-
Fananganan-janakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tsy misy lalàna miresaka mivantana momba ny fananganan-janaka ao amin’ny Soratra Hebreo, na dia voaresaka imbetsaka ao ihany aza io hevitra io. Toa nihevitra an’i Eliezera mpanompony ho toy ny zanaka natsangany sy toy ny olona mety ho lasa mpandova azy i Abrahama, talohan’ny nahaterahan’i Ismaela sy Isaka. (Ge 15:2-4) Fanao efa ela tany amin’ireo tany manodidina an’i Israely ny manangana mpanompo ho zanaka. Nanan-jo handova ilay mpanompo noho izany, na dia tsy nitovy zo tamin’ny zanaka nateraka aza.
-
-
ArkeolojiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nofongarina tamin’ny 1925-1931 i Nouzi, tanàna fahiny teo atsinanan’i Tigra sy atsimoatsinanan’i Ninive. Hita tao ny sarintany tanimanga iray, izay sarintany tranainy indrindra, sy ny porofo hoe efa tamin’ny taonjato faha-15 T.K. no nisy nitrosa rehefa nividy entana. Nofongarina ny takelaka tanimanga 20 000 eo ho eo misy soratra amin’ny teny babylonianina, izay mety ho nosoratan’ny mpitan-tsoratra horianina. Tsipiriany maro ny amin’ny lalàna momba ny fananganan-janaka, fifaneken’ny mpivady, zon’ny mpandova, ary didim-pananana, no noraketin’izy ireny. Mitovitovy amin’ny fanaon’ny loham-pianakaviana fahiny tantarain’ny Genesisy ny fanao sasany. Ny mpivady tsy niteraka, ohatra, nanangana zanakalahy, na andevo na tsia, mba hikarakara sy handevina ary handova azy mivady, mitovitovy amin’izay nolazain’i Abrahama momba an’i Eliezera mpanompo natokisany. (Ge 15:2) Nisy koa nivarotra ny zon’ny lahimatoa, toa an’i Esao nivarotra ny zony tamin’i Jakoba. (Ge 25:29-34) Toy ny hoe fanamarinam-pananana ireo andriamanitry ny fianakaviana, izay matetika no sary sokitra kely vita amin’ny tanimanga. Nanan-jo hahazo lova na fananana àry izay nanana azy ireny. Mety ho izany no antony nakan’i Rahely ny terafiman-drainy, sy nahatonga an-drainy hitady mafy azy ireny.—Ge 31:14-16, 19, 25-35.
-
-
EliezeraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
1. Lehilahy avy any Damaskosy, izay ho mpandova an’i Abrahama raha tsy niteraka izy. “Mpanompo iray ao amin’ny ankohonako” no nilazan’i Abrahama azy io. (Ge 15:2, 3) Nihevitra azy ho mpandova i Abrahama. Manampy antsika hahatakatra izany ny zavatra hitan’ny mpikaroka, toy ireo takelaka tanimanga hita tany Nouzi. Fanaon’ny mpivady tsy niteraka ny nanangana zanakalahy mba hikarakara azy amin’ny fahanterany sy hikarakara ny fandevenana azy, ary handova ny fananany avy eo. Nisy fepetra anefa izany, satria raha miteraka lahy izy mivady aorian’ny nananganany an’ilay zaza, dia ilay zanany naterany no ho tena mpandova azy.
-