa fanaon’ny mpanjaka tany Mezopotamia ny nanafika lavitra toy izany. Porofoin’ny tantara koa fa nofehezin’ny Elamita ny faritr’i Mezopotamia, tany am-piandohan’ny taonarivo faharoa T.K. Nandresy tanàn-dehibe iray nantsoina hoe Larsa (teo amoron’i Eofrata sady avaratr’i Ora), ohatra, i Kodor-Mabok, manamboninahitra elamita. Notendreny ho mpanjaka tao i Warad-Sin zanany lahy. Tsara homarihina fa anarana semitika ny anaran’i Warad-Sin sy Rim-Sin rahalahiny nanjaka nandimby azy. Porofo koa izany fa nisy taranak’i Sema tany Elama.
-