-
AramaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Arama-naharaima (Sl 60:t.m.): Adika matetika amin’ny teny grika hoe “Mezopotamia” (midika hoe “tany anelanelana renirano”) izy io. I Eofrata sy Tigra ireo renirano ireo. Nilaza i Stefana fa nipetraka tany Mezopotamia i Abrahama, na dia mbola tany Oran’ny Kaldeanina aza. (As 7:2) Nirahin’i Abrahama hitady vady ho an’i Isaka ny mpanompony taona maro tatỳ aoriana, ary nasainy nankany amin’ny tanànan’i Nahora tany Mezopotamia Avaratra (Arama-naharaima). (Ge 24:2-4, 10) Avy any amin’ny faritra be tendrombohitra tany amin’ny ilany avaratr’i Mezopotamia koa i Balama avy any Petora.—De 23:4; ampit. No 23:7; jereo MEZOPOTAMIA.
-
-
HaranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Taoriana kelin’ny nandaozan’i Abrahama an’i Harana, dia nirahiny ny zokiny indrindra tamin’ny mpanompony mba hitady vady ho an’i Isaka zanany, tany amin’ireo havany (angamba tany Harana na tany amin’ny “tanànan’i Nahora”, tanàna tsy lavitra teo). (Ge 24) Nankany Harana i Jakoba zafikelin’i Abrahama, tatỳ aoriana, mba handositra an’i Esao rahalahiny izay tezitra taminy, sy mba hitady vady avy tamin’ny zanakavavin’i Labana dadatoany. (Ge 27:42-46; 28:1, 2, 10) Teo amin’ny lavadrano iray, izay azo inoana fa teo akaikin’i Harana, no nihaonan’i Jakoba tamin’i Rahely.—Ge 29:4-12.
-