“Izany no Nitiavan’Andriamanitra Antsika”
“Raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.” — 1 JAONA 4:11.
1. Amin’ny 23 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro, nahoana ny olona an-tapitrisany maro no hivory any amin’ny Efitrano Fanjakana sy toeram-pivoriana hafa manerana ny tany?
AMIN’NY alahady 23 Martsa 1997, aorian’ny filentehan’ny masoandro, dia tsy isalasalana fa hisy maherin’ny 13 000 000 ny olona maneran-tany hivory any amin’ny Efitrano Fanjakana sy any amin’ny toeram-pivoriana hafa ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana? Satria nanohina ny fon’izy ireo ny fanehoam-pitiavana lehibe indrindra nasehon’Andriamanitra tamin’ny olombelona. Nampifantoka ny saina ho amin’izany porofom-pitiavana lehibe nasehon’Andriamanitra izany, i Jesosy Kristy, tamin’ny filazana hoe: “Tia izao tontolo izao aoka izany Andriamanitra, hany ka nomeny ny Zanany lahy tokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy fa hahazo ny fiainana mandrakizay.” — Jaona 3:16, NW.
2. Fanontaniana inona avy no ho azontsika andraisan-tsoa raha apetratsika amin’ny tenantsika, raha ny amin’izay asetrintsika ny fitiavan’Andriamanitra?
2 Eo am-pandinihantsika ny fitiavana nasehon’Andriamanitra, dia tsara ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Tena mankasitraka marina izay nataon’Andriamanitra ve aho? Moa ve ny fomba ampiasako ny fiainako manome porofon’izany fankasitrahako izany?’
“Andriamanitra dia fitiavana”
3. a) Nahoana ny fanehoam-pitiavana no tsy zavatra tsy mahazatra ho an’Andriamanitra? b) Ahoana no ihariharian’ny hery sy ny fahendrena eo amin’ny asa famoronany?
3 Ny fanehoam-pitiavana, amin’ny maha-izany azy, dia tsy hoe tsy fahita raha ny amin’Andriamanitra, satria “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8). Ny fitiavana no toetra mampiavaka azy ambony indrindra. Rehefa nanomana ny tany mba honenan’ny olombelona izy, dia fampisehoana hery nahazendana ny nampipoirany ny tendrombohitra sy ny nanangonany ny rano ho farihy sy ranomasimbe. (Genesisy 1:9, 10). Rehefa nampandeha ny tsingerin’ny rano sy ny tsingerin’ny oksizena Andriamanitra, rehefa nanao zavamiaina bitika dia bitika tsy hita isa sy zavamaniry isan-karazany mba hamadika ireo singa simika ao amin’ny tany ho amin’ny endriny azon’ny olombelona hanina mba hampahateza ny fiainany, rehefa nanao ny famantaranandro biolojika ao amintsika izy, mba hifanitsy amin’ny halavan’ny andro sy ny volana eto amin’ny planeta Tany, izany dia nampiharihary fahendrena lehibe. (Salamo 104:24; Jeremia 10:12). Kanefa dia vao mainka misongadina eo amin’ny zavatra noforonina hita maso ny porofon’ny fitiavan’Andriamanitra.
4. Eo amin’ny zavatra fizika noforonina, porofo inona momba ny fitiavan’Andriamanitra no tokony ho hita sy hankasitrahantsika rehetra?
4 Ny fandrenesantsika tsiron-javatra dia milaza amintsika ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra, rehefa mihinana voankazo masaka be ranony isika. Miharihary fa matoa natao ilay voankazo dia tsy hoe mba hamelona antsika fotsiny fa mba hitondra fahafinaretana ho antsika koa. Mahita porofo mazava ny amin’izy io isika, eo amin’ny masoandro mody mahazendana, ny lanitra feno kintana ao anatin’ny alina tsy semban-drahona, ny voninkazo misy endriny isan-karazany sy mareva-doko, ny sangisangy mahatsikaiky ataon’ny zana-biby, ny tsiky feno firaiketam-po avy amin’ny namana. Mahatonga antsika hahatsapa azy io ny orontsika rehefa mifoka ny hanitra mameroveron’ny voninkazon-dohataona isika. Mahatsapa azy io ny sofintsika rehefa mihaino ny feon’ny rian-drano, ny siokam-borona, sy ny feon’ireo olo-malalantsika, isika. Mahatsapa azy io isika rehefa mamihina antsika amim-piraiketam-po ny olon-tiantsika iray. Ny biby sasany dia manana fahaizana mijery, mandre na manambolo zavatra izay tsy vitan’ny olombelona ny manao azy. Kanefa, ny olombelona, izay natao araka ny endrik’Andriamanitra, dia manana fahaiza-mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra, amin’ny fomba izay tsy vitan’ny biby ny hahatsapa azy. — Genesisy 1:27.
5. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fitiavana lehibe tamin’i Adama sy i Eva?
5 Rehefa namorona an’i Adama sy Eva, olombelona voalohany, i Jehovah Andriamanitra, dia nataony nanodidina azy ireo ny porofon’ny fitiavany. Nanamboatra zaridaina iray, paradisa, sy nampaniry ny karazan-kazo rehetra teo aminy, izy. Nanome ony hanondraka azy io izy ary nameno azy io tamin’ny vorona sy biby mahasondriana. Izany rehetra izany no nomeny an’i Adama sy Eva ho fonenan’izy ireo. (Genesisy 2:8-10, 19). Toy ny zanany, anisan’ny fianakaviany eo amin’izao rehetra izao no nifampiraharahan’i Jehovah tamin’izy ireo. (Lioka 3:38). Nanome an’i Edena ho modely ilay Ray any an-danitra nipoiran’ny mpivady olombelona voalohany, ka nametraka teo anoloan’izy ireo ilay asa mahafa-po nanendrena azy, dia ny hanitatra ny Paradisa hanenika ny giloby. Tokony ho feno ny taranany ny tany manontolo. — Genesisy 1:28.
6. a) Ahoana no fiheveranao ny lalana feno fikomiana narahin’i Adama sy i Eva? b) Inona no mety hanondro fa niana-javatra avy tamin’izay nitranga tao Edena isika ary koa fa nandray soa avy tamin’izany fahalalana izany isika?
6 Tsy ela anefa i Adama sy i Eva dia niatrika fitsapana ny fankatoavany, fitsapana ny tsy fivadihany. Ny iray aloha, ary avy eo ny anankiray, dia samy tsy nampiseho fankasitrahana ny fitiavana naseho azy ireo. Nanafintohina ny zavatra nataon’izy ireo. Tsy azo nalan-tsiny ilay izy! Ho vokany dia namoy ny fifandraisany tamin’Andriamanitra izy ireo, voailika tsy ho anisan’ny fianakaviany, ary voaroaka tao Edena. Mbola mahatsapa ireo vokatry ny fahotan’izy ireo ihany isika amin’izao andro izao. (Genesisy 2:16, 17; 3:1-6, 16-19, 24; Romana 5:12). Moa ve isika anefa niana-javatra avy tamin’izay nitranga? Inona no asetrintsika ny fitiavan’Andriamanitra? Moa ve ireo fanapahan-kevitra raisintsika isan’andro mampiseho fa mankasitraka ny fitiavany isika? — 1 Jaona 5:3.
7. Na dia teo aza izay nataon’i Adama sy i Eva, ahoana no nampisehoan’i Jehovah fitiavana ny taranak’izy ireo?
7 Na dia nampiseho tsy fankasitrahana tanteraka ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra ho azy aza ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia tsy nahatonga an’Andriamanitra hitana tena tsy haneho ny fitiavany izany. Noho ny fangorahany ny olona mbola tsy teraka tamin’izany — anisan’izany isika velona amin’izao andro izao — Andriamanitra dia namela an’i Adama sy i Eva hanana fianakaviana, alohan’ny hahafatesany. (Genesisy 5:1-5; Matio 5:44, 45). Raha tsy izany no nataon’Andriamanitra, dia tsy nisy tamintsika ho teraka. Tamin’ny fampiharihariana tsikelikely ny sitrapony, i Jehovah koa dia nanome ny fototra iorenan’ny fanantenana ho an’ireo taranak’i Adama rehetra haneho finoana. (Genesisy 3:15; 22:18; Isaia 9:5, 6). Tafiditra tamin’ny fandaharana nataony ny fomba hahafahan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra hahazo indray izay nafoin’i Adama, izany hoe, fiainana lavorary amin’ny maha-mpikambana ankasitrahana ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao. Izany no nataony tamin’ny fanomezana ny avotra.
Nahoana no nilaina ny avotra?
8. Nahoana Andriamanitra no tsy afaka namoaka didy tsotra fotsiny hoe na dia tsy maintsy ho faty aza i Adama sy i Eva, dia tsy misy amin’ny taranany mankatò voatery ho faty?
8 Tena nilaina tokoa ve ny nandoavana ny vidin’ny avotra tamin’ny endriky ny ain’olombelona? Moa ve tsy afaka namoaka didy tsotra fotsiny Andriamanitra hoe na dia tsy maintsy ho faty aza i Adama sy i Eva noho ny fikomiany, dia ho afaka hiaina mandrakizay kosa ny taranany rehetra hankatò an’Andriamanitra? Mety ho toa lojika izany raha araka ny fomba fijerin’olombelona tsy mahatsinjo lavitra. Kanefa, “tia fahamarinana sy rariny” i Jehovah. (Salamo 33:5). Nony tonga mpanota i Adama sy i Eva vao niteraka; koa tsy nisy tamin’ireo zanany àry teraka lavorary. (Salamo 51:5). Nandova ota avokoa izy rehetra, ary fahafatesana no sazy noho ny ota. Raha tsy niraharaha an’izany i Jehovah, dia ho karazana ohatra manao ahoana no navelan’izany ho an’ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviany eo amin’izao rehetra izao? Tsy ho afaka ny tsy hiraharaha ireo fari-pitsipiny mahitsy izy. Nanaja ireo zavatra takin’ny rariny izy. Tsy misy na iza na iza mihitsy ho afaka hanakiana ara-dalàna ny fomba nandaminan’Andriamanitra ireo raharaha niadian-kevitra tafiditra tamin’izany. — Romana 3:21-23.
9. Araka ny fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny rariny, karazana avotra manao ahoana no nilaina?
9 Ahoana àry no hahafahana hanome fototra mety mba hanafahana ireo anisan’ny taranak’i Adama izay hampiseho fankatoavana an’i Jehovah amim-pitiavana? Raha maty ho sorona ny olombelona lavorary iray, ny rariny dia ho afaka hamela ny vidin’io aina lavorary io hanarona ny otan’ireo izay hanaiky ilay avotra amim-pinoana. Koa satria ny otan’ny lehilahy iray, i Adama, no rangory fototry ny afo nahatonga ny fianakavian’olombelona manontolo ho mpanota, ny ra latsaka avy amin’ny olombelona lavorary hafa iray, izay mifanandrify vidy aminy, dia ho afaka hampifandanja ny mizanan’ny rariny. (1 Timoty 2:5, 6, NW ). Aiza anefa no hahafahana hahita olona toy izany?
Toy inona ny halafon’ny vidiny?
10. Nahoana ny taranak’i Adama no tsy afaka nanome ilay avotra nilaina?
10 Tamin’ireo taranak’i Adama mpanota, dia tsy nisy na iza na iza afaka nanome izay nilaina mba hividianana indray ilay fanantenana fiainana nafoin’i Adama. “Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony (fa sarotra avotra ny ainy, ka tsy azo atao mandrakizay), mba ho velona mandrakizay izy ka tsy ho latsaka ao amin’ny lavaka.” (Salamo 49:7-9). Tsy namela ny olombelona tsy hahita hirika hivoahana i Jehovah fa nanao fandaharana tamim-pamindram-po kosa.
11. Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’i Jehovah ilay ain’olombelona lavorary izay nilaina hanaovana avotra mety?
11 I Jehovah dia tsy nandefa anjely iray teto an-tany mba ho mody hatao hoe maty rehefa namoy ny vatana iray nitafiany, nefa mbola velona ihany tamin’ny naha-fanahy (esprit). Tsy izany no nataony fa, nanatanteraka fahagagana iray ny tenany, dia fahagagana izay izy Andriamanitra Mpamorona ihany no ho afa-namolavola azy, ka namindra ny herim-piainana sy ny rafi-toetran’ny zanany iray tany an-danitra, izy, ho ao an-kibon’ny vehivavy iray. I Maria zanak’i Hely, avy tamin’ny fokon’i Joda, izy io. Ny hery miasan’Andriamanitra, ny fanahiny masina, dia niaro ny fitomboan’ilay zaza tao an-kibon-dreniny, ka olombelona lavorary izy io rehefa teraka. (Lioka 1:35; 1 Petera 2:22). Izy io àry no nanana teo am-pelatanany ny vidiny nilaina mba hanomezana avotra hahafeno tanteraka ireo zavatra takin’ny rariny araka an’Andriamanitra. — Hebreo 10:5.
12. a) Amin’ny heviny ahoana i Jesosy no ‘Zanaka lahitokan’Andriamanitra’? b) Tamin’ny fomba ahoana no nanantitrantitra ny fitiavan’Andriamanitra antsika ny nandefasany azy io hanome ny avotra?
12 Iza tamin’ireo zanany alinalina any an-danitra no nomen’i Jehovah an’io fanendrena io? Ilay voalazalaza ao amin’ny Soratra Masina ho “Zanani-lahy Tokana”. (1 Jaona 4:9). Io fitenenana io dia tsy ampiasaina mba hilazalazana azy fony teraka ho olombelona, fa ampiasaina kosa mba hilazalazana azy talohan’io, fony izy tany an-danitra. Izy io no hany noforonin’i Jehovah mivantana, tsy nisy fiaraha-niasa tamin’olon-kafa na iza na iza. Izy io no Lahimatoa amin’ny zavatra noforonina rehetra. Izy ilay nampiasain’Andriamanitra mba hampisy ny zavaboary hafa rehetra. Zanak’Andriamanitra, toy ny naha-zanak’Andriamanitra an’i Adama, ny anjely. I Jesosy anefa dia lazalazaina ho manana “voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray”. Lazaina ho mipetraka “ao an-tratran’ny Ray” izy. (Jaona 1:14, 18). Akaiky sy nisy fifampatokiana ary feno fitiavana ny fifandraisany tamin’ny Rainy. Samy manam-pitiavana ny olombelona izy sy ny Rainy. Ny Ohabolana 8:30, 31 dia milaza toy izao izay tsapan’ny Rainy ny amin’io Zanany io sy izay tsapan’io Zanaka io ny amin’ny olombelona: ‘[Nanjary ilay tian’i Jehovah manokana aho, NW ] isan-andro isan-andro ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; ary naharavoravo ahy [Jesosy, ilay Mpità-marik’i Jehovah, ny fisehoana velon’ny fahendrena] ny zanak’olombelona.’ Io Zanaka sarobidy indrindra io no nirahin’Andriamanitra ho etỳ an-tany mba hanome ny avotra. Misy heviny toy inona moa, noho izany, ny fanambaran’i Jesosy, manao hoe: “Tia izao tontolo izao aoka izany Andriamanitra, hany ka nomeny ny Zanany lahy tokana”! — Jaona 3:16, NW.
13, 14. Amin’ny ahoana no tokony hanampy antsika hahatakatra izay nataon’i Jehovah ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly momba ny niezahan’i Abrahama hanolotra an’i Isaka ho sorona? (1 Jaona 4:10).
13 Mba hanampy antsika hahatakatra kely ny hevitr’izany dia nanome baiko an’i Abrahama toy izao Andriamanitra, 3 890 taona lasa teo ho eo izay, izany hoe ela be talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany: “Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.” (Genesisy 22:1, 2). Tamim-pinoana dia nankatò i Abrahama. Mipetraha ianao eo amin’ny toeran’i Abrahama. Ahoana raha zanakao ilay izy, ny lahitokanao izay tianao amim-piraiketam-po? Fihetseham-po manao ahoana no hanananao eo am-pikapana ny kitay hanaovana fanatitra dorana, eny am-pandehanana mandritra ny andro maromaro ho any amin’ny tany Moria, sy eo am-pametrahana ny zanakao eo ambonin’ilay alitara?
14 Nahoana no manana fihetseham-po toy izany ny ray na ny reny iray mangoraka? Milaza ny Genesisy 1:27 fa namorona ny olona tahaka ny endriny Andriamanitra. Ny fihetseham-pontsika feno fitiavana sy fangorahana dia manome taratra amin’ny fomba tena voafetra, ny fitiavana sy ny fangorahan’i Jehovah. Tamin’ny an’i Abrahama dia niditra an-tsehatra Andriamanitra, hany ka tsy tena natao sorona i Isaka. (Genesisy 22:12, 13; Hebreo 11:17-19). Kanefa, tamin’ny azy manokana, dia tsy najanon’i Jehovah tamin’ny fotoana farany ny fanomezana ny avotra, na dia lafo dia lafo ho an’ny tenany sy ilay Zanany aza ny nanaovana izany. Izany no natao, dia tsy noho ny fananan’Andriamanitra adidy fa ho fanehoana hatsaram-panahy tsy fahita, amin’izay tsy mendrika akory. Moa ve isika mankasitraka amin’ny fomba feno azy io? — Hebreo 2:9.
Izay manjary mety noho izy io
15. Tamin’ny fomba ahoana ny avotra no nisy vokany teo amin’ny fiainan’olona, na dia eto amin’itỳ fandehan-javatra ankehitriny itỳ aza?
15 Izany fandaharana feno fitiavana nataon’Andriamanitra izany dia misy vokany lalina eo amin’ny fiainan’ireo izay manaiky azy io amim-pinoana. Lavitra an’Andriamanitra izy ireo taloha noho ny ota. ‘Fahavalo izy ireo satria teo amin’ny asa ratsy ny sainy’, araka ny voalazan’ny Teniny. (Kolosiana 1:21-23, NW ). Nanjary ‘nampihavanina tamin’Andriamanitra anefa izy ireo tamin’ny nahafatesan’ny Zanany’. (Romana 5:8-10). Noho izy ireo nanova ny fomba fiainany sy nanaiky ny famelan-keloka, izay Andriamanitra no mahatonga azy hety ho an’ireo maneho finoana ny soron’i Kristy, dia mahazo tombontsoa hanana feon’ny fieritreretana madio izy ireo. — Hebreo 9:14; 1 Petera 3:21.
16. Fitahiana inona avy no omena ny ondry vitsy noho ny finoan’izy ireo ny avotra?
16 Nisy tamin’ireo, izay voafetra ny isany, izany hoe ondry vitsy, nomen’i Jehovah ny tombontsoa manokana ho an’izay tsy mendrika akory, dia ny hiaraka amin’ny Zanany ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra, mba hahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny tany. (Lioka 12:32). Izy ireo dia nalaina ‘avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra, ho fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika, ary manjaka ambonin’ny tany’. (Apokalypsy 5:9, 10). Ho azy ireo no nanoratan’ny apostoly Paoly, manao hoe: “[Ianareo dia] nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa”. (Romana 8:15-17). Noho izy ireo natsangan’Andriamanitra ho zanany, dia omena ilay fifandraisana lalaina izay verin’i Adama izy ireo; ireo zanaka ireo kosa anefa no homena ireo tombontsoa fanampiny hanompo any an-danitra — zavatra izay tsy nananan’i Adama mihitsy. Tsy mahagaga raha nilaza toy izao ny apostoly Jaona: “Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra”! (1 Jaona 3:1). Tsy fitiavana tapahin’ny fotopoto-pitsipika (a·gaʹpe) ihany no asehon’Andriamanitra amin’izy ireo fa firaiketam-po feno fitiavana (phi·liʹa) koa, izay mampiavaka ny fehy mamatotra ny tena mpinamana. — Jaona 16:27, NW.
17. a) Fahafahana hahazo inona no omena an’ireo rehetra maneho finoana ny avotra? b) Hidika ho inona ho azy ireo “ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”?
17 Nisy olon-kafa koa — dia ireo rehetra maneho finoana ilay fandaharana feno fahalalahan-tanana nataon’Andriamanitra mba hahazoana fiainana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy — nanokafan’i Jehovah ny fahafahana hahazo ilay fifandraisana sarobidy izay nafoin’i Adama. Hoy ny fanazavan’ny apostoly Paoly: “Izao zavatra ary rehetra izao [ny zavaboary olombelona taranak’i Adama] dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra [izany hoe, izy ireo dia miandry ny fotoana hampiharihary mazava fa manao zavatra azo tsapain-tanana ho an’ny olombelona ireo zanak’Andriamanitra mpiara-mandova amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra]; fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana [teraka tao amin’ny ota, miaraka amin’ny fahatsinjovana ny ho faty, izy ireo, ary tsy misy fomba ho azony anafahana ny tenany], nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana [nomen’Andriamanitra] koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Romana 8:19-21). Hidika ho inona izany fahafahana izany? Izao: Nafahana tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana izy ireo. Izy ireo dia hanana fahatanterahana ara-tsaina sy ara-batana, Paradisa ho fonenany, ary fiainana mandrakizay izay hankafizany ny fahatanterahany sy hanehoany ny fankasitrahany an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina. Ary ahoana no nahatonga an’izany rehetra izany hety? Tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra.
18. Amin’ny 23 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro, inona no hataontsika, ary nahoana?
18 Tamin’ny 14 Nisana 33 am.f.i., tao amin’ny efitra iray ambony rihana tao Jerosalema, dia nanorina ny Fahatsiarovana ny nahafatesany i Jesosy. Ny fankalazana isan-taona ny nahafatesany dia nanjary fisehoan-javatra lehibe eo amin’ny fiainan’ny Kristiana marina rehetra. I Jesosy mihitsy no nandidy toy izao: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” Amin’ny 1997, ny Fahatsiarovana dia hatao amin’ny 23 Martsa aorian’ny filentehan’ny masoandro (izay fotoana hanombohan’ny 14 Nisana). Amin’io andro io, dia tsy hisy zavatra lehibe kokoa noho ny fanatrehana an’io fotoan’ny Fahatsiarovana io.
Ahoana no Havalinao?
◻ Tamin’ny fomba ahoana avy no nampisehoan’Andriamanitra fitiavana lehibe tamin’ny olombelona?
◻ Nahoana ny ain’olombelona lavorary no nilaina hanavotana ny taranak’i Adama?
◻ Vidiny lafo dia lafo toy inona no naloan’i Jehovah mba hanomezana ny avotra?
◻ Inona no manjary mety, noho ny avotra?
[Sary, pejy 10]
Nanome ny Zanany lahitokana Andriamanitra