SARAHA
(Sarà) [Andriambavy], Saray (Sarày) [mety hidika hoe Tia Ady].
Anabavin’i Abrahama hafa reny, sady vadiny ary renin’i Isaka. (Ge 11:29; 20:12; Is 51:2) Saray no anarany tany am-boalohany. (Ge 17:15) Zandrin’i Abrahama folo taona izy (Ge 17:17), ary nanambady azy tamin’izy ireo nipetraka tany Ora, tanànan’ny Kaldeanina. (Ge 11:28, 29) Momba i Saraha ka tsy afaka niteraka raha tsy nanao fahagagana Andriamanitra ka nanome azy hery hananana anaka, tamin’izy efa tsy tonga fotoana intsony.—Ge 18:11; Ro 4:19; He 11:11.
Mety ho 60 taona mahery i Saraha, rehefa niala tany Ora niaraka tamin’i Abrahama ary nonina tany Harana. Efa 65 taona izy rehefa niala tao Harana niaraka tamin’ny vadiny. (Ge 12:4, 5) Nankany Kanana izy ireo, ka nitoby tany Sekema sy tany amin’ny faritra be tendrombohitra tany atsinanan’i Betela ary tany amin’ny toerana maro hafa. Voatery nankany Ejipta izy ireo avy eo, noho ny mosary.—Ge 12:6-10.
Tena tsara tarehy i Saraha, na dia efa nandroso taona aza. Nanahy àry i Abrahama hoe mety hisy hamono azy ka haka an’i Saraha. Niangavy an’i Saraha mialoha izy, noho izany, mba hilaza azy hoe anadahiny, tany amin’izay rehetra nalehan’izy ireo, rehefa nilaina izany. (Ge 20:13) Naka azy ho any an-tranony tokoa àry i Farao, tany Ejipta, rehefa nampirisihin’ny olona ambony tao an-dapany. Niditra an-tsehatra anefa Andriamanitra, ka nisakana azy tsy hametaveta an’i Saraha. Naverin’i Farao tamin’i Abrahama i Saraha avy eo, ary nasainy nandeha ry zareo. Nisy olona nasainy nanatitra an’i Abrahama sy ny fananany mba hiaro azy.—Ge 12:11-20.
Tsara homarihina fa voalazan’ny papyrus tranainy iray hoe efa nisy Farao naniraka olona nitam-piadiana mba haka an-keriny vehivavy iray tsara tarehy, ary hamono ny vadin’izy io. Rariny àry raha natahotra ny hovonoina noho ny amin’i Saraha i Abrahama. Efa fantany fa na hiaro ny haja amam-boninahitry ny vadiny aza izy dia tsy ho afa-manoatra tany an-tanin’olona. Naleony àry nitsimbina ny ainy. Izay no fomba hitany hoe azo antoka indrindra. Tokony hotadidina fa an’i Abrahama i Saraha ka nanana fahefana taminy izy. Ankoatra izany, dia nahafaly an’i Saraha ny nanompo an’i Jehovah sy Abrahama. Tsy nanome tsiny an’i Abrahama tamin’io nataony io mihitsy ny Soratra Masina.
Efa 75 taona i Saraha, folo taona taorian’ny nahatongavany tao Kanana. Niangavy an’i Abrahama izy mba hanao firaisana tamin’i Hagara mpanompovaviny ejipsianina mba hahazoany zanaka avy aminy. (Ge 16:1-3) Nahatonga olana maro anefa izany, ka hita mihitsy fa tsy izany no fomba tian’i Jehovah hanatanterahana ny fampanantenany hoe hanome ‘taranaka’ an’i Abrahama. (Ge 15:1-16) Rehefa fantatr’i Hagara hoe bevohoka izy, dia nataony tsinontsinona ny tompovaviny. Nitaraina tamin’i Abrahama i Saraha, ka navelan’i Abrahama hampihatra fahefana feno tamin’i Hagara izy, satria mpanompon’i Saraha i Hagara. Nampietry an’i Hagara i Saraha, ka lasa nandositra i Hagara. Niverina ihany anefa izy rehefa nasain’Andriamanitra niverina. Niteraka an’i Ismaela izy taorian’izay.—Ge 16:4-16.
Nasain’Andriamanitra noforan’i Abrahama ny lahy rehetra tao amin’ny ankohonany, 13 taona teo ho eo taorian’ny nahaterahan’i Ismaela. Tamin’izay koa izy no nilazana mba tsy hiantso ny vadiny hoe “Saray” intsony, fa “Saraha” izay midika hoe “Andriambavy.” Hoy Andriamanitra momba an’i Saraha: “Hitahy azy aho, ka hanome anao zazalahy avy aminy. Eny, hitahy azy aho ka hisy firenena maro sy mpanjakan’ny firenena maro hipoitra avy aminy.” (Ge 17:9-27) Tsy ela taorian’izay, dia nisy anjely telo nitsidika azy ireo tany Mamre. Nanamafy indray ny iray taminy fa hitera-dahy i Saraha. “Nihomehy anakampo i Saraha” rehefa nandre izany, “ka nanao hoe: ‘Mbola hahita fifaliana ihany ve aho amin’izao fahanterako izao, sady efa antitra koa ny tompoko?’” Notenenina izy noho izany, nefa natahotra ka nilaza hoe tsy nihomehy. (Ge 18:1-15; Ro 9:9) Tsy hoe tsy nino an’ilay fampanantenana i Saraha matoa nihomehy. Lazain’ny Hebreo 11:11 mantsy fa anisan’ny olona nanam-pinoana izy. Nampihomehy azy fotsiny ny hoe mbola hiteraka izy nefa efa antitra. Nilaza anakampo an’i Abrahama hoe tompony i Saraha. Hita amin’izany fa nankatò sy nanaiky an’i Abrahama ho vady sady loham-pianakaviana izy. Ampirisihina hanahaka azy ny vehivavy kristianina manambady.—1Pe 3:5, 6.
Nivahiny tao Gerara i Saraha sy ny vadiny. Nolazain’i Abrahama hoe anabaviny indray ny vadiny tao. Nalain’i Abimeleka mpanjakan’i Gerara àry i Saraha. Mbola niditra an-tsehatra indray i Jehovah ka niaro azy tsy hovetavetaina. Naverin’i Abimeleka tamin’i Abrahama i Saraha. Nomeny biby fiompy sy mpanompolahy ary mpanompovavy koa i Abrahama, angamba ho onitry ny nakany ny vadiny. Nomeny farantsa volafotsy arivo (2200 dolara teo ho eo) koa i Abrahama. Ireo farantsa ireo no porofo fa afa-tsiny i Saraha, raha nisy nanala baraka azy ho naloto fitondran-tena.—Ge 20.
Faly erỳ i Saraha niteraka an’i Isaka, tamin’izy 90 taona. Hoy izy: “Nataon’Andriamanitra izay hihomehezako, ka hiara-mihomehy amiko izay rehetra mandre izany.” Azo antoka fa nihomehy noho ny hafaliana sy ny hagagana izy, satria nahazo zazakely. Nampinono an-janany nandritra ny dimy taona teo ho eo i Saraha. Rehefa nosarahi-nono i Isaka, dia nanomana fanasambe i Abrahama. Tamin’izay i Saraha no nahatsikaritra an’i Ismaela, zanak’i Hagara, “nihomehy naneso” an’i Isaka, na nanao sangisangy ratsy sy naneso azy. Efa 19 taona teo ho eo i Ismaela tamin’izay. Nanahy momba ny hoavin-janany angamba i Saraha, ka niangavy an’i Abrahama handroaka an’i Hagara sy Ismaela. Izany tokoa no nataon’i Abrahama rehefa nasain’Andriamanitra nanaraka ny soso-kevitr’i Saraha izy.—Ge 21:1-14.
Maty i Saraha, 32 taona tatỳ aoriana, rehefa 127 taona. Nalevin’i Abrahama “tao amin’ilay lava-bato teo amin’ny saha tao Makpela” izy.—Ge 23:1, 19, 20.
Sary an’ohatra. Nanazava ny apostoly Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Galatianina, fa i Saraha vadin’i Abrahama no “Jerosalema any ambony”, izany hoe ny renin’ny Kristianina voahosotry ny fanahy na ny ‘taranak’i’ Abrahama. Mbola tsy andevo mihitsy i Saraha, ka toy izany koa ilay “Jerosalema any ambony”, izay azo lazaina hoe vadin’Andriamanitra. Olona afaka daholo koa àry ny zanany. Ho lasa zanak’io “Jerosalema any ambony” io ny olona iray, ka hanana “izany fahafahana izany”, raha anisan’ireo nafahan’ny Zanak’Andriamanitra tsy ho andevon’ny ota intsony izy. (Ga 4:22-31; 5:1) Hoy i Kristy Jesosy tamin’ireo Jiosy taranak’i Abrahama: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa andevon’ny ota ireo zatra manota. Ary ny andevo tsy mitoetra mandrakariva ao an-trano, fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva ao. Tena ho afaka àry ianareo, raha ny Zanaka no manafaka anareo.”—Jn 8:34-36; jereo HAGARA; VEHIVAVY AFAKA.