Fanambadiana iray mahasoa olombelona an-tapitrisany maro
“Ny Tompo [Jehovah, MN ] Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka. Aoka isika (...) hanome voninahitra Azy; fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, ka efa niomana ny vadiny.” — APOKALYPSY 19:6, 7.
1. Rahoviana no horedonina ilay hira ara-paminaniana voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 19:6-8 ary nahoana?
IREO teny manaitra ireo dia notsoahina avy tamin’ny hiram-pandresena iray ara-paminaniana. Rahoviana no horedonina izany hira izany? Aorian’ny fandringanana an’ilay fahavalon’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah hatramin’izay, dia “Babylona Lehibe”, ilay “vehivavy janga lehibe” ara-panoharana, izay mampiseho ny fivavahan-diso amin’ny endriny rehetra. Tokony hovonoina izy io satria mampiseho an’Andriamanitra tamin’ny endrika diso. Namitaka izao tontolo izao izy tamin’ny fitsabahana tamin’ny raharaha ara-politika sy tamin’ny fanaovan-javatra tamim-paniriana mihoa-pampana ary tamin’ny fankahalana mahafaty ny mpivavaka marina amin’i Jehovah. — Apokalypsy 17:1-6; 18:23, 24; 19:1, 2; Jakoba 4:4.
2. a) Ahoana no hitarihan’i Jehovah ny fandringanana an’i Babylona Lehibe? b) Tsy hidera an’i Jehovah ireo mpandringana ny fivavahan-diso fa inona no hataony?
2 Tsy ho ela dia hanome fo an’ireo filoha ara-politika Jehovah Andriamanitra mba handringanan’izy ireo azy (Apokalypsy 17:12, 16, 17). Tsy hampiaraka ny feony amin’io hiram-pandresena lehibe io anefa ireo mpanafoana ny fivavahan-diso. Mifanohitra amin’izany, eo ambany fitaoman’i Satana na goga, dia hamely ireo mpanaraka ny fivavahana marina izay miaina amim-piadanana sy tafasaraka amin’ny faharatsian’izao tontolo izao ankehitriny izy ireo. — Isaia 2:3-4; Ezekiela 38:2, 8-12; Jaona 17:14; Jakoba 1:27.
3. Noho ny antony inona avy no hampiarahan’ny mpanompon’i Jehovah olombelona ny feony amin’ilay hira any an-danitra?
3 Izany famelezana halefan’ireo filoha ara-politika ireo izany dia ho fihantsiana an’Andriamanitra ka hitarika ny adin’i Haramagedona ary mandritra izany no hanafoanana tanteraka ireo firenena manohitra ny fivavahana. Avy eo ny tany dia hodiovina amin’ny fitaoman-dratsin’i Satana sy ireo demoniany (Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-21; 20:1, 2). Amin’ny fo diboky ny fankasitrahana, ny olombelona rehetra ho tafita velona dia hampiaraka ny feony amin’izao hira rodobe any an-danitra izao: “Haleloia! Fa ny Tompo [Jehovah, MN ] Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.” (Apokalypsy 19:6). Ireo fisehoan-javatra hanozongozona an’izao tontolo izao ireo dia hanamarika ny fiandohan’ny fotoana vaovao. Ho nohamarinin’i Jehovah ny fiandrianany ary ho nampanjavoniny izay rehetra manohitra ny fanapahany. Ho tonga ny fampakaram-bady any an-danitra rehefa ela ny ela. Mitohy toy izao tokoa ilay hira ara-paminaniana: ‘Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra an’i Jehovah; fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, ka efa niomana ny vadiny.’ — Apokalypsy 19:7, 8.
4. a) Iza no asehon’ny Zanak’ondry sy ny “vadiny”? b) Fanontaniana inona avy no mitranga, ary ahoana no azontsika amaliana ireny?
4 Tsy iza akory ny Zanak’ondry fa Jesosy Kristy nomem-boninahitra, ary ny ‘vadiny’ dia ny antokon’ny mpianany mahatoky 144 000 izay hampiraisina aminy any an-danitra amin’izay, rehefa ho feno ny isany. Ireo mpivady any an-danitra ireo dia mahaforona avokoa ny fitambaran’ireo mpikambana amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hanandratra ny olombelona, anisan’izany ireo natsangana tamin’ny maty, ho amin’ny fahatanterahan’olombelona (Apokalypsy 5:8-10; 14:1-4; 20:4, 12, 13; 21:3-5, 9, 10; 22:1-3). Hahomby ve ireo fisehoan-javatra hitarika ho amin’io fampakaram-bady voatahy io? Ahoana no azonao andraisan-tsoa avy amin’io fanambadiana io? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia aoka hodinihintsika ireo fisehoan-javatra nanodidina ny fanambadian’Isaka, izay voatantara ao amin’ny toko faha-24 amin’ny Genesisy.
Vady iray nofidin’Andriamanitra ho an’Isaka
5, 6. Nahoana Abrahama no nifikitra tamin’ny tsy hanambadian’Isaka vehivavy Kananita, ary ohatra tsara ho an’iza izany amin’izao androntsika izao (1 Korintiana 7:39)?
5 Ny fitantarana dia misokatra amin’ny resadresaka, ka mandritra izany Abrahama dia manome toromarika ny mpiadidy ny ao an-tranony, angamba Eliezera (Genesisy 15:2; 24:2). “Fa hampianianiko amin’i Jehovah (...) hianao, hoy Abrahama, fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita izay iraisako monina; fa any amin’ny tanin-drazako sy amin’ny havako no halehanao haka vady ho an’Isaka zanako.” — Genesisy 24:3, 4.
6 Nahoana Abrahama no nifikitra erỳ amin’ny tsy hanambadian’ny zanany vehivavy Kananita? Satria ny Kananita dia taranak’i Kanana izay nozonin’i Noa (Genesisy 9:25). Ankoatra izany, izy ireo dia nalaza noho ny fanaony simba, ary indrindra indrindra tsy nivavaka tamin’i Jehovah izy ireo (Genesisy 13:13; Levitikosy 18:3, 17-28). Takatra àry ny nanirian’i Abrahama hanambadian’ny zanany vehivavy avy amin’ny havany, dia taranak’i Sema izay nanononan’i Noa tsodrano avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra (Genesisy 9:26). Izany dia ohatra tsara tokoa ho an’ny kristiana izay mihevitra ny hanambady amin’izao androntsika izao. — Deoteronomia 7:3, 4.
7. Ahoana no nanomanan’i Abrahama an’i Eliezera ho amin’ny asa nanirahana azy?
7 Niainga àry Eliezera hanao dia 800 kilaometatra mahery hatrany Mesopotamia. Niainga izy rehefa avy niomana fatratra, niaraka tamin’ny rameva folo nivesatra fanomezana (Genesisy 24:10). Ambonin’izany, dia afaka nieritreritra ireto tenin’ny tompony izay nampiorina ny finoany ireto izy: “Jehovah Andriamanitry ny lanitra, (...) Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ny zanako.” — Genesisy 24:7.
8, 9. a) Inona no niseho rehefa tonga tany amin’ny tanànan’i Nahora i Eliezera? b) Fisedrana inona no nahafahany nahita vady tsara ho an’Isaka?
8 Tamin’ny farany dia tonga tany amin’ny tanànan’i Nahora, any avaratr’i Mesopotamia, izy. Nampandohalehiny teo akaikin’ny fantsakana teo ivelan’ny tanàna ny rameva sasatra. Fotoana fantsakan’ny vehivavy rano tamin’izay — fahafahana tsara tokoa ho an’i Eliezera hitadiavana izay ho vadin’Isaka! Tokony ho vehivavy hanao ahoana anefa izy io? Ny mahafatifaty indrindra ve? Tsia. Alohan’ny zavatra rehetra, dia nitady vehivavy izay nanana toetra nankasitrahan’Andriamanitra Eliezera. Izany no asehon’ny vavaka feno fanetren-tena nataony tamim-pinoana tamin’izay: “Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko. Indro, mijanona eto anilan’ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano; koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.” — Genesisy 24:11-14.
9 Izany dia fisedrana nampiharihary zavatra tokoa. Araka ny Firaketana Vaovao britanika, ny rameva iray nangetaheta be dia afaka misotro ‘rano 95 litatra ao anatin’ny 10 minitra’. Na dia tsy nangetaheta toy izany aza ny ramevan’i Abrahama, dia fantatry ny vehivavy tamin’izany fotoana izany tokoa fa mahery misotro rano ireny biby ireny. Tsy maintsy ho vehivavy vonona hanompo tokoa sady mahafoy tena no be herim-po àry vao hanolo-tena hampisotro rano ny rameva folon’ny olon-tsy fantatra iray.
10, 11. a) Tamin’ny fomba miavaka ahoana no namaliana ny vavak’i Eliezera? b) Ahoana no nampisehoan-dRebeka toetra faniry? d) Inona no nataon’i Eliezera tamin’izay?
10 Mbola tsy nifarana akory ny vavaka nataon’i Eliezera dia voavaly sahady satria manambara ny fitantarana hoe: “Indro, tamy Rebeka (...). Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra. Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho. Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy. Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro. Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin’ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray [niverimberina, MN ] izy nankeo amin’ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an’ny ramevany rehetra izy.” — Genesisy 24:15-20.
11 “Nandinika azy tsara” Eliezera; voavaly tamin’ny fomba nahagaga ny vavaka nataony. Rehefa avy nampisotro rano ny rameva ilay tovovavy mendri-piderana, dia novaliany soa tamin’ny nanolorany azy kavin’orona sy haba fehin-tanana volamena, ary avy eo dia nanontany azy izy hoe: “Zana-jovy moa hianao?” Rehefa fantany fa zafikelin-drahalahin’i Abrahama izy, dia niankohoka teo anatrehan’i Jehovah i Eliezera mba hivavaka taminy tamim-panajana, ary hoy izy: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin’ny tompoko, fa izaho dia notantanan’i Jehovah teny an-dàlana ho atỳ an-tranon’ny havan’ny tompoko.” — Genesisy 24:21-27.
12. Inona no famaranan-kevitry ny fianakavian-dRebeka?
12 Nihazakazaka Rebeka nitantara tao an-tranony ireo zavatra ireo. Tato aoriana, rehefa ren’ny ray sy ny anadahin-dRebeka ny tenan’i Eliezera mihitsy nanazava taminy ny anton-diany sy ny fomba namalian’i Jehovah ny vavaka nataony, dia nanaiky tsy tamim-pisalasalana izy ireo ny hahatongavan-dRebeka ho vadin’Isaka. “Ary rehefa nandre ny tenin-drizareo ilay mpanompon’i Abrahama, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jehovah izy. Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.” — Genesisy 24:52, 53.
Ny fihetsik’ilay ho vady sy ireo mpanompovaviny
13. Inona no nanamarina fa nanao safidy tsara Jehovah?
13 Ahoana no niheveran-dRebeka ny tombontsoa nananany ho voafidin’Andriamanitra mba ho tonga vadin’Isaka? Ny ampitson’iny dia nisy fisehoan-javatra iray nampiharihary ny fihetseham-pony lalina. Koa satria vita ny anton-diany dia naniry hiverina any amin’ny tompony tsy hitaredretra i Eliezera. Ny fianakavian-dRebeka anefa dia naniry mbola hitazona azy folo andro fara fahakeliny. Nanontaniana àry Rebeka raha vonona handeha avy hatrany. “Handeha aho”, hoy izy. Tamin’ny nanekeny handao ny fianakaviany avy hatrany sy handeha ho any an-tany lavitra mba hanambady lehilahy izay tsy mbola hitany mihitsy, dia naneho finoana niavaka ny fitarihan’i Jehovah izy. Izany dia nanamafy fa tsara ny safidin’Andriamanitra. — Genesisy 24:54-58.
14. a) Iza no niaraka tamin-dRebeka? b) Karazana dia inona no niandry azy ireo?
14 Tsy niainga irery Rebeka. Hoy ny fitantarana: “Ary niainga Rebeka mbamin’ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva.” (Genesisy 24:61). Tamin’izay dia nanao dia nampidi-doza teo amin’ny 800 kilaometatra mahery teo amin’ny faritanin’olona ilay andian’olona. Araka ilay boky hoe Ny tontolon’ny biby (anglisy), “ny hafainganam-pandehan’ny rameva mitondra entana dia eo amin’ny 4 kilaometatra isan’ora eo ho eo amin’ny antsalany”. Raha nandeha tamin’izany famindra izany ny ramevan’i Abrahama adiny valo isan’andro, dia nila 25 andro mahery izy ireo mba hahatongavana tany amin’ny nalehany tao Negeba.
15. a) Ohatra tsara dia tsara inona no navelan’i Eliezera sy Rebeka ary ireo mpanompovaviny ho antsika? b) Inona no asehon’ireny fisehoan-javatra ireny?
15 Nitoky tanteraka tamin’ny fitarihan’i Jehovah Eliezera sy Rebeka ary ireo mpanompovaviny. Ohatra tsara ho an’ny kristiana amin’ny andro ankehitriny tokoa re izany (Ohabolana 3:5, 6)! Ambonin’izany, dia mahaforona tantara ara-paminaniana manaitra ny saina izay manatanjaka ny finoantsika io fitantarana io. Araka ny nahitantsika azy, Abrahama dia mampiseho an’i Jehovah Andriamanitra izay nanolotra ny Zanany malala, ilay Isaka lehibe, mba hahafahan’ny olombelona mpanota mahazo ny fiainana mandrakizay (Jaona 3:16). Nomanina ny fanambadian’Isaka tsy ela taorian’ny nitsimbinana ny ainy teo amin’ny alitara fanaovana fanatitra. Izany dia mampiseho ara-paminaniana ny fanomanana ny fampakaram-bady any an-danitra, izay tena nanomboka taorian’ny nitsanganan’i Jesosy.
Ny fampakaram-badin’ilay Isaka Lehibe
16. a) Nahoana no mampiseho tsara ny fanahy masin’Andriamanitra ilay mpanompon’i Abrahama? b) Fanontaniana inona no mitranga mikasika ny fanahy sy ny ampakarina?
16 Ny dikan’ny hoe Eliezera dia “Famonjena ny Andriamanitro”. Ny hevitry ny anarany ary koa ny asany dia nahatonga an’i Eliezera ho ohatra mety tsara ny amin’ny fanahy masin’ilay Abrahama Lehibe, Jehovah Andriamanitra, fanahy masina izay nalefany tatỳ an-tany lavitra, dia ny tany, mba hifidianany tetỳ, vady mendrika iray ho an’ilay Isaka Lehibe, Jesosy Kristy (Jaona 14:26; 15:26). Ny kilasin’ny ampakarina dia “ny fiangonana” na kongregasiona, izay voaforon’ireo mpianatr’i Jesosy nateraky ny fanahy masina, mba ho zanak’Andriamanitra ara-panahy (Efesiana 5:25-27; Romana 8:15-17). Tahaka ny nahazoan-dRebeka fanomezana lafo vidy, dia tahaka izany koa fa nahazo fanomezana mahagaga nanamafy ny fiantsoan’Andriamanitra azy tamin’ny andro Pentekosta taona 33 ireo mpikambana voalohany tamin’ny kongregasiona kristiana (Asa. 2:1-4). Tahaka an-dRebeka dia nafoiny an-tsitrapo izay rehetra nampiray azy tamin’izao tontolo izao sy ny fatorana ara-nofo rehetra, mba hahatafaray azy amin’ny Vadiny any an-danitra amin’ny farany. Hatreo amin’ny fotoana niantsoana azy ireo ka hatramin’ny fahafatesany, ireo anisan’ny kilasin’ny ampakarina dia tsy maintsy mitahiry ny fahadiovany ara-panahy mandritra ny diany eo anivon’izao tontolo izao mampidi-doza sy mpanangolin’i Satana (Jaona 15:18, 19; 2 Korintiana 11:3; Jakoba 4:4). Nofenoina ny fanahy masina ny kilasin’ny ampakarina, ka manasa amim-pahatokiana ny hafa mba handray soa avy amin’ireo fandaharana nataon’i Jehovah ho famonjena azy (Apokalypsy 22:17). Moa ve ianao manaraka ny ohatra nomeny amin’ny fanekena koa ny fitarihan’ny fanahy?
17. a) Inona no asehon’ny rameva folo? b) Fihetsika inona no tokony hananantsika eo anoloan’ny Baiboly sy ireo boky manazava ny Baiboly omanin’ny kilasin’ny ampakarina (Asa. 17:11)?
17 Ny kilasin’ny ampakarina dia mihevitra ho zava-dehibe izay asehon’ny rameva folo. Ao amin’ny Baiboly, ny isa folo dia manambara ny fahatanterahana na ny toetr’izay feno mifandray amin’ny zavatra etỳ an-tany. Azo oharina amin’ny rameva folo ny Tenin’Andriamanitra, izay sady feno no tanteraka, ka amin’ny alalany no mandray ny sakafo sy fanomezana ara-panahy ny kilasin’ny ampakarina (Jaona 17:17; Efesiana 1:13, 14; 1 Jaona 2:5). Momba ny tantaran’ny nampisotroan-dRebeka ny rameva, Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 may 1949 dia manorina izao mifanitsy amin’ny olona anisan’ny kilasin’ny ampakarina manaraka izao: “Heverin’izy ireo amim-panajana ny Tenin’Andriamanitra izay manome azy ireo tapany lehibe amin’io fanahy io. Mahaliana azy ireo ny Teny voasoratr’Andriamanitra ka mandroso izany izy ary manavao izany fahalianana izany amin’ny fanekena ny Teny, amin’ny fampisehoana ny [fankasitrahany] feno fahatsorana noho ny hafatra ao anatiny sy ny zava-kendreny ary amin’ny fitadiavana hahafantatra azy.” Ohatra, amim-pitiavana, ny sisa amin’ny kilasin’ny ampakarina dia nanomana ho an’ny olona an-tapitrisany maro, fandikan-tenin’ny Baiboly iray araka ny toetr’andro: Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao (frantsay). Na misy na tsia amin’ny fiteninao io fandikan-teny tsara dia tsara io, moa ve ianao mampiseho ny fankasitrahanao, amin’ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly sy ireo boky fianarana omen’ny kilasin’ny ampakarina? — 2 Timoty 3:16.
Manakaiky ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry
18. Nahoana no mampiseho tsara ireo izay manompo eo anilan’ny ampakarina amin’izao androntsika izao ireo mpanompovavin-dRebeka?
18 Raha mbola miaina ny androny farany ny tontolon’i Satana, dia misy “olona betsaka” azo oharina amin’ny ‘ankizivavin-dRebeka’ miaraka amin’ny sisa amin’ny kilasin’ny ampakarina. Tahaka izay niseho tamin-dRebeka, ny isany dia mihoatra lavitra noho ny an’ny mpikambana amin’ny kilasin’ny ampakarina, izay 144 000 amin’ny fitambarany. Mahaforona ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” an’i Jesosy Kristy izy ireo (Apokalypsy 7:4, 9; Jaona 10:16). Amin’ny maha-mpanompovavy mahatokin’ny ampakarina azy, ireny olona ireny dia tokony hitandrina koa mba tsy ho voaloton’izao tontolo izao ratsy tapahin’i Satana. Ilaina koa ny manaiky hotarihin’ny fanahin’i Jehovah sy ny Teniny, izay hazavain’ny kilasin’ny ampakarina aminy. Ho hafa anefa ny valisoany. Raha manohy manohana amim-pahatokiana ny ampakarin’i Krisy izy ireo, dia ho tafita velona amin’ny faran’izao tontolo izaon’i Satana ka hanana ny fahatsinjovan-javatra kanto, dia ny hiaina mandrakizay eto ambonin’ny tany voaova ho paradisa. — Apokalypsy 21:3, 4.
19. Inona no niseho rehefa tonga tamin’ny nalehany Rebeka sy ireo mpanompovaviny?
19 Tonga soa aman-tsara ve i Rebeka sy ireo “ankizivaviny”? Eny. Mitantara ny Baiboly hoe: “Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrerỳ nisy rameva avy manatona. Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an’Isaka; dia nidina faingana niala tamin’ny rameva izy.” Taorian’ny nitantaran’i Eliezera ny fomba nahombiazan’ny diany dia nampakatra an-dRebeka ho vadiny Isaka ary “tia azy izy”. — Genesisy 24:63-67.
20. Antom-pifaliana inona no asehon’ny fanambadian’Isaka?
20 Tahaka izany koa, fa ny fikasan’i Jehovah momba ny ampakarin’i Kristy dia tsy maintsy hahomby (Isaia 55:11). Koa satria tsy ho ela izao, rehefa ho notsaraina sy nofoanana Babylona Lehibe, ireo mpikambana farany amin’ny sisa amin’ny kilasin’ny ampakarina dia hamarana ny diany. Ho tonga amin’izay ny fotoana hisarahany amin’ireo namany izay nanompo teo anilany, mba hampiraisina amin’ilay Isaka Lehibe ao amin’ny fampakaram-bady any an-danitra. Ho antom-pifaliana tokoa re izany eo amin’izao rehetra izao! — Apokalypsy 19:6-8.
21. Raha mbola manatona ny fankalazana ny fampakaram-bady any an-danitra, inona no tokony hataontsika rehetra?
21 Eo am-piandrasana, dia olona an-tapitrisany maro no voatahy amin’ny fandraisana tsara ny fanompoana tanterahin’ireo anisan’ny sisa amin’ny ampakarina, izay mihavitsy. Alohan’ny hamaranan’izy rehetra ny fiainany eto an-tany ao amin’ny fahafatesana, dia hanamarika ny fiantombohan’ny “fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao” ny fandringanana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso azo oharina amin’ny vehivavy janga iray. Mihafohy ny fotoana sisa tavela. Raha maniry ho tafita velona ianao dia tsy maintsy mankatò ireo didin’Andriamanitra mihitsy (Matio 24:14, 21; Marka 13:10; Lioka 21:15; Jaona 13:34). Ireny didy ireny dia misy heviny lehibe miavaka indrindra amin’izao androntsika fanapahan-javatra izao. Na anisan’ny sisa amin’ny kilasin’ny ampakarina ianao na anisan’ny “olona betsaka” amin’ireo izay manompo eo anilany, dia manohiza manaiky an’i Jehovah. Amin’izany ianao dia handray anjara amin’ny fanomezam-boninahitra azy ary hahazo antoka ny amin’ny fahasambaranao mandrakizay. Fifaliana toy inona tokoa moa amin’izay ho an’ireo anisan’ny vahoaka betsaka ny hoe ho velona rehefa ‘hanavao ny zavatra rehetra’ Jehovah, izay efa mihevitra azy ireo sahady ho tahaka ny sakaizany ary hitondra soa mandrakizay ho an’ny olona an-tapitrisany maro eto an-tany voaova ho paradisa! — Apokalypsy 21:5; 22:1, 2, 17.
Tadidinao ve?
◻ Fisehoan-javatra manaitra inona avy no tsy maintsy hitranga tsy ho ela?
◻ Inona no manome antoky ny fahombiazana tanteraky ny fampakaram-bady any an-danitra?
◻ Azo oharina amin’inona i Eliezera sy ny rameva folo?
◻ Amin’izao androntsika izao, iza no mifanitsy amin-dRebeka sy ny mpanompovaviny?
◻ Inona no ampahafantarin’ireo fisehoan-javatra izay nitarika ho amin’ny fanambadian’Isaka antsika?