-
AbrahamaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nahavita nampitsahatra ny fikomian’ny mpanjaka kananita dimy ireo mpanjaka efatra notarihin’i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama, ka norobain’izy ireo i Sodoma sy Gomora ary lasa babo i Lota sy ny fananany rehetra. Raha vao nandre izany i Abrahama, dia nanangona mpanompo voaofana 318, anisan’ny ankohonany. Niezaka mafy nanenjika an’ireo mpandroba ireo i Abrahama, niaraka tamin’i Anera sy Eskola ary Mamre, izay efa nanao fifanekena taminy. Nandeha mafy nianavaratra izy ireo, angamba hatrany amin’ny 300 km, ary nihoatra an’i Damaskosy mihitsy aza. Nampian’i Jehovah i Abrahama ka nandresy na dia nahery lavitra noho izy aza ireo tafika ireo. Avotra àry i Lota, ary azo indray ny entana voaroba. (Ge 14:1-16, 23, 24) Rehefa nody i Abrahama taorian’iny fandresena niezinezina iny, dia nivoaka hitsena azy i Melkizedeka, “mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra”, sady mpanjakan’i Salema. Nitso-drano azy i Melkizedeka, ary i Abrahama kosa nanome azy “ny ampahafolon’ny zava-drehetra.”—Ge 14:17-20.
-